Tahirim-pitaovana
Lesona 128: 3 Nefia 19


Lesona 128

3 Nefia 19

Fampidirana

Rehefa nahavita ny fitsidihany voalohany ny Nefita ny Mpamonjy dia niparitaka tamin’ny vahoaka nandritra ny alina ny vaovao. (Ireo zavatra nitranga voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 11–18 dia nitranga tao anatin’ny andro iray avokoa.) Nandritra ny alina, ny vahoaka dia nilofo “fatratra … mba hahatongavany eo amin’[ilay] toerana” izay hisehoan’ny Mpamonjy indray “ … ny ampitso” (3 Nefia 19:3). Ny maraina dia nampianatra ny vahoaka sy nivavaka niaraka taminy ireo mpianatra roambinifolo. Niseho i Jesoa Kristy ary nandidy ny vahoaka hivavaka Izy nandritra ny fotoana nivavahany tamin’ny Ray ho azy ireo. Noho ny finoan’ireo mpianatra roambinifolo dia nodiovina izy ireo. Nivavaka i Jesoa mba ho lasa iray miaraka Aminy sy ny Rainy any an-danitra ireo mpianatra sy ireo rehetra izay hino ny tenin’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 19:1–14

Nanompo ireo vahoaka tahaka ny nandidian’ny Mpamonjy azy ireo mpianatra roambinifolo

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina izay zavatra mety hataony na ny zavatra mety ho tsapany raha fantany fa i Jesoa Kristy dia ho tonga ao amin’ny tempoly rahampitso (na foiben’ny tsatòka, na lapan’ny tanàna, na toerana iray hafa izay mitaky ezaka avy amin’ireo mpianatra ny fandehanana any).

  • Ahoana no hahatongavanao any?

  • Iza no tianao hiaraka handeha aminao?

  • Inona no hataonao mba hiomanana hiaina izany zavatra izany?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa akaiky hifarana ny fitsidihan’ny Mpamonjy ireo Nefita tamin’ny andro voalohany, dia namporisihiny ny vahoaka mba handeha ho any amin’ny tranon’izy ireo ka hisaintsaina sy hivavaka momba ny fampianarany, mba hiomanan’izy ireo ho amin’ny fitsidihany ny ampitso (jereo ny 3 Nefia 17:3). Angataho ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 19:1–3 mba hitady ny fihetsik’ireo Nefita nanoloana ny fampanantenana nataon’ny Mpamonjy fa hiverina izy ny ampitso. Rehefa avy manao tatitra momba ny zavatra hitany ny mpianatra dia fintino ny 3 Nefia 19:4–8 amin’ny fanazavana fa taorian’ny niangonan’ny valalabemandry ny ampitso, dia nozarain’ireo mpianatra roambinifolo ho andiany roa ambin’ny folo ny vahoaka ary nanomboka nampianariny izy ireo. Rehefa avy nanome torolalana ny valalabemandry mba handohalika hivavaka ny mpianatra roambinifolo dia nivavaka ihany koa izy ireo ary avy eo dia nampiantra ny vahoaka ireo fahamarinana izay nampianarin’ny Mpamonjy ny omalin’io. Avy eo dia nandohalika nivavaka indray ireo mpianatra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 19:8–9. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nangatahan’ny mpianatra tamin’ny vavaka nataony.

  • Inona no tena nirian’ireo mpianatra?

  • Ireo mpianatra roambinifolo no handeha hitantana ny raharahan’ny Fiangonan teo anivon’ny Nefita taorian’ny nandehanan’ny Mpamonjy. Nahoana izy ireo, araka ny eritreritrao, no nila ny Fanahy masina tamin’ny asa fanompoana nataony?

  • Inona ireo zavatra vitsivitsy tena irianao indrindra ao amin’ny vavaka ataonao?

  • Mangataka ny Fanahy Masina ve ianao? Nahoana no eny na tsia?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 19:10–12. Rehefa avy mamaky izy, dia hazavao fa io batisa faharoa io dia toe-javatra iray miavaka. Na dia efa natao batisa aza ireo Nefita tany aloha ho famelan-keloka sady mendrika ny ho eo anatrehan’i Jesoa Kristy, dia nandidy azy ireo ny Mpamonjy mba hatao batisa indray satria nanorina indray ny Fiangonana Izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 19:13–14. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ireo fitahiana noraisin’ireo mpianatra ho valin’ny faniriana tsara nananany. Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny faniriany hahazo ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany, dia ataovy ity asa manaraka ity:

Ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra. Angataho ny mpiara-miasa tsirairay hitanisa ao amin’ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina ireo zavatra ataon’ny Fanahy Masina amin’ireo izay miaina am-pahamendrehana. Avy eo dia asao ny mpianatra hampitaha ny lisitra nosoratany amin’ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. (Alohan’ny fotoam-pianarana dia manaova tahadikan’ilay fanambarana na soraty eny amin’ny solaitrabe izany.) Asaivo ampian’ireo mpianatra izay hevitra vaovao hitany ny listira nataony rehefa mamaky ilay fanambarana izy ireo.

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ny Fanahy Masina … no loharanon’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka. …

“Mila ny Fanahy Masina ho namantsika mandrakariva isika mba hanampy antsika hanao safidy tsaratsara kokoa amin’ny fanapahan-kevitra izay manoloana antsika isan’andro. … Ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina dia hanome azy ireo [ireo tanora] ny hery hanoherana ny ratsy sy, rehefa ilaina izany, dia hibebaka ary hiverina amin’ny lalana ety sy tery. … Samy mila ny fankaherezana izay mety ho azontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika rehetra. … Ny fananana ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia manampy ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hanao safidy hendry— safidy izay hanampy azy ireo hiverina miaraka amin’ny fianakaviany ho any amin’ny Rain’izy ireo any an-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany, mba hiaina miaraka amin’Izy ireo mandrakizay” (“The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Ensign, Nôv. 2000, 8).

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fitahiana ao amin’ny lisitra nataonao an’ireo tanoran’ny Fiangonana?

Asao ny mpianatra hijery indray ilay lisitry ny fitahiana izay nosoratany ary hisaintsaina izay zavatra tokony hataontsika mba hahazoana ireo fitahiana ireo. Asao izy ireo hamaky mangina ny 3 Nefia 19:9, 13 mba hitady fitsipika iray mikasika ny fahazoana ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Asaivo soratan’ireo mpianatra ilay fitsipika hitany. Angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany. (Mety hizara zavatra toy izao ny mpianatra: Ny faniriantsika sy ny vavaka ataontsika am-pahamarinana dia afaka hahatonga antsika ho mendrika ny ho heniky ny Fanahy Masina)

  • Oviana ny fanirianao sy ny vavakao am-pahamarinana no nanampy anao hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity. Asao ny mpianatra hanoratra ity ampaham-pehezanteny ity ary avy eo dia hameno izany amin’ny tenin’izy ireo manokana.

Hasehoko ny Ray any an-danitra ny faniriako hanana ny Fanahy Masina hiaraka amiko amin’ny …

3 Nefia 19:15–36

Ny Mpamonjy dia niseho sy nivavaka ho an’ny vahoaka mba hodiovina amin’ny alalan’ny finoany izy ireo

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 19:15–16. Hamafiso fa rehefa nandohalika ny vahoaka dia nahita an’i Jesoa Kristy nanao vavaka telo miavaka ho an’ireo mpianany sy ny valalabemandry izy ireo. (Hazavao fa handalina ilay vavaka fahatelo nataon’ny Mpamonjy ny mpianatra rehefa avy eo mandritra ny lesona.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pianarana (na omano amin’ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra tsirairay izany):

3 Nefia 19:17–18, 24–26, 30

3 Nefia 19:19–23

3 Nefia 19:27–29

Inona no azontsika hianarana momba ny vavaka avy amin’io andinin-tsoratra masina io?

Ahoana no hampiharanareo ny zavatra nianaranareo tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny vavaka ataonareo manokana?

Zarao ho vondrona ahitana mpianatra telo avy ireo mpianatra. (Raha vitsy ny mpianatrao dia azonao zaraina ho vondrona kelikely kokoa izy ireo.) Asaivo mamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra iray isaky ny vondrona. Ampahafantaro ny mpianatra fa tokony ho vonona hamaly ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe avokoa ny rehetra ao amin’ny vondrona misy azy.

Rehefa tapitra ny fotoana sahaza izany dia angataho ny mpianatra hizara ny valinteniny amin’ireo mpianatra hafa ao amin’ny vondrona misy azy. Miomana hamaly raha toa ireo mpianatra ka manontany ny antony nivavahan’ireo mpianatra tamin’ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 19:18). Hamafiso fa tamin’io fotoana io ihany ny mpianatra no nivavaka tamin’i Jesoa Kristy satria niaraka tamin’izy ireo Izy amin’ny maha solontenan’ny Ray Azy (jereo ny 3 Nefia 19:22).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 19:31–34. Asao hanaraka sy hamaky ny mpianatra mba hitady ny antony nahatonga ny vahoaka ho talanjona indrindra tamin’ny vavaky ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hanao tatitra ny zavatra hitany. Raha toa ireo mpianatra ka mety hianatra fahamarinana maro avy amin’izy samy izy rehefa mifampizara dia hanantitrantitra fitsipika roa izay mety ho hitany mandritra ny fandalinany ity asa atao ity.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, …

Angataho ny mpianatra hamerina hamaky mangina ny 3 Nefia 19:28 mba hitady ireo fomba hamenoana ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe. (Asao ny mpianatra hanoratra ny valinteniny. Fomba iray azon’ny mpianatra hamenoana ilay fehezanteny ny toy izao: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia azo diovina.)

  • Inona no dikan’ ny hoe diovina? Ahoana no hanampian’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy antsika ho madio?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampiharan’ireo mpianatra finona nandritra ireo zavatra nitranga ao amin’ny 3 Nefia 19?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa diovin’ny Fanahy Masina isika, dia ampahatsiahivo azy ireo fa nandray ny Fanahy Masina ireo mpianatra ary “heniky … ny afo” izy ireo (3 Nefia 19:13). Hazavao fa ny fehezanteny hoe “heniky … ny afo” dia tandindona, izay milaza ny fitahiana azo amin’ny fanadiovana amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Angataho ny mpianatra hamaky mangina indray ny 3 Nefia 19:23, 29 mba hitady fitahiana hafa iray izay azon’ireo izay manana ny Fanahin’ny Tompo miaraka aminy. (Rehefa avy mamaky ny mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ao amin’ireo andinin-tsoratra masina roa ilay fehezanteny hoe “mba hahatonga antsika ho iray.”)

  • Ahoana no maha iray an’i Jesoa Kristy sy ny Ray? (Misaraka izy ireo, manana vatana, saingy iray amin’ny tanjona sy ny fotopampianarana. Miray hina tanteraka izy ireo ary manatanteraka ny drafitry ny famonjena masin’ny Ray any an-danitra.)

  • Midika inona amintsika ny hoe lasa iray ihany miaraka amin’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka?

  • Inona no ianarantsika ao amin’ny 3 Nefia 19:23, 29 mikasika ny fomba ahafahantsika ho tonga iray miaraka amin’Izy ireo? (Amin’ny alalain’ny finoana dia afaka ny ho voadio isika ary ho tonga iray miaraka amin’i Jesoa Kristy, tahaka ny maha iray Azy miaraka amin’ny Ray.)

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Angataho ny mpianatra hihaino ny fomba ahafahantsika ho iray miaraka main’ny Ray sy ny Zanaka:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Nahatontosa ilay firaisam-po tonga lafatra tamin’ny Ray i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanekeny manokana, ny vatany sy ny fanahiny, hanao ny sitrapon’ny Ray. Ny asa fanompoana nataony dia nifantoka mazava tsara hatrany satria tsy nanana eritreritra na faniriana izay tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’ny Ray Izy ka mety nahatonga Azy hiroaroa saina. Raha niresaka momba ny Rainy i Jesoa dia nilaza hoe: “Izaho manao izay sitrany mandrakariva” (Jaona 8:29). …

“Azo antoka fa tsy ho iray miaraka amin’Andriamanitra sy Kristy isika raha tsy ny sitrapony sy ny zavatra mana-danja Amin’izy ireo no iriantsika indrindra. Tsy ho azo ao anatin’ny indray andro ny fankatoavana toy izany, saingy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia hitantana sy hampianatra antsika ny Tompo raha toa isika ka manaiky, rehefa mandeha ny fotoana, mandrapitenenana marina fa ao amintsika Izy tahaka ny maha ao Aminy ny Ray” (“That They May Be One in Us,” Ensign, Nôv. 2002, 72, 73).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 19:35–36 ary hisaintsaina ny herin’ny vavak’izy ireo manokana. Omeo toky ireo mpianatra fa isika koa dia afaka hanana traikefa ara-panahy lehibe kokoa ary hitombo mba ho lasa iray miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka raha mampitombo ny finoantsika isika sy mivavaka amin-kitsipo mba hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 19:10–13. Natao batisa indray

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanazava ny antony nilan’ny Nefita ho atao batisa indray:

“Tsy misy mahagaga amin’ny hoe rehefa tonga tany amin’ireo Nefita ny Tompo dia natao batisa i Nefia sy ireo olona hafa rehetra na dia efa natao batisa aza izy ireo taloha.

“Ny Fiangonana teo anivon’ny Nefita talohan’ny nahatongavan’i Kristy dia tsy tao amin’ny fahafenoany ary teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy. Namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoana ny Mpamonjy ary nanome azy ireo ny ôrdônansy sy ny fitahian’ny filazantsara rehetra. Noho izany dia lasa rafitra vaovao izany, ary tamin’ny alalan’ny batisa no nidiran’izy ireo tao amin’izany.

“Misy toe-javatra mitovy amin’izany amin’izao fotoam-pitantanana misy antsika izao. Ny Mpaminany Joseph Smith sy Oliver Cowdery dia natao batisa tamin’ny alalan’ny Anjely Jaona Mpanao Batisa. Maro ireo hafa izay vita batisa talohan’ny nananganana ny Fiangonana. Na izany aza, tamin’ny andro nananganana ny fiangonana dia natao batisa indray ireo rehetra izay efa vita batisa, tsy ho famelan-keloka, fa hidirana ao amin’ny Fiangonana. Amin’ny lafiny tsirairay dia mitovy ny antony” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 3:205–6).

3 Nefia 19:18,22. “izy ireo dia nivavaka tamin’i Jesoa”

Avy amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany, dia fantatsika fa Andriamanitra Ray ihany no tokony hivavahantsika sy hitsaohantsika. Tsy tokony hivavaka amin’i Jesoa Kristy isika. Ohatra, ny Mpamonjy dia nanmpianatra ny Nefita hoe: “Tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo” (3 Nefia 18:19). Na izany aza, fotoana fohy taorian’ny nampianaran’ny Mpamonjy izany, dia nivavaka mivantana taminy ireo mpianany Nefita (jereo ny 3 Nefia 19:18). Nanao izany izy ireo, hoy Izy, satria niaraka tamin’izy ireo Izy (jereo ny 3 Nefia 19:22). Ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa izany dia tranga maningana — toe-javatra hafa kely:

“Nisy antony manokana nanaovana izany tamin’io fotoana io irery ihany. Efa nampianatra azy ireo hivavaka amin’ny Ray amin’ny anarany i Jesoa, ary izay no nataon’izy ireo tamin’ny voalohany. … Teo anoloan’izy ireo i Jesoa, toy ny tandindon’ny Ray. Ny fahitana azy dia toy ny nahita ny Ray; ny nivavaka taminy, dia toy ny nivavaka tamin’ny Ray. Toe-javatra manokana sy hafa kely izany” (The Promised Messiah [1978], 560, 561).

Hamoaka printy