Tahirim-pitaovana
Fandalinana Isan-kerinandro Fizarana 2


Lesona ho an’ny fandalinana isan-kerinandro

1 Nefia 1–6; 9 (Fizarana 2)

Fitaovana Fanomanana ho an’ny Mpampianatra Mampianatra Isan-kerinandro

Famintinana ireo Lesona ho an’ny fandalinana isan-kerinandro fanao Isan’andro

Ity famintinana ireo fotopampianarana sy fitsipika manaraka ity izay nianaran’ireo mpianatra rehefa nandalina ny 1 Nefia 1–6; 9 (Fizarana 2) izy ireo dia tsy natao ho tafiditra ao amin’ny lesona ampianarinao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny ihany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona ampianarinao. Araho ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mihevitra ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao.

Andro 1 (1 Nefia 1)

Rehefa nianatra mikasika an’i Lehia izay naminany sy nampitandrina ny olona mba hibebaka ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa mampitandrina ny olona tsy hanao fahotana sy mampianatra momba ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny mpaminany. Ambonin’izay dia nianatra ihany koa izy ireo fa ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia mitolotra amin’ireo izay mino Azy.

Andro 2 (1 Nefia 2)

Nanaraka ny didin’ny Tompo handao an’i Jerosalema i Lehia. Nasehony tamin’ny alalan’ny ohatra ny fitsipika hoe rehefa mahatoky sy mankatò isika dia hanampy antsika ao anatin’ny fotoan’ny fizahan-toetra ny Tompo. Naneho fanahy feno fankatoavana i Nefia ary nianatra ho an’ny tenany fa rehefa miantso an’Andriamanitra isika dia afaka mampahalefaka ny fontsika mba hino ny teniny Izy. Nianatra ireo mpianatra fa mitahy ireo izay mankatò sy mahatoky Andriamanitra.

Andro 3 (1 Nefia 3–4)

Rehefa niteny tamin’i Nefia sy ireo rahalahiny momba ny didin’Andriamanitra ho azy ireo mba hiverina any Jerosalema haka ireo takela-barahina i Lehia dia namaly i Nefia tamin’ny fijoroana ho vavolombelona fa raha manao izay andidian’ny Tompo isika dia hanomana lalana ho antsika hanatanterahana izany Izy. I Nefia sy ireo rahalahiny dia nahita fa sarotra ny nanatontosa ny didin’ny Tompo. Ny finiavan’i Nefia hiverina tany Jerosalema dia nanampy ireo mpianatra hahita fa rehefa mino an’Andriamanitra isika ary mikatsaka ny hanao izay angatahiny, eny fa na dia tsy fantatsika aza izay hiafarany, dia hitarika antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy.

Andro 4 (1 Nefia 5–6; 9)

Rehefa nianatra mikasika ny zavatra niainan’i Lehia tamin’ny fikarohana ireo takela-barahina ireo mpianatra dia nahita ireto fitsipika manaraka ireto: rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka ny ho feno ny Fanahy Masina sy handray fanambarana. Rehefa nianatra momba ny tanjon’i Nefia tamin’ny nanoratany ny rakitsorany ny mpianatra, dia nianatra ihany koa izy ireo fa ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia ny handresy lahatra ny olona rehetra hanatona an’i Jesoa Kristy.

Fampidirana

Ny lesona amin’ity herinandro ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hamerina sy hifanakalo hevitra mikasika izay nianarany avy amin’ny ohatra nasehon’ny fianakavian’i Lehia sy ny asa ombam-pinoana nataon’izy ireo. Rehefa mampianatra ilay lesona ianao dia hamafiso ny fankatoavan’i Nefia ny didin’ny Tompo tamim-pahatokiana sy ny fahazotoany nikatsaka ny hahafantatra ny fahamarinan’ “ny teny rehetra izay efa nolazain-drai[ny]” (1 Nefia 2:16). Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’i Nefia mikasika ny fankatoavana ny mpianatra dia hampiorina ny fijoroany ho vavolombelona manokana momba ny filazantsara izy ireo.

Araho ny fananaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny fampianaranao:

“Tsy maintsy mamelona indray sy mametraka ho lohalaharana ny fampianarana avo lenta isika ao amin’ny Fiangonana—ao an-trano, eny amin’ny polpitra, mandritra ireo fivoriam-pitantanantsika, ary mazava ho azy ao am-pianarana. Ny fampianarana avy amin’ny fitaomam-panahy dia tsy tokony ho lasa talenta very na oviana na oviana ao amin’ny Fiangonana, ary mila mahazo antoka isika fa tsy ho lasa fombafomba very ny fitadiavantsika izany. …

“… Enga anie isika hanandratra ny traikefa amin’ny fampianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana ary hanatsara ny ezaka tsirairay ataonsika mba hampiorina sy hampianatra” (“A Teacher Come from God,” Ensign, Mey 1998, 25, 27).

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 1

Manolotra ny halehiben’ny famindram-pony amin’ireo mahatoky ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Mitolotra amin’ireo izay mino Azy ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo. Asao ireo mpianatra handinika ny 1 Nefia 1 sy hitady ny andininy izay ampianarana io fahamarinana io (andininy 20).

Apetraho ity fanontaniana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hitadidy sy hamintina izay zavatra nianarany rehefa nandalina ny 1 Nefia 1–6; 9 izy ireo nandritra ny herinandro:

  • Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ireo fizarana nohalalininao tamin’ity herinandro ity, ahoana no fomba nanoloran’Andriamanitra ny halehiben’ny famindram-pony tamin’i Lehia sy ny fianakaviany?

  • Inona ireo ohatry ny fankatoavana sy ny finoana nasehon’i Lehia sy ny fianakaviany?

  • Oviana ianao no nahita ny Tompo nanolotra ny halehiben’ny famindram-pony taminao na tamin’ny olona iray fantatrao?

Azonao atao ny miresaka mikasika ny fotoana izay nanoloran’ny Tompo ny halehiben’ny famindram-pony teo aminao sy ny fianakavianao rehefa nanao asa tamim-pinoana ianao, na mizara traikefa izay hitanao tao anatin’ny lahatsoratra navoakan’ny Fiangonana. Amporisiho ireo mpianatra hikaroka ohatra izay maneho ny Tompo manolotra ny halehiben’ny Famindram-pony amin’ireo izay mahatoky rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna izy ireo mandritra ny taona.

1 Nefia 2

Afaka mampahalefaka ny fontsika hino ny teniny ny Tompo

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa taorian’ny nandidiana an’i Lehia handao an’i Jerosalema niaraka tamin’ny fianakaviany, dia nanao ezaka avy amin’ny tena manokana i Nefia zanany lahy mba hahafantatra sy hahatakatra ny fahamarinan’ny fanambarana azon’ny Rainy. Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 2:16, 19 ny mpianatra iray.

Anontanio ny mpianatra hoe: Na dia tsy nimonomonona aza i Nefia dia inona no porofo hita ao amin’ny 1 Nefia 2:16 fa mety ho sarotra taminy ny nandao an’i Jerosalema? (Nanoratra i Nefia hoe nivavaka izy mba hahatakatra ary nampahalefaka ny fony ny Tompo. Midika izany fa tsy mora ho azy ny nandao an’i Jerosalema ka noho izany dia nanampy azy ny Tompo mba hanaiky izany.)

Anontanio hoe: Inona no porofo hitanareo fa na dia nankatò ny Tompo aza i Lehia sy ny fianakaviany dia tsy mora ny fiainana ho azy ireo? (Jereo ny 1 Nefia 2:4 11.)

Angataho ny mpianatra hizara ny eritreriny mikasika ny fanirian’i Nefia sy mikasika izay nataony ka nahatonga azy hanaiky ny didin’ny Tompo izay nomena azy avy amin’ny alalan’ny rainy.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara izay nosoratany tao amin’ny diary fandalinany soratra masina momba ny asa nampanaovina 4, ho an’ny andro 2 manao hoe: Mizarà ohatra mikasika ny fotoana izay niantsoanareo ny Ray any an-danitra, tahaka ny nataon’i Nefia, sy ny nahatsapanareo ny fonareo nihanalefaka tamin’ny alalan’ny Fanahy rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny zavatra nolazain’ny Tompo ianareo.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa rehefa miantso an’Andriamanitra isika dia afaka mampahalefaka ny fontsika mba hino ny teniny Izy.

Asao ireo mpianatra hieritreritra izay afaka ataony hampatanjahana ny fijoroany ho vavolombelona sy hanana fahatokian-tena tahaka an’i Nefia. Omeo fahafahana hizara ny heviny izy ireo raha tiany ny hanao izany. Amporisiho izy ireo hanao asa araka izay eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminy.

1 Nefia 3–4

Hanomana ny lalana ny Tompo rehefa mankatò amim-pahatokiana ireo didiny isika

Asaivo miara-miasa anin’ny namana iray ny mpianatra tsirairay. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto soratra masina ireto: 1 Nefia 3:6–7 sy 1 Nefia 4:6–13. Asao ny mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo sy hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana ireto miaraka amin’ny namany miara-miasa aminy:

  • Araka ny eritreritrao, inona no maha zava-dehibe ilay fanambaran’i Nefia manao hoe: “Na dia teo aza izany, dia nandroso aho”? (1 Nefia 4:7).

  • Ahoana no nanampian’ny finoan’i Nefia azy mba hahatonga azy hahazo ireo takela-barahina?

Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ireo hevi-baovao tonga tao an-tsainy niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny mpianatra dia hazavao fa mety hangataka antsika hanao zavatra tahaka ny nataony tamin’i Nefia sy ireo rahalahiny ny Tompo, ary tsy hilaza avy hatrany hoe nahoana na rahoviana na amin’ny fomba ahoana no tokony hanaovantsika izany. I Nefia dia nianatra hoe nahoana sy rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Tompo azy aorian’ny hamelany ny Fanahy hitarika azy ihany sy aorian’ny hanapahany hevitra handeha amim-pinoana. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa rehefa mino an’Andriamanitra sy mikatsaka ny hanao izay asainy atao isika, na dia tsy afaka hahafantatra izay hiafaran’izany aza, dia hitarika antsika amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina Izy.

Raha mbola misy ny fotoana dia azonao atao ny manontany raha manana fanontaniana izy ireo na te-hizara ny hevi-baovao tonga ao an-tsainy avy amin’ny fandalinany ny 1 Nefia 5–6; 9 tamin’ny andro 4. Ohatra, afaka manasa azy ireo hizara ny fomba namaliany ny asa nampanaovina azy faha 4 ianao, izay nangatahana azy ireo hanoratra mikasika ny fotoana iray izay nandalinany ny soratra masina ary nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo.

Farano amin’ny fanasana ireo mpianatra hamaky mafy (na hanao tsianjery) ny andinin-tsoratra masina fehezina 1 Nefia 3:7 izany. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitsipika ampianarin’ny 1 Nefia 3:7 mikasika ny fankatoavana ny didin’ny Tompo? (Ireo mpianatra dia tokony ho afaka manambara ny fitsipika fa raha mikatsaka ny hanao izay andidian’ny Tompo isika dia hanomana lalana ho antsika hanatanterahana izany Izy.)

  • Araka izay novakianareo tao amin’ny 1 Nefia 1–6 sy 9, inona no vokatry ny fankatoavan’i Lehia sy i Nefia ny didin’Andriamanitra?

  • Oviana ny Tompo no nanomana lalana hanampiana anareo mba hankatò didy iray?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina sehatra iray izay hahafahan’izy ireo maneho feno ny fankatoavany an’Andriamanitra. Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana izay tonga teo amin’ny fiainanao avy amin’ny ezaka nataonao hankatò ny didin’Andriamanitra.

Fizarana manaraka (1 Nefia 7–14)

Hianatra mikasika ny fahitan’i Lehia sy i Nefia ireo mpianatra ao amin’ny fizarana manaraka. Azo ampiharina amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao ny fahitan’i Lehia sy i Nefia. Tafiditra ao amin’ny tantara mikasika ny fahitan’i Nefia ny filazalazana momba ny fahaterahana, ny asa fanompoana, ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny nahitan’ny Jentilisa sy ny nanjanahany an’i Amerika, ary ny fahaverezan’ireo fahamarinana manan-danja avy ao amin’ny Baiboly sy ny famerenana izany tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna. Ny fitantaran’i Nefia mikasika ny fahitany dia mifarana amin’ny filazalazana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Hamoaka printy