Tahirim-pitaovana
Lesona 83: Almà 19–20


Lesona 83

Almà 19–20

Fampidirana

Niaina fiovam-po i Lamônia Mpanjaka, izay nitarika ny vadiny sy ny maro tamin’ireo olony ho amin’ny fiovam-po. Avy eo i Amôna sy i Lamônia Mpanjaka dia nandeha nankany Midônia mba hanafaka ireo rahalahin’i Amôna izay naiditra am-ponja. Teny an-dalana izy ireo dia nifanena tamin’ny rain’i Lamônia izay mpanjakan’ny tany manontolo. Talanjona tamin’ny teny nataon’i Lamônia sy i Amôna ilay mpanjaka, sy tamin’ny herin’i Amôna ary ny fitiavan’i Amôna an’i Lamônia. Nihanalefaka ny fony, ary nanome antoka azy ireo izy fa ho afahany ao an-tranomaizina ireo rahalahin’i Amôna. Naneho faniriana izy ny hianatra mikasika ny teny izay henony avy tamin-janany sy tamin’i Amôna.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 19

Nibebaka ary natao batisa i Lamônia Mpanjaka sy ny maro tamin’ny olony

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Rehefa manipy vato anatin’ny rano miangona ianareo dia inona no zava-mitranga amin’ilay rano?

Rehefa mamariparitra ny vokatry ny vato natsipy tao amin’ny rano ireo mpianatra dia ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary ity, fa aza soratana ireo teny.

Sary
vato ao anaty rano

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Ny fizarantsika ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny fanehoantsika ohatra feno fahamarinana, dia ahafahantsika …

Asao ireo mpianatra hitadidy io fehezanteny io mandritra ny lesona ary handinika ny fomba azony hamenoana izany.

  • Ahoana no mety ahafahan’ny asa ataon’ny olona iray hitovy amin’ilay vato izay natsipy tao anaty rano? (Ampio ireo mpianatra hahita fa, tahaka ireo onja izay miparitaka noho ny vato natoraka, dia afaka ny ho voasariky ny asa ataontsika ihany koa ny olon-kafa.)

Soraty ny hoe Amôna eo amin’ny faribolana voalohany eo amin’ny kisary.

  • Iza no nampianarin’i Amôna voalohany? (Raha toa mila fanampiana ireo mpianatra amin’ny famaliana io fanontaniana io dia azonao atao ny manolotra soso-kevitra ny hijeren’izy ireo indray ny famintinana ny toko ho an’ny Almà 18. Soraty ny hoe Lamônia Mpanjaka eo amin’ny faribolana faharoa eo amin’ny kisary.)

Fintino ny Almà 18:40–43 sy ny 19:1–5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nihaino an’i Amôna i Lamônia Mpanjaka, dia nahatsapa ny naha olona mpanota azy izy sy ny antony ilàny ny Mpamonjy. Nitalaho famindram-po tamin’ny Tompo izy ary avy eo dia niankarapoka tamin’ny tany. Rehefa noheverin’ireo mpanompony fa maty izy dia nobatain’izy ireo tany amin’ny vadiny ary nampandriany teo am-pandriana. Roa andro sy roa alina taty aoriana, efa saika haka ny vatany ho atao any am-pasana ireo mpanompony kanjo niteny ny mpanjaka vavy fa naniry ny hifampiresaka tamin’i Amôna izy. Tsy nino izy fa maty i Lamônia Mpanjaka, ary niriany ny hanatonan’i Amôna azy.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 19:6, sady hitady ny andian-teny izay heverin’izy ireo fa mamariparitra tsara ny zavatra niainan’i Lamônia. Mijere mpianatra vitsivitsy mba hamaky ny andian-teny izay nofidian’izy ireo. Anontanio azy ireo ny antony nisafidianany ireo andian-teny manokana ireo.

Soraty eo amin’ny kisary ny hoe ny mpanjaka vavy eo amin’ny faribolana manaraka. Asaivo misy mpianatra mikaroka ao amin’ny Almà 19:7–11 mba hijery ny fomba fiantraikan’io traikefa io teo amin’ny mpanjaka vavy.

  • Inona ny zavatra azontsika ianarana mikasika ny mpanjaka vavy avy amin’ireo andininy ireo? (Ny valiny dia mety hoe tiany ny vadiny, nahatoky an’i Amôna izy, ary koa hoe nanana finoana lehibe izy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 19:12–14. Asao ireo mpianatra hafa hanaraka hatrany, ary hanome lanja manokana ny fanehoam-pinoan’i Lamônia.

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaran’i Lamônia nandritry ny roa andro lasa?

  • I Lamônia, sy ny mpanjaka vavy ary i Amôna dia “nentanin’ny Fanahy” sy “nentanim-pifaliana.” Oviana ianao no nahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy tamin’ny fomba mahery vaika? Oviana ianao no nahatsapa fifaliana lehibe?

Soraty hoe ireo mpanompon’i Lamônia eo amin’ny faribolana manaraka eo amin’ny kisary. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 19:15–16. Asao ny kilasy hitady porofo fa nitodika tamin’Andriamanitra ireo mpanompo ireo.

  • Inona no teny sy andian-teny izay maneho fa nitodika tamin’Andriamanitra ireo mpanompo ireo?

Soraty hoe Abisa eo amin’ny faribolana manaraka. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 19:17. Asao ny mpianatra hitady ny fomba fiantraikan’ireo zava-niseho ireo teo amin’i Abisa.

  • Inona no nataon’i Abisa? Inona no nantenainy fa hitranga noho ny fihetsika nataony?

Diniho ny hanomezana fahafahana ireo mpianatra mba hamintina ny Almà 19:18–28. Omeo fotoana izy ireo hamakiana amim-pahanginana ireo andinin-tsoratra masina ireo. Avy eo dia manasà olona iray terem-panahy mba hitantara ny tantara amin’ny fombany manokana. Avelao hanampy ireo mpianatra hafa. Raha ilaina dia ampio izy hampiditra ao amin’izany ity fampahalalana manaraka ity: Rehefa avy nandre ny vaovao avy tamin’i Abisa ny vahoaka dia niangona tao an-tranon’ny mpanjaka. Rehefa hitan’izy ireo fa tsy nahatsiaro tena i Amôna sy ny mpanjaka ary ny mpanjaka vavy, dia nisy fifandirana lehibe teo anivony. Nisy lehilahy iray nikasa hamono an’i Amôna saingy lasa maty nitsitra teo am-panandramana ny hanao izany izy. Nanambara ny sasany fa i Amôna no ilay Fanahy Lehibe, ary ny hafa dia nilaza fa bibidia izy. Rehefa hitan’i Abisa ny fifandirana rehetra izay nateraky fanangonany ny olona dia nalahelo mafy izy.

Asaivo dinihin’ireo mpianatra izay mety ho nataon’izy ireo teo amin’ny toeran’i Abisa. Avy eo dia asaivo misy mpianatra iray mamaky mafy ny Almà 19:29.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny zava-bitan’i Abisa ny tanjaky ny fijoroany ho vavolombelona? Ahoana no fomba nanehoan’ny mpanjaka vavy fa nandray fijoroana ho vavolombelona izy?

Vakio mafy ny Almà 19:30–36. Asaivo manaraka tsara ireo mpianatra ary mandinika ny fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny ohatr’i Amôna teo amin’ny hafa.

Soraty hoe Lamanita maro hafa eo amin’ny faribolana farany eo amin’ny kisary.

Asaivo fenoin’ireo mpianatra ilay fehezanteny izay nosoratanao teo amin’ny solaitrabe tany amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana. Ny fitsipika iray izay mety ho hasehon’izy ireo dia hoe amin’ny alalan’ny fizarantsika ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny fanehoantsika ohatra feno fahamarinana no ahafahantsika manampy ny hafa hitodika any amin’ny Tompo.

  • Oviana no nisy ohatra na fijoroana ho vavolombelona nataon’olona iray ka nisy fiantraikany tsara teo aminao?

Asao ireo mpianatra handalina ny fomba ahafahan’ny fijoroany ho vavolombelona sy ny ohatra asehony hanana fiantraikany eo amin’ny fianakaviany sy eo amin’ireo namany ary eo amin’ny fiarahamonina. Asaivo manoratra valiny ho an’ity fanontaniana ity ao amin’ny kahieny izy ireo na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

  • Inona no azonao atao androany ka mety hisy fiantraikany tsara eo amin’ny olona manodidina anao?

Entano ireo mpianatra mba hamela ny teny vavolombelon’izy ireo sy ny ohatra feno fahamarinana asehon’izy ireo hisy fiantraikany eo amin’ny hafa, tahaka ilay vato izay niteraka onja maro teo amin’ny rano. Lazao ireo mpianatra fa amin’ny lesona iray izay ho avy (lesona 85), dia mety hangataka azy ireo ianao hanao tatitra mikasika ny ezaka nataon’izy ireo.

Almà 20

Naniry ny hianatra mikasika ny filazantsara ny rain’i Lamônia Mpanjaka ary nanomboka niaina fiovana tao am-pony

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo fa natao tsinontsinona izy ireo na niharan’ny tsy rariny.

Hazavao fa i Amôna sy i Lamônia dia nisedra toe-javatra izay nanambaniana azy ireo. Mariho fa afaka mianatra lesona manan-danja isika avy amin’ny navalin’izy ireo tamin’ny fomba nandraisana azy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra tsara ny tantara ao amin’ny Almà 20, dia fintino araka izao ny Almà 20:1–7: Nirian’i Lamônia ny hitondra an’i Amôna hihaona amin’ny rainy izay mpanjaka manerana ny tany manontolo. Nanambara tamin’i Amôna ny Tompo fa tsy tokony ho any i Amôna satria mikasa ny hamono azy ny rain’i Lamônia. Nanambara ihany koa ny Tompo fa i Aharôna rahalahin’i Amôna sy ireo namany roalahy dia voafonja any amin’ny tanin’i Midônia. Naniry ny hanafaka ireo rahalahiny i Amôna. Raha naheno i Lamônia fa nahafantatra ireo zavatra ireo tamin’ny alalan’ny fanambarana i Amôna dia nandeha nanampy an’i Amôna izy hanafaka ireo rahalahiny.

Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity na adikao amin’ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra tsirairay mialoha ny lesona:

1. Almà 20:8–13

Inona no fahatsapana mety ho nanananao raha toa teo amin’ny toeran’i Amôna ianao ka nisy olona nanendrikendrika anao ho mpandainga sy mpangalatra?

2. Almà 20:14–16

Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny fihetsik’i Lamônia tamin-drainy?

3. Almà 20:17–25

Rehefa hitan’ny rain’i Lamônia fa afaka mamono azy i Amôna dia inona no natolony an’i Amôna? Inona anefa no nangatahan’i Amôna?

4. Almà 20:26–27

Ahoana no fiantraikan’ny fitiavan’i Amôna an’i Lamônia tamin’ny rain’i Lamônia? Ahoana no fomba fiantraikan’ny tenin’i Amôna sy i Lamônia teo amin’ny rain’i Lamônia?

Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Miaraka amin’ireo namana ireo dia asaivo mamaky ireo andininy izay voatanisa amin’ny andalana 1–2 izy ireo ary mifanakalo hevitra mikasika ireo valin’ny fanontaniana miaraka amin’izany. Entano izy ireo mba ho vonona hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny kilasy iray manontolo.

Rehefa avy nifanakalo hevitra tsiroaroa mikasika ny andalana 1–2 ireo mpianatra dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo mba hitatitra ny zavatra nianarany. Avy eo dia anontanio hoe:

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo? (Mety hizara valiny maro ireo mpianatra, fa ampio izy ireo hahita ity fitsipika manaraka ity: Afaka manambara ny fijoroantsika ho vavolombelona isika amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra na dia mandresy lahatra antsika hanao ny tsy marina aza ny olon-kafa. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanoratra io fitsipika io eo akaikin’ny Almà 20:15.)

Asao ireo ekipa mba handalina ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eo amin’ny andalana faha-3–4 ary hifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana miaraka amin’izany. Asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitany. Avy eo dia anontanio hoe:

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo? (Na dia mety hizara fitsipika samihafa aza ireo mpianatra dia ataovy izay hampazava tsara an’izao manaraka izao: Rehefa maneho fitiavana sy mampianatra fahamarinana isika, dia afaka manampy ny hafa hanalefaka ny fony sy ho mora mandray ny filazantsara. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra mba hanoratra io fitsipika io eo akaikin’ny Almà 20:26–27.)

Asao ireo mpianatra mba hizara ireo zavatra niainan’izy ireo ka maneho ny fahamarinan’ny anankiray amin’ireo fitsipika izay hitan’izy ireo tao amin’ny Almà 20. Azonao atao ihany koa ny mizara ny traikefanao manokana.

Farano amin’ny fanentanana ny mpianatra mba hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy mikasika ny fomba ahazoan’izy ireo mampihatra ireo fitsipika roa ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Hamoaka printy