Tahirim-pitaovana
Lesona 89: Almà 31


Lesona 89

Almà 31

Fampidirana

Nahafantatra i Almà fa nivily lalana tamin’ny fahamarinan’ny filazantsara ary lavo tamin’ny fomba amam-panao diso ny andiana Nefita mpiendaka nantsoina hoe Zôramita. Naka andiana misiônera hampianatra ny tenin’Andriamanitra tamin’ny Zôramita i Almà rehefa nalahelo noho ireo tatitra momba ny faharatsiana ireo. Nahita ny fomba fitsaohana tao anatin’ny fihemorana, ny fitiavan-karena, ary ny avonavon’ireo Zôramita i Almà. Nivavaka tamin’ny zotom-po i Almà mba hampiononan’ny Tompo azy sy ireo mpiara-mitory taminy teo am-piatrehan’izy ireo ity olana ity ary ny mba hananan’izy ireo fahombiazana amin’ny fitondrana ny Zôramita hiverina amin’ny Tompo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 31:1–7

Nandao an’i Zarahemlà i Almà sy ireo mpiara-mitory aminy mba hitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ireo Zôramita tratran’ny fihemorana

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra mety hataon’izy ireo raha toa ka manomboka mivily lalana amin’ny fiainana ny filazantsara ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana.

  • Inona no mety hataonareo hanampiana io olona io hiverina ao amin’ny Fiangonana? Amin’ny fomba ahoana no hamohazanareo ao amin’io olona io ny faniriana hitandrina ireo didy? Iza no mety hangatahanareo fanampiana amin’ny fiarahanareo miasa amin’ilay olona ao amin’ny fianakavianareo na namanareo?

Lazao amin’ireo mpianatra fa mampisongadina ny fomba niezahan’i Almà sy ny maro hafa nanampy andian’olona izay nivily lalana tamin’ny filazantsara ny lesona androany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 31:1–4. Asao ny iray kilasy hikaroka ireo ahiahy nananan’i Almà sy ny hafa tamin’ireo Zôramita.

  • Inona ireo zavatra tsapan’i Almà rehefa nandre mikasika ny fahotan’ny Zôramita?

  • Nahoana ny Nefita no nanomboka natahotra noho ireo Zôramita?

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa manana fahafahana hanome torohevitra an’i Almà amin’ny fomba hamahana ireo fanahiany momba ny Zôramita izy ireo. Anontanio ireo mpianatra izay mety ho asain’izy ireo hataony. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 31:5. Asao ny iray kilasy hitady ny zavatra fantatr’i Almà fa ho fomba mahomby indrindra hanampiana ireo Zôramita.

  • Inona no fanapahan-kevitra noraisin’i Almà fa hataony hanampiana ireo Zôramita?

  • Ao anatin’ny asa atao hanampiana ny olona hiova, nahoana araka ny eritreritrareo no mahery kokoa noho ny hery na fahaizana manokana hafa ny tenin’Andriamanitra?

Miainga amin’ny Almà 31:5, inona no azontsika ianarana momba ny herin’ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika? (Afaka mampiasa teny hafa ireo mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa fantatr’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Hitarika antsika hanao ny tsara ny tenin’Andriamanitra rehefa mandalina izany isika. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny herin’ny tenin’Andriamanitra amin’ny fanampiana antsika hanao ny tsara dia zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. (Azonao atao ny manoratra ity fanambarana ity eny amin’ny solaitrabe na manomana izany amin’ny taratasy hozaraina.)

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny fotopampianarana marina rehefa takatra dia manova ny toetra sy ny fitondrantena.

“Hanatsara haingana kokoa ny fitondrantena, mihoatra noho ny fandalinana ny momba ny fitondrantena mba ho entina hanatsarana ny fitondrantena, ny fandalinana ny fotopampianaran’ ny filazantsara. … Izay no antony anantitranterantsika mafy ny fandalinana ireo fotopampianaran’ny filazantsara” (“Little Children,” Ensign, Nôv. 1986, 17).

Asao ireo mpianatra hitantara fotoana iray izay nahazoan’izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo faniriana lehibe kokoa hanao izany tsara noho ny soratra masina na ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Fintino ny Almà 31:6–7 amin’ny alalan’ny filazana amin’ireo mpianatra fa noho ny fahatokian’i Almà ny herin’ny tenin’Andriamanitra dia nandeha nitory tamin’ny Zôramita izy sy ny olona fito hafa.

Almà 31:8–23

Nivavaka sy nitsaoka tamin’ny fomba diso ny Zôramita

Lazao amin’ireo mpianatra fa nahita ny vahoaka nitsaoka an’Andriamanitra tamin’ny fomba nampitolagaga i Almà sy ireo mpiara-mitory taminy rehefa nandeha teo anivon’ny Zôramita.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 31:8–11 mba hamantatra ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny fitsaohan’ny Zôramita.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 10, inona no nataon’ireo Zôramita ka nahatonga azy ireo ho mora azon’ny fakam-panahy?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tsy “fitozoan[’ny Zôramita] tamin’ny fivavahana sy ny fitalahoana tamin’Andriamanitra isan’andro”? (Mety tsy hitovy ny valintenin’ireo mpianatra kanefa tokony hilaza izy ireo fa mampatanjaka antsika hanohitra ny fakam-panahy ny ezaka ataontsika isan’andro mba hivavaka sy hitandrina ny didy. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Almà 31:9–11.)

  • Oviana ianao no nahatsikaritra fa manampy antsika hanohitra ny fakam-panahy ny vavaka isan’andro?

Vakio mandritra ny fifanakalozan’ny mpianatra hevitra mikasika io fanontaniana io ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Rulon G. Craven tao amin’ny Fitopololahy ity:

“Nandritra ireo taona lasa dia nangatahan’ireo Apôstôly aho indraindray hihaona amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana efa nibebaka sy hanao dinidinika amin’izy ireo momba ny famerenana amin’ny laoniny ireo fitahian’ny tempoly ho azy ireo. Traikefa nampihetsi-po hatrany ny mamerina amin’ny laoniny ireny fitahiana ireny amin’ireo olona mahafinaritra izay nibebaka ireo. Nanontany ny sasany tamin’izy ireo aho hoe: ’Inona ny zava-nitranga teo amin’ny fiainanao ka nahatonga anao ho tsy mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fotoana voafetra? Namaly tamin’ny maso vonton-dranomaso izy ireo hoe: ’Tsy nankatò ny fitsipika fototry ny filazantsara aho: vavaka, fanatrehana tsy tapaka ny fiangonana, fanompoana ao am-piangonana ary fandalinana ny filazantsara. Noho izany dia nanaiky ho azon’ny fakam-panahy aho ary tsy nahatsapa intsony ny fitarihan’ny Fanahy Masina’” (“Temptation,” Ensign, Mey 1996, 76).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 31:12–14. Aorian’izay dia asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Almà 31:15–18. Angataho ny mpianatra, alohan’ny hamakian’ilay mpianatra faharoa, mba hieritreritra izay mety ho fihetsik’izy ireo raha toa ka mandre olona iray mivavaka amin’io fomba io izy ireo.

  • Inona no mety ho olana anananareo raha mandre olona iray mivavaka araka io fomba io ianareo?

  • Inona avy ireo fotopampianarana diso notanisain’ny Zôramita tao anatin’ny vavak’izy ireo?

  • Inona no fihetsika nasehon’ny Zôramita tamin’ny olona hafa? (Azonao atao ny misarika ny sain’ireo mpianatra amin’ny hoe miverina impiry ny teny hoe isika sy ao amin’ny vavak’ireo Zôramita.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 31:19–23. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino izany sy hitady ireo olana fanampiny amin’ny fomba fivavaky ny Zôramita. Asao ireo mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrareo no fanovana ilain’ny Zôramita atao mba ho feno fanajana sy ho ankasitrahan’ny Tompo ny fitsaohan’izy ireo?

Hazavao fa mitsaoka an’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanomezantsika azy ny fitiavantsika, ny fanajantsika, ary ny fahafoizantenantsika. (Azonao atao ny manao lisitra ireo fomba fitsaohana ireo eny amin’ny solaitrabe.) Tokony ho tia mitsaoka isika, tsy amin’ny fihetsitsika sy ny asantsika ihany rehefa mivavaka sy mifady hanina ary mandeha any am-piangonana isika, fa amin’ny fihetsitsika sy ny asantsika mandritra ny andro tsirairay. Amporisiho ireo mpianatra mba handrefy ny fifantohana sy ny fahamarinan’ny fitsaohan’izy ireo.

Angataho ireo mpianatra hamantatra fomba isan-karazany azontsika hitsaohana an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy. Omeo fotoana ampy izy ireo hizara ny heviny. Azonao atao ny mangataka mpianatra iray hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

  • Tokony ho toy ny ahoana ny fihetsitsika rehefa mitsaoka? Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mihazona izany fihetsika izany isan’andro mandritra ny tontolo andro?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba fiantraikan’ny fihetsitsika amin’ny fitsaohantsika dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Matetika dia tafiditra ao anatin’ny fitsaohana ny asa, kanefa mitaky fomba fisainana miavaka hatrany ny fitsaohana marina.

“Mitaona ireo fahatsapana fankatoavana lalina, fiderana sy fitalanjonana ny fihetsika amin’ny fitsaohana. Manambatra ny fitiavana sy ny fanajana amin’ny toetry ny fahafoizantena izay mitondra ny fanahintsika akaikin’Andriamanitra bebe kokoa ny fitsaohana” (Pure in Heart [1988], 125).

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina fandrefesana fohifohy ny fomba fitsaohan’izy ireo manokana sy ny fihetsik’izy ireo rehefa mitsaoka ao anatin’ireto sokajy manaraka ireto: vavaka manokana isan’andro, fandalinana samirery ny soratra masina isan’andro, fankatoavana ny didy, ary fandehanana any am-piangonana sy fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan’andro. Asao ireo mpianatra hametraka tanjona hanatsara ny fitsaohan’izy ireo manokana isan’andro.

Almà 31:24–38

Nangataka hery sy fahombiazana tamin’ny fitondrana ny Zôramita hiverina amin’ny Tompo i Almà

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 31:24–25 ary hikaroka ireo fihetsika sy fitondrantena izay niara-dalana tamin’ny fihemoran’ny Zôramita. Angataho ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitan’izy ireo.

Hazavao fa nivavaka i Almà rehefa nahita ny faharatsian’ny Zôramita. Asao ireo mpianatra hiaraka tsiroaroa. Angataho ireo mpianatra mandeha tsiroaroa handalina ny Almà 31:26–35 ary hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manome ireto fanontaniana ireto amin’ny taratasy hozaraina na manoratra azy ireo eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hiantombohan’ny fotoam-pianarana.)

  • Nifantoka tamin’ny inona ny vavaky ny Zôramita? (Nifantoka tamin’ny tenany izy ireo.)

  • Nifantoka tamin’ny inona ny vavaka nataon’i Almà? (Nifantoka tamin’ny fanampiana ny hafa izy. Nangataka hery hanompoana ny Zôramita izy, eny fa na rehefa nivavaka ho an’ny tenany sy ireo mpiara-mitory taminy aza.)

  • Inona amin’ireo zavatra ao anatin’ny vavak’i Almà no tianao hampidirina ao amin’ny vavakao manokana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Raha mivavaka sy manao asa amim-pinoana isika, …

Hazavao fa rehefa avy nivavaka nangataka fanampiana mba hahafahana mampianatra ny Zôramita i Almà dia nanomboka nanompo izy sy ireo mpiara-mitory taminy ary “tsy nanan’eritreritra ny amin’ny tenany” (Almà 31:37). Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 31:36–38 ary hikaroka ireo fitahiana tonga tamin’i Almà sy ireo mpiara-mitory taminy rehefa nandray ny fitahian’ny fisoronana sy ny nitory ny filazantsara izy ireo. (Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny Almà 31:36, ny andian-teny hoe “nametrahany tànana” dia entina hilazana ny fametrahan-tanana. Jereo ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 36b.)

  • Inona avy ireo fitahiana azon’i Almà sy ireo mpiara-mitory taminy noho ny vavaka sy ny asa nataony?

Miainga avy amin’ny zavatra nianaranareo avy amin’ny ohatra nasehon’i Almà sy ireo mpiara-mitory taminy, ahoana no hamenoanareo ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe? (Mety hanome valinteny maro samihafa izay marina ireo mpianatra. Fintino ny valintenin’izy ireo amin’ny alalan’ny famenoana ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe manao hoe: Raha mivavaka sy manao asa amim-pinoana isika dia hampatanjaka antsika mandritra ny fizahan-toetrantsika ny Tompo.)

Hazavao fa naneho ny finoan’izy ireo i Almà sy ireo mpiara-mitory taminy, taorian’ny vavaka nataony, tamin’ny alalan’ny fandehanana niasa sy fahatokiana ny Tompo mba hanome izay ilain’izy ireo rehefa nanompo Azy. Asao ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Almà tamin’ny fivavahana tamim-pinoana.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 31:22. “Ilay vavaka nitovizana”

Niresaka mikasika ny maha zava-dehibe ny fivavahana amin-kitsimpo ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Toa renao sy tsapanao ho mitovy ve ireo vavaka ataonao indraindray? Efa nanao vavaka tsy natao tamim-piheverana tsara ve ianao, ary voalaza toy ny avoakan’ny milina ireo teny? Leo amin’ny vavaka ataonao ve ianao indraindray?

“Mendrika ny horaharahian’ny Ray any An-danitra ve ny vavaka izay tsy nila nosaininao firy loatra? Rehefa hitanao fa mivavaka amim-pahazarana fotsiny ianao dia miatoa ary mieritrereta. Saintsaino kely ireo zavatra izay tena anananao fankasitrahana. Tadiavo izy ireo. Tsy voatery ho lehibe sy manan-daza izy ireo. Indraindray dia tokony haneho ny fankasitrahantsika amin’ireo zavatra kely sy tsotra toy ny fofon’ny orana, ny tsiron’ny sakafo tianao indrindra, na ny feon’ny olon-tiana iray isika” (“Improving Our Prayers,” Ensign, Mar. 2004, 26).

Almà 31:26–35. Mivavaka ho an’ny hafa

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny amin’ireo fitahiana izay azo rehefa mivavaka ho an’ny hafa isika:

“Tsara sy azo atao ny mangataka amin’ny Ray any An-danitra ireo fitahiana iriantsika eo amin’ny fiainantsika manokana. Kanefa ny mivavaka amim-pahazotoana ho an’ny hafa, na ireo izay tiantsika na ireo izay maneho toetra ratsy amintsika, dia singa iray lehibe amin’ny vavaka manan-danja ihany koa. … Mampitombo ny fahaizantsika mandre sy mihaino ny feon’ny Tompo ny fivavahana ho an’ny hafa amin’ny fahavitrihan’ny fanahintsika iray manontolo” (“Pray Always,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 43).

Hamoaka printy