Tahirim-pitaovana
Lesona 82: Almà 18


Lesona 82

Almà 18

Fampidirana

Talanjona i Lamônia Mpanjaka tamin’ny hery nasehon’i Amôna teo am-piarovana ny andian’ondrin’ny Mpanjaka. Lasa nino mihitsy aza izy fa i Amôna no ilay Fanahy Lehibe. Nahafantatra ny eritreritry ny mpanjaka i Amôna, tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ary nanomboka nampianatra azy ny filazantsara. Nino izay nampianarin’i Amôna i Lamônia Mpanjaka, ary nahafantatra ny antony ilàna Mpamonjy, ka nitalaho tamin’ny Tompo mba hahazo famindram-po ary lasa heniky ny Fanahy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 18:1–11

Nanaitra an’i Lamônia Mpanjaka ny fahatokian’i Amôna

Ny fijerena vetivety ny tantara any amin’ny faran’ny Almà 17 dia hanampy ireo mpianatra hahita ny zava-miseho ao amin’ny Almà 18. Hanampy azy ireo ihany koa izany hahatakatra ny hafatra ao amin’ny Almà 18. Mba hamerenana ny Almà 17, dia anontanio ireo mpianatra hoe marina sa diso ireto filazana manaraka ireto. Azonao atao ny mangataka azy ireo hanoratra ny valinteniny.

  1. Koa satria faly tamin’ny Amôna i Lamônia Mpanjaka, dia natolony ho vadin’i Amôna ny iray tamin’ireo zanany vavy. (Marina. Jereo ny Almà 17:24.)

  2. Nilaza i Amôna fa te ho mpanompon’ny mpanjaka izy. (Marina. Jereo ny Almà 17:25.)

  3. Natahotra ny amin’ny ainy i Amôna rehefa nisy andiana Lamanita nampihahaka ny andian’ondrin’ny mpanjaka. (Diso. Jereo ny Almà 17:28–30.)

  4. Tamin-kery lehibe no nandresen’i Amôna ireo Lamanita, ary nanapahany ny sandrin’ireo izay nanainga ny kibainy hamely azy. (Marina. Jereo ny Almà 17:37–38.)

Rehefa avy nanao ity asa atao ity dia ataovy izay hahaizan’ireo mpianatra ny valiny marina.

Anontanio ireo mpianatra raha toa efa nisy fotoana nampahatahotra azy ireo na nahatsiarovany ho tsy mahay na efa nahatsapany fa tena sarotra loatra ho azy ireo ny nanatanteraka andraikitra na asa iray. Lazao azy ireo fa mandritra ny lesona anio dia hianatra fitsipika maromaro izy ireo izay hanampy azy ireo amin’ny trangan-javatra toa izany.

Zarao roa ny kilasy. Tendreo ny antsasany hamaky ny Almà 18:1–4 ary ilay antsasany hafa hamaky ny Almà 18:8–11. Rehefa mamaky izy ireo dia asaivo mandinika ny fomba nahafahan’ny fahatokian’i Amôna nanomana ny lalana ahafahany mampianatra an’i Lamônia sy ny vahoakany. Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo hamakiana dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no hevitra nananan’ny mpanjaka sy ireo mpanompony mikasika an’i Amôna?

  • Araka ny ao amin’ny Almà 18:2, 4, inona no noeritreritr’i Lamônia fa tanjona nahatongavan’i Amôna? (Hanafay ny olona noho ny famonoan’olona vitan’izy ireo, ary mba hanakanana an’i Lamônia tsy hamono intsony ireo mpanompony.)

  • Araka ny ao amin’ny Almà 18:10, inona no nahatalanjona an’i Lamônia ankoatran’ny hery nasehon’i Amôna tamin’ny fiarovana ny andian’ondry? (Azonao atao ny manentana ireo mpianatra hanisy marika ny teny hoe olo-mahatoky sy nahatoky.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga ity: Rehefa manompo ny hafa amim-pahatokiana isika dia, …

Asaivo dinihin’ireo mpianatra ny fomba azony hamenoana io fehezanteny io rehefa manohy ny fandalinany ny Almà 18 izy ireo.

Almà 18:12–43

Rehefa nampianatra ny drafitry ny fanavotana i Amôna dia tsapan’i Lamônia ny antony ilàny ny Mpamonjy

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny herin’ny fampianaran’i Amôna sy ny fiovana lehibe izay nanomboka niainan’i Lamônia Mpanjaka dia asehoy ho toy ny tantara an-tsehatra vakiana ny Almà 18:12–35. Mifidiana mpianatra efatra ary omeo anjara tsirairay avy izy ireo. Asaivo manao mpitantara ny iray, ary ny telo hafa mamaky ny tenin’i Amôna, sy Lamônia Mpanjaka, ary ny iray amin’ireo mpanompon’ny mpanjaka. Diniho ny hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny fanomezana ny andraikitr’izy ireo mialoha, ohatra ny andro mialoha ny kilasy na alohan’ny fiantombohan’ny kilasy.

Asaivo mamaky ny anjarany ao amin’ny Almà 18:12–15 ireo mpianatra efatra ireo. Asaivo manaraka tsara ao amin’ny soratra masin’izy ireo ireo mpianatra hafa, sady mitady ny fiantraikan’ny asa fanompoana nataon’i Amôna teo amin’i Lamônia. Rehefa voavaky ny andininy faha 15 dia atsaharo kely ilay tantara an-tsehatra vakiana ary asaivo mitatitra ny zavatra hitan’izy ireo ireo mpianatra.

  • Fa nahoana araka ny hevitrao no nangina teo anatrehan’i Amôna i Lamônia? (Raha ilaina dia ampio ireo mpianatra hahatsiaro fa i Lamônia dia nanjary natahotra noho ny famonoan’olona izay nataony ary niahiahy izy fandrao i Amôna no ilay Fanahy Lehibe izay tonga hanafay azy.)

Tohizo indray ilay tantara an-tsehatra vakiana amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpandray anjara hamaky ny anjaran’izy ireo ao amin’ny Almà 18:16–21. Entano ireo mpianatra hafa hitady porofo fa niaraka tamin’i Amôna ny herin’Andriamanitra.

  • Ahoana ny fomba nanampian’ny Fanahin’Andriamanitra an’i Amôna tamin’io toe-javatra io?

  • Inona no tian’i Lamônia ho fantatra avy tamin’i Amôna?

  • Hatreo aloha, inona no fantatr’i Lamônia mikasika an’i Amôna? (Nahafantatra izy fa i Amôna dia niasa niaraka tamin’ny hery tsy mahazatra ary afaka nahafantatra ny eritreritr’olon-kafa.)

Asaivo mijery an’ilay fehezanteny banga izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe ireo mpianatra: Rehefa manompo ny hafa amim-pahatokiana isika dia, …

  • Raha miainga amin’ny zavatra izay nianarantsika androany avy tao amin’ny Almà 17–18 dia ahoana no hamenoanao an’io fehezanteny io? (Mety hamaly amin’ny fomba samihafa ireo mpianatra. Mba hamintinana ny valiny omen’izy ireo dia fenoy toy izao ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe: Rehefa manompo ny hafa amim-pahatokiana isika dia afaka manampy azy ireo isika hiomana handray ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.)

Asao ireo mpandray anjara hamaky ny anjaran’izy ireo ao amin’ny Almà 18:22–32. Asaivo manaraka tsara ny mpianatra rehetra ary mitady ireo fahamarinana manokana nampianarin’i Amôna an’i Lamônia. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ireo fahamarinana ireo ao anatin’ny soratra masin’izy ireo. Avy eo dia asaivo manao tatitra mikasika ireo fahamarinana izay hitany izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo.

Asao ireo mpandray anjara hamaky ny anjaran’izy ireo ao amin’ny Almà 18:33–35. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny fomba nanazavan’i Amôna ny fomba nahaizany namantatra ny eritreritry ny mpanjaka sy ny fomba nahafahany niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka. Rehefa vita ny famakian’ireo mpandray anjara tamin’ilay tantara an-tsehatra vakiana dia isaory izy ireo noho ny fanampiany. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba nitahian’Andriamanitra an’i Amôna ka nahafahany nanompo an’i Lamônia sy ny vahoakany dia anontanio hoe:

  • Inona avy ireo zavatra vitan’i Amôna izay nihoatra noho ny fahaizana voajanahary nananany?

Mariho fa rehefa teo am-panompoana an’i Lamônia Mpanjaka i Amôna dia nanompo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ihany koa. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Rehefa manompo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amim-pahatokiana isika dia …

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao avy tamin’ny ohatr’i Amôna, dia ahoana no fomba hamenoanao an’io fehezanteny io? (Mety ho samihafa ny valinteny omen’ireo mpianatra. Mba hamintinana ny valintenin’izy ireo, dia fenoy toy izao ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe: Rehefa manompo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amim-pahatokiana isika dia hitombo ny fahaizantsika manao ny asan’Izy ireo.)

  • Ahoana no mety hampiharana io fitsipika io amin’ny olona iray izay mahatsiaro ho matahotra na tsy mahay na mahatsapa fa sarotra loatra ny andraikitra na adidy iray?

  • Oviana no nahatsapanao fa nanampy anao hanao ny Asany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny miresaka mikasika ny fomba nampitomboan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fahaiza-manaonao teo amin’ny fanompoana Azy ireo. Na afaka mizara ohatra iray avy tamin’ny fiainan’olona iray hafa ianao.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra io fitsipika io dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana ireto. Asaivo manoratra ny valin’ny anankiray amin’ireto fanontaniana ireto ireo mpianatra.

Ahoana no fomba mety hanampian’io fitsipika io anao eo amin’ireo andraikitrao ankehitriny sy amin’ny ho avy?

Ahoana no fomba mety hahatonga anao ho mahatoky kokoa mba hahafahanao mahatsapa fa ampitomboin’ny Tompo ny fahaizanao manatontosa ny Asany?

Hazavao fa io tetik’ady nampianaran’i Amôna an’i Lamônia ao amin’ny Almà 18:36–39 io no lamina iray ampiasain’ireo misiônera ankehitriny. Nampianatra mikasika ny drafitry ny fanavotana izy, izay ahitana ny Fahariana, sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Asaivo mandinika ity fanontaniana ity ireo mpianatra:

  • Fa nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny mampianatra mikasika ny Fahariana sy ny Fahalavoana rehefa mampianatra mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Manasà mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Mialoha ny ahafahantsika mahatakatra ny Sorompanavotan’i Kristy, … dia mila mahatakatra ny Fahalavoan’i Adama aloha isika. Ary mba hahafahantsika mahatakatra ny Fahalavoan’i Adama, dia tsy maintsy takatsika aloha ny Fahariana. Ireo ampahany telo lehiben’ny drafitry ny famonjena ireo dia mifandray. …

“… Ny fiainana mandrakizay izay azo tratrarina noho ny Sorompanavotana no tanjona ambony indrindra an’ny Fahariana” (“The Atonement,” Ensign, Nôv. 1996, 33, 35).

Raha toa ka tsy mbola eny amin’ny solaitrabe ireo fotopampianarana telo ireo dia soraty izany ho fanampin’ny lisitra nosoratanao nandritra ilay tantara an-tsehatra novakiana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 18:36–39. Asaivo manaraka tsara ireo mpianatra, ary mikaroka ireo singa ao amin’ny Fahariana, sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana ao amin’ny fampianaran’i Amôna an’i Lamônia. Asaivo mitatitra ny zavatra hitany izy ireo.

  • Ahoana no mety nanampian’ny fianarana ny fotopampianaran’ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana an’i Lamônia hahatsapa ny antony ilàny ny Mpamonjy?

Asaivo mamaky mangina ny Almà 18:40–43 ireo mpianatra sy mamantatra ny zavatra nangatahan’i Lamônia tamim-bavaka ho valin’ny fampianaran’i Amôna. Azonao atao ny manentana ireo mpianatra mba hanisy marika ny fitalahoan’i Lamônia.

  • Inona no zavatra nasehon’ny vavaka nataon’i Lamônia fa takany momba ny tenany manokana sy ny vahoakany? (Nahatakatra izy fa efa nanota izy ireo ary nila famelan-keloka.)

  • Inona no azontsika hianarana avy amin’i Lamônia mikasika ny zava-mitranga rehefa takatsika fa mila ny Mpamonjy isika? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ny mpianatra, dia ampio izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mahatakatra ny ilantsika Mpamonjy isika, dia haniry ny hibebaka. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Almà 18:40–41. Mariho fa na dia mety ho samihafa aza ny traikefa ananan’ny tsirairay mikasika ny fibebahana, dia samy afaka manaraka ny ohatr’i Lamônia Mpanjaka avokoa isika rehefa mangataka amin-kitsim-po ny famindrampon’Andriamanitra.)

Asao ireo mpianatra hanoratra ny valitenin’izy ireo ho an’ity fanontaniana ity:

  • Inona no azonao atao mba hanampy anao hahatsiaro ny filànao ny Mpamonjy?

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 18:36–39. Mampianatra ny drafitry ny famonjena

Rehefa nampianatra an’i Lamônia i Amôna dia, “natombony tamin’ny fahariana izao tontolo izao,” ary avy eo izy dia nampianatra “momba ny fahalavoan’ny olona” (Almà 18:36). Ary farany, dia “nohazavai[ny] tamin’izy ireo [ny mpanjaka sy ireo mpanompony] ny drafitry ny fanavotana,” indrindra “ny momba ny fiavian’i Kristy” (Almà 18:39). Tahaka izany koa, nampianatra ireo fotopampianarana ireo tamin’ny rain’i Lamônia i Aharôna (jereo ny Almà 22:12–14).

Ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niantso ireo fotopampianarana fototra ireo—dia ny Fahariana, sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana—hoe ireo “andry telon’ny mandrakizay” sy hoe ireo “zava-nitranga lehibe indrindra hatrizay eo amin’ny mandrakizay.” Hoy izy nanazava:

“Raha toa isika ka afaka mahatakatra azy ireo, dia hipetrapetraka tsara daholo ilay rafitra mandrakizay manontolo mampitambatra ny zava-drehetra, ary dia ho afaka mahatakatra ny famonjena antsika isika. …

“… Ireo telo ireo no fototra hianteheran’ny zava-drehetra. Raha tsy eo ny iray amin’izy ireo dia ho very ny tanjon’ny zava-drehetra sy ny dikany, ary ho lasa zava-poana ireo drafitra sy ny tanjon’ Andriamanitra” (“The Three Pillars of Eternity” [lahateny tamin’ny fivoriam-bavaka tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 17 Feb. 1981], 1, speeches.byu.edu).

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny maha zava-dehibe indrindra ny singa tsirairay ao amin’ilay drafitra:

“Ilay drafitra dia mitaky ny Fahariana, ary io indray avy eo no mitaky ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana. Ireo no singa fototra telo ao amin’ilay drafitra. Ny fahariana planeta iray miendrika paradisa dia azo avy tamin’ Andriamanitra. Ny fiainana an-tany sy ny fahafatesana dia tonga teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Fahalavoan’i Adama. Ny tsy fahafatesana sy ny mety hahazoana ny fiainana mandrakizay dia azo avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy. Ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana dia efa novolavolaina fotoana ela talohan’ny fiantombohan’ny tena asa Fahariana” (“The Creation,” Ensign, Mey 2000, 84).

Ankoatra ny hoe fampianarana fotopampianarana mitovy dia nampiasa tetik’ady mitovy i Amôna sy i Aharôna teo amin’ny fampianaran’izy ireo. Nampianatra tamin’ny fomba tsotra izy ireo, tamin’ny fomba izay ahafahan’ny mpihaino azy ireo mahatakatra (jereo ny Almà 18:24–30; 22:7–11). Nampianatra avy ao amin’ny soratra masina izy ireo (jereo ny Almà 18:36–39; 22:12–14). Nitarika ny hafa hivavaka ny fampianaran’izy ireo (jereo ny Almà 18:40–41; 22:15–18).

Hamoaka printy