Tahirim-pitaovana
Lesona 34: 2 Nefia 21–24


Lesona 34

2 Nefia 21–24

Fampidirana

Maro amin’ireo faminanian’i Isaia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no mikasika ny andro farany. Naminany mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izy, mikasika ny Mpaminany Joseph Smith, ny Fiaviana Fanindroany ary ny famongorana ny olon-dratsy. Hitany mialoha fa ny Tompo dia “hanangana faneva iray ho an’ny firenena” mba hanangonana ny olony amin’ny andro farany (jereo ny 2 Nefia 21:11–12). Nijoro ho vavolombelona koa i Isaia fa ny Tompo dia handresy an’i Satana ary hampiditra ny Arivotaona izay fotoam-piadanana sy fotoam-pifaliana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 21:1–5, 10–12

Nahita mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany i Isaia

Asehoy ilay sary: I Môrônia Niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny Efitranony (62492; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah 91). Hazavao fa rehefa niseho voalohany tamin’i Joseph Smith i Môrônia, “dia nanambara ny voalazan’ny toko faha iraika ambin’ny folo ao amin’ny Isaia izy, ka nilaza fa efa madiva ho tanteraka izany” (Joseph Smith—Tantara 1:40). Ny faminaniana ao amin’ny Isaia 11 dia hita koa ao amin’ny 2 Nefia 21.

Niseho tamin’i Môrônia i Joseph Smith

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 21:1. Sariho any amin’ilay andian-teny hoe “solofo hitsimoka amin’ny vatan’i Jese” ny sain’izy ireo. Dia asao izy ireo hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 21:10. Sariho any amin’ilay andian-teny hoe “fakan’i Jese” ny sain’izy ireo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny ireo. Hazavao fa nahazo fanambarana momba ireo andian-teny ireo ny Mpaminany Joseph Smith. Asao ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–6. Vakio mafy ireo andinin-tsoratra masina ireo. Alohan’ny hamakianao izany dia angataho ny mpianatra mba hamaky manokana ihany koa ary hitady ny dikan’ireo andian-teny ireo. Azonao atao koa ny manoratra ireo dikany ireo eo amin’ny solaitrabe araka ny aseho etsy ambany. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanoratra ireo dikany ireo ao anatin’ny soratra masiny.

Vatan’i Jese—Jesoa Kristy

Solofo—mpanompo irain’i Kristy “izay omena hery lehibe”

Fakan’i Jese—olona iray amin’ny andro farany izay hihazona ny fisoronana ary “ny fanalahidin’ny fanjakana”

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny mombamomba an’ilay “solofo” sy ilay “vatan’i Jese.”

“Diso ve isika raha milaza fa ilay mpaminany voalaza eto dia i Joseph Smith, izay nomena ny fisoronana ary nahazo ireo fanalahidin’ny fanjakana sy nanangana faneva ho an’ny fanangonana ny vahoakan’ny Tompo ao anatin’izao fotoampitantanantsika izao? Ary moa ve izy koa tsy ’mpanompo iray eo am-pelatanan’i Kristy, izay taranak’i Jese amin’ny ampahany ary koa taranak’i Efraima na ny mpianakavin’i Josefa izay omena hery lehibe’?” (The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man [1982], 339–40).

Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny 2 Nefia 21:10, 12. Angataho ny mpianatra hitady teny na andian-teny izay misy ifandraisany amin’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ary ny Fiangonan’ny Tompo. Alohan’ny hamakian’ny mpianatra dia azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo fa ny teny hoe faneva dia midika hoe saina ampiasaina ho toy ny toera-pamoriana na ampiasaina ho mari-pamantarana ny fihaonana (jereo ny lesona 32).

  • Moa ve ny asa nataon’i Joseph Smith nahatanteraka ny faminaniana mikasika ny fakan’i Jese?

  • Ahoana no fomba hiangonantsika ankehitriny amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika? Ahoana no fomba hananganantsika faneva mba hanampiana ny hafa hahafantatra ny toerana hiangonana?

Mijoroa ho vavolombelona fa naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ary manangona ny olona Izy amin’izao andro farany izao.

2 Nefia 21:6–9; 22

Mamaritra ny Arivotaona i Isaia

Angataho ny mpianatra mba haka sary ao an-tsainy fa misy namana iray izay mpikambana any amin’ny fiangonana hafa nanontany azy ireo ny zavatra inoany mikasika ny Arivotaona. Asaivo mandalina amim-pahanginana ny 2 Nefia 21:6–9 sy 22:1–6 izy ireo ary mitady ireo fahamarinana mety azony zaraina ao anatin’ny resaka toy izany. Asao izy ireo hanoratra ny heviny ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy. Mba hanampiana azy ireo hifanakalo hevitra mikasika ny zavatra hitany dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra:

  • Inona no famaritana omena ao amin’ny 2 Nefia 21:6–8 mikasika ireo toe-javatra hitranga eto an-tany mandritra ny Arivotaona?

  • Araka ny 2 Nefia 21:9, nahoana no ho toerana feno fiadanana ny tany mandritra ny Arivotaona? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa mandritra ny Arivotaona dia ho toerana feno fiadanana ny tany satria ho feno ny fahalalana ny Tompo izany.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana ny Tompo manampy antsika hiaina amim-piadanana bebe kokoa?

  • Faritan’i Isaia ao amin’ny 2 Nefia 22:1–6 ilay fanahin’ny fitsaohana izay hananan’ny olona mandritra ny Arivotaona. Ahoana no ahafahantsika manana toetra toy izany ankehitriny?

  • Inona avy ireo lafin-javatra sasantsasany hita ao amin’ny Arivotaona izay tianao hiseho eo amin’ny fiainanao izao dia izao? (Amporisiho ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao hahazoana ny sasany amin’ireo fitahiana ireo eo amin’ny fiainany.)

2 Nefia 23–24

Nampianatra i Isaia fa ho ringana ny olon-dratsy ary haneho famindram-po amin’ny olony ny Tompo

Hazavao fa ao anatin’ny 2 Nefia 23, i Isaia dia maminany ny firodanan’i Babylona ary mampitaha izany amin’ny famongorana ny olon-dratsy amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Asao ny mpianatra mba hamaky ny famaritana ny hoe “Babylona” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Hazavao fa any anatin’ny soratra masina sasantsasany, ny teny hoe Babylona dia midika hoe faharatsian’izao tontolo izao. Naminany i Isaia fa hisy faharavana lehibe hihatra amin’ny olon-dratsy ao Babylona ary amin’ny andro farany.

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny zavatra hianjady amin’ny olon-dratsy amin’ny andro farany dia asaivo vakian’izy ireo amim-pahanginana ny 2 Nefia 23:1, 5–9, 11, 15, 19, sy ny 22.

Hazavao fa nampiasain’i Isaia ny fahalavoan’i Losifera na i Satana ho toy ny fanehoana ny fomba hamongorana ny olon-dratsy. Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny 2 Nefia 24:12–16.

  • Inona ireo andian-teny ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay mampiseho ny fireharehan’i Satana?

  • Ahoana no namaritan’ny 2 Nefia 24:16 ny zavatra ho tsapantsika momba an’i Satana raha toa ka afaka mahita azy amin’ilay tena maha izy azy isika?

Asao ny mpianatra mba hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

“Ny fireharehana no nampianjera an’i Losifera, ’zanaky ny maraina’ nandritra ny filankevitra talohan’ny nahaterahana. (2 Ne. 24:12–15; jereo koa ny F&F 76:25–27; Mosesy 4:3.) … Nandritra ilay filankevitra talohan’ny fiainana an-tany dia nanolotra ny sosokeviny mba hampifaninanana amin’ny drafitry ny Ray izay narovan’i Jesoa Kristy i Losifera. (Jereo ny Mosesy 4:1–3.) Naniry ny hahazo voninahitra ambony noho ny rehetra izy. (Jereo ny 2 Ne. 24:13.) Raha fehezina, ilay faniriany mifono fireharehana dia ny hanongana an’Andriamanitra. (Jereo ny F&F 29:36; 76:28.)” (“Beware of Pride,” Ensign, Mey 1989, 4–5).

Sariho any amin’ilay tenin’ny Tompo any amin’ny faran’ny 2 Nefia 23:22 ny sain’ny mpianatra: “Hamindra fo amin’ny oloko aho, fa hofongorana kosa ny olon-dratsy.” Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika izany fanambarana izany ao anatin’ny soratra masiny. (Marihina fa io fehezanteny farany ao amin’io andinin-tsoratra masina io dia tsy hita ao amin’ilay andininy mitovy amin’izany ao amin’ny bokin’i Isaia ao amin’ny Baiboly navoakan’ny Mpanjaka James. Midika izany fa ireo takelaka metaly dia ahitana fampahalalana sasantsasany izay tsy ao anatin’ny Baiboly.)

  • Inona no dikan’ny hoe anisan’ny vahoakan’ny Tompo araka ny eritreritrao?

Angataho ny mpianatra maromaro mba hamaky mafy ny 2 Nefia 24:1–7, 24–27, ka mifandimby izy ireo mamaky andininy iray na roa. Asao ny mpianatra mba hitady ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ny vahoakany. Amporisiho izy ireo mba hifampizara ny zavatra hitan’izy ireo. Azonao atao ny mangataka mpianatra iray hanoratra ireo fanamarihana ireo.

  • Inona no hafatra zarain’ireo andinin-tsoratra masina ireo ho an’ireo izay mijaly noho ny haratsian-toetran’ny olon-kafa?

  • Inona no zavatra hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay maneho fifaliana sy fanantenana?

Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra fa ny Tompo dia hamindra fo amin’ny olony, saingy hofongorana kosa ny olon-dratsy. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny faminanian’i Isaia ao amin’ny 2 Nefia 21–24 dia maneho ny iray amin’ireo hafatra lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna—dia ny hoe hiroborobo izay mpankatò ary hofongorana ny tsy mpankatò. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka miaina amim-pahamarinana sy miroborobo isika ankehitriny eo am-piandrandrana ny Arivotaona.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 21:1. “Ary hisy sampana haniry amin’ny fakany”

Nohazavain’ny Loholona Bruce R. McConkie avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ilay sampana voalaza ao amin’ny 2 Nefia 21:1:

“‘Indro avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry …’ (Jer. 23:3–6). Izany dia ilazana fa ilay Mpanjaka izay hanjaka manokana eto an-tany mandritra ny Arivotaona no ho ilay Sampana izay haniry avy ao amin’ny mpianakavin’i Davida. Hampihatra ny fitsarana sy ny fahamarinana eo amin’ny tany rehetra izy satria izy no Jehovah Tompo, ilay antsointsika mihitsy hoe Kristy. Ary mazava tanteraka ilay hoe ilay Sampan’i Davida dia i Kristy. Ho hitantsika izao fa antsoina hoe Davida koa izy. Davida vaovao izy ary Davida Mandrakizay, izay hanjaka mandrakizay eo amin’ny seza fiandrianan’ny razambeny fahiny [jereo ny Jeremia 30:8–9]” (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 193).