Tahirim-pitaovana
Lesona 90: Almà 32


Lesona 90

Almà 32

Fampidirana

Rehefa avy nahita ny fomba fitsaohana tao anatin’ny fihemorana nataon’ny Zôramita i Almà sy ireo mpiara-mitory taminy dia nanomboka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny Zôramita izy ireo. Nanomboka nahita fahombiazana teo anivon’ireo vahoaka nahantra sy noroahina niala ny sinagogany izy ireo. Nampianatra ny vahoaka ny fomba hahazoana ny tenin’Andriamanitra sy hampitomboana ny finoan’izy ireo i Almà tamin’ny alalan’ny fampitahana ny tenin’Andriamanitra tamin’ny voa.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 32:1–16

Naneho ireo Zôramita nanetry tena fa vonona ny hihaino ny tenin’Andriamanitra izy ireo

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa ianao dia namana iray izay nanontany azy ireo ny fomba ahafantaranao raha toa ka marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Anontanio azy ireo ny zavatra holazain’izy ireo mba hanampiana anao hahazo fijoroana ho vavolombelona.

Rehefa avy mizara ny heviny ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ahoana no fomba hahazoana sy hanamafisana orina fijoroana ho vavolombelona. Lazao amin’ireo mpianatra fa hanao lisitra ireo fitsipika sy hevi-baovao hitan’izy ireo mikasika ny fomba hahazoana sy hanamafisana orina fijoroana ho vavolombelona ianao mandritra ny lesona.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nahita ny fomba fitsaohana dison’ny Zôramita, izay andiana Nefita nihemotra, i Almà sy ireo rahalahiny. Nivavaka mba hahazo fampiononana sy hery hahafahana mampianatra azy ireo izy satria nalahelo noho ny faharatsian’ny vahoaka. (Jereo ny Almà 31.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 32:1–3. Asao ireo mpianatra hitady ireo andiana Zôramita izay naneho fahalianana tamin’ny hafatr’ireo misiônera. Angataho izy ireo hilaza ny zavatra hitany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 32:3, nahantra tamin’ny inona ireo olona ireo? (“Nahantra izy ireny raha ny amin’ny zavatr’izao tontolo izao; ary nahantra am-po koa izy ireny.”)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “mahantra am-po”?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io dia asao ny maro amin’izy ireo hifandimby hamaky mafy ny Almà 32:4–12. (Mety hilaza ireo mpianatra fa tafiditra ao anatin’ny hoe mahantra am-po ny hoe manetry tena, mibebaka, ary vonona ny hihaino ny tenin’Andriamanitra.)

  • Ahoana no anehoan’ilay fanontaniana ao amin’ny Almà 32:5 fa nahantra am-po ireo Zôramita?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny fahantrana fitahiana ho an’ireto andiana Zôramita ireto?

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fahazoana sy ny fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona? (Rehefa mizara fitsipika samihafa ireo mpianatra dia soraty eo ambanin’ilay lohateny eny amin’ny solaitrabe izy ireo. Ataovy izay hahazoana antoka fa hitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Manomana antsika handray ny tenin’Andriamanitra ny fanetrentena.)

  • Nahoana no ilaina ao anatin’ny dingana hahazoana sy hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ny fanetrentena?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 32:13–16. Asao ny iray kilasy hitady fomba roa samy hafa izay ahafahan’ny olona ho lasa manetry tena. (Afaka misafidy ny hanetry tena ny olona na mety ho voatery hanetry tena izy ireo.)

  • Inona no azontsika hianarana mikasika ny fanetrentena avy amin’ireo andininy ireo? (Ampio ireo mpianatra hitady ity fitsipika manaraka ity: tahiana kokoa isika rehefa misafidy ny hanetry tena toy izay rehefa voatery hanetry tena.) Nahoana araka ny eritreritrareo no tsara kokoa ny misafidy ny hanetry tena?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe manetry ny tenanareo “noho ny teny”? (Almà 32:14). Ahoana no mety ampifandraisana izany amin’ny fihetsitsika any am-piangonana, ao amin’ny seminera, na mandritra ny fandalinan’ny fianakaviana soratra masina?

Almà 32:17–43

Nampianatra ny Zôramita fomba hampitomboana ny finoan’izy ireo i Almà

Hazavao fa nahafantatra fiheveran-diso izay ananan’ny olona mikasika ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona i Almà. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 32:17–18 ary ireo mpianatra hafa miaraka amin’izay dia mamantatra io fiheveran-diso io.

  • Inona ilay fiheveran-diso ananan’ny olona maro mikasika ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona?

  • Inona no tsy mampety ny fangatahana famantarana alohan’ny hinoana? (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra ny ohatra nasehon’i Serema ao amin’ny Jakôba 7:13–16 sy ny ohatra nasehon’i Kôrihôra ao amin’ny Almà 30:43–52. Azonao atao koa ny mampamaky azy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:9 mba hanantitranterana fa vokatra avy amin’ny finoana ny famantarana fa tsy zavatra tokony angatahintsika alohan’ny hananantsika finoana.)

Hazavao fa nampianatra ny vahoaka ny atao hoe finoana i Almà. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 32:21 ary hikaroka ny famaritan’i Almà ny finoana. Lazao amin’izy ireo fa soratra masina fehezina io andininy io. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ilay andininy amin’ny fomba miavaka mba ho mora amin’izy ireo ny mahita izany.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 32:22 ary hikaroka torohevitra mikasika ny fomba hahazoana sy hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona. Asao izy ireo hilaza ny zavatra hitany.

Ampio hoe Mahatsiaro ny famindram-pon’Andriamanitra sy hoe Mino ny tenin’Andriamanitra ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.

  • Nahoana no manan-danja amin’ny fampitomboana ny finoantsika ireo asa ireo?

Hazavao fa nasain’i Almà hanao fanandramana ny Zôramita mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fomba hinoana ny tenin’Andriamanitra.

  • Nahoana ny olona no manao fanandramana ara-tsiansa? (Mba hamantarana raha marina ny lesona na hevitra iray.)

Asao ireo mpianatra hilazalaza mikasika ny fanandramana nataon’izy ireo nandritra ny fianarana siansa na tamin’ny sehatra hafa. Ampio izy ireo hahita fa mitaky asa fa tsy vinavina fotsiny ihany ny fanandramana ho an’ireo mpikaroka. Mitaky asa ihany koa ny dingana atao mba hahazoana sy hamafisana orina fijoroana ho vavolombelona.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 32:27. Asao ny iray kilasy hikaroka ny fanandramana nasain’ny Almà hataon’ireo Zôramita. Ampio hoe Fanandramana ny teny eo amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Almà nolazaina rehefa niteny izy hoe “fanandramana ny teni[ny]”?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Almà nolazaina rehefa niteny izy hoe “hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ny sainareo”? (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe faharanitan’ny saina dia entina ilazana ny fahafahantsika misaina sy manao asa ary manatontosa zavatra. Nanasa ny olona hanao asa tamin’ny teny nolazainy i Almà. Azonao atao ny manampy hoe Hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ny sainareo eo amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “hampihatra sombiny amin’ny finoana”?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny fomba ahafahan’izy ireo manomboka manao izany fanandramana izany eo amin’ny fiainany dia asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 32:28.

  • Nampitahain’i Almà tamin’ny inona ny tenin’Andriamanitra? (Tamin’ny voa.)

  • Inona avy ireo loharanon’ny tenin’Andriamanitra? (Tokony ho hita ao anatin’ireo valinteny ny hoe soratra masina, ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany, ary ireo fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina.)

  • Inona no nolazain’i Almà fa tokony hataontsika amin’io “voa” io?

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Azonao atao ny manoratra ireo valinteny ireo eo ambanin’ny hoe Fanandramana ny teny izay nosoratanao teo aloha. Mety ahitana ireto zavatra manaraka ireto ao amin’ilay lisitra:

  1. Manisa toerana ny teny (na ny voa) mba hahazoana mamboly izany ao am-ponareo.

  2. Tsy mandroaka ny teny hivoaka noho ny tsy finoanareo.

  3. Mahatsapa ny fitombon’ny teny ao anatinareo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra novakiany mikasika ilay fanandramana dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no itovian’ny tenin’Andriamanitra amin’ny voa izay azo volena ao am-pontsika? (Ireo valinteny dia mety ahitana ny hoe afaka mitombo izany, afaka mampatanjaka antsika izany, ary mila manolokolo izany isika.)

Rehefa mifanakalo hevitra momba ny fampitahana ny tenin’Andriamanitra amin’ny voa ireo mpianatra dia asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 33:22–23. Asao izy ireo hitady ny fanazavan’i Almà ny hoe “ny teny” alohan’ny hamakian’izy ireo izany. Ampio izy ireo hahita fa entina ilazana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izany.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “manisa toerana” ho an’ny teny mba ho azo volena ao am-pontsika? (Jereo ny Almà 32:28. Ireo valinteny dia mety ahitana hoe mila manokatra ny fontsika isika ary mila manisa toerana eo amin’ny fiainantsika ho an’ny fandalinana ny soratra masina.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mahatsapa fa “mandrobona” ao anatinao ny tenin’Andriamanitra? Raha mandrobona ao anatinao ny tenin’Andriamanitra dia inona no mitranga amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny finoanao?

  • Oviana no nampivelatra ny fanahinao sy nanazava ny fahazavan-tsainao ny tenin’Andriamanitra?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky ny Almà 32:29–34. Asao ny iray kilasy hanaraka izany ary hitady ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ireo zavatra nianarantsika mikasika ny tenin’Andriamanitra. Asao avy eo ireo mpianatra hamaky ireo teny sy andian-teny hitan’izy ireo sy manazava ny antony nisafidianany izany. Miresaha momba ilay sary eny amin’ny solaitrabe ary manontania hoe:

  • Nahoana no mety ho tsy mbola tonga lafatra ny finoantsika aorian’ny fanaovana io fanandramana io? Inona ihany koa no heverinao fa tokony hataontsika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona maharitra momba ny filazantsara?

  • Inona no mampitovy ilay dingana arahina amin’ny fambolena hazo iray amin’ny dingana arahina mba hanamafisana orina fijoroana ho vavolombelona?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 32:35–40. Asao ny iray kilasy hitady ny torohevitr’i Almà mikasika ny fomba hanatontosana ilay fanandramana.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 32:37–40, inona no tsy maintsy ataontsika mba hitomboan’ny finoantsika ny tenin’Andriamanitra hatrany? (Ampio hoe Manolokolo ilay hazo eo amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona no azontsika atao mba hanolokoloana ilay teny? (Ireo valinteny dia mety ahitana fa afaka mandalina ny soratra masina isan’andro isika, mangataka fitarihana amin’ny alalan’ny vavaka rehefa mandalina ary mizara ny zavatra nianarantsika.)

  • Inona no mitranga rehefa tsy miraharaha hazo iray isika na tsy manolokolo izany? Inona no mitranga rehefa tsy miraharaha ny tenin’Andriamanitra izay voavoly tao am-pontsika isika?

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina ny zavatra nianaran’izy ireo avy ao amin’ny Almà 32 mikasika ny fomba hahazoana sy hanamafisana orina fijoroana ho vavolombelona. Azonao atao koa ny manoro hevitra azy ireo ny hanoratany ireo famintinana ireo ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Almà 32:37–43.

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nosoratany. Eo am-pizaran’izy ireo izany dia ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia milaza fa raha manolokolo amim-pahazotoana ny tenin’Andriamanitra ao am-pontsika isika dia hitombo ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Almà 32:41–43 ary hikaroka ny famaritan’i Almà ilay hazo sy ilay voan’ny hazo.

  • Aiza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no ahitana famaritana hazo iray manana voa izay “mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy”? (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra ny famaritana ny hazon’aina ao amin’ny 1 Nefia 8:11–12 sy 1 Nefia 11:9–24.)

  • Maneho inona ilay hazo sy ilay voa ao amin’ny fahitan’i Lehia sy i Nefia ny hazon’aina? (Maneho ny fitiavan’Andriamanitra ilay hazo araka izay naseho tamin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany, ary maneho ireo fitahiana azontsika raisina avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ilay voa. Jereo ny lesona 12 ato amin’ity boky ity.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’ireo olona teny amin’ilay hazo ao anatin’ny fahitan’i Lehia sy i Nefia? (Tamin’ny fanarahana ilay anja-by izay maneho ny tenin’Andriamanitra.) Inona no itovian’izany amin’ny fampitahan’i Almà ny tenin’Andriamanitra amin’ny voa kely iray?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba nanarahan’izy ireo ny fampiharana voalaza ao amin’ny Almà 32. Anontanio azy ireo ny fomba fiantraikan’io fampiharana io teo amin’ny fiainan’izy ireo. Zarao ny zavatra niainanao manokana rehefa nahatsapa ny herin’ny tenin’Andriamanitra ianao.

Soratra Masina Fehezina—Almà 32:21

Asao ireo mpianatra hampiasa ny Almà 32:21 mba hamantatra ny fomba ampiharan’ny olona ao amin’ireto toe-java-misy ireto ny finoana na tsy ampiharany izany.

  1. Mila porofo azo tsapain-tanana ny zatovovavy iray fa marina ny Bokin’i Môrmôna alohan’ny hinoany izany.

  2. Nahare ny zatovolahy iray fa tokony hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ny zatovolahy mendrika rehetra. Na dia mahantra aza ny fianakaviany dia tapa-kevitra ny hanompo izy ary hanao ny fiomanana hanompo.

  3. Te hadio amin’ny fahotany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zatovovavy iray. Fantany fa mila mibaboka ny fandikan-dalàna sasany amin’ny evekany izy mba ho feno ny fibebahany. Naka fotoana hihaonana tamin’ny evekany izy.

Fanamarihana: Afaka mampiasa ity hevitra ity ianao mandritra ny lesona rehefa mampahafantatra ilay andinin-tsoratra masina fehezina, na azonao ampiasaina any amin’ny fiafaran’ny lesona izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 32:21–22, 26–27. Ny finoana ho toy ny safidy

Nampianatra ny Eveka Richard C. Edgley tao amin’ny Eveka Mpiahy fa safidy ny finoana:

Noho ireo fifanoherana sy fanamby izay atrehintsika amin’izao tontolo ankehitriny izao, dia maniry ny hanolotra safidy tokana aho—safidy feno fiadanam-po sy fiarovana ary safidy izay mety ho an’ny rehetra. Izany safidy izany dia ny finoana. Fantaro fa ny finoana dia tsy fanomezana maimaim-poana izay omena tsy mila fieritreretana na faniriana, na ezaka. Tsy tongatonga foana tahaka ny ranon’ando avy any an-danitra izany. Ny Mpamonjy dia nilaza hoe: ‘Mankanesa atỳ Amiko’ (Matio 11:28) ary ‘Dondòny, dia hovohana ianareo’ (Matio 7:7). Ireo dia matoanteny milaza asa—mankanesa, dondòny. Safidy izy ireo. Ary hoy aho hoe: Safidio ny finoana. Safidio ny finoana fa tsy fiahiahiana, safidio ny finoana fa tsy ny tahotra.

“Ny resaka tena tsara nataon’i Almà momba ny finoana izay voarakitra ao amin’ny Almà toko faha 32 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia andian-tsafidy izay miantoka ny fampivelarana sy ny fiarovana ny finoantsika. Nanoro lalana antsika mba hisafidy i Almà. Ny teniny dia teny mifono asa izay niainga avy amin’ny fanaovana safidy. Izy dia nampiasa ny teny hoe: mamoha, manaitra, manandrana, mampihatra, maniry, miasa, ary mamboly. Avy eo i Almà dia nanazava fa raha manao ireo safidy ireo isika ary tsy manary ireo voa noho ny tsy finoana dia ‘hanomboka handrobona ao an-tratra[ntsika] izy’ (Almà 32:28).

“Marina fa ny finoana dia safidy, ary tsy maintsy katsahina sy ampitomboina izany. Noho izany isika dia tompon’andraikitra amin’ny finoantsika. Tompon’andraikitra ihany koa isika amin’ny tsy fahampian’ny finoantsika. Anao ny safidy” (“Finoana—Anao ny Safidy,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 31–32).

Almà 32:40–43. Mikatsaka fijoroana ho vavolombelona mitombo

Nampahafantatra fomba ahazoantsika manolokolo ny fijoroantsika ho vavolombelona ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manao hoe:

“Ny fijoroana ho vavolombelona dia mitaky fanolokoloana avy amin’ny alalan’ny vavaky ny finoana, sy fahalianana higoka ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina, ary fankatoavana ny fahamarinana izay voaraintsika. Mampidi-doza ny tsy firaharahiana ny vavaka. Mitondra voka-dratsy amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny fandalinana sy famakiana ny soratra masina amim-pahazarana fotsiny ihany. Sakafo mahavelona ilain’ny fijoroantsika ho vavolombelona izy ireo. …

“Tsy maintsy ampiharina tsy tapaka sy mitohy ny fivokisana amin’ny tenin’ Andriamanitra, sy ny vavaka vokatry ny fo ary ny fankatoavana ny didin’ny Tompo mba hahafahan’ny fijoroanareo ho vavolombelona hitombo sy hiroborobo. Misy fotoana izay iainantsika rehetra toe-javatra izay tsy voafehintsika ka mampitsahatra ny fanarahana ny lamina napetratsika mba handalinana ny soratra masina. Mety misy fotoana hisafidianantsika ny tsy hivavaka. Mety misy didy izay safidiantsika tsy horaharahiana mandritra ny fotoana voafetra.

“Kanefa tsy hanana ilay faniriana ny hahazo ny fitomboana eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ianareo raha toa ka manadino ny teny fampitandremana sy ny fampanantenan’i Almà [32:40–43]” (“Fijoroana ho Vavolombelona Mitombo,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 127–28).

Hamoaka printy