Tahirim-pitaovana
Lesona 19: 1 Nefia 18


Lesona 19

1 Nefia 18

Fampidirana

Rehefa nanaraka ny torohevitry ny Tompo i Nefia sy ny hafa dia nahavita ny fanamboarana ilay sambo ary nandeha niondrana nankany amin’ny tany nampanantenaina. Nandritra ny dian’izy ireo, i Lamàna sy i Lemoela ary ireo zanakalahin’i Ismaela sy ny vadin’izy ireo dia nikomy tamin’ny Tompo. Rehefa nananatra ireo rahalahiny i Nefia dia nofatoran’i Lamàna sy i Lemoela tamin’ny tady izy. Vokatr’izany dia nijanona tsy nandeha ilay Liahona ary tsy afaka nahafantatra ny lalana hanamoriana ny sambo izy ireo. Rehefa notandindomin-doza tamin’ny oram-baratra lehibe ny ain’ny olona rehetra tao anatin’ilay sambo dia nibebaka izy ireo ary namaha an’i Nefia. Nivavaka i Nefia mba hampitoniana ilay tafio-drivotra ary nitarika ny dian’izy ireo nankany amin’ny tany nampanantenaina indray ny Tompo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 18:1–3

Niomana ny hiondrana ho any amin’ny tany nampanantenaina ny fianakavian’i Lehia

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe ny herin’ny Tompo sy ny ezaka ataoko. Asao ireo mpianatra hieritreritra olana iray izay atrehin’izy ireo ankehitriny. Asao izy ireo hifidy hoe iza (ny herin’ny Tompo na ny ezaka ataoko) no mety mahomby kokoa amin’ny famahana ilay olana ary asao izy ireo hanazava ny antony. Aorian’ny fifanakalozan-kevitra fohy dia asao ireo mpianatra hikaroka ireo fomba izay hanampian’ny ohatra nasehon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 18 azy ireo hamaha ireo olana atrehin’izy ireo.

Sary
Tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina i Lehia sy ny Vahoakany

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina i Lehia sy ny Vahoakany (62045; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 71).

Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 18:1–8 amim-pahanginana. Asao izy ireo hitady (1) ny zavatra nataon’i Nefia sy ny fianakaviany hiomana amin’ny diany ho any amin’ny tany nampanantenaina sy (2) ny zavatra nataon’ny Tompo hanampiana azy ireo.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no zava-dehibe ny fahazoan’i Nefia fanambarana “ombieny ombieny”?

  • Ao amin’ny 1 Nefia 18:2–3, inona no hitanao fa hifandraisan’ny asa nataon’i Nefia sy ny fanampiana azony avy amin’ny Tompo?

  • Nahoana no samy nilaina ny fitarihan’ny Tompo sy ny ezaka avy amin’ny tena manokana nataon’i Nefia tamin’ny famitana ilay sambo sy ny fanatontosana ny dia nankany amin’ny tany nampanantenaina?

Asao ireo mpianatra hamintina fitsipika vitsivitsy izay afaka hianarantsika avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia. Rehefa avy nomena fahafahana hitady ireo fahamarinana nianarany ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Mba hanatanterahana izay handidian’ny Tompo dia tokony hikatsaka ny fanampiany sy hanao ezaka avy amin’ny tena manokana isika.

  • Oviana ianareo no nahazo fitarihana na torolalana avy amin’ny Tompo sy nila ihany koa nanao ezaka avy amin’ny tena manokana mba hitandremana ny iray amin’ireo didiny?

Asao ireo mpianatra handray an-tsoratra ny valin’ny fanontaniana etsy ambony avy amin’ny tsirairay avy ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahie ao an-dakilasy.

Ampahatsiahivo fa mila ny fanampian’Andriamanitra avokoa isika rehetra mba hankatò ireo didiny sy hanaraka ireo fitsipiky ny filazantsara voatanisa ao amin’ny Jeunes Soyez Forts. (Azonao atao ny maka sy mamaky ny bokikely Jeunes Soyez Forts mialoha ny fotoam-pianarana.) Amporisiho ireo mpianatra hitady didy iray na fitsipiky ny filazantsara izay tena ilan’izy ireo ny fanampian’Andriamanitra mba hankatoavany izany. Omeo fotoana izy ireo hanoratany ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika (1) ny zavatra azon’izy ireo atao mba hikatsahana ny fanampian’ny Tompo hankatoavana ilay didy sy (2) ny ezaka an’ny tena manokana tokony ho ataon’izy ireo mba hankatoavana izany.

1 Nefia 18:9–25

Nitarika fikomiana i Lamàna sy i Lemoela mba hanakanana ny dia nankany amin’ny tany nampanantenaina

Apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Araka ny hevitrareo, inona avy ireo antony hisedrantsika fitsapana?

Aorian’ny fifanakalozan-kevitra dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona L. Whitney Clayton ao amin’ny Fitopololahy ity. Asao ny iray kilasy hihaino ireo antony nomen’ny Loholona Clayton fa mahatonga antsika hisedra fitsapana manao hoe:

“Amin’ny heviny ankapobeny dia avy amin’ny loharano telo ireo enta-mavesatra eo amintsika. [1] Ny enta-mavesatra sasany dia vokatra tsy maintsy miseho avy amin’ny toe-java-misy eo amin’izao tontolo izao izay iainantsika. Ny aretina, ny kilema ara-batana, ny rivo-doza, ary ny horohoron-tany dia miseho ombieny ombieny vokatry ny fahadisoantsika ihany. …

“[2] Ireo enta-mavesatra hafa dia voatery entintsika noho ny fahadisoan’ny hafa. Ny herisetra sy ny fiankinan-doha dia mahatonga ny tokantrano tsy ho lasa sombin-danitra ety an-tany mihitsy ho an’ireo olona tsy manan-tsiny ao anatin’ny fianakaviana. Ny fahotana, ny fomban-drazana tsy marina, ny fanaovana didy jadona, ary ny heloka dia mampitondra enta-mavesatra olona maro mandritra ny fiainana. …

“[3] Ny fahadisoana ataontsika sy ny tsy fahatanterahantsika dia miteraka ny maro amin’ireo olana eo amin’ny fiainantsika ary afaka mametraka zioga mavesatra eo an-tsorotsika. Ny zioga tena mavesatra indrindra ampitondraintsika ny tenantsika dia ny enta-mavesatry ny fahotana” (“That Your Burdens May Be Light,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 12–13).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo (1) toe-java-misy eto amin’izao tontolo izao, (2) ny fahadisoan’ny hafa, ary (3) ny fahadisoana sy ny tsy fahatanterahan’ny tenantsika.

Hazavao fa taorian’ny nanaovan’i Lehia sy ny fianakaviany ilay dian’izy ireo teny ambonin’ny ranomasina dia nanao safidy ratsy i Lamàna sy i Lemoela ary ny hafa, izay nitondra fitsapana ho an’ny rehetra tao anatin’ny sambo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 18:9. Amporisiho ireo mpianatra hanangana ny tanan’izy ireo rehefa mahare ohatra nasehon’ny olona iray nanao safidy ratsy.

  • Inona no safidy ratsy nataon’i Lamàna, i Lemoela, ny zanakalahin’i Ismaela ary ny vadin’izy ireo? Nahoana izany no ratsy?

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa tsy ratsy ny mandihy, mihaino mozika, na mifalifaly, saingy ity andininy ity dia milaza fa nanao ireo zavatra ireo tamin’ny fomba “kivalavala” i Lamàna sy i Lemoela ary ny hafa (1 Nefia 18:9). Hazavao fa eto amin’ity toe-javatra ity, ny teny hoe kivalavala dia manambara ny tsy fahaiza-miaina sy ny fahasahisahian-dratsy. Ny fahavalo dia afaka mampiasa ny fandihizana sy ny hira ary ny fomba fitenintsika hanimba ny fontsika sy ny saintsika ary hahatonga antsika tsy hanana intsony ny Fanahy Masina ho namana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 18:10.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 18:10, inona no natahoran’i Nefia hitranga raha toa ka tsy nibebaka ireo mpikomy?

  • Inona no nezahin’i Nefia natao hanampiana azy ireo? (Mety hanampy ireo mpianatra ny mahafantatra fa ny teny hoe amin-kitsim-po dia midika hoe amim-pahamatorana.)

Asao ireo mpianatra handinika ny zavatra hataony raha toa mangataka azy ireo hanova ny hira henoiny sy ny fomba fandihiny na ny fomba fiteniny ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana. Amporisiho izy ireo hisaintsaina raha toa izy ireo ka ho vonona ny hihaino sy hiova.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 18:11.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 18:10–11, ahoana no namalian’i Lamàna sy i Lemoela ny torohevitr’i Nefia?

  • Nahoana ny Tompo no namela an’i Lamàna sy i Lemoela hamatotra an’i Nefia?

Asao ny mpianatra maro hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 18:12–14, 17–19. Asao ireo mpianatra hitady ireo teny sy fehezanteny izay maneho ireo vokatry ny fihetsik’i Lamàna sy i Lemoela. Asao ireo mpianatra hitady ireo fitsipiky ny filazantsara izay azony ianarana avy amin’izany tantara izany. Ny iray amin’ireo valinteny dia mety hoe ny fahotana dia mitarika any amin’ny fijaliana ho an’ny tenantsika ihany ary indraindray dia ho an’ny hafa ihany koa. Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ity fitsipika ity dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe:

  • Ahoana no nahatonga ny rehetra ho voakasik’ilay fikomiana nataon’ny olom-bitsy?

  • Ahoana no mety hanembatsembanan’ireo safidy ratsy feno fanoherana ny fahafahantsika mandray fanambarana?

Mandritra izany fifanakalozan-kevitra izany dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Nahita maodelin’ny fanajana fatratra sy ny tsy fanajana ao amin’ny Fiangonana isika. Raha toa ka midera fatratra ny zavatra maro isika dia mivily lalana amin’ny fanajana fatratra. Manana antony ho sahiran-tsaina lalina isika.

“Mihamitabataba hatrany izao tontolo izao. Miha mivaha sy tsy raharahiana ary mikorontana ny fomba fitafy sy ny fomba fihaingo ary ny fitondrantena. Mozika mitabataba … miaraka amin’ny tonon-kira maharikoriko no mirefotra amin’ny alalan’ny fanamafisam-peo. … Ny tsy fanarahan’ireo zavatra ireo ny fitsipika dia mihamahazo bebe kokoa ny fon’ny tanora ary mihamahazo hery hitaomana azy ireo. …

“Ity fironana amin’ny fitabatabana bebe kokoa, fahataitairana bebe kokoa, fifandirana bebe kokoa, famerana kelikely kokoa, fahamendrehana kelikely kokoa, fahalalam-pomba kelikely kokoa ity dia tsy kisendrasendra na tsy manan-tsiny na tsy mampidi-doza.

“Ny baiko voalohany avy amin’ny mpifehy miaramila iray izay manomboka manao fanafihana dia ny fanakanana ireo fomba ahafahana mifandray an’ireo izay kasainy horesena.

“Ny tsy fanajana izany dia manome vahana ny tanjon’ny fahavalo amin’ny alalan’ny fanakanana ireo lalam-pifandraisana hahazoana fanambarana ao an-tsaina sy ao amin’ny fanahy” (“Reverence Invites Revelation,” Ensign, Nôv. 1991, 22).

  • Raha lasa mpikomy sy tsy mpankatò ianareo dia inona no mety ho fiatraikan’izany eo amin’ny fianakavianareo? Inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ireo namanareo? Inona no mety ho fiantraikan’izany ato am-pianaranareo na any amin’ny kôlejy misy anareo?

Avereno resahina indray ireo loharano telo mahatonga ny fitsapana natao lisitra eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa ny sisa tavela amin’ity fizarana ity dia afaka manampy antsika hianatra ny fihetsika tokony hasehontsika rehefa tonga ny fitsapana, na avy amin’ny safidy nataontsika izy ireo na avy amin’ny safidin’ny hafa. Asao ireo mpianatra hamaky tsirairay ny 1 Nefia 18:15–16, 20–23. Amporisiho izy ireo hitady ireo fahamarinana izay azo ampiharina amin’ireo toe-javatra roa ireo. Angataho izy ireo hizara amin’ny teniny manokana ny zavatra nianarany. Mety hahitana izao manaraka izao ny valintenin’izy ireo:

  • Afaka mitodika any amin’Andriamanitra isika ary mitoetra ho mahatoky mandritra ny fizahan-toetra antsika.

  • Afaka manampy antsika hahita fiadanana mandritra ny fizahan-toetra antsika ny vavaka.

Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra dia ataovy izay hanamafisana ny ohatra feno fahamarinana nasehon’i Nefia nandritra ny fotoana nizahan-toetra azy. Asao ny mpianatra iray hamaky ity fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Loholona L. Whitney Clayton ity. Angataho ireo mpianatra hamantatra izay nananaran’ny Loholona Clayton antsika mba ho atao rehefa miatrika fizahan-toetra isika:

“Na toa inona na toa inona ny enta-mavesatra entintsika eo amin’ny fiainana vokatry ny toe-java-misy tsy maintsy miseho, ny fahadisoan’ny hafa, na ny fahadisoana sy ny tsy fahatanterahantsika dia zanaky ny Ray any an-danitra be fitiavana avokoa isika rehetra, izay nandefa antsika ety an-tany ho isan’ilay drafitra mandrakizay nataony mba hitomboantsika sy hivoarantsika. Ny zavatra niainantsika tsirairay izay tsy manan-tsahala dia afaka manampy antsika hiomana hiverina any Aminy. … Tsy maintsy manao izay rehetra vitantsika isika mba hahafahantsika miaritra ’tsara’ ireo enta-mavesatra eo amintsika [jereo ny F&F 121:7–8]. …

“… Fantatro fa rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny fanekempihavanantsika isika dia hanampy antsika amin’ireo ziogantsika Izy. Mampahery antsika Izy. Rehefa mibebaka isika dia mamela antsika Izy ary mitahy antsika amin’ny fiadanan’ny feon’ny fieritreretana sy ny fifaliana” (“That Your Burdens May Be Light,” 13–14).

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny iray amin’ireo fahamarinana izay nianarany avy amin’ity lesona ity.

  • Oviana ianareo no nahita izany fahamarinana izany teo amin’ny fiainanareo na teo amin’ny fiainan’ny olona iray fantatrareo?

Azonao atao ny manampy ny fijoroanao ho vavolombelona fa afaka manampy antsika ao anatin’ny fizahan-toetra Andriamanitra rehefa mahatoky isika ary rehefa mibebaka sy miverina any Aminy isika.

Hamaranana izany dia ampahatsiahivo amin’ireo mpianatra fa na dia eo aza ireo zava-tsarotra natrehin’i Nefia sy ny fianakaviany dia tonga tany amin’ny tany nampanantenaina izy ireo tamin’ny farany. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo isika ary miasa amim-pahazotoana hanaraka izany dia afaka manatontosa amim-pahombiazana ihany koa ny dia nanirahan’ny Tompo antsika ety an-tany mba hiainantsika isika.

Hamoaka printy