Tahirim-pitaovana
Lesona 72: Almà 5:37–62


Lesona 72

Almà 5:37–62

Fampidirana

Rehefa nanohy nitory tany Zarahemlà i Almà dia nampitandrina ny vahoaka fa ny fanapahan-kevitra hoe hanaraka na handà ny teniny dia misy vokany lehibe. Nampitahain’i Almà tamin’ny Mpiandry Tsara ihany koa i Jesoa Kristy, izay niantso azy ireo ary naniry hamerina azy ireo ho ao am-balany. Namporisika ny vahoaka izy hibebaka sy hiala amin’ireo zava-maloton’izao tontolo izao mba hahafahan’izy ireo handova ny fanjakan’ny lanitra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 5:37–42, 53–62

Nampitandrina ireo ratsy fanahy i Almà, ary nanasa ny rehetra hihaino ny feon’ilay Mpiandry Tsara

Miantsoroka ilay Zanak’ondry Very i Jesoa

Asehoy ilay sary hoe Miantsoroka ilay Zanak’ondry Very i Jesoa (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 64).

  • Amin’ny lafiny ahoana no maha Mpiandry Tsara ny Mpamonjy?

Rehefa avy namaly ny mpianatra vitsivitsy dia vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson:

“Tamin’ny andron’i Jesoa dia nampiavaka ny mpiandry ondry Palestinianina ny fomba fiarovany ireo ondriny. Tsy toa an’ireo mpiambina ondry amin’izao fotoana izao, fa ny mpiandry ondry dia mandeha eo alohan’ireo ondriny mandrakariva. Mitarika azy ireo izy. Nahafantatra ny ondry tsirairay ilay mpiandry ondry ary mazàna dia nanana anarana hiantsoana ny tsirairay izy. Fantatr’ireo ondry ny feony ary natokisany ka tsy mety hanaraka olon-kafa izy ireo. Koa rehefa antsoina ilay ondry dia manatona azy. (Jereo ny Jaona 10:14, 16.) …

“Nampiasain’i Jesoa io fanehoana an-tsary mahazatra tamin’ny androny io mba hilazana fa Izy no ilay Mpiandry Tsara, ilay Mpiandry Ondry Tena Izy. Noho ny fitiavany an’ireo rahalahy sy anabaviny dia vonona Izy hanolotra ny ainy an-tsitrapo ho azy ireo” (“A Call to the Priesthood: ’Feed My Sheep,’” Ensign, Mey 1983, 43; jereo ihany koa ny John R. Lasater, “Shepherds of Israel,” Ensign, Mey 1988, 74–75).

Ampio ireo mpianatra hahatadidy ny zava-miseho ao amin’ny Almà 5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandeha nitory tamin’ny vahoaka tao Zarahemlà i Almà, vahoaka izay toy ny “ondry tsy nanana mpiandry” (Almà 5:37). Asaivo tadidian’ireo mpianatra ireo olana natrehan’ireo vahoakan’i Zarahemlà sy izay namporisihin’i Almà ho ataon’izy ireo. Azonao averina jerena vetivety ny andininy maromaro manan-danja tamin’ny lesona teo aloha toy ny Almà 5:14–20, mba hanampiana ireo mpianatra hahatadidy ny zava-miseho eto. Ataovy izay ahatakaran’ireo mpianatra fa tao anatin’ny toe-draharaha nahatsiravina ny vahoakan’i Zarahemlà noho ny faharatsian’izy ireo (Jereo ny Almà 7:3).

Asao ny mpianatra roa na telo hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 5:37–42. Angataho ireo mpianatra mba hitady fomba ahafahan’ny olona iray milaza fa iray amin’ireo ondrin’ny Mpamonjy izy. Rehefa avy nizara izay zavatra hitany ireo mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no maha toy ny ondry mila mpiandry ondry ny olona?

  • Araka ny ao amin’ny Almà 5:37–38, ahoana no fomba hanehoan’ilay Mpiandry Tsara ny fitiavany sy ny fiahiany ireo ondry? (Manohy miantso azy ireo aminy Anarany Izy.)

  • Araka ny Almà 5:41, ahoana no ahafahantsika milaza fa mihaino ny feon’ilay Mpiandry Ondry Tsara isika?

  • Inona no karazana asa atao izay mety haneho fa manaraka ilay Mpiandry Ondry Tsara ny olona anankiray?

Rehefa namaly ireo mpianatra dia asaivo vakian’ny mpianatra iray ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity, izay namariparitra ireo lehilahy sy vehivavy izay nanolo-tena hanaraka an’i Jesoa Kristy. (Azonao atao ny manomana tahadika iray amin’ity fanambarana ity ho an’ny mpianatra tsirairay.)

“Rehefa misafidy ny hanaraka an’i Kristy ianao dia misafidy ny hiova. …

“Ireo lehilahy [sy vehivavy] niova ho an’i Kristy dia hotarihin’i Kristy. …

“Voatelina ao amin’ny Sitrapony ny sitrapon’izy ireo. (Jereo ny Jaona 5:30.)

“Ireo zavatra izay mahafaly ny Tompo hatrany no ataon’izy ireo. (Jereo ny Jaona 8:29.)

“Tsy hoe vonona ny ho faty ho an’ny Tompo fotsiny izy ireo fa ny zava-dehibe kokoa dia te ho velona mba ho Azy izy ireo.

“Midira ao an-tokantranony, dia ho hitanao fa na ny sary eny amin’ny rindrina, na ny boky eny amin’ny fitoeram-boky, na ny feon-kira re ao, na ny teny ambaran’izy ireo dia manambara fa Kristianina izy ireo.

“Mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra izy ireo amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra. (Jereo ny Môsià 18:9.)

“Ao an-tsain’izy ireo i Kristy, rehefa mijery any Aminy izy ireo ao anatin’ny eritreritra rehetra ananany. (Jereo ny F&F 6:36.)

“Ao am-pon’izy ireo i Kristy rehefa mifantoka any Aminy mandrakizay ny fitiavan’izy ireo. (Jereo ny Almà 37:36.)

“Saika isan-kerinandro izy ireo no mandray ny fanasan’ny Tompo ary mijoro ho vavolombelona indray amin’ny Rain’izy ireo Mandrakizay fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ny Zanakalahiny, sy ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny Didiny. (Jereo ny Môrô. 4:3.)” (“Born of God,” Ensign, Nôv. 1985, 5, 6–7).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 5:53–56, sady mitady ireo toetra sy fihetsika izay manasarotra ny fihainoan’ny olona anankiray ny feon’ny Mpamonjy. Rehefa afaka minitra vitsy dia manasà mpianatra vitsivitsy hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany. Asaivo manoratra ny valinteniny izy ireo mba ho fenon’izy ireo araka izay tratra ny ampahany lehibe indrindra eo amin’ny solaitrabe. Angataho izy ireo mba hanampy toetra sy fihetsika hafa izay hitan’izy ireo manodidina azy ireo ka manasarotra ny fihainoana ny feon’ny Mpamonjy. (Mety ho hita ao amin’ny valintenin’ireo mpianatra ny hoe ny tsy firaharahiana ny fampianaran’Andriamanitra, na ny ambom-po, na ny fizahozahoana, na ny fametrahana ny fontsika amin’ny harena sy ny zavatr’izao tontolo izao, na ny fiheveran-tena ho tsara kokoa noho ny hafa, na ny fanenjehana ireo marina, na ny mitodi-damosina ireo mahantra sy ireo sahirana. Azonao ato ny misarika ny sain’ny mpianatra hifantoka amin’ny famerimberenan’i Almà ny fampiasana ny teny hoe mikiry, izay manantitrantitra fa ny vahoakan’i Zarahemla dia nikiry tamin’ireo fihetsika sy toetra feno fahotana ireo.)

Mamorona toerana malalaka hanoratana eo afovoan’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny famafana ny ampahany amin’ireo valintenin’ny mpianatra. Soraty eo amin’io toerana malalaka io ny hoe araho ny feon’ilay Mpiandry Tsara.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 5:57. Asaivo fantarin’ireo mpianatra ireo teny izay mampianatra ny fomba tokony hiatrehantsika ireo fitaoman-dratsy. (“Mivoàha hiala amin’ny olon-dratsy,” “aoka hisaraka,” ary “aza mikasika ny zavany tsy madio.”) Azonao atao ny mandroso hevitra amin’ireo mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Mariho fa ireo andian-teny ireo dia manantitrantitra ny filàna miala amin’izay mety handoto na hanimba antsika ara-panahy. Mba hanampiana ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny fomba hahafahan’izy ireo manilika ireo zava-manelingelina sy miala amin’ireo fitaoman-dratsy ary manaraka ny feon’ilay Mpiandry Tsara, dia mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no azon’ny tanora Olomasin’ny Andro Farany iray atao mba hihatahana amin’ireo olon-dratsy? (Mba hanamafisana ny valintenin’ireo mpianatra dia diniho ny hizarana ohatra tsara izay hitanao teo amin’ny iray amin’ireo mpianatrao. Azonao atao koa ny manasa mpianatra hizara ohatra tsara izay hitan’izy ireo teo amin’izy samy izy.)

  • Araka ny ao amin’ny Almà 5:56–57, dia inona no vokatry ny fikirizana amin’ny faharatsiana? (Raha mikiry amin’ny faharatsiana isika dia tsy ho afaka handre ny feon’ilay Mpiandry Ondry Tsara ary tsy afaka ny ho voaisa ho an’isan’ireo marina.)

Raha ampy ny fotoana, dia omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra handinihana ity fanontaniana manaraka ity. Azonao atao ny mangataka azy ireo hamaly izany ao amin’ny kahien’izy ireo na ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina.

  • Inona no tian’ny Tompo hataonao mba hanekena tsara kokoa ny Fanasany anao hanatona Azy? (Azonao atao ny mandroso hevitra hoe ny valiny dia mety ho zavatra izay tsapan’izy ireo fa ilaina atao tsara kokoa, na koa zavatra izay tokony hatsahatr’izy ireo ny fanaovana azy.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 5:58–62, ka hitady ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo izay mitambatra amin’ny Tompo sy ny vahoakany. (Azonao atao ny mandroso hevitra ny mba hanisian’ireo mpianatra marika ireo fitahiana ireo ao anatin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampanantenan’ny Tompo amin’ireo izay mihaino ny Feony? (Na dia afaka mandroso fitsipika hafa aza ireo mpianatra, dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa raha manaraka ny feon’ny Tompo isika [ilay Mpiandry Ondry Tsara], dia ho tafakambana ao amin’ny Fanjakany. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona avy ireo fahazarana efa anananao izay manampy anao hihaino ny feon’ilay Mpiandry Ondry Tsara?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ireo fahazarana ireo nanampy anao tsy hiraharaha ny sasany amin’ireo fitaoman-dratsy izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mihaino ny tenin’ny Mpamonjy isika dia ho anisan’ireo marina izay ho angonina ao amin’ny fanjakan’ny Tompo.

Almà 5:43–52

Notanterahan’i Almà ny andraikiny mikasika ny fitoriana fibebahana

Asaivo tanisain’ireo mpianatra ireo retsipamantarana ara-batana dimy (ny fahitana, ny fandrenesana, ny fitsapana, ny fanimboloana, ary ny fandrenesana tsiro). Diniho ny hitondrana zavatra maromaro izay hahafahan’ireo mpianatra mampiasa ireo retsipamantarana ireo.

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ireo retsipamantarana tsirairay ireo?

  • Misy fomba ve ahafahanao mahafantatra na mianatra zavatra iray kanefa tsy mampiasa ireo retsipamantarana dimy ireo?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 5:44–48. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra izay nolazain’i Almà fa fantany sy ny fomba voalazany fa nahafantarany izany.

  • Araka ny ao amin’ny Almà 5:48, inona no zavatra fantatr’i Almà?

  • Inona no voalazan’i Almà fa loharanon’ny fijoroany ho vavolombelona?

  • Inona no nataon’i Almà mba hahazoana izany fijoroana ho vavolombelona izany avy amin’ny Fanahy Masina?

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina manampy antsika hahazo na hanamafy fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nihanatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona tamin’ny alalan’ny vavaka na ny fifadian-kanina?

Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mahafantatra isika, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra ny zanak’olombelona. Mba hanantitranterana ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana sy ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra ny zanak’olombelona, dia vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona M. Russell Ballard

“Ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tsirairay, an’ny tena manokana momba ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara, indrindra fa momba ny fiainana masin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny asa masina nanirahana Azy, dia zava-dehibe indrindra ho an’ny fiainantsika mandrakizay. … Amin’ny teny hafa, ny fiainana mandrakizay dia mifototra amin’ny fahalalan’ny tenantsika tsirairay manokana an’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanakalahiny Masina. Tsy ampy ny fahalalana zavatra mikasika azy fotsiny. Tsy maintsy manana traikefa ara-panahy an’ny tenantsika manokana isika hifikirantsika. Izany dia azo amin’ny alalan’ny fikatsahana izany amin’ny fomba mahery vaika sy mifantoka amin’ny tanjona iray mitovy amin’ny fikatsahan’ny olona noana iray hanina” (“Feasting at the Lord’s Table,” Ensign, Mey 1996, 80).

Omeo fotoana ireo mpianatra hanoratana ny valintenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity. Amporisiho koa izy ireo hanoratra izay hataon’izy ireo mba hahazoana na hanatanjahana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hanatratra ny tanjon’izy ireo na dia mitaky “andro maro” aza izany (Almà 5:46).

  • Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona taminao fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra izao tontolo izao?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 5:49–52, ka hitady izay nolazain’i Almà tamin’ny vahoaka fa tokony hataon’izy ireo mba hiomanana handova ny fanjakan’ny lanitra.

  • Fa nahoana no tena ilaina ny fibebahana mba hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fampianaran’i Almà mikasika ny fiomanana hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, dia asaivo vakian’ny mpianatra iray ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Manao ahoana re raha toa ka rahampitso no andro hahatongavany? Raha nahafantatra isika fa rahampitso no hihaona amin’ny Tompo—noho ny fahafatesantsika alohan’ny fotoana na noho ny fiaviany tsy ampoizina—inona no ho ataontsika anio? Inona avy no fiaiken-keloka hataontsika? Inona avy no fomba fanaontsika izay hatsahatsika? Inona avy no olana eo amin’ny fifandraisana aman’olona izay halamintsika? Inona avy ireo famelan-keloka hataontsika? Inona avy ireo fijoroana ho vavolombelona hozaraintsika?

“Raha toa ka hanao ireo zavatra ireo isika, nahoana izany no tsy atao ankehitriny? Nahoana no tsy katsahina ilay fiadanana rehefa azo alaina izany?” (“Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 9).

Farano amin’ny alalan’ny fanomezana fotoana an’ireo mpianatra hahafahan’izy ireo mandinika izay ilain’izy ireo ovaina eo amin’ny fiainany mba ho vonona hihaona amin’ny Mpamonjy sy hiditra ao amin’ny Fanjakany. Asao izy ireo hirakitra an-tsoratra ireo eritreritra sy fahatsapana ananany mba hahafahan’izy ireo mamerina mamaky ny eritreritr’izy ireo aty aoriana ary hahazo fampahatsiahivana hanaraka ireo bitsika izay voarain’izy ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 5:46–47. “Ny fanahin’ny fanambarana”

Nahita anjely i Almà, saingy nanamarina izy ao amin’ny Almà 5:46–47 fa ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny asa fanavotana nanirahana an’i Jesoa Kristy dia nohamafisina tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, taorian’ny fifadian-kanina sy vavaka be dia be. Nilaza ny Filoha Heber J. Grant hoe “Maro ny olona no milaza hoe: ‘Raha mba nahita anjely fotsiny moa aho, raha mba naheno anjely manambara zavatra amiko moa aho, izany dia hahatonga ahy ho mahatoky mandritra ny androm-piainako rehetra!’ Tsy nisy fiantraikany izany teo amin’ireo lehilahy ireo [Lamana sy Lemoela] izay tsy nanompo ny Tompo, ary tsy ho nisy fiantraikany ankehitriny” (tao amin’ny Conference Report, Apr. 1924, 159).

Nohazavain’ny Filoha Joseph Fielding Smith ny antony mahatonga ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy Masina hahery vaika kokoa noho ny fisehoan’ny anjely iray:

“Nilaza i Kristy … fa ireo fahitana mety ho azontsika … avy amin’ny fisehoan’ny anjely iray, izay olona azo tsapain-tanana efa nitsangana tamin’ny maty, dia tsy hamela ilay fahatsapana … izay raisintsika amin’ny alalan’ny fisehoan’ny Fanahy Masina. Mety ho adino ireo fisehoana mivantana azontsika rehefa mandeha ny fotoana, fa io fitarihan’ny Fanahy Masina io dia miha vao sy mitohy tsy tapaka, isan’andro, isan-taona, raha manana fiainana mendrika izany isika” (Doctrines du Salut, navoakan’i Bruce R. McConkie, boky 3 [1954–56], 1:44).

Ity filazana manaraka ity izay nalaina tao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana dia manazava ny fomba fitrangan’ny fiovam-po:

“Ny fiovam-po dia misy dingana arahina fa tsy zava-miseho tampoka. Lasa miova fo ianao vokatry ny ezaka tsara nataonao teo amin’ny fanarahana ny Mpamonjy. Izany ezaka izany dia ahitana ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana amin’ny fahotana, ny firotsahana amin’ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary faharetana hatramin’ny farany amim-pinoana.

“Na dia fahagagana sy fiovan’ny fiainana tokoa aza ny fiovam-po dia fahagagana miseho mangina ihany izany. Tsy mitondra fiovam-po ireo fitsidihan’ny anjely sy ireo trangan-javatra mampitolagaga hafa. Na i Almà aza, izay nahita anjely, dia tsy niova fo raha tsy taorian’ny “nifad[iany] hanina sy nivava[hany] andro maro” mba hahazoany vavolombelon’ny fahamarinana (Almà 5:46). Ary i Paoly, izay nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty, dia nampianatra fa ‘tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina’ (1 Korintiana 12:3)” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra Mikasika ny Filazantsara [2004], 41).

Almà 5:57. “Mivoàha hiala amin’ireo olon-dratsy, ary aoka hisaraka”

Ny Loholona David R. Stone ao amin’ny Fitopololahy dia niresaka momba ny teknika nampiasaina teo amin’ny fanamboarana ny Tempolin’i Manhattan New York izay manome ohatra amin’ny fomba fialana amin’ny fitaoman’izao tontolo izao:

“Maro loatra amin’ireo olona amin’izao tontolo izao no lasa nitovy amin’i Babylona fahiny amin’ny fandehanana amin’ny lalan’ny tenany ihany sy ny fanarahana andriamanitra ‘izay manam-pitoviana amin’izao tontolo izao ny endriny’ [F&F1:16].

“Anisan’ny fanamby lehibe indrindra ho atrehantsika ny ho afaka hiaina ao amin’io izao tontolo izao io kanefa tsy ho an’io izao tontolo izao io. Mila manorina an’i Ziona isika ao anivon’i Babylona. …

“Ny fandraisako anjara tamin’ny fanorenana ny tempolin’i Manhattan dia nahazoako fahafahana ho ao amin’ilay tempoly matetika talohan’ny fitokanana. Nahatalanjona ny nipetraka tao amin’ny efitrano selestialy ary mitoetra ao anatin’ny fahanginana tanteraka, tsy misy feo na kely aza heno avy any amin’ireo araben’i New York any ivelany feno olona sy fiara mifamezivezy. Ahoana no nahafahan’ilay tempoly ho mangina sy feno fanajana toy izany kanefa dia metatra vitsivitsy fotsiny no manasaraka azy amin’ny kotaba sy korontan’ilay tanan-dehibe?

“Tao amin’ny fomba nanorenana ilay tempoly ny valiny. Tao anatin’ny rindrin’ny trano iray efa nisy no nanorenana ilay tempoly, ary ireo rindrina anatin’ilay tempoly dia tsy nifandray tamin’ireo rindrina ivelany raha tsy amin’ny toerana tena vitsivitsy. Izany no fomba nahafahan’ilay tempoly (Ziona) nametra ny fiantraikan’i Babylona, na ilay izao tontolo izo tany ivelany.

“Mety misy lesona ho antsika ao amin’izany. Afaka manorina ilay tena Ziona eo anivontsika isika amin’ny alalan’ny famerana hoe hatraiza ny ho fiantraikan’i Babylona eo amin’ny fiainantsika. …

“Na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza tanàna mety honenantsika, dia afaka manorina ny Zionantsika manokana isika amin’ny alalan’ ireo fitsipiky ny fanjakana selestialy ary ny fikatsahana hatrany ny ho tonga madio am-po. …

“Tsy ilaina ny ahatongavantsika ho saribakoly eo am-pelatanan’ny kolontsaina manjaka eo amin’ilay toerana sy amin’io fotoana io. Afaka ny ho feno herim-po isika ary afaka mandeha amin’ny lalan’ny Tompo ary manaraka ny dian-tongony” (“Zion in the Midst of Babylon,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 90–93).