Tahirim-pitaovana
Lesona 112: Helamàna 11–12


Lesona 112

Helamàna 11–12

Fampidirana

Ny toko 11 sy 12 ao amin’ny bokin’i Helamàna dia mahafaoka ny tantaran’ny Nefita tao anatin’ny 14 taona izay nahitana ny fihodinkodin’ny vahoaka tao anatin’ny fahamarinan-toetra sy ny faharatsiana. Io tantara io dia mampiseho ny fanadinoan’ny olona haingana ny Tompo sy ny fomba famaizany azy ireo mba hanampiana azy ireo hibebaka sy hiverina any Aminy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 11

Nihodinkodina tao anatin’ny fahamarinana sy ny faharatsiana ny Nefita

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity sary ity. Hazavao fa io sary io dia mampiseho ny fihodin’ny fiavonavonana.

Sary
Righteous Cycle

Anontanio ny mpianatra izay hosoratan’izy ireo eo amin’ilay singan-javatra fahefatra ao amin’ilay fihodina. Avelao ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba izay mety ho valin’izany. Rehefa avy nanao fifanakalozan-kevitra dia soraty hoe Fanentren-tena sy Fibebahana eo akaikin’ilay tarehimarika 4 ao anatin’ilay sary. Hazavao fa ity asa atao manaraka momba ny soratra masina ity dia hampiseho ny fandalovan’ny olona tao amin’ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’io fihodina io. Hazavao fa matetika hita ao anatin’ny fiaraha-monina mivelatra be io fihodina io nefa afaka mampiseho ireo toe-javatra miseho eo amin’ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fiainan’ny tena manokana koa izany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa na dia taorian’ny nilazan’i Nefia tamin’ny vahoaka mikasika ny nahafatesan’ilay lohan’ny mpitsara aza dia “nanamafy ny fony izy ary tsy nihaino ny tenin’ny Tompo” (Helamàna 10:13). Tany amin’ny fiafaran’ny taona fahiraika amby fitopolon’ny fitondran’ny mpitsara dia “nizarazara [ny vahoaka] ary nanomboka nifamono tamin’ny sabatra izy samy izy” (Helamàna 10:18).

  • Raha tamin’izany fotoana izany dia taiza ho aiza araka ny eritreritrao no nisy ireo Nefita ireo tao anatin’ilay fihodin’ny fiavonavonana?

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity alohan’ny fotoam-pianarana. Aza soratana ao ireo valinteny miendrika sora-mandry eo amin’ny tsanganana fahatelo sy fahefatra. Raha azo atao dia adikao eo amin’ny taratasy zaraina ho an’ny mpianatra tsirairay ilay tabilao. Raha toa ka tsy afaka manao izany dia angataho izy ireo mba handika ilay tabilao ao anatin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina.

Ampisehoy ny fomba famenoana ilay tabilao amin’ny alalan’ny fiarahana amin’ny mpianatra rehetra manao ilay asa eo amin’ny faritra voalohany. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 11:1–2. Angataho ny mpianatra rehetra mba hanao famintinana fohy ny toe-javatra niainan’ny vahoaka araka ny voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny. Dia angataho ny mpianatra mba hamantatra hoe aiza ho aiza ao amin’ilay fihodina no nisy ny vahoaka tamin’izany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny.

Rehefa takatry ny mpianatra ny fomba famenoana ilay tabilao dia omeo fotoana izy ireo hanaovana izany. Azonao atao ny mangataka azy ireo mba hiasa irery na hiasa tsiroaroa na hiasa ao anatin’ny vondrona kely na hiara-hiasa daholo.

Taona nitondran’ny mpitsara

Andininy ao amin’ny Helamàna 11

Famaritana ny toe-javatra niainan’ny vahoaka

Toerana misy azy ireo ao anatin’ilay fihodina

72–73

1–2

Nitombo ny fifandirana ary nanatontosa asan’ny fandravana ilay andiana jirika.

2, 3

73–75

3–6

Noho ny fangatahana nataon’i Nefia tamin’ny Tompo dia nosoloina mosary ilay ady ary an’arivony no nanomboka maty mosary.

2, 3

75

7–11

Nanomboka nahatsiaro ny Tompo ny vahoaka ka nanetry ny tenany ary nofongoran’izy ireo teo anivony ny jirik’i Gadiantôna.

3, 4

76

17–20

Heniky ny hafaliana ny vahoaka ary nanome voninahitra an’Andriamanitra. Lasa olo-marina izy ireo ary nanomboka niroborobo indray.

4, 1

77–79

21–23

Tafaverina tamin’ny laoniny ny firoboroboana sy ny fandriampahalemana. Kely ny fifamaliana ary novahana tamin’ny alalan’ny fanambarana sy ny fampianarana ny filazantsara izany.

1

80

24–26

Nanomboka niavonavona sy tezitra ary ratsy toetra indray izy ireo. Nisy andiana jirika niforona indray teo anivon’ny vahoaka ka namono olona sy nanana drafitra miafina izy ireo.

2, 3

80–81

27–35

Nanao fanimbana betsaka sy fandravana lehibe ireo jirika ary tsy afaka namongotra ny jirika ratsy fanahy ny tafiky ny Nefita sy Lamanita. Namono olona maro ireo jirika ireo ary nentiny ho babo tany an-tany foana ny olona sasany izay nahitana vehivavy sy ankizy. Nitarika azy ireo hahatsiaro ny Tompo ireo fitsapana.

3, 4

Rehefa nanana fotoana ampy namenoana ilay tabilao ny mpianatra dia angataho izy ireo mba hanao tatitra ny zavatra nianarany avy tamin’io asa natao io. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny Helamàna 11:4, dia nahoana i Nefia no nivavaka mba hangataka mosary? (Nanantena izy fa hitarika ny olona any amin’ny fahatsiarovana ny Tompo sy hibebaka izany.)

  • Inona no tokony ho nataon’ny vahoaka mba hisorohana ilay dingan’ny “fijaliana sy famongorana” ao anatin’ilay fihodina?

Mety hanome valiny tsara maro ho an’izany fanontaniana izany ny mpianatra. Ataovy izay hahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Afaka misoroka ny fiavonavonana sy ny famongorana isika amin’ny alalan’ny fanetren-tena sy fibebahana. Hazavao fa tokony ho afaka nandingana ilay dingana faharoa sy fahatelo ao amin’ilay fihodina ny Nefita. Afaka ny niaina tamim-pahamarinana sy tamim-panetren-tena lalandava izy ireo ary nibebaka tsy nisy hatak’andro isaky ny nanota. Raha toa aza izy ireo niaina toy izany dia mbola tsy maintsy niatrika fitsapana ihany saingy tsy ho nandalo ilay fijaliana sy famongorana lehibe izay vokatry ny faharatsiany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Helamàna 11:36–37. Angataho ny mpianatra ambiny mba hanaraka izany ka hihaino ny fiovana niseho tao anatin’ny fotoana fohy.

  • Hafiriana taorian’ny nahatsiarovan’ny Nefita ny Tompo “no nahamasaka azy indray ho amin’ny famongorana”? (Efa-taona.)

  • Inona ilay dingana iray ao anatin’ny fihodin’ny fiavonavonana voafaritra any amin’ ny faran’ny Helamàna 11?

Angataho ny mpianatra mba hitady sy hieritreritra fotoana manokana izay nahitan’izy ireo tokoa io fihodina io teo amin’ny fiainany manokana na teo amin’ny fiainan’ny olona fantany. Asao izy ireo mba hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hisorohana ilay dingana faharoa sy fahatelo ao amin’ilay fihodina. Entano izy ireo mba hanoratra ireo hevitra manokana izay azon’izy ireo rehefa nisaintsaina.

Helamàna 12

Nohazavain’i Môrmôna ny antony namaizan’ny Tompo ny vahoakany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity zavatra manaraka ity: “Ary dia toy izany no ahafahantsika mahita …” Hazavao fa i Môrmôna dia nampiasa io andian-teny io mba hanehoana ireo lesona tokony hianarana avy amin’ireo tantara noraketiny.

  • Raha mifototra amin’ny hita ao amin’ny Helamàna 11, dia ahoana no hamenoanao io fanambarana io?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 12:1 ary angataho ny mpianatra ambiny mba hitady ny fomba namenoan’i Môrmôna io fanambarana io.

  • Inona no dikan’ilay andian-teny hoe “tsy fitombenan’ny fon’ny zanak’olombelona” ho anao?

  • Inona no nanampy ny fonao mba hifikitra lalandava amin’ny Tompo?

Angataho ny mpianatra mba handalina amim-pahanginana ny Helamàna 12:2–3 ka hitady lesona hafa izay tian’i Môrmôna ianarantsika avy amin’io tantaran’ny Nefita io. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Môrmôna dia nampiasa matetika andian-teny toy ny hoe “ahazoantsika mahita” (andininy 2) ary “toy izany no ahitantsika” (andininy 3) rehefa nizara fahamarinana izay azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina izy.

  • Ambarao amin’ny alalan’ny teninao manokana ny zavatra tian’i Môrmôna hianarantsika. (Mety ho toy izao manaraka izao ny valiny homen’ny mpianatra: Raha tsy mitandrina isika dia mety hitarika antsika any amin’ny fanadinoana ny Tompo ny firoboroboantsika. Faizin’ny Tompo ny olony mba hanairany azy ireo amin’ny fahatsiarovana Azy.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manadino ny Tompo indraindray ny olona miaina ao anatin’ny firoboroboana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mila faizina ny olona indraindray alohan’ny hahatsiarovany ny Tompo? (Azonao atao ny manazava fa ilay teny hoe manafay dia midika hoe manitsy olona iray amin’ny alalan’ny karazana fanasaziana na fahoriana.)

Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no toe-javatra mety hamaizan’ny Tompo antsika amin’izao fotoana izao?

Mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanontaniana io dia vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Misy antony telo farafahakeliny ny famaizan’Andriamanitra: (1) mba hanosehana antsika hibebaka, (2) mba hanadiovana sy hanamasinana antsika ary (3) indraindray mba hanitsiana indray ny lalan’ny fiainantsika hifanaraka amin’izay fantatr’Andriamanitra fa lalana tsara kokoa” (“As Many as I Love, I Rebuke and Chasten,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 98).

  • Ahoana no ahitana fa porofon’ny fitiavan’ny Tompo ny famaizana ataony?

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Helamàna 12:4–6. Angataho ny mpianatra ambiny mba hanaraka izany ka hitady ireo toetra izay manasarotra ny fahatsiarovan’ny olona an’Andriamanitra. Asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

Hazavao fa i Môrmôna dia namaritra ny olona izay tsy mamela ny Tompo ho mpitarika azy ireo ho toy ny “ambany noho ny vovoky ny tany” (Helamàna 12:7). Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 12:7–8.

  • Nahoana no azo raisina ho toy ny “ambany noho ny vovoky ny tany” ny olona toy izany? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tsy nampianatra akory i Môrmôna hoe ny vovoky ny tany dia manan-danja kokoa noho ny olona eo anatrehan’ny Ray any an-danitra. Fa nisarika ny sain’ny rehetra kosa izy eo anatrehan’ilay hoe, mankatò foana ny baikon’Andriamanitra ny vovoka nefa ny olona tsy manao izany matetika.)

Fintino ny Helamàna 12:9–22 amin’ny alalan’ny filazana fa ampahatsiahivin’i Môrmôna antsika ny hery lehibe ananan’ny Tompo—ary ny Tompo dia afaka mandidy zava-boary hifindra na hiova ary afaka manala olona mpanota iray tsy ho eo anatrehany. Asao ny mpianatra mba hamaky ny Helamàna 12:23–26, ka hitady porofo izay mampiseho fa manan-danja lehibe kokoa noho ny vovoky ny tany isika. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo tany sy andian-teny izay manan-danja amin’izy ireo.

  • Inona ilay fanomezana azontsika rehefa mibebaka sy manaraka ny tenin’ny Tompo isika?

  • Ahoana no mahatonga izany ho porofo fa manan-danja isika eo anatrehan’Andriamanitra?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanambarana misy banga manaraka ireto. Asao ny mpianatra hanoratra famintinana ny lesona androany ao anatin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina amin’ny alalan’ny famenoana ireto fanambarana ireto.

Ary dia toy izany no ahitako ao amin’ny Helaman 11–12 fa …

Ary noho izany, Izaho dia …

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mahatsiaro ny Tompo isika sy mihaino ny feony ary mibebaka dia maneho fanetren-tena sy finoana eo anatrehany. Izy kosa dia mitazona ny fampanantenany hitahy sy hampiroborobo antsika ary hanome antsika ny fiainana mandrakizay amin’ny farany.

Hamoaka printy