Tahirim-pitaovana
Lesona 109: Helamàna 6–7


Lesona 109

Helamàna 6–7

Fampidirana

Nitombo ny fahamarinan-toetran’ny Lamanita taorian’ireo asa fitoriana nataon’i Nefia sy i Lehia. Saingy lasa ratsy toetra ny Nefita ary nanomboka nanohana ny jirik’i Gadiantôna ka niala teo amin’izy ireo ny Fanahin’ny Tompo. Naminany i Nefia fa raha toa ka manohy miaina ao anatin’ny faharatsiana ny Nefita dia hofongorana. Naminany koa izy fa noho ny fahamarinan’ny Lamanita dia ho feno famindram-po amin’izy ireo Izy ary hiaro azy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 6

Lasa marin-toetra ny Lamanita ary niady tamin’ny jirik’i Gadiantôna ary ny Nefita kosa dia lasa nitombo faharatsiana sy nanohana ny jirik’i Gadiantôna

Avereno atao eo afovoan’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity:

zanatsipìka manondro ambony

Asao ny mpianatra mba hitady sy hieritreritra toetra sy fihetsika izay mampitombo ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’izy ireo ary ireo toetra sy fihetsika izay mampihena ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Hazavao fa i Môrmôna dia nirakitra hoe nesorin’ny Tompo hiala teo anivon’ny Nefita ny Fanahiny ary nanomboka nandrotsaka ny Fanahiny teo amin’ny Lamanita Izy (jereo ny Helamàna 6:35–36). Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Nefita dia lasa “malemy noho ny fandikany lalàna” (Helamàna 4:26). “Tsy nitsimbina azy intsony ny Fanahin’ny Tompo” (Helamàna 4:24), ary “masaka ho amin’ny famongorana” izy ireo (Helamàna 5:2).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Helamàna 6:2. Angataho ny mpianatra sisa hanaraka ka hitady ireo fihetsika sy toetra izay hitarika ny Nefita hanohy “ho masaka ho amin’ny famongorana maharitra mandrakizay” (Helamàna 6:40). Rehefa manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo dia asaivo soratan’ny mpianatra iray eo amin’ny antsasany ambanin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo, eo ambanin’ilay zanatsipìka manondro ambany na eo akaikiny. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe toetra mahatsiravina dia midika hoe tsy mibebaka ary tsy mba manenina.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa noho ny asa fitoriana nataon’i Nefia sy i Lehia nandritra ny taona lasa dia Lamanita an’arivorivony tao Zarahemlà no natao batisa ary ny ankamaroan’ny Lamanita tao amin’ny tanin’i Nefia dia niova fo tao amin’ny filazantsara (jereo ny Helamàna 5:19–20, 50–51). Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 6:1, 3–5. Asao ny mpianatra sisa mba hanaraka ka hitady ireo toetra sy fihetsika izay nitarika ny Lamanita hahazo ny fitarihan’ny Fanahy bebe kokoa. Rehefa manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia angataho ny mpianatra iray mba hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny tapany ambonin’ny solaitrabe, eo ambony na eo akaikin’ilay zanatsipìka manondro ambony.

  • Inona no dikan’ny hoe miorina sy mifototra amin’ny finoana? (Jereo ny Helamàna 6:1.)

  • Inona no fihetsika nasehon’ny olon’ny Fiangonana teo anatrehan’ny fiovam-pon’ny Lamanita? (Azonao atao ny manazava fa afaka mitondra fifaliana lehibe ny fizarana ny filazantsara sy ny fifaneraserana amin’ny Olomasina na dia rehefa voahodidin’ny faharatsiana aza isika.)

Fintino ny Helamàna 6:7–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa tao anatin’ny telo taona teo ho eo dia niaina tao anatin’ny fandriampahalemana ny Lamanita sy Nefita. Rehefa nitombo ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’izy ireo dia samy niroborobo ireo vahoaka anankiroa. Avy eo nisy namono ny lohan’ny mpitsara anankiroa tamin’ny taona faha-66 nitondran’ny mpitsara. Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Helamàna 6:16–17. Asao ny mpianatra sisa mba hanaraka izany ka hitady ireo toetra sy fihetsika hafa izay nahatonga ny Fanahy hisintaka teo anivon’ny Nefita. Rehefa manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia angataho ny mpianatra iray mba hanoratra ny valintenin’izy ireo eo amin’ny tapany ambanin’ny solaitrabe, eo ambany na eo akaikin’ilay zanatsipìka manondro ambany.

Zarao amin’ny mpianatrao ireto toe-javatra manaraka ireto:

Zava-dehibe iray eo amin’ny fahavelomantsika ara-batana ny fo. Mampikoriana ny ra manerana ny vatantsika izany mba hahafahan’ny ôksizena sy ireo foto-javatra mahavelona ho tonga any amin’ny sela rehetra. Mitovitovy amin’ny haben’ny totohondry izany ka ny fon’ny olon-dehibe iray dia mampikoriana ra eo amin’ny 7,570 litatra isan’andro eo. Mitempo im-70 isa-minitra izany na mitempo in-100.000 isan’andro.

  • Noho ny fahafantaranao ny maha zava-dehibe ilay fonao ao anatin’ny vatanao dia vonona ny hanao inona ianao mba hihazonana izany ho salama?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity andian-tsoratra masina manaraka ity: Helamàna 6:17, 21, 26, 28–31. Hazavao fa ny andininy tsirairay ao anatin’ity andian-tsoratra masina ity dia mampiasa ny teny hoe fo na am-po, izay ilazana ny fontsika ara-panahy. Omeo fotoana ny mpianatra mba handalinana ireo andininy ireo ary hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto. (Mba hitsitsiana fotoana dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo alohan’ny fotoam-pianarana na soraty mialoha eo amin’ny taratasy zaraina izany ho an’ny mpianatra mba hampiasain’izy ireo rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eo amin’ny solaitrabe izy ireo.)

Nahoana araka ny eritreritrao no tena liana amin’ny fon’ny zanak’Andriamanitra i Satana?

Inona no nataon’ny Nefita izay nanome fahafahana an’i Satana hahazo ny fon’izy ireo? (Jereo ny Helamàna 6:17.)

Inona no mitranga amin’ny olona iray izay mirona any amin’i Satana na fehezin’ity farany ny fony? (Jereo ny Helamàna 6:21, 28, 30–31.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hamaly ireo fanontaniana ireo. Dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny teny nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Angataho ny mpianatra hihaino tsara mba hahitana ireo fomba entin’i Satana hambolena fakam-panahy ao am-pontsika.

Filoha Boyd K. Packer

“Mety misy ny fanambarana sandoka, ny bitsiky ny devoly, ny fakam-panahy! Hiezaka ny hamily lalana anao foana amin’ny fomba rehetra azony eritreretina ny fahavalo mandritra ny fiainanao. …

“Raha toa ianao ka maheno bitsika mitarika anao hanao zavatra tsy mampahazo aina anao, zavatra izay fantatrao ao an-tsainao fa tsy mety ary mifanohitra amin’ireo fitsipiky ny fahamarinana dia aza arahina izany!” (“Personal Revelation: The Gift, the Test, and the Promise,” Ensign, Nôv. 1994, 61).

Ampio hoe mihaino ilay fakam-panahy sy mirotsaka ao anatin’izany ilay lisitra eny amin’ny tapany ambanin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny Helamàna 6:20–21, 37–38. Angataho ny mpianatra mba hanaraka izany ary hitady ireo fihetsika samihafa nasehon’ny Lamanita sy ny Nefita teo anatrehan’ny fisarihan’ny jirik’i Gadiantôna.

Lazao ny mpianatra fa rehefa avy noraketin’i Môrmôna ny zava-nitranga tamin’ny Nefita sy Lamanita dia namoaka lesona azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo izy. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny misy banga ireto:

Niala tamin’ny Nefita ny Fanahy satria …

Narotsaky ny Tompo tamin’ny Lamanita ny Fanahiny satria …

Asao ny mpianatra mba hamaky ny Helamàna 6:34–36, ka hitady fampahalalana izay hanampy azy ireo hameno ireo fehezanteny eo amin’ny solaitrabe ireo.

  • Raha mifototra amin’ny zavatra novakianao tao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ahoana no hamenoanao ireo fehezanteny eny amin’ny solaitrabe ireo? (Azonao atao ny mameno ireo fehezanteny eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fampiasana ny valintenin’ny mpianatra.)

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny zavatra azontsika atao mba hananana ny Fanahy miaraka amintsika? (Na dia manome valiny maro aza ny mpianatra dia ataovy izay hanehoan’izy ireo fa rehefa mino sy mankatò ny tenin’ny Tompo isika dia handrotsaka ny Fanahiny eo amintsika Izy. Tokony haneho koa ny mpianatra fa rehefa mamela an’i Satana hahazo ny fontsika isika dia hiala amintsika ny Fanahin’ny Tompo.)

Sariho any amin’ilay lisitra nosoratan’izy ireo teny ambony sy teny ambanin’ilay zanatsipìka ny sain’ny mpianatra. Hazavao fa ireo fihetsika sy toetra eny amin’ny tapany ambonin’ilay solaitrabe dia maneho ny fahavononana hino sy hankatò ny tenin’ny Tompo ary ireo fihetsika sy toetra eny amin’ny tapany ambanin’ilay solaitrabe kosa dia maneho ny faharatsiana sy ny hamafin’ny fo.

  • Inona no ataonao mba hanasanao amim-pahavitrihana ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao ary mba hisorohana ny fahazoan’i Satana ny fonao?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fanaovana ny iray amin’ireo fihetsika eny amin’ny tapany ambonin’ny solaitrabe anao mba hanana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao? (Azonao atao koa ny mangataka ny mpianatra mba hieritreritra raha toa ka efa nanao ny sasany tamin’ireo fihetsika ireo izy ireo na efa nanana ny sasany tamin’ireo toetra voatanisa eo amin’ny tapany ambanin’ny solaitrabe ary nahatsapa fa niteraka fihenan’ny fitarihan’ny Fanahy teo amin’ny fiainany izany.)

Angataho ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina izay zavatra iray hataon’izy ireo mba hanasana ny Fanahin’ny Tompo ho ao amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo mba hanatanteraka hatramin’ny farany ireo tanjony.

Helamàna 7

Nitory tamin’ireo Nefita ratsy fanahy i Nefia nandidy azy ireo mba hibebaka

Ho an’ireto fanontaniana tsirairay manaraka ireto dia asao ny mpianatra mba hampiasa ny soratra masiny mba hitadiavany valiny faran’izay haingana. Asaivo mitsangana izy ireo rehefa mahita ny valiny. Angataho ilay olona nitsangana voalohany mba hamaly ny fanontaniana tsirairay. Dia angataho ireo mpianatra mba hipetraka alohan’ny hamakianao ny fanontaniana manaraka.

  • Araka ny Helamàna 7:1, dia iza no anaran’ilay mpaminany izay niverina tany amin’ny tany andafiavaratra?

  • Iza amin’ireo andian-teny ao anatin’ny Helamàna 7:2 no mamaritra ny zavatra nampianarin’i Nefia ny olona tany amin’ny tany andafiavaratra?

  • Araka ny Helamàna 7:3, dia nahoana no nandao ny tany andafiavaratra i Nefia?

  • Araka ny Helamàna 7:4, dia iza no nameno ny toeram-pitsarana tamin’ny fotoana niverenan’i Nefia tao Zarahemlà?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 7:5 ary hangataka ny mpianatra ambiny hitady ny fomba nitondran’ny jirik’i Gadiantôna ny vahoaka.

Fintino ny Helamàna 7:6–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nahita ny toe-javatra niainan’ny vahoakany izy dia “vonton’alahelo ny fony” (Helamàna 7:6). Niakatra teny amin’ny tilikambo iray tao amin’ny sahany izy mba hivavaka sy hitomany noho ny faharatsian’ny vahoaka. Rehefa naheno azy nivavaka ny olona sy nitomany dia nisy olona marobe nifamory mba hahafantatra ny antony nahatezitra azy. Nampiasainy izany fotoana izany mba hampianarana azy ireo.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Helamàna 7:15–16.

  • Nahoana no i Nefia no nilaza fa “tokony hitolagaga” ny vahoaka?

  • Inona no katsahan’i Satana?

Asao ny mpianatra hiato kely ary hieritreritra ny sary nampiasain’i Nefia. Rehefa azon’i Satana ny fon’ny olona dia mikatsaka ny hitondra ny fanahin’izy ireo any amin’ny fahoriana maharitra mandrakizay izy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampitandreman’i Nefia tamin’ireo tetik’i Satana ny olona? Nahoana no tian’i Nefia mba hisoroka izany izy ireo?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny Helamàna 7:17–22, 26–28. Asao ny antsasaky ny mpianatra mba hitady ireo fahotan’ny Nefita ary angataho ny antsasany hafa mba hitady ireo voka-dratsy naterak’izany izay efa nampitandreman’i Nefia fa hiseho raha toa ka tsy mibebaka ny vahoaka.

Rehefa manao tatitra ny zavatra hitany ny antsasany voalohany dia asongadino ireo zavatra mitovy amin’izay voasoratra eny amin’ny tapany ambanin’ny solaitrabe. Rehefa manao tatitra ny antsasany faharoa dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ilay andian-teny ao amin’ny Helamàna 7:22 izay maneho zavatra tsy homen’ny Tompo an’ireo izay mandà tsy hibebaka? (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ilay andian-teny ao amin’ny soratra masiny.)

  • Araka ny Helamàna 7:28, dia inona no ho vokany rehefa mandà tsy hibebaka ny olona? (Ho faty izy ireo. Azonao atao ny manazava fa raha ho an’ny Nefita manokana, ilay fandavana tsy hibebaka dia midika hoe ho faty ara-batana sy ara-panahy izy ireo.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Raha toa ka mandà tsy hibebaka amin’ny fahotantsika isika dia hamoy ny fiarovan’ny Tompo sy ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia asao izy ireo mba hanazava ny zavatra mitranga amin’ny olona ao anatin’ireto toe-javatra manaraka ireto: (1) Mandà tsy hibebaka ny zatovolahy iray noho ny fiankinan-dohany amin’ny pôrnôgrafia; (2) Ny ho be mpahafantatra sy ho malaza no tanjon’ny zatovovavy iray na dia tsy izany aza no nampianarin’ny ray aman-dreniny izany; (3) Na dia nihaino ny fampianaran’ny mpaminany mba handalina ny soratra masina sy hivavaka aza ny zatovolahy iray dia mandà tsy hanao ireo zavatra roa ireo.

Asao ny mpianatra mba hieritreritra fomba mety hanampy azy ireo mba hibebaka. Amporisiho izy ireo mba hibebaka mba hahafahan’izy ireo hanana mandrakariva ny herin’ny Tompo sy ny fiarovany eo amin’ny fiainany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Helamàna 6:35–36. “Ny Fanahin’ny Tompo dia nanomboka niala”

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny safidintsika sy ny fihetsika asehontsika dia mety hampanalavitra ny Fanahy Masina amintsika:

“Isika koa dia tokony hiezaka ny hamantatra hoe rehefa inona ‘no alavirin[tsika] ny Fanahin’ny Tompo mba tsy hananan’izany toerana ao anatintsika mba hitarika [antsika] eo amin’ilay lalan’ny fahendrena mba hahazoantsika fitahiana sy firoboroboana ary fiarovana’ (Môsià 2:36). Raha soritana mazava dia satria ny mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny, ilay tanjona nampanantenaina, noho izany dia tokony hitandrina ireo safidy sy ireo zava-mitarika izay manasaraka antsika amin’ny Fanahy Masina isika sy hamantatra izany.

“Mazava ny fitsipika. Raha misy zavatra eritreretintsika na hitantsika na henontsika izay manalavitra antsika amin’ny Fanahy Masina dia tokony hijanona tsy hieritreritra na hijery na hihaino na hanao izany zavatra izany isika. Raha toa ny zavatra iray natao hampiala voly ohatra ka mampihataka antsika amin’ny Fanahy Masina dia azo antoka fa tsy natao ho antsika izany karazana fialam-boly izany. Satria tsy afaka mitoetra miaraka amin’ny zavatra kivalavala na mirefarefa amin’ny tany na tsy maotina ny Fanahy dia mazava ho azy fa tsy natao ho antsika ny zavatra toy izany. Koa satria manalavitra ny Fanahin’ny Tompo isika rehefa manao zavatra izay fantatsika fa tokony halavirintsika, dia tsy natao ho antsika mihitsy izany ny zavatra toy izany” (“That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 30).

Helamàna 6:35–36. “Nanomboka nandrotsaka ny Fanahiny ny Tompo”

Niresaka tamin’ireo mpampianatra seminera sy institiota mikasika ny anjara asan’ny Fanahy Masina ao anatin’ny fianarana ny filazantsara ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

“Tsy afaka mahafantatra an’ Andriamanitra ny mpianatsika sy hitia araka ny tokony hitiavana raha tsy ampianarin’ny Fanahy Masina izy ireo. … Amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ahafahan’izy ireo mahafantatra fa niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy ny Zanany nitsangana tamin’ny maty ary be voninahitra. Amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ahafahan’izy ireo mahafantatra fa teny marin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. … Amin’ny alalan’ny fahazoana ireo fijoroana ho vavolombelona ireo ihany izay napetraky ny Fanahy Masina lalina ao am-pon’izy ireo no hahafahan’izy ireo hiorina eo amin’ny fototra azo antoka iray mba hijoroana mafy ao anatin’ireo fakam-panahy sy fitsapana eo amin’ny fiainany” (“To Know and to Love God” [address to CES religious educators, Feb. 26, 2010], 2, si.lds.org).