Tahirim-pitaovana
Lesona 17: 1 Nefia 16


Lesona 17

1 Nefia 16

Fampidirana

Rehefa avy voatsindrona tao am-pony tamin’ny tenin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela dia nanetry tena teo anatrehan’ny Tompo izy ireo. Nanohy ny diany tany an-tany foana ilay fianakaviana ary nitahy azy ireo tamin’ny Liahona ny Tompo, izay nitarihany azy ireo nandritra ny diany. Rehefa nandeha izy ireo dia nandalo zava-tsarotra toy ny fahasimban’ny tsipìkan’i Nefia izay fitaovana tsara indrindra ho azy ireo hahazoana sakafo. Ny ankabeazan’ny olona tao amin’ilay fianakaviana—eny fa na i Lehia aza—dia nanomboka nimonomonona tamin’ny Tompo. Nananatra ireo rahalahiny i Nefia noho ny fitarainan’izy ireo ka nanamboatra tsipìka vaovao ary nitady ny torohevitry ny rainy mikasika ny toerana tokony handehanany hihaza.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 16:1−6

Namaly ny fimonomononan’ireo rahalahiny i Nefia

Angataho ireo mpianatra hieritreritra momba ny fotoana iray izay nahabedy azy ireo tamin’ny fanaovana ny tsy mety sy momba ny fomba namaliany izany. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 16:1. Alohan’ny hamakiany dia asao ny iray kilasy hihaino izay navalin’i Lamàna sy i Lemoela ny fampianaran’i Nefia. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Nefia dia nampianatra fa ny olon-dratsy dia hosarahana amin’ny olo-marina ary horoahina hiala tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 15:33–36).

Asao hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 16:2 ireo mpianatra. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo ny hanisy marika ilay fehezanteny izay nampiasain’i Nefia hamaritana ny fomba fihetsiky ny olona amin’ny fahenoana ny marina rehefa tsy miaina izany izy.

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe “sarotra ho an’ ny olo-meloka ny mandray ny fahamarinana”? Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny fehezanteny hoe “manatrobaka azy hatrany anatiny izany”?

  • Ahoana avy ireo fomba mety hamaliantsika rehefa sarotra zakaina ny fahamarinana?

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 16:3–4. Azonao atao ny miteny amin’izy ireo hanisy marika ny teny hoe raha sy dia ao amin’ny andininy 3. Amporisiho izy ireo hikaroka ny fananarana izay nomen’i Nefia ireo rahalahiny mikasika ny fomba tokony hamalian’izy ireo ireo “zavatra henjana” izay nolazainy ireo. Asao ny mpianatra iray hanazava amin’ny teniny manokana ny zavatra nampianarin’i Nefia ireo rahalahiny.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 16:5, ahoana no namalian’ireo rahalahin’i Nefia ny fampianarany?

  • Inona no atolotry ny 1 Nefia 16:5 momba ny tokony ho fihetsika ataontsika rehefa manatrobaka [antsika] hatrany anatin[tsika]” ny fahamarinana”?

1 Nefia 16:7−33

Mitarika ny ankohonan’i Lehia amin’ny alalan’ny Liahona ny Tompo

Sary
The Book of Mormon prophet Lehi portrayed kneeling on the ground. Lehi is holding the Liahona in his hands. Nephi is standing behind Lehi and is also looking at the Liahona. Other members of the family of Lehi are gathered around Lehi and Nephi.

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 16:9–10 ny mpianatra iray. Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ny Liahona (62041; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 68). Ambarao ny fanehoan’ilay mpahay zava-kanto ny Liahona.

  • Araka ny eritreritrao, amin’ny fomba manao ahoana no mety nanampian’ny fanomezana tahaka izany an’i Lehia sy ny ankohonany tamin’ny toe-javatra niainan’izy ireo?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny 1 Nefia 16:16–19.

  • Ahoana no nanasoavan’ny Liahona ny ankohonan’i Lehia?

  • Rehefa avy nahazo ny Liahona ny ankohonan’i Lehia, moa ve sarotra sa mora ny dian’izy ireo? Inona no tantarain’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 16:17–19 mba hanamafisana ny valinteninareo?

  • Araka ny eritreritrao, nahoana ny olo-marina toa an’i Lehia sy i Nefia no miatrika fitsapana indraindray? (Azonao atao ny manazava fa maro amin’ireo fitsapana atrehintsika no tsy voatery ho vokatry ny safidy ratsy natao. Izy ireo kosa dia fahafahana mba hianatra sy hivoatra ao anatin’ny fiainantsika eto an-tany.)

Asao ny antsasaky ny mpianatra handalina ny 1 Nefia 16:20–22 am-pahanginana mba hikaroka ny fihetsika nasehon’ny sasany ao amin’ny fianakavian’i Lehia nanoloana ny fitsapana tamin’ny nahatapahan’ny tsipìkan’i Nefia. Asao ilay antsasany iray hafa mba handalina ny 1 Nefia 16:23–25, 30–32, mba hikaroka ny zavatra nataon’i Nefia nanoloana izany fitsapana izany sy ny fiantraikan’izany zavatra nataony izany teo amin’ny fianakaviany. Rehefa avy nitatitra izay hitany ny vondrona tsirairay dia manontania hoe:

  • Inona no azontsika ianarana amin’ny alalan’ny fampitahana ireo fihetsika roa ireo izay naseho nanoloana ilay fitsapana iray?

  • Nahoana no zava-dehibe ny nandehanan’i Nefia tany amin’ny rainy mba hahazo torolalana na dia efa nimonomonona naharitraritra aza i Lehia? Inona avy ireo fitsipika afaka ianarantsika avy amin’izany mba hampiharina eo amin’ny fiainantsika? (Azonao atao ny manazava fa naneho fanajana sy nanampy an’i Lehia hahatsiaro ny hitodika tany amin’ny Tompo i Nefia tamin’ny alalan’ny fandehanany tany aminy mba hahazo torolalana. Ny fikatsahana torohevitra avy amin’ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, na dia tsy tonga lafatra aza izy ireo, dia fomba iray hanajana azy ireo sy hanehoana ny finoana ny Tompo.)

  • Inona avy ireo fitsipika fanampiny azontsika ianarana avy amin’ny fihetsika nasehon’i Nefia nanoloana ny fahorian’ny fianakaviany? (Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra dia ataovy izay hanamafisana fa rehefa manao izay rehetra azontsika atao sy mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ihany koa isika dia hanampy antsika ao anatin’ireo fotoan-tsarotra Izy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 16:26–29. Asao ireo mpianatra hitady ireo antsipirihany mikasika ny fomba nampiasan’ny Tompo ny Liahona mba hitarihana ny fianakavian’i Lehia. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hampihatra izay ampianarin’ireo andalan-tsoratra masina ireo mikasika ny fahazoana ny fitarihan’ny Tompo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no maha samy hafa ny fanarahana amim-pahazarana ny torolalan’ny Tompo sy ny fanarahana amim-pinoana sy amim-pahazotoana ny torolalan’ny Tompo?

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 16:29, ny Almà 37:6–7, ary ny Almà 37:38–41 mba hitady fitsipika iray izay ampianarina ao anatin’ireo andalan-tsoratra masina telo ireo.

  • Inona no fitsipika ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina telo ireo? (Ataovy izay hahazoana antoka fa ireo mpianatra dia mahatakatra fa ny Tompo dia afaka manatanteraka zava-dehibe amin’ny alalan’ny zava-madinika. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Araka izay voalaza ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo, inona ireo “zava-madinika” nomen’ny Tompo mba hahazoantsika fitarihana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto, ary ataovy hita mazava tsara fa tsy ampy teny iray na andian-teny ao amin’ny fanontaniana tsirairay. (Azonao atao ny manao izany mialoha ny fotoam-pianarana.)

  1. Inona ireo fomba roa na telo izay … dia tahaka ny Liahona?

  2. Inona avy ireo zavatra izay mety mahatonga antsika tsy hahazo ireo hafatra manan-danja avy amin’ny … ?

  3. Oviana ianao no notahiana noho ny fankatoavana ny fitarihan’ny … ?

Zarao ho vondrona telo ireo mpianatra ary asio mpitarika isaky ny vondrona. Omeo ny tahadikan’ireto asa ampanaovina ireto ny mpitarika tsirairay izay handalinan’ny vondrona misy azy ireo “zava-madinika” iray izay nampiasain’ny Tompo mba hitarihana antsika. (Raha betsaka ireo mpianatrao dia azonao atao ny mizara ireo mpianatra ho vondrona mihoatra ny telo mba hampihenana ny isan’ny olona ao anatin’ny vondrona iray. Raha manao izany ianao dia azonao atao ny manome asa mitovy ho an’ny vondrona iray na mihoatra izany.)

Vondrona 1: Tsodranon’ny Patriarika

Vakio amin’ilay vondrona ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

“Ilay Tompo izay nanome Liahona ho an’i Lehia dia nanome ho anareo sy ny ho an’ny tenako fanomezana tsy fahita firy sy sarobidy amin’izao fotoana izao mba hitarika antsika eo amin’ny fiainana sy hampahafantatra ireo loza mba hahazoantsika fiarovana ary mba hanoro ny lalana, eny fa na dia lalana hieren-doza aza —tsy mitondra any amin’ny tany nampanantenaina, fa mitondra antsika kosa any amin’ny fonenana any an-danitra. Ilay fanomezana izay resahiko dia fantatra amin’ny hoe ny tsodranon’ny patriarika ho anao. …

“… Ny tsodranonao dia tsy natao ho tsara valona ary hampirimina any. Tsy natao ho fonosina ao anaty efa-joro na hatonta ho an’ny besinimaro izany. Fa natao hovakiana kosa izany. Natao hotiavina izany. Natao mba harahana. Hitantana anao ao anatin’ny haizim-pito ny tsodranon’ny patriarika nomena anao. Hitantana anao ao anatin’ireo loza manamban’ny fiainana izany. … Aminao, ny tsodranon’ny patriarika nomena anao dia toy ny Liahona an’ny tenanao manokana mba hanoritra ny dianao sy hitarika ny lalanao” (“Your Patriarchal Blessing: A Liahona of Light,” Ensign, Nôv. 1986, 65–66).

Amboary ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe mba hahatonga azy ireo hiresaka mikasika ny tsodranon’ny patriarika. Hifanakalozy hevitra miaraka ao anatin’ny vondrona ireo fanontaniana ireo. Asao ny olona iray ao amin’ny vondrona misy anareo mba hizara amin’ny mpiara-mianatra sisa izay zavatra nianaran’ny vondrona misy anareo. Asao ihany koa ny olona iray avy ao amin’ny vondrona misy anareo mba hizara ny zavatra niainany avy amin’ny fanontaniana faha 3.

Vondrona 2: Ny Soratra Masina sy ny Tenin’ireo Mpaminanin’ny Andro Farany

Vakio amin’ilay vondrona ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona W. Rolfe Kerr ao amin’ny Fitopololahy ity:

“Ny tenin’i Kristy dia afaka ny ho lasa Liahona an’ny tena manokana ho an’ny tsirairay avy amintsika izay manoro lalana antsika. Aoka isika tsy ho kamo noho ny fahamoran’ny lalana. Aoka isika handray amim-pinoana ny tenin’i Kristy ho ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika tahaka izay niraketana azy ireo ao amin’ny soratra masina sy ny nanambaran’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona azy ireo. Aoka isika hivoky amin’ny tenin’i Kristy amim-pinoana sy amim-pahazotoana satria ny tenin’i Kristy no ho Liahona ara-panahy an’ny tenantsika manokana izay milaza amintsika ny zavatra rehetra tokony ataontsika” (“The Words of Christ—Our Spiritual Liahona,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 37).

Amboary ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe mba hahatonga azy ireo hiresaka mikasika ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany. Hifanakalozy hevitra miaraka ao anatin’ny vondrona ireo fanontaniana ireo. Asao ny olona iray ao amin’ny vondrona misy anareo mba hizara amin’ny mpiara-mianatra sisa izay zavatra nianaran’ny vondrona misy anareo. Asao ihany koa ny olona iray avy ao amin’ny vondrona misy anareo mba hizara ny zavatra niainany avy amin’ny fanontaniana faha 3.

Vondrona 3: Ny Fanahy Masina

Vakio amin’ilay vondrona ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Rehefa ampifanarahantsika amin’ny fahamarinana ny toetrantsika sy ny zavatra ataontsika dia manjary ho toy ny Liahona teo imason’i Lehia sy ny fianakaviany tamin’ny andron’izy ireo ny Fanahy Masina eo imasontsika. Ireo antony nahatonga ny Liahona hiasa ho an’i Lehia dia hanasa toy izany ihany koa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika. Ary ireo antony nahatonga ny Liahona tsy niasa fahiny dia hahatonga antsika hanala toy izany koa ny tenantsika tsy ho eo akaikin’ny Fanahy Masina amin’izao fotoana izao” (“That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 30).

Amboary ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe mba hahatonga azy ireo hiresaka mikasika ny Fanahy Masina. Hifanakalozy hevitra miaraka ao anatin’ny vondrona ireo fanontaniana ireo. Asao ny olona iray ao amin’ny vondrona misy anareo mba hizara amin’ny mpiara-mianatra sisa izay zavatra nianaran’ny vondrona misy anareo. Asao ihany koa ny olona iray avy ao amin’ny vondrona misy anareo mba hizara ny zavatra niainany avy amin’ny fanontaniana faha 3.

Fanamarihana ho an’ny mpampianatra: Rehefa afaka enina ka hatramin’ny valo minitra eo dia angataho ny vondrona tsirairay hampianatra amin’ny iray kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny fifanakalozan-kevitra nataony. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny soratra masina na ny kahien’izy ireo ao an-dakilasy mikasika fotoana iray izay nitarihan’ny Tompo azy ireo tamin’ny alalan’ny zava-madinika. Miresaha mikasika ny fotoana iray nahazoanao fitarihana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny zava-madinika.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 16:10. Liahona ho an’ny tena manokana

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampitovy ny feon’ny fieritreretantsika tamin’ny Liahona:

“Tokony hahatakatra ianareo fa manana zavatra mitovy amin’ilay kômpa, tahaka ny Liahona, ao anatinareo. Omena izany avokoa ny zaza tsirairay. Rehefa valo taona izy dia mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy raha nampianatra azy tsara ireo ray aman-dreniny. Raha minia tsy miraharaha ilay Liahona ao anatiny izy dia mety tsy hibitsika aminy intsony izany amin’ny farany. Kanefa raha mahatadidy isika fa ny tsirairay amintsika dia manana ilay zavatra izay hitarika azy amin’ny lalana tokony haleha dia tsy ho diso lalana ny sambontsika, tsy hitranga ny fijaliana, tsy ho tapaka ny tsipika ary tsy hitaraina amin’ny sakafo ny fianakaviana—raha mihaino izay lazain’ny Liahona an’ny tenantsika manokana isika, izay antsointsika hoe feon’ny fieritreretana” (“Our Own Liahona,” Ensign, Nôv. 1976, 79).

Hamoaka printy