Tahirim-pitaovana
Lesona 144: Etera 2


Lesona 144

Etera 2

Fampidirana

Taorian’ny fiaingana teo amin’ny Tilikambon’i Babela dia notarihin’ny Tompo namakivaky tany an-tany foana i Jareda sy ny rahalahiny ary ny fianakaviany. Nasain’ny Tompo nanamboatra sambo valo ny rahalahin’i Jareda mba hitondrana ny vahoakany hamakivaky ny ranomasina ho any amin’ny tany nampanantenaina. Rehefa nankato ny Tompo am-pinoana ny rahalahin’i Jareda sy ny vahoakany dia nomen’ny Tompo ny fitarihana sy torolalana ilaina izy ireo mba hahatontosana ny diany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 2:1–12

Nanomboka ny diany nankany amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa manampy antsika handray fitarihana sy torolalana lalindalina kokoa ity toromarika noraisaintsika avy amin’Andriamanitra manaraka ity dia ataovy ity asa atao ity:

Manafena zavatra iray izay maneho zava-tsarobidy iray, alohan’ny fotoam-pianarana, ao amin’ny efitrano izay hianarana. Manomana tari-dalana telo aman’efatra izay hitarika ireo mpianatra ho amin’ilay zava-tsarobidy iray. Omeo ireo mpianatra ny tari-dalana voalohany. Izany tari-dalana izany dia hitondra amin’ilay iray manaraka, izay hitarika amin’ilay manaraka, ary hatrany hatrany mandra-pahitan’ireo mpianatra ny zava-tsarobidy. Aorian’ny fahitan’izy ireo ilay zava-tsarobidy dia mametraha izao fanontaniana izao:

  • Inona no mety nitranga raha tsy noraharahiana ilay tari-dalana voalohany? (Mety tsy hahita ilay tari-dalana faharoa izy ireo.)

Asao hamerina hijery amim-pahanginana ny Etera 1:41–42 ireo mpianatra ary hikaroka ireo andian-toromarika voalohany avy amin’ny Tompo hitarihana ireo Jaredita tany amin’ny tany nampanantenaina.

Asao hamaky mafy ny Etera 2:1–3 ny mpianatra iray mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba fandraisan’ireo Jaredita ireo toromarika ireo.

  • Ahoana no fihetsik’ireo Jaredita nanoloana ny andian-toromarika voalohany avy amin’ny Tompo?

Asao mba hamaky mafy ny Etera 2:4–6 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hitady ireo fitahiana noraisin’ireo Jaredita taorian’ny nanarahany ny andian-toromarika voalohany.

  • Inona no nitranga taorian’ny fanarahan’ireo Jaredita ny andian-toromarika voalohany avy amin’ny Tompo? (Nanome azy ireo toromarika fanampiny tamin’ny alalan’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo.)

  • Inona no azontsika ianarana avy tamin’ity tantara ity mahakasika ny fomba fandraisana fitarihana avy amin’ny Tompo? (Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra saingy tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’izy ireo: Rehefa miasa am-pinoana amin’ny toromarika izay nomen’ny Tompo antsika isika dia afaka mandray fitarihana lalindalina kokoa avy Aminy. Toroy hevitra izy ireo hanoratra ity fahamarinana ity ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Etera 2:6.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa sy hampihatra ity fitsipika ity dia asao izy ireo hisaintsaina ny fahatsapana na bitsiky izay noraisiny vao haingana avy amin’ny Tompo. Vakio avy eo ity teny nambara manaraka nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mikasika ny fomba izay mazàna handraisantsika ny fanambarana:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ho tonga amin’ny ampahany izany, na mitambatambatra, mba hahafahantsika mitombo eo amin’ny fahaiza-manao. Rehefa narahina finoana ny ampahany tsirairay dia hotarihina amin’ny ampahany hafa ianao mandra-pahazoanao ilay valiny feno. Mitaky anao hampihatra finoana amin’ny fahafahan’ny Raintsika mamaly izany lamina izany. Na dia tena sarotra aza izany indraindray dia mitondra amin’ny fivoarana manan-danja eo amin’ny tena manokana” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 9).

Asao hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina ireo mpianatra. Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe izy ireo na vakiana miadana mba hahafahan’izy ireo mandray izany.

  • Oviana ianareo no nanaraka ny bitsiky ara-panahy iray ary nandray toromarika lalindalina kokoa avy amin’Andriamanitra avy eo?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mila manaiky ny bitsika ara-panahy iray aloha isika indraindray vao afaka mandray fanambarana fanampiny?

Fintino ny Etera 2:8–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nilaza tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo fa rehefa tonga any amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita dia mila “[m]anompo Azy, ilay Andriamanitra marina sy tokana” (Etera 2:8) raha te-ho tonga firenena lehibe izay nampanantenainy azy ireo fa hahatongavany. Raha tsy manompo Azy izy ireo dia “hofaohina” hiala ny tany (Etera 2:8–10). Nilaza i Môrônia fa izany dia “didy maharitra mandrakizay” (Etera 2:10), izay midika fa mihatra amin’ny rehetra izay mbola hiaina amin’izany tany izany.

Etera 2:13–15

Nanafay ny rahalahin’i Jareda ny Tompo noho ny tsy fahatsiarovany hiantso ny Anarany

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 2:13–15 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nataon’ireo Jaredita rehefa tonga teo amoron-dranomasina izy ireo.

  • Inona no nataon’ireo Jaredita? (Nanangana ny lainy sy nitoetra teo amoron-dranomasina izy ireo nandritra ny efa-taona.)

  • Nahoana no nanafay ny rahalahin’i Jareda ny Tompo?

  • Inona ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny Etera 2:14--15? (Mety hahita fahamarinana samihafa ireo mpianatra, isan’izany ireto manaraka ireto: Tian’ny Tompo hiantso ny Anarany tsy tapaka amim-bavaka isika. Tsy faly amintsika ny Tompo rehefa tsy mahatsiaro miantso ny Anarany isika. Ary tsy hitoetra amintsika ny Fanahy raha toa ka manota isika.)

Asao hisaintsaina ny vavaka ataon’ny tenany manokana ireo mpianatra eo am-pamakianao ity teny nambaran’ny Loholona Donald L. Staheli ao amin’ny Fitopololahy manaraka ity:

“Manan-danja eo amin’ny fiainantsika sy ny fanolokoloana ny fijoroantsika ho vavolombelona ny vavaka amin-kafanam-po isan’andro hikatsahana famelan-keloka sy fanampiana manokana. Rehefa maneho fahamehana, famerimberenana, zara fa vita na fanadinoana isika eo amin’ny vavaka ataontsika dia manomboka mamery ny fanakaikezan’ny Fanahy isika, izay tena manan-danja eo amin’ny fitarihana tsy tapaka izay ilaintsika mba hahafahana miatrika amim-pahombiazana ireo fanambin’ny fiainantsika andavanandro” (“Securing Our Testimonies,” Ensign na Liahona, Nôv. 2004, 39).

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana ireto alohan’ny fotoam-pianarana. (Na azonao omanina amin’ny taratasy hozaraina izy ireo na vakiana miadana mba hahafahan’ireo mpianatra manoratra azy ireo.) Omeo roa na telo minitra ireo mpianatra mba hanoratana valiny fohy amin’ireo fanontaniana ireo ao anatin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina.

Ahoana no fahitanareo ny hatetiky ny vavaka ataonareo manokana?

Ahoana no fahitanareo ny maha-vavaka avy amin’ny fo ny vavaka ataonareo manokana?

Ao amin’ny vavaka ataonareo manokana, moa mahatsapa ho mifampiresaka marina amin’ny Ray any an-danitra ve ianareo? Raha eny dia nahoana ary raha tsia dia nahoana?

Raha mety afaka ny hanao fanovana iray entina hanatsarana ny vavaka ataon’ny tenanareo manokana ianareo dia ho inona izany?

Etera 2:16–25 (jereo koa ny Etera 3:1–6; 6:4–9)

Nanamboatra sambofiara hamakivakiana ny ranomasina hankanesana any amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita

Asaivo mieritreritra fanamby iray izay mety atrehiny ireo mpianatra na fanapahan-kevitra iray manan-danja mety ilainy atao, amin’izao fotoana izao na amin’ny hoavy. Ohatra, mety hieritreritra toe-javatra iray manahirana ny fianakaviana izy ireo, na fanamby atrehina any an-tsekoly, na fanapahan-kevitra momba ny hoe iza hovadiana, na fisafidianana taranjam-pianarana horantovina. Asao hisaintsaina ny fomba mety hanomezan’ny Tompo azy ireo fitarihana na fanampiana izy ireo. Eo am-pandalinan’izy ireo ny ambin’ny Etera 2, dia amporisiho izy ireo hikaroka ireo fitsipika izay hanampy azy ireo handray ny fanampian’ny Tompo eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara.

Asao hamaky mafy ny Etera 2:16–17 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ny zavatra nolazain’ny Tompo mba ho ataon’ireo Jaredita handrosoana mankany amin’ny tany nampanantenaina. Rehefa tapitra ny vakitenin’ilay mpianatra dia angataho raha misy te-ho eny amin’ny solaitrabe ary hanao kisary vetivety ny mety ho endriky ny sambofiaran’ireo Jaredita.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity ary tsy ampidirina ao ireo valinteny eo amin’ireo faritra telo eo ambany. Zarao izany tabilao izany na asaivo soratan’ireo mpianatra ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina.

Etera 2:18–19

Etera 2:20–25; 3:1–6; 6:4–9

Olana teo amin’ireo sambofiara

Vahaolana

Inona no nataon’ny Tompo

Inona no nataon’ny rahalahin’i Jareda

Tsy misy rivotra

Manao lavaka izay azo sokafana sy akatona eo amin’ny tampony sy ambanin’ny sambofiara

Nanome toromarika ny rahalahin’i Jareda

Nanao ireo lavaka

Tsy misy familiana

Hitsoka ireo sambofiara hankany amin’ny tany nampanantenaina ny rivotra

Nampitsoka ny rivotra

Nahatoky ny Tompo

Tsy misy hazavana

Nanomana vato miavaka ary nangataka ny Tompo hikasika azy ireo mba hampahazava azy ireo

Nanoro hevitra ny rahalahin’i Jareda mikasika ireo zavatra izay tsy mety raha ampiasaina ary nanome toromarika azy hikaroka vahaolana hitady izay zavatra mety raha ampiasaina

Nikasika ireo vato taorian’ny nanomanan’ny rahalahin’i Jareda azy ireo

Nanomana ireo vato ary nangataka ny Tompo hikasika azy ireo mba hampahazava azy ireo ao anatin’ny haizina

Asao hikaroka samirery ireo olana telo izay tsikaritry ny rahalahin’i Jareda teo amin’ny sambofiara ao amin’ny Etera 2:18–19 ireo mpianatra.

  • Inona ireo olana hitan’ny rahalahin’i Jareda? (Soraty eo amin’ny tsanganana voalohany eo amin’ny tabilao ireo valintenin’ny mpianatra, araka ny hita eo ambony. Entano hanao izany koa izy ireo amin’ny tabilaony.)

Aorian’ny fahitan’ireo mpianatra ireo olana dia entano izy ireo handalina ny Etera 2:20–25; 3:1–6; 6:4–9. (Fanamarihana: Horesahina amin’ny antsipiriany kokoa ao amin’ny lesona 145 sy 147 ireo andininy ao amin’ny Etera 3 sy 6.) Omeo fotoana hamenoan’ny tenany manokana ny ambin’ny tabilao izy ireo.

Rehefa nahazo fotoana ampy hamenoana ilay tabilao ireo mpianatra dia mametraha ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hamantatra ireo fitsipika avy amin’ny zavatra niainan’ny rahalahin’i Jareda:

  • Ahoana no fomba hanampian’ny Tompo antsika hamaha ny olana ananantsika na hamaly ny fanontaniantsika, raha mijery ny vahaolana mikasika ny olana eo amin’ny rivotra? (Indraindray ny Tompo dia miteny amintsika ny fomba hamahana olana iray ary manantena antsika hanaraka ny torolalany.)

  • Ahoana no fomba hanampian’ny Tompo antsika hamaha ny olana ananantsika na hamaly ny fanontaniantsika, raha mijery ny vahaolana mikasika ny olana eo amin’ny familiana? (Indraindray dia raisin’ny Tompo an-tanana mivantana ny vahaolana.)

  • Ahoana no fomba hanampian’ny Tompo antsika hamaha ny olana ananantsika na hamaly ny fanontaniantsika, raha mijery ny vahaolana mikasika ny olana eo amin’ny hazavana? (Indraindray ny Tompo dia mitaky amintsika mba hikaroka vahaolana ary hangataka ny Fanekeny izany sy ny fanampiany mba hahatontosa izany.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka mandray ny fanampian’ny Tompo isika rehefa miantso ny Tompo sy manao ny anjarantsika eo amin’ny famahana ny olana ananantsika. Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ity fitsipika ity dia asaivo mieritreritra ilay fanapahan-kevitra manan-danja izay noeritreretiny vao minitra vitsy lasa izy ireo. Avy eo dia asaivo misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo:

  • Inona araka ny eritreritrareo no andrasan’ny Tompo aminareo eo amin’ny fandraisana ity fanapahan-kevitra ity?

  • Inona no mety ataon’ny Tompo mba hanampiana anareo?

  • Ahoana no ahafahanareo maneho fahatokiana amin’ny Tompo eo am-pieritreretanareo mikasika ity fanapahan-kevitra ity?

Omeo minitra vitsivitsy hanoratana mikasika ny zavatra nianarany androany ireo mpianatra. Share your testimony that when we faithfully call upon the Lord and do our part to solve our problems, He will direct us and help us according to His wisdom and power.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Etera 2:4–5. Valin’ireo vavaka

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Tena manan-danja tanteraka ny fahafantarana fa mamaly ny vavaka amin’ny fomba iray fahatelo koa ny Tompo dia ny fanemorana ny valiny rehefa avy natolotra ny vavaka. Nahoana no manao izany Izy?

“Raintsika tonga lafatra Izy. Tiany mihoatra ny fahatakarantsika izany isika. Fantany izay tsara indrindra ho antsika. Hitany hatrany am-piandohana ny fiafarana. Tiany hanao asa isika mba hahazoana traikefa ilaina:

“Rehefa mamaly hoe eny Izy, dia mba hahazoantsika toky.

“Rehefa mamaly hoe tsia Izy, dia mba hisorohana ny hanaovantsika hadisoana.

“Rehefa manemotra ny valiny Izy, dia mba hahafahantsika mitombo amin’ny alalan’ny finoana Azy, mankato ny didiny ary mazoto hiasa araka ny fahamarinana. Takiana amintsika ny hanaiky ho tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra iray izay mifanaraka amin’ny fampianarany kanefa tsy nahazoana fanamafisana mialoha. Tsy natao hipetra-potsiny hiandry na himonomonona isika satria tsy niteny ny Tompo. Mila miasa isika.

“Mazàna ireo zavatra nosafidiantsika dia marina. Hanamafy ny fahamarinan’ireo safidintsika araka ny fombany Izy. Izany fanamafisana izany amin’ny ankapobeny dia tonga amin’ny alalan’ny fifanjohian’ny fanampiana eny an-dalana eny. Tsikaritsika izy ireo amin’ny fananana toetra mora mahatsapa zavatra ara-panahy. Toy ny toromarika avy amin’ny Ray be fitia izy ireo ho porofo maneho ny fanekeny” (“Learning to Recognize Answers to Prayer,” Ensign, Nôv. 1989, 31–32).

Etera 2:14–15. Fanehoam-pitiavana ny famaizan’ny Tompo

Nahavariana ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny toetra feno herim-pon’ny rahalahin’i Jareda sy ny famelan-keloka be fitiavan’ny Tompo raha niresaka ny Etera 2:14–15 izy:

“Sarotra ny maka sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany voalevilevin’ny Tompo nandritra ny ora telo izany, kanefa naharitra izany ny rahalahin’i Jareda. Rehefa avy nibebaka sy nivavaka teo no ho eo dia nikatsaka fitarihana ho an’ny dia izay nandidiana azy ireo ity mpaminany ity sy ho an’ireo izay mikatsaka hanohy izany. Noraisin’ Andriamanitra ny fibebahany ary nanome fitarihana am-pitiavana lalindalina kokoa ho an’ny iraka manan-danja nanirahana azy ireo” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 15).

Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra ny Tompo hoe: “Izay tiako koa no faiziko hahazoana mamela ny fahotany, fa amin’ ny fananarana no anomanako ny lalana hanafahana azy amin’ ny karazana fakam-panahy rehetra, ary efa tia anareo Aho” (F&F 95:1).

Etera 2:22–23. Tsy maintsy ampiarahana amin’ny ezaka ny vavaka

Maro ny olona no milaza fa tokony hivavaka isika ao anatin’ny fahatsapana fa miankina amin’ny Tompo ny zava-drehetra ary miasa ao anatin’ny fahatsapana fa miankina amintsika ny zava-drehetra. Nilaza ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa naheno matetika ny Filoha Gordon B. Hinckley izy nilaza hoe: “Tsy mahafantatra fomba hahavitana zavatra iray aho ankoatra ny hoe mandohalika sy mitalaho fanampiana ary avy eo mitsangana dia mandeha miasa” (“Spiritual Capacity,” Ensign, Nôv. 1997, 16).

Hamoaka printy