Tahirim-pitaovana
Lesona 108: Helamàna 5


Lesona 108

Helamàna 5

Fampidirana

Nanohy ny faharatsiany ny Nefita mandra-pisafidianan’ny ankamaroan’izy ireo ny faharatsiana fa tsy ny fahamarinana. Nanolo-tena hitory ny tenin’Andriamanitra i Nefia sy i Lehia. Nampianatra azy ireo mba hahatsiaro ny Mpanavotra azy i Helamàna rainy ary mba hanao Azy ho fototra iorenan’ny fiainany. Rehefa avy nitory teo anivon’ireo Nefita i Nefia sy i Lehia dia nitory teo anivon’ireo Lamanita izay nampiditra azy ireo am-ponja. Navotan’ny Tompo tamin’ny fomba mahagaga izy ireo ary dia nibebaka sy niova fo ao amin’ny filazantsara ny ankamaroan’ireo Lamanita.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 5:1–13

Nanoro hevitra ny zanany lahy i Helamàna mba hitandrina ny didin’Andriamanitra, hitory ny filazantsara ary hahatsiaro ilay hery manavotr’i Jesoa Kristy

Alohan’ny fotoam-pianarana dia manomàna tapa-taratasy enina izay haseho. Tokony hisoratra eo amin’ilay voalohany ny anaranao. Tokony hahitana ireto teny sy andian-teny manaraka ireto ny dimy ambiny: Ray aman-dreny, Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, Mpaminany, Fibebahana mitondra any amin’ny famonjena, ary Mitandrina ny didy.

Omeo tapa-taratasy kely ny mpianatra tsirairay avy. Hazavao fa hampiseho amin’izy ireo vetivety tapa-taratasy enina misy soratra ianao. Dia hosoratan’izy ireo araka ny fitadidian’izy ireo azy ireo teny ireo. Tapa-taratasy iray isaky ny mandeha no asehoy ny mpianatra.

Angataho ny mpianatra mba hanoratra ireo teny izay tadidiny. Dia asehoy indray ireo tapa-taratasy enina ireo. Anontanio hoe:

  • Sarotra ve sa mora ny nitadidy ireo teny na andian-teny ireo?

  • Araka ny eritreritrao, inona no vokatry ny filazana mialoha taminao fa mila mitadidy ny zavatra eo amin’ireo tapa-taratasy ireo ianao?

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball ity. Asao ny mpianatra mba hihaino ny zavatra nolazainy mikasika ny maha zava-dehibe ny fahatsiarovana ireo fampianaran’ny filazantsara noraisintsika:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Raha mitady ilay teny manan-danja indrindra ao anatin’ny rakibolana ianao dia fantatrao ve hoe inona izany? Izany dia mety hoe mahatsiaro na mahatadidy. Satria nanao fanekempihavanana daholo ianareo rehetra—dia fantatrareo ny tokony hatao ary fantatrareo ny fomba hanaovana azy—ny tena ilaintsika atao dia ny mahatsiaro” (“Circles of Exaltation” [lahateny ho an’ny mpampianatra momba ny finoana tao amin’ny DFF, Jona 28, 1968], 5, si.lds.org).

Hazavao amin’ny mpianatra fa androany izy ireo dia hianatra momba ny olona roa izay nitondra fiovana teo amin’ny fiainan’olon-kafa an’arivorivony satria nahatsiaro karazana fahamarinana izy ary nandray andraikitra nifanaraka tamin’izany. Entano ny mpianatra mba hieritreritra mandritra ity lesona androany ity hoe inona no tian’ny Tompo hotsaroan’izy ireo araka ny eritrereriny.

Fintino ny Helamàna 5:1–4. Hazavao fa noho ny faharatsian’ny olona dia niala tsy ho lohan’ny mpitsara i Nefia mba hahafahan’izy sy ny rahalahiny Lehia manokan-tena amin’ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra.

Soraty eo amin’ ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: (Aza ampidirina ireo teny ao anatin’ny fonon-teny.)

Helamàna 5:5–7 (Mitandrina ny didy; mahatsiaro ireo ohatra tsara nasehon’ny razambe.)

Helamàna 5:9–11 (Mahatsiaro ny Sorompanavotan’i Kristy; mahatsiaro fa tsy afaka ny hovonjena ao amin’ny fahotantsika isika fa azo vonjena amin’ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny herin’ny Sorompanavotana.)

Helamàna 5:12 (Tsarovy fa i Jesoa Kristy no tokony ho fototra iorenantsika.)

Asao ny mpianatra mba hamaky ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eny amin’ny solaitrabe, ary hitady ny teny hoe tsarovy na mahatsiaro. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika ilay teny isaky ny miseho izany. Dia omeo minitra vitsy ny mpianatra hamakiany mangina ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hitady ny zavatra tian’i Helamàna mba hotsaroan’ireo zanany lahy. Asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany. Azonao atao ny manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe eny akaikin’ilay soratra masina mifandray amin’izany.

Mba hanampiana ny mpianatra handinika sy hahatakatra ireo andininy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo ohatra tsara nasehon’ny hafa manampy anao hisafidy ny “hanao izay tsara”?

  • Inona no ataonao mba hahatsiarovana ny Sorompavotan’i Jesoa Kristy?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity: Raha toa isika ka … , dia tsy hanana hery eo amintsika i Satana.

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Helamàna 5:12. Angataho ny mpianatra ambiny hanaraka izany ary hitady fomba ahafahan’izy ireo mameno io fanambarana eny amin’ny solaitrabe io. Na dia mampiasa teny samihafa aza ny mpianatra dia ataovy izay hanambaran’izy ireo fa raha manorina ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy hanana hery eo amintsika i Satana. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny ao amin’ny Helamàna 5:12 izay maneho izany fitsipika izany. Mariho fa soratra masina fehezina ny Helamàna 5:12. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika io andinin-tsoratra masina io amin’ny fomba miavaka mba hahafahan’izy ireo mahita amin’ny fomba mora izany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fitsipika ampianarina ao anatin’io andininy io dia manamboara tilikambo na trano iray amin’ny alalan’ny karazan-javatra (toy ny tapatapa-kazo nahitsy na boky) ary mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Nahoana no zava-dehibe ny hananan’ny tranobe iray fototra mafy orina?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manorina ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fampanantenana ho an’ireo izay manorina ny fotony eo amin’ny “vatolampin’ny Mpanavotra”?

  • Inona no azontsika atao mba hanorenana ny fototsika eo amin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny manontany ny mpianatra hoe ahoana no mahatonga ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Helamàna 5:6–11 ho ohatra maneho ny fomba ahafahantsika manorina ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy.)

Azonao atao ny manambara fa ny fanorenana fototra eo amin’ny Mpamonjy dia tsy hanakana ireo fanafihan’i Satana, saingy hanome hery antsika mba hanoherana azy ireo izany.

  • Oviana ianao no afaka nanohitra fakam-panahy na nizaka fitsapana noho ny fiorenan’ny fototrao eo amin’i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny hery azonao noho ny fanorenanao ny fototrao teo amin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy. Omeo fotoana ny mpianatra hanoratany ao anatin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba iray entin’izy ireo hiezahana amim-pahavitrihana bebe kokoa hanorina ny fotony eo amin’ny Mpanavotra azy ireo.

Helamàna 5:14–52

Narovan’ny Tompo i Nefia sy i Lehia tao am-ponja ary Lamanita maro no niova fo

Fintino ny Helamàna 5:14–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitory ny filazantsara tamin-kery lehibe teo anivon’ny Nefita sy Lamanita i Nefia sy i Lehia. Nefita mpiendaka maro vokatr’izany no niverina tao amin’ny finoana indray. Lamanita 8000 tao an-tanin’i Zarahemlà sy ny manodidina no natao batisa.

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary angataho ny vondron’olon-droa tsirairay mba handika ilay tabilao eo amin’ny taratasy iray. Angataho ireo vondron’olon-droa rehetra ireo mba hiaraka hamaky ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao anatin’ilay tabilao, dia hanao sary tsotsotra na hanoratra famintinana fohy mikasika ny zavatra faritan’ny andinin-tsoratra masina tsirairay. (Rehefa mandika io tabilao io ny mpianatra dia angataho izy ireo mba hanisy faritra malalaka eo ambanin’ny soratra masina tsirairay mba hampidiran’izy ireo ny sary na ny famintinana nataony.)

Helamàna 5:20–21

Helamàna 5:22–25

Helamàna 5:26–28

Helamàna 5:29–34

Helamàna 5:35–41

Helamàna 5:42–44

Rehefa nanana fotoana ampy nanaovana izany ny mpianatra dia asao izy ireo mba hampiseho sy hanazava fohifohy ny sary na ny famintinana nataony amin’ny mpianatra roa hafa miara-miasa. Mba hanampiana ny mpianatra hanana fahatakarana lalina mikasika ireo andinin-tsoratra masina ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ny Lamanita no nalofan’ny rahon’ny haizina ary inona no nasain’ilay feo nataon’izy ireo? (Jereo ny Helamàna 5:29, 32.)

  • Ahoana no namaritan’i Helamàna 5:30 ilay feo?

  • Oviana ianao no nahatsapa na nahare ny bitsik’ilay “feo malefaka sy tony tanteraka”?

  • Inona no nasain’i Aminadaba nataon’ny rahalahiny mba hanesorana ilay haizina? (Jereo ny Helamàna 5:41.)

  • Inona no nitranga rehefa nankatò ny torohevitr’i Aminadaba ny Lamanita ary nampihatra ny finoany an’i Kristy? (Jereo ny Helamàna 5:43–44.)

Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Helamàna 5:44–47 ka hitady ireo teny izay mamaritra ny vokatra sasany ateraky ny fibebahana.

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny fibebahana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Ampio ny mpianatra hitady ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika ary mibebaka amin’ny fahotantsika dia hofenoin’ny Fanahy Masina fiadanana sy fifaliana ny fontsika.)

Fintino ny Helamàna 5:48–52 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo Lamanita sy mpiendaka Nefita izay nahita izany fahagagana izany dia nandeha sy nanompo olona ary “ny ankamaroan’ny Lamanita” dia niova fo tao amin’ny filazantsara.

Entano ny mpianatra mba hieritreritra hoe moa ve izy ireo amin’izao fotoana izao mahatsapa fiadanana sy fifaliana eo amin’ny fiainany. Raha toa ka tsy mahatsapa izany izy ireo dia asao mba hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanorenana ny fotony eo amin’i Jesoa Kristy ary mba hanesorana ilay rahon’ny haizina manodidina azy ireo.

Soratra Masina Fehezina—Helamàna 5:12

Asao ny mpianatra mba hamaky ny Helamàna 5:12. Mba hanampiana azy ireo hitadidy io andinin-tsoratra masina io dia omeo taratasy fotsy iray izy ireo. Asaivo soratan’izy ireo eo amin’ilay taratasy ilay andinin-tsoratra masina ka sary sy tarehintsoratra mandeha tsirairay ihany no azon’izy ireo ampiasaina. Ho an’ireo teny izay azo aseho sary (toy ny vato, fototra, rivotra, havandra, sy tafiotra mahery), dia asaivo ataon’izy ireo amin’ny fomba tsotsotra ny sarin’izany. Ho an’ireo teny izay tsy azo aseho sary (toy ny hoe ankehitriny sy tsarovy), dia asaivo soratan’izy ireo ny tarehintsoratra voalohan’ilay teny. Asao ny mpianatra hitanisa ilay andinin-tsoratra masina ka tsy hampiasa afa-tsy ireo sary nataon’izy ireo sy ireo tarehintsoratra nosoratan’izy ireo. Azonao atao koa ny manasa azy ireo mba hifanakalo taratasy ary hitanisa ilay andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ireo mpampahatsiahy izay nataon’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo sary na nosoratany. Amporisiho ny mpianatra mba hitondra ny taratasiny any an-trano ary hametraka izany eo amin’ny toerana iray izay hahitan’izy ireo izany matetika ka ahafahan’izy ireo mitadidy izany andinin-tsoratra masina izany.

Fanamarihana: Noho ny halavan’ny lesona androany dia azonao atao ny manao io asa io amin’ny andro hafa rehefa manana fotoana bebe kokoa ianao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Helamàna 5:12. Ahoana no ahafahantsika manohitra ny “rivo-maherin’ny” fahavalo?

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball fa tsy maintsy mifikitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika rehefa vahan’ny fahavalo ny heriny hanafihana antsika:

“Isika koa dia miatrika hery tena lehibe sy manimba izay vahan’ny fahavalo. Manambana antsika rehetra ny onja lehiben’ny fahotana, ny faharatsiana, ny fahalotoam-pitondrantena, ny fikororosy fahana, ny fangejana, ny famitahana, ny fiokoana ary ny tsy fahamarinan-toetra. Tonga amin-kery lehibe sy haingana dia haingana izy ireo ary hanimba antsika raha toa ka tsy mitandrina isika.

“Saingy manakoako ny fampitandremana antsika. Mila mitandrina sy mihaino isika ary mandositra ny ratsy ho an’ny fiainantsika mandrakizay. Tsy hahatohitra izany isika raha tsy misy fanampiana. Tsy maintsy mandositra any amin’ny toerana azo antoka isika na mifikitra mafy amin’izay zavatra hiaro antsika tsy ho voafaoka. Ny zavatra tsy maintsy ifikirantsika mba hiarovan-tena dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Fiarovana antsika amin’izay mety ho hery azon’ilay ratsy angonina izany. Nisy mpaminany iray nentanim-panahy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanoro hevitra ny olony hoe: ‘Tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo-maheriny ny devoly, eny, ny zanatsipikany ao amin’ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany.’ (Hel. 5:12)” (“Hold Fast to the Iron Rod,” Ensign, Nôv. 1978, 6).

Hamoaka printy