Tahirim-pitaovana
Lesona 15: 1 Nefia 14


Lesona 15

1 Nefia 14

Fampidirana

Mamarana ny fitantarana ny fahitan’i Nefia ny 1 Nefia 14. Eto amin’ity ampahany amin’ny fahitana ity dia nolazaina tamin’i Nefia ireo fitahiana nampanantenaina ho an’ireo izay mibebaka sy mihaino ny feon’ny Tompo sy ny ozona izay ho avy amin’ireo ratsy fanahy izay nanamafy ny fony nanohitra ny Tompo. Naseho an’i Nefia ihany koa fa ny Tompo dia hanampy sy hiaro ireo izay miaina amim-pahamarinana sy mitandrina ireo fanekempihavanana nataony ary handrava ilay fiangonana makadiry sy maharikorikon’ny devoly.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 14:1–7

Hitan’i Nefia ny vokatry ny fankatoavana sy ny tsy fankatoavan’ireo taranaka ho avy ny Tompo

Asao ireo mpianatra hanokatra ny soratra masin’izy ireo ao amin’ny 1 Nefia 14. Hazavao fa hanohy hianatra mikasika ny fahitan’i Nefia izy ireo androany. Angataho ny mpianatra handinika ao am-pony ny fomba hanohizany ireto fehezanteny manaraka ireto:

  • Raha manaraka ny Tompo aho dia …

  • Raha manda ny hanaraka ny Tompo aho dia …

Rehefa avy nizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ampahatsiahivo fa ny teny hoe raha dia manome safidy. Miankina amin’izay safidintsika dia miaina vokatra samy hafa isika. Hazavao fa nahita ireo taranaka ho avy i Nefia ary nilaza fa raha miaina amim-pahamarinana izy ireo dia hotahiana, na raha misafidy ny faharatsiana izy ireo dia ho voaozona. Asao ny iray kilasy hieritreritra mandritra ny lesona ny fomba hitondran’ny fifidianana ny hankatò ny Tompo fitahiana ho azy ireo.

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity:

Sary
If Then Diagram

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 14:1–2. Angataho ny mpianatra hamantatra (1) ny safidy izay nolazain’i Nefia fa afaka nataon’ny Jentilisa, sy (2) ny fitahiana hitan’i Nefia fa ho avy amin’ireo Jentilisa raha nanao izany safidy izany izy ireo. Rehefa mizara izay hitany ny mpianatra dia fenoy ireo banga eny amin’ny solaitrabe mba ho tonga toy izao manarak izao izany:

Sary
If Then Diagram 2

Mety mila manazava ianao fa ao amin’ny soratra masina, ny andian-teny hoe “vato fahatafintohinana” (1 Nefia 14:1) matetika, dia entina hilazana ireo sakana izay tsy mamela ny olona hanaraka ny Tompo. Ny hoe “horaisina ho isan’ny mpianakavin’i Isiraely” (1 Nefia 14:2) dia midika hoe isaina ho isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo.

  • Nahoana no manan-danja ny ho isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo? (Mandray ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama [jereo ny F&F 132:30–31].)

  • Inona no dikan’ny hoe “mihaino ny Zanakondrin’Andriamanitra”?

  • Iza amin’ireo valisoa azo avy amin’ny fankatoavana voatanisa eo amin’ny solaitrabe ireo no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Oviana ianao no nihaino ny Tompo sy nahita ireo fitahiany teo amin’ny fiainanao? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy mila mizara zavatra niainana izay tsy azo zaraina izy ireo na tsiambaratelo.)

Ataovy sary eo amin’ny faritra hafa eo amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity:

Sary
If Arrows

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 14:5–7 ny mpianatra iray. Angataho ny iray kilasy hikaroka (1) ireo fitahiana azon’ireo izay mibebaka sy (2) ireo voka-dratsy izay tonga amin’ireo izay manamafy ny fony. Fenoy toy ny nataonao tamin’ny fampiasana teo aloha indray ilay kisary. (Raha mibebaka ny olona dia “ho soa ho azy izany” [1 Nefia 14:5] ary handray fiadanana sy fiainana mandrakizay” izy ireo [1 Nefia 14:7]. Raha manamafy ny fony ny olona dia ho “faty” izy [1 Nefia 14:5] ary “[havarina] … ho babo” sy “[hofo]ngorana” 1 Nefia 14:7].)

Rehefa mamaly ny mpianatra dia mety mila manazava ianao fa ilay “asa lehibe sy mahatalanjona” voalaza ao amin’ny 1 Nefia 14:7 dia entina ilazana ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana sy ny filazantsara ary ny Fiangonan’ny Tompo amin’ny andro farany.

  • Amin’ny fomba ahoana no maha “lehibe sy mahatalanjona” Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aminao? Amin’ny fomba ahoana no hitondrany fiadanana ho anao? Amin’ny fomba ahoana no hitondrany fanantenana sy fiainana mandrakizay ho anao?

Omeo fotoana ny mpianatra handinika ao am-po izay arahan’izy amin’izao fotoana izao amin’ireo lalana haseho eo amin’ny solaitrabe. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fankatoavana ny Tompo sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika dia mitondra mankany amin’ireo fitahiana lehibe. Azonao atao ihany koa ny mijoro ho vavolombelona fa ny fanamafisantsika ny fontsika hanohitra ny Tompo dia mitondra mankany amin’ny fahababoana sy famongorana ara-panahy.

1 Nefia 14:8–17

Nahita ny ady teo amin’ny Fiangonan’ny Zanakondrin’Andriamanitra sy ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko i Nefia

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa vao avy nilatsaka ho miaramila handeha hiady izy ireo.

  • Inona no hataonao mba hiomanana amin’ny ady?

Hazavao fa ilay anjely dia nampianatra an’i Nefia mikasika ny ady lehibe iray izay hitranga amin’ny andro farany.

Asao ny mpianatra telo hifandimby hamaky mafy ao amin’ny 1 Nefia 14:9–11. Angataho ny mpianatra sisa hitady ireo vondrona roa izay miady. (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ilay fiangonana makadiry sady maharikoriko dia midika ho ny olona tsirairay na vondrona na iza izany na iza izay mitarika ny olona hanalavitra an’Andriamanitra sy ireo lalàny.)

  • Inona avy ireo teny na fehezanteny ampiasaina mba hamaritana ilay “fiangonana makadiry sy maharikoriko”?

  • Araka ny fahitan’i Nefia, oviana ilay “fiangonana makadiry sy maharikoriko” no ho hita amin’ny andro farany?

Mangataha ankizy telo fanampiny hifandimby hamaky mafy ao amin’ny 1 Nefia 14:12–14. Asao ny iray kilasy hikaroka ireo antony hahafahantsika manana fanantenana momba ny hoavy.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 14:12, iza no fiangonana hahazo olona betsaka kokoa?

  • Nahoana ny Fiangonan’ny Zanakondry no hahazo olona vitsy kokoa noho ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 14:13, noho ny fikasana hanao inona no hanangonan’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko miaraka ny valalabemandry?

Mijoroa ho vavolombelona fa isika dia mirotsaka amin’ilay ady izay nofaritan’i Nefia ho—ady iray ara-panahy manohitra ny ratsy amin’ny andro farany. Amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’ny Zanakondry dia tsy manantombo amin’ny isa isika, ary mila fanampiana mba hivoaka ho mpandresy eo anatrehan’ny herin’ny devoly.

  • Inona no hitanao ao amin’ny 1 Nefia 14:14 izay manome anao fanantenana?

Hamafiso fa ireo fampanantenana omena ao amin’ireo soratra masina ireo dia mihatra indrindra indrindra amin’ireo izay manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana natao tamin’ny Tompo. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nanao ny fanekempihavanan’ny batisa tamin’ny Tompo izy ireo. Sariho ny sain’ny mpianatra ho amin’ilay fehezanteny hoe “nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra” ao amin’ny 1 Nefia 14:14.

  • Midika inona aminao ilay fehezanteny hoe “nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”?

  • Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny hoe “[fa]mpirongoana ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra” hitovy amin’ny hoe fananana akanjo fiarovana sy fitaovam-piadiana amin’ny adintsika amin’ny faharatsiana?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa “nampirongoana … ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’Andriamanitra”? Inona no zavatra tsapanao?

Anontanio ny mpianatra ny fomba hamintinany ny hafatra ao amin’ny 1 Nefia 14:1–14. Ataovy izay hahazoana toky fa izy ireo dia mahatakatra fa raha miaina amim-pahamarinana sy mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia hanampy antsika handresy ny ratsy ny herin’Andriamanitra.

Asao ireo mpianatra handrefy ny fiainany sy hieritreritra izay azony atao mba hampirongoana azy ireo ho fiadiana misimisy kokoa ny fahamarinana. Amporisiho izy ireo hanao zavatra amin’ireo fitaomam-panahy rehetra azony. Omeo toky izy ireo fa rehefa mitoetra ho mahatoky dia hanana fahafahana hanao fanekempihavanana masina any amin’ny tempoly sy hanao fanekempihavanana fanampiny amin’ny Tompo. Ireo fampanantenana sy fanekempihavanana ataon’izy ireo any dia hitondra hery lehibe sy fiarovana eo amin’ny fiainany.

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 14:3–4 ny mpianatra iray. Angataho hamaky mafy ny 1 Nefia 14:15–17 ny mpianatra iray hafa.

  • Inona no hitranga amin’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko?

  • Inona no ho vokatra faran’ilay ady eo amin’ny Fiangonan’ny Zanakondry (ny fanjakan’Andriamanitra) sy ny herin’ny devoly?

  • Ahoana no hanampian’ny fahalalana ny vokatr’ity ady ity anao?

Vakio amin’ireo mpianatra ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Isika [mpikamban’ny Fiangonana] dia ampahany bitika raha ampitahaina amin’ireo olona an’arivo tapitrisany eto an-tany. Saingy isika dia izay maha isika antsika, ary isika dia mahalala izay fantatsika, ary tokony handeha hitory ny filazantsara isika.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny Bokin’i Môrmôna dia manazava tsara fa tsy hitarika amin’ny isa mihitsy isika. Saingy manana ny herin’ny fisoronana isika [jereo ny 1 Nefia 14:14]. …

“Isika dia afaka ary ho afaka hanana hery handresen-dahatra ny olona tokoa amin’ny fotoana ilana izany. Ho fantatra amin’izany hoe iza isika ary inona no antom-pisiantsika. Mety hahakivy izany, tena sarotra tokoa, saingy tsy hoe azo heverina fotsiny ihany ny handresentsika amin’ny ady atao amin’i Satana fa tena handresy isika” (“The Power of the Priesthood (Ny Herin’ny Fisoronana),” Ensign na Liahona, Mey 2010, 7).

Omeo toky ireo mpianatra fa handresy ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny andro farany. Asehoy azy ireo ny fahatokianao fa afaka mahatoky an’Andriamanitra izy ireo ary handresy ny faharatsiana rehetra ny heriny. Amporisiho izy ireo ho tonga hery hanao ny tsara mba hitaona ny hafa.

1 Nefia 14:18–27

Nahita an’i Jaona Mpanambara i Nefia

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

Iza amin’ireo Apôstôly Roambinifolon’ny Mpamonjy no hitan’i Nefia tamin’ny fahitana?

Inona no hosoratan’ity Apôstôly ity?

Nahoana i Nefia no nodidiana tsy hanoratra ny sisa tavela tamin’ny fahitany?

Asao hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 14:18–27 ireo mpianatra. Avy eo dia mifanakaloza hevitra fohifohy momba ny valin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.

Hazavao fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia entina hilazana farafahakeliny amin’ny ampahany ireo zavatra nosoratan’i Jaona ao amin’ny bokin’ny Apokalipsy. Ny foto-kevitra lehiben’izany boky izany dia hoe handresy ny herin’ny devoly Andriamanitra. Toa an’i Jaona, i Nefia ihany koa dia nahita tamin’ny fahitana ny fiafaran’izao tontolo izao saingy tsy nodidiana hirakitra an-tsoratra izany izy satria i Jaona no nomena andraikitra hanao izany. Raha mbola misy ny fotoana dia azonao atao ny mamintina ny lesona amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra fohy mikasika ny fomba hiarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miasa mba “hampitoetra ny fahamarinana” eo amin’ny tsirairay avy amin’izy ireo ary ho lasa “iray” (1 Nefia 13:40–41).

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 14:7. “Asa lehibe sy mahatalanjona”

Mamaritra ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara sy ny rafitry ny Fiangonana ho toy ny “asa lehibe sy mahatalanjona” ny soratra masina (1 Nefia 14:7; 3 Nefia 21:9). Ny teny hoe lehibe ato amin’ity votoatin-kevitra ity dia midika hoe manan-danja sy mafonja ary ny hoemahatalanjona dia midika hoe mahafinaritra sy mampitolagaga. Ny hoeAsa dia milaza fanatanterahan-javatra.

1 Nefia 14:14. “Nampirongoana … ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahantsika mba “[h]ampirongoana … ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra” (1 Nefia 14:14):

“Koa andeha isika hijery ny tenantsika. Ho an’ny Fiangonana, ny soratra masina dia miresaka mikasika ny fanivanana haingana sy firoboroboana haingana ara-panahy sy eo amin’ny lafin’ny isa—izany rehetra izany dia hialoha ny fotoana izay ‘[h]ampirongoana [ireo vahoakan’ Andriamanitra] ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra’ —fa tsy amin’ny fitaovam-piadiana—sy ny fotoana handrotsahana ny voninahitry ny Tompo amin’izy ireo (1 Nefia 14:14; jereo koa ny 1 Petera 4:17; F&F 112:25). Ny Tompo dia tapa-kevitra ny hanana vahoaka voazaha toetra sy madio ary voamarina (jereo ny F&F 100:16; 101:4; 136:31), ary ‘tsy misy na inona na inona izay halatsaky ny Tompo Andriamanitrao ao am-pony mba hataony ka tsy hataony’ (Abrahama 3:17)” (“For I Will Lead You Along,” Ensign, Mey 1988, 8).

“Manao fivoriana manokana ireo mpikamban’ny Fiangonana hihazonana ireo rahalahy sy rahavavy. Nahita izany i Nefia. Indray andro any hoy izy, ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’i Jesoa izay ’naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany,’ dia ’[h]ampirongoana … ho fiadiana ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra [a]mim-boninahitra lehibe.’ (1 Ne. 14:14.) Hitranga izany saingy tsy hiseho raha tsy aorian’ny hahatongavan’ny mpikambana maro kokoa ho masina kokoa sy nohamasinina kokoa eo amin’ny fitondran-tena” (“Repentance,” Ensign, Nôv. 1991, 32).

Hamoaka printy