Tahirim-pitaovana
Lesona 30: 2 Nefia 9:27–54 sy 2 Nefia 10


Lesona 30

2 Nefia 9:27–54 ary 2 Nefia 10

Fampidirana

Taorian’ny nijoroan’i Jakôba ho vavolombelona fa manavotra ny olona rehetra avy amin’ny vokatry ny Fahalavoana i Jesoa Kristy ary manolotra famelana ny otantsika dia nofaranany ny toriteniny. Nampitandrina mikasika ireo toetra sy fihetsika izay mitondra any amin’ny fisarahana amin’ny Tompo izy ary nijoro ho vavolombelona mikasika ireo toetra sy fihetsika izay manome fahafahana ny olona hanatona an’i Kristy ary hovonjena. Ny ampitson’izany dia naverin’i Jakôba indray fa na dia hiely patrana aza ny mpianakavin’i Isiraely noho ny fahotana, dia hahatsiaro ny fanekempihavanana nataon’izy ireo taminy ny Tompo ary hanangona azy ireo rehefa mibebaka sy miverina Aminy izy ireo. Naminany momba ny Fanomboana an’i Jesoa Kristy i Jakôba. Naminany koa izy fa ilay tany nampanantenainy ny olony dia ho tanim-pahafahana sy hatanjaka noho ny firenena hafa rehetra ary tsy hisy Mpanjaka hanapaka azy. Nanainga ny olony i Jakôba mba hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra ary hahatsiaro fa tsy hahazo famonjena izy ireo raha tsy amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra ihany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 9:27–54

Manasa ny rehetra i Jakôba mba hanatona an’i Kristy ary mampitandrina mikasika ireo toetra sy fihetsika izay mampisaraka antsika amin’ny Tompo

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny fehezanteny hoe nahoana aho no mila fanampiana ary inona no tokony hataoko. Asao haka sary an-tsaina olona iray marary mafy ny mpianatra.

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’io olona io ny mahatakatra fa mila mitady fanampiana izy?

  • Nahoana no zava-dehibe koa ny fahatakaran’ny olona ny tokony hatao mba hahazoana fanampiana?

  • Inona no ho vokany raha toa ka mahatakatra ilay olona fa mila fanampiana izy saingy tsy takany ny zavatra tokony hatao mba hahazoana izany?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao anatin’ilay lesona teo aloha dia nianatra mikasika ny fiantraikan’ny Fahalavoana sy ny vokatry ny fahotana izy ireo, ka nianatra ny antony ilana ny Mpamonjy. Mijoroa ho vavolombelona fa te hanampy antsika izy ary te hanavotra antsika amin’ny fahotana. Angataho ny mpianatra mba hieritreritra raha toa ka fantany ny zavatra tokony hataon’izy ireo mba hahazoana ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Sorompanavotana.

Hazavao fa te hanampy ny olona hisafidy “ny lalan’ny fiainana mandrakizay” i Jakôba (2 Nefia 10:23). Ampio izy ireo hahatakatra fa tsy hahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo raha tsy “manatona ny Tompo” (2 Nefia 9:41). Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny 2 Nefia 9:41. Angataho ny mpianatra mba hitady ny famaritan’i Jakôba an’ilay hoe “ny lalana” tokony harahintsika.

  • Inona no dikan’ny hoe manatona ny Tompo? (Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hieritreritra ny fiainany ho toy ny lalana. Asaivo mandinika amim-pahanginana izy ireo hoe aiza no itondran’ilay lalana azy ireo. Moa ve misy safidy mitondra azy ireo akaiky kokoa ny Mpamonjy?)

  • Inona ireo teny nampiasain’i Jakôba mba hamaritana ilay hoe “ny lalana”? Inona no ampianarin’ny teny hoe ety sy mahitsy mikasika ny fomba tokony hiainantsika?

Hazavao fa nampiasa ny endriky ny vavahady i Jakôba mba hampifandraisina amin’ilay lalana ety sy mahitsy. Noraisiny ho toy ny mpiandry vavahady ny Mpamonjy. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka ny ho voavela ny fahotantsika ary tsy afaka mahazo ny fiainana mandrakizay isika raha tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Ny zavatra rehetra izay ataontsika ka mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay—ao anatin’izany ireo ôrdônansy raisintsika, ny vavaka atolotsika, ireo fijoroana ho vavolombelona zaraintsika ary ny fomba fiainantsika—dia tsy maintsy atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

  • Nahoana no manan-danja aminao ny hoe “tsy mampiasa mpanompo [ny Mpamonjy] eo”? (Azonao atao ny manazava fa tena miantso mpanompo ny Tompo toy ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka mba hiasa amin’ny anarany mba ho mpitsara ny olona. Kanefa Izy no ho mpitsara antsika farany ary hanome ny fanapahan-kevitra farany araka izay fomba niainantsika.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana hoe “tsy azo fitahina” ny Tompo hampisy fiantraikany eo amin’ny ezaka ataontsika mba hanatona Azy?

Hazavao fa ao anatin’ny ambin’ny 2 Nefia 9, ny fampianaran’i Jakôba dia manampy antsika hahatakatra ny fiantraikan’ny toetrantsika sy ny fihetsika ataontsika eo amin’ny fahafahantsika hanatona ny Mpamonjy. Ny toetra sy ny fihetsika sasany dia manampy antsika hanatona an’i Kristy, ary ny hafa kosa dia manakana antsika tsy hanatona Azy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny sasany amin’ireo toetra sy fihetsika ireo dia asio tsipika midina eo afovoan’ny solaitrabe. Soraty eny amin’ny faritra ilany irain’ilay tsipika ny hoe Mampanalavitra ny Tenantsika amin’i Kristy. Soraty eo ambanin’izany ny hoe:

1. 2 Nefia 9:27–33

2. 2 Nefia 9:34–39

Soraty eny amin’ny faritra ilany iray hafan’ilay tsipika ny hoe Manatona an’i Kristy. Soraty eo ambanin’izany ny hoe:

3. 2 Nefia 9:23, 39, 42, 45–46

4. 2 Nefia 9:49–52

Omeo tarehimarika manomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 4 ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’ilay tarehimarika nomena azy ireo. Angataho ny mpianatra ao amin’ny vondrona 1 sy 2 mba hitady ireo toetra sy fihetsika izay mety hampanalavitra antsika amin’ny Mpamonjy. Angataho ny mpianatra ao anatin’ny vondrona 3 sy 4 mba hitady ireo toetra sy fihetsika izay manampy antsika hanatona ny Mpamonjy sy hahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika ny zavatra hitany ao amin’ny soratra masiny.

Afaka minitra maromaro dia asao izay mpianatra te handray anjara ao amin’ny vondrona 1 sy 2 handroso eny amin’ny solaitrabe ary hitanisa ireo toetra sy fihetsika izay hitan’izy ireo fa mampanalavitra antsika amin’ny Mpamonjy. Ifanakalozy hevitra ny sasany amin’ireo fampitandreman’i Jakôba amin’ny alalan’ny fametrahana ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra:

  • Niresaka momba ny fahaizana sy ny vola i Jakôba, ary samy mety hitondra soa izy roa ireo. Ahoana no mahatonga ny safidy ataontsika eo amin’ny lafiny ara-pahaizana sy ara-bola mety hanakana antsika tsy hanatona ny Tompo? (Hazavao fa ny 2 Nefia 9:28–29 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanisy marika ilay andinin-tsoratra masina.)

  • Inona no dikan’ny hoe marenina na jamba ara-panahy? (Jereo ny 2 Nefia 9:31–32.)

  • Ilay andian-teny hoe “tsy voafora fo” (2 Nefia 9:33) dia ilazana an’ireo izay manana fo tsy misokatra amin’Andriamanitra ary tsy vonona ny hitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo taminy. Ahoana no fomba hanakanan’izany toe-javatra izany antsika tsy hahazo ireo fitahiana feno avy amin’ny Sorompanavotana?

  • Inona avy ireo endrika sasantsasan’ny fanompoan-tsampy amin’izao fotoana izao? (Jereo ny 2 Nefia 9:37.)

Manasà mpianatra avy ao amin’ny vondrona 3 sy 4 mba hanatona eny amin’ny solaitrabe ary hitanisa ireo toetra sy fihetsika izay hitan’izy ireo fa hitondra antsika any amin’ny Mpamonjy sy hanampy antsika hahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana. Mba hanampiana ny mpianatra handinika ny zavatra hitany dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra:

  • Ampahatsiahivin’i Jakôba amintsika ny didin’ny Tompo mba hibebaka sy hatao batisa ao amin’ny 2 Nefia 9:23. Ahoana no fomba hanampian’ny fanavaozana ny fanekempihavanana natao tamin’ny batisa amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo antsika hanatona ny Tompo sy hahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany?

  • Inona no dikan’ ny hoe “fiheverana ny zava-panahy” araka ny eritreritrao? (2 Nefia 9:39). Inona avy ireo zavatra atao afaka manampy antsika hanana fiheverana ny zava-panahy?

  • Inona no dikan’ny hoe “mivily miala amin’ny fahotana”? (2 Nefia 9:45).

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Jakôba holazaina raha niteny izy hoe misotroa sy homàna ary “aoka hiravoravo amin’ny matavy”? (Jereo ny 2 Nefia 9:50–51. Azonao atao ny manazava fa ireo andininy ireo dia entina ilazana ny fivokisana ara-panahy.)

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manatona ny Tompo isika ary miaina araka ny sitrapony dia hahazo ireo fitahiana feno avy amin’ny Sorompanavotana. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambonin’ilay lisitra nataon’ny mpianatra izany fitsipika izany.

Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina an’izay porofo hitany fa maneho izany fitsipika izany eo amin’ny fiainany. Asao izy ireo mba hanoratra ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy mikasika ny fomba nampanakaiky azy kokoa ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny iray tamin’ireo toetra sy fihetsika na mihoatra izany izay hita ao amin’ilay lisitra faharoa eo amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nosoratany (saingy ampio izy ireo mba hahatakatra fa tsy tokony hahatsapa ho voatery hizara ny zavatra niainany izay an’ny tena manokana loatra izy ireo).

2 Nefia 10

Namporisika ny olony i Jakôba mba hifaly ary hanatona ny Tompo

Anontanio ny mpianatra raha efa nahazo fanomezana izay tena manan-danja manokana izy ireo hatramin’izay satria nanao ezaka lehibe na naneho fahafoizan-tena ilay olona mba hanomezana ilay fanomezana. Manasà mpianatra iray na roa mba hizara ny zavatra niainany.

  • Ahoana no fomba hanehoantsika fankasitrahana noho ny fanomezana toy izany?

  • Ahoana no ahafahantsika maneho fankasitrahana noho ilay fanomezan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Hazavao fa ny andro taorian’ny nanaovan’i Jakôba ny toriteniny momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia nijoro ho vavolombelona indray mikasika ny famonjen’ny Tompo amin’ny vokatry ny fahotana izy. Nampianatra ny olony mikasika ny tokony hataon’izy ireo eo anatrehan’ilay fanomezan’ny Sorompanavotana izy.

Fintino ny 2 Nefia 10:1–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa naverin’i Jakôba ny hoe, na dia haely patrana aza ny mpianakavin’i Isiraely noho ny fahotana dia hotsaroan’ny Tompo ny fanekempihavanana nataony tamin’izy ireo ary hangoniny izy ireo rehefa mibebaka sy miverina Aminy. Azonao atao ny manazava fa ny 2 Nefia 10:3 no andininy voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampiasa ilay anarana hoe Kristy mba hiantsoana ny Mpamonjy.

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 10:20, 23–25. Asao ny mpianatra mba hitady ny zavatra nangatahan’i Jakôba mba hataontsika eo anatrehan’ilay fanomezan’ny Sorompanavotana. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny zavatra hitany ao amin’ireo andininy ireo. Asao izy ireo mba hizara izay zavatra hitany.

Manomana taratasy zaraina izay ahitana ireto fanontaniana manaraka ireto (na soraty eo amin’ny solaitrabe alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana ireo fanontaniana). Asao ny mpianatra mba hisafidy fanontaniana iray ary hizara ny zavatra ao an-tsainy sy tsapany mikasika izany fanontaniana izany miaraka amin’ny mpianatra iray miara-miasa aminy.

  • Araka ny zavatra nohalalintsika mikasika ny Mpamonjy dia inona no tianao mba hahatsiarovana lalandava ny momba Azy?

  • Nahoana no fomba manan-danja iray hanehoana fankasitrahana ny zavatra nataon’ny Tompo tamintsika ny fibebahana?

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy izay nanampy anao hahatsapa fanantenana?

Farano izany amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny teny hoe mihavàna ao amin’ny 2 Nefia 10:24 dia midika hoe mitondra ny olona na zavatra ao anatin’ny filaminana sy fifanarahana. Ohatra, tokony hihavana ny mpinamana roa taorian’ny fifandirana.

  • Inona no dikan’ny hoe mihavana amin’ny sitrapon’Andriamanitra araka ny eritreritrao?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra nianarany sy tsapany rehefa nandalina sy nifanakalo hevitra momba ny 2 Nefia 9–10 izy ireo. Asao izy ireo hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy azy ireo hamantatra ny zavatra hataon’izy ireo mba hihavanana amin’ny sitrapon’Andriamanitra ary higohana bebe kokoa ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana. Ohatra, mety manolo-tena ny hanaraka ny torohevitra sasantsasany avy amin’Andriamanitra ny mpianatra iray (jereo ny 2 Nefia 9:29), ary hanalavitra fahotana iray manokana (jereo ny 2 Nefia 9:45), na hitady fomba iray hahatsiarovana matetika kokoa ny Mpamonjy isan’andro (jereo ny 2 Nefia 10:20). Amporisiho ny mpianatra mba hanao izay ilaina mba “hihavanan’izy ireo amin’ny sitrapon’Andriamanitra” (2 Nefia10:24). Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fitahiana azo amin’ny fanaovana izany.

Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 9:28–29

Fanamarihana: Ity asa atao manaraka ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hifehy ny 2 Nefia 9:28–29. Noho ny halavan’ny lesona androany dia azonao atao ny manao ilay asa amin’ny andro iray hafa rehefa manam-potoana bebe kokoa ianao.

Tariho ny mpianatra hiaraka hamaky mafy ny 2 Nefia 9:28–29.

  • Inona avy ireo fandrika sasantsasany mety hahavoa antsika rehefa mikatsaka fahalalana isika? Ahoana no ahafahantsika mikatsaka fahalalana saingy misoroka an’ireo fandrika ireo?

  • Inona no afaka manampy antsika “[hihaino] ny torohevitr’Andriamanitra” rehefa mikatsaka fahalalana isika?

Amporisiho ny mpianatra mba hanohy handray anjara ao amin’ny seminera amin’izao fotoana izao ary hanao drafitra hanatrika ny institiota aorian’ny fahazoan’izy ireo mari-pahaizana noho ny fahavitan’ny fianarana tao amin’ny seminera.

Hamoaka printy