Tahirim-pitaovana
Lesona 16: 1 Nefia 15


Lesona 16

1 Nefia 15

Fampidirana

Taorian’ny nahitan’i Nefia fahitana mitovy amin’ny fahitana hitan’ny rainy dia niverina tany amin’ny lain’ny rainy izy. Hitany tao ireo rahalahiny niady hevitra momba ireo fampianaran-drainy. Nibedy ireo rahalahiny noho ny hamafin’ny fony i Nefia ary nampahatsiahy azy ireo ny fomba hahazoana fanambarana ho an’ny tenan’izy ireo manokana. Taorian’izay dia nanazava ny sasany tamin’ireo fampianaran’i Lehia mikasika ireo sampana voajanaharin’ny hazo oliva sy ny dikan’ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina izy. Ny1 Nefia 15 dia mampitaha ny ezaka nataon’i Nefia tamim-pahazotoana hikatsaka ny fahamarinana amin’ny ezaka tsy rototra nataon’ireo rahalahiny (jereo ny 1 Nefia 15:9–11).

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 15:1–11

Ireo rahalahin’i Nefia dia nitaraina fa tsy afaka nahatakatra ny fahitan’i Lehia

Angataho ireo mpianatra hanao lisitra zavatra atao maro izay mitaky ezaka avy amintsika alohan’ny hifaliantsika amin’ireo vokatra avy amin’izany. Azonao atao ny manao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. (Mety ho tafiditra ao anatin’ireo valinteny ny fianarana any an-tsekoly, ny fanaovana zaridaina, ny filalaovana zava-maneno, ny fanaovana fanatanjahantena, ary zavatra ampiasana ny herim-batana. Asao ireo mpianatra hieritreritra ohatra izay niainan’izy ireo.)

  • Amin’ireo zavatra atao izay eritreretinao, inona no fifandraisana hitanao fa misy eo amin’ny ezaka ataonao sy ny vokatra azo avy amin’izany?

Rehefa avy mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hikaroka modely mitovy amin’izany ao amin’ity lesona ity rehefa mandalina ny 1 Nefia 15 izy ireo.

Lazao amin’ireo mpianatra fa ny 1 Nefia 15 dia manomboka amin’ny fiverenan’i Nefia tany amin’ny lain’ny rainy taorian’ny nahitany fahitana mitovy amin’ny an’i Lehia. Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 15:1–2, 7 ny mpianatra iray. Angataho ny iray kilasy hikaroka izay zavatra nolalovan’i Nefia rehefa niverina tany amin’ny lain’ny rainy izy.

  • Inona no hitan’i Nefia rehefa niverina tany amin’ny lain’i rainy izy?

  • Momba ny inona no niadian’ireo rahalahin’i Nefia hevitra? Nahoana?

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 15:3 ny mpianatra iray. Angataho ireo mpianatra hamantatra ny antony naha sahirana ireo rahalahin’i Nefia tamin’ny fiezahana hahatakatra ireo zavatra nampianarin’i Lehia azy ireo.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 15:3, nahoana no sahirana ireo rahalahin’i Nefia tamin’ny fahatakarana ireo zavatra nampianarin’i Lehia azy ireo?

  • Inona no nataon’i Nefia mba hianarana fahamarinana ara-panahy? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny 1 Nefia 10:17.)

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 15:8 ny mpianatra iray.

  • Raha heverina fa vao avy nahita fahitana avy any an-danitra i Nefia ho valin’ireo fanontaniany (jereo ny 1 Nefia 11–14), nahoana no toa toetra voa-janahary tao aminy ny nanontany ireo rahalahiny raha nanadina ny Tompo izy ireo?

Angataho hamaky mafy ny 1 Nefia 15:9 ny mpianatra iray. Aorian’izay dia mangataha mpianatra iray hafa hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’i Nefia tamin’ireo rahalahiny:

Tsy nanao izany izahay; satria tsy mampahafantatra anay ny zavatra toy izany ny Tompo.

Tsipiho ilay andian-teny hoe “tsy nanao izany izahay” eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no tsy nataon’ireo rahalahin’i Nefia?

Ampidiro ao amin’ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe ilay valinteny hoe (nanadina ny Tompo, nivavaka, na nanontany ny Tompo) izay lasa mivaky toy izao ankehitriny:

Tsy nanadina ny Tompo izahay; satria tsy mampahafantatra anay ny zavatra toy izany ny Tompo.

(Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: “Tsy nanontany izahay, satria tsy miresaka aminay ny Tompo.”)

  • Inona no olana momba ny fisainan’i Lamana sy i Lemoela?

Ataovy izay hahazoana antoka fa mahafantatra ny zavatra tsy mety amin’ny fisainan’ireo rahalahin’i Nefia ireo mpianatra. Asao izy ireo handamina indray na hilaza indray amin’ny fomba hafa ilay andian-teny eny amin’ny solaitrabe mba hamaritan’izany mazava tsara ny antony tsy nahazoan’ireo rahalahin’i Nefia ny fanampian’ny Tompo mba hahatakatra ireo fampianaran’i Lehia. Mety ho tafiditra amin’ireo valiny mety ho azo ny hoe “Tsy ataon’ny Tompo fantatray ny zavatra toy izany satria tsy nangataka taminy izahay” sy hoe “Satria tsy nanontany ny Tompo izahay dia tsy nataony fantatray ireo zavatra ireo.”

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 15:10–11. Asao ny iray kilasy hitady ireo fahamarinana izay nampianarin’i Nefia ireo rahalahiny mba hanampiana azy ireo hianatra ny fomba hahazoana valinteny avy amin’Andriamanitra.

  • Inona no anatra nomen’i Nefia ireo rahalahiny mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny tenin’ny rain’izy ireo sy hahazo valinteny avy amin’Andriamanitra? (I Nefia dia nananatra ireo rahalahiny tsy hanamafy ny fony, hangataka amim-pinoana, hino fa hahazo valiny izy ireo, ary hazoto amin’ny fitandremana ireo didy. Ampio ireo mpianatra hahita fa fantatr’i Nefia ny lanjan’ireo fitsipika ireo satria nanaraka izany ny tenany ary nahazo fanambarana vokatr’izany.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hitady ireo fitsipika avy amin’ireo andininy ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Raha … , dia …

  • Miainga avy amin’izay novakiantsika ao amin’ny 1 Nefia 15:10–11, ahoana no mety hamenoantsika io fehezanteny io?

Mety mampiasa teny hafa ireo mpianatra saingy tokony haneho izy ireo fa mahatakatra ny hoe raha manadina ny Tompo amim-pinoana isika sy mankatò ireo didiny dia ho vonona handray fanambarana sy fitarihana avy Aminy. (Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.)

Omano ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny fotoam-pianarana, na eny amin’ny solaitrabe na toy ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra:

  1. Ahoana no fomba mety hanazavanareo io fitsipika io mba hanampiana olona iray hahatakatra ny fomba handraisana ny fampianarana avy amin’ny Tompo sy hahatakatra ireo fahamarinana ara-panahy?

  2. Ahoana no niantraikan’ny ezaka nataonao tamin’ny fahafahanao nahazo ny fitarihan’ny Tompo sy nahatakatra ny filazantsara?

Ampiaraho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao handinika ilay fanontaniana voalohany ny iray ao amin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny vondron’olon-droa tsirairay avy, ary asao handinika ny fanontaniana faharoa ny iray hafa. Asao izy ireo hifampizara ny valintenin’izy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy nifanakalozan-kevitra mikasika ireo valinteniny ny mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny heviny amin’ny iray kilasy. Hamafiso fa ny ezaka ataontsika sy ny faniriantsika hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy dia afaka manana fiantraikany lehibe eo amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny maha akaiky antsika amin’ny Tompo.

1 Nefia 15:12–20

Nanazava ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely i Nefia

Fintino fohy ny 1 Nefia 15:12–20. Hazavao fa mba hamahana ny fifandirana nisy teo amin’ireo rahalahiny dia nampianatra azy ireo ny dikan’ny faminanian’i Lehia mikasika ny “sampana voajanaharin’ny hazo oliva” sy ny Jentilisa i Nefia (jereo ny 1 Nefia 10:12–14; 15:7). Nanazava izy fa ilay hazo oliva dia maneho ny mpianakavin’i Isiraely. Koa satria nandao an’i Jerosalema ny ankohonan’i Lehia ary tafasaraka tamin’ny sisa tavela tamin’ny mpianakavin’i Isiraely dia lasa toy ny sampana iray izay nendahina tamin’ny hazo oliva izy ireo (jereo ny 1 Nefia 15:12). Aoriana kelin’izay dia nanazava izy fa amin’ny andro farany, taona maro aorian’ny “hihemo[ran’ireo taranak’i Lehia] ao amin’ny tsy finoana” (1 Nefia 15:13), dia homena ny Jentilisa ny fahafenoan’ny filazantsara. Ny Jentilisa avy eo ny hitondra ny filazantsara amin’ny taranak’i Lehia, hamerina amin’izy ireo indray ny fahalalana ny Mpanavotra azy sy ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana nataon’ireo razany. Ho toy ny manangona sy manao grefy ny sampan’izy ireo eo amin’ilay hazo oliva izany (jereo ny 1 Nefia 15:13–17). Ity famerenana amin’ny laoniny ity dia tsy hitranga amin’ny taranak’i Lehia fotsiny ihany fa amin’ny mpianakavin’i Isiraely rehetra (jereo ny 1 Nefia 15:18–20; jereo koa ny 1 Nefia 10:12–14).

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia mitana ny fampanantenana nataony ary mahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamin’ireo zanany. Iriany handray ireo fitahian’ny filazantsara ny rehetra.

1 Nefia 15:21–36

Namaly ny fanontanian’ireo rahalahiny mikasika ny fahitan’i Lehia i Nefia

Hazavao fa isika dia mahita ao amin’ny sisa tavela amin’ny 1 Nefia 15 ireo valintenin’i Nefia tamin’ireo fanontanian’ny rahalahiny mikasika ny fahitan’i Lehia. Nampiasa izay nianarany avy tamin’ny fahitana hitany manokana i Nefia mba hampianarana azy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson ireto na ao anaty taratasy hozaraina amin’ny mpianatra. Asao ireo mpianatra hamantatra ny teny na andian-teny izay tokony ampidirina ao amin’ny fehezanteny tsirairay.

  1. “Afaka mahazo hery hanoherana ny fakam-panahy ao amin’ny … isika.”

  2. “Manana hery hampatanjaka ny Olomasina sy hanome azy ireo ny Fanahy ho fiadiana ny ….”

  3. Iray amin’ireo fanomezana manan-danja indrindra izay nomeny antsika avy Aminy ny … .”

Rehefa avy nizara izay novinavinainy ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 15:23–24. Asao ireo mpianatra hikaroka fehezanteny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay hanampy azy ireo hameno araka ny tokony ho izy ireo fehezanteny nambaran’ny Filoha Benson. Rehefa voavaky ireo andininy dia asao indray ireo mpianatra hamantatra ny teny na andian-teny izay mameno ny fehezanteny tsirairay. Avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ireo valiny marina. (Valiny: 1—tenin’Andriamanitra; 2—tenin’Andriamanitra; 3—teny. [Jereo ny “The Power of the Word (Ny Herin’ny Teny),” Ensign, Mey 1986, 80, 82.])

Angataho ny mpianatra handalina am-pahanginana ny 1 Nefia 15:24–25. Asao ny antsasaky ny mpianatra hitady ao amin’ireo andininy ireo ireo fitahiana avy amin’ny fanarahana ny tenin’Andriamanitra. Angataho ilay antsasak’ireo mpianatra iray hafa hitady ny teny na andian-teny izay manolotra ny fomba tokony hanarahantsika ny tenin’Andriamanitra mba hahazoana ireo fitahiana ireo. Asao ny vondrona tsirairay hizara ny zavatra hitany.

  • Inona no tokony ataontsika mba “hihaino” sy “hihazona … mafy” ary “hampandry sofina” amin’ny tenin’Andriamanitra? (Mety ho tafiditra ao amin’ireo valinteny ny fandalinana ny soratra masina isan’andro, mihaino sy mampandry sofina amin’ny fananaran’ireo mpitondra ao amin’ny Fiangonana izay mahazo fitaomam-panahy, ary mikatsaka sy manaraka fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny vavaka.)

Asao ireo mpianatra hilaza amin’ny teniny manokana ny fitsipika iray izay mamintina ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fandalinana ny soratra masina sy ireo fitahiana entin’izany eo amin’ny fiainantsika. Valiny iray mety ho azo ny hoe ny fandalinana sy ny fanarahana ny tenin’Andriamanitra isan’andro dia mampahery antsika hanohitra ireo fakampanahin’i Satana. Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ity fitsipika ity dia manontania hoe:

  • Oviana ny fandalinana ny soratra masina isan’andro no nampahery anao hanohitra ny fakam-panahy? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy mila mizara traikefa tsy azo zaraina na tsiambaratelo izy ireo.)

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Tena ilaina tokoa ireo fahamarinana ireo ka dia nampahita fahitana an’i Nefia sy i Lehia ny Ray any an-danitra izay maneho amin’ny endriny azo tsapain-tanana ny tenin’Andriamanitra ho toy ny anja-by. Izy roa, na ray na ilay zanakalahy dia samy nianatra fa ny fihazonana io mpitarika matanjaka sy tsy mety milofika, ary azo ianteherana tanteraka io no hany fomba hijanonana ao amin’izany lalana ety sy tery izany izay mitondra mankany amin’ny Mpamonjy antsika” (“Holy Scriptures: The Power of God unto Our Salvation,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 25).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ao amin’ny fahitan’i Lehia, ireo izay nihazona mafy ilay anja-by dia voatarika soa aman-tsara nanavatsava ny zavon’ny haizina, izay naneho ireo fakam-panahin’ny devoly (jereo ny 1 Nefia 12:17).

Fintino fohy ny 1 Nefia 15:26–29. Lazao amin’ireo mpianatra fa nangataka an’i Nefia hanazava ny dikan’ilay rano izay hitan’ny rainy tamin’ny fahitana ireo rahalahiny. Nohazavainy fa naneho helo iray mahatsiravina izay nomanina ho an’ireo ratsy fanahy izany, izany izay mampisaraka azy ireo amin’Andriamanitra sy ireo olony.

  • Inona no tsikaritr’i Nefia mikasika ilay renirano izay tsy tsikaritry ny rainy? (Naloto ilay rano.)

Hazavao fa ao amin’ny 1 Nefia 15:33–36, i Nefia dia mampianatra mikasika ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny antony hampisarahana ireo olon-dratsy amin’ny olo-marina. Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 15:33–36.

  • Nahoana ireo olon-dratsy no hosarahana amin’ireo olo-marina?

  • Ahoana no mety nanampiana an’i Lamàna sy i Lemoela tamin’ny fahalalana fa tsy misy olona tsy madio afaka miditra ny fanjakan’Andriamanitra?

Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra ireo fitsipika izay nianarany tao amin’ny 1 Nefia 15 amin’ny alalan’ny fisaintsainana am-pahanginana ity fanontaniana ity:

  • Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny fahitan’i Lehia sy i Nefia ny fiahian’Andriamanitra an’i Lamàna sy i Lemoela? Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’izany ny fiahian’Andriamanitra anareo?

  • Inona no azonareo atao mba hampiharana ireo fitsipika izay nianaranareo rehefa nandalina ity toko ity ianareo? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra ny valinteniny amin’ity fanontaniana ity ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy.)

Farano amin’ny famakiana indray ny 1 Nefia 15:25 amin’ny iray kilasy ny lesona. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay tonga rehefa mampandry sofina amin’ny tenin’Andriamanitra sy mitandrina ny didiny isika. Omeo toky izy ireo ny amin’ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra azy ireo ary hitahy azy ireo amin’ny ezaka ataony amim-pahamarinana Andriamanitra.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 15:12–13. Jiosy sy Jentilisa

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra ireo “Jiosy” sy “Jentilisa” izay resahana ao amin’ny 1 Nefia 15: “Samy nizara ny olona ho ao amin’ny vondrona roa i Lehia sy i Nefia, ny Jiosy sy ny Jentilisa. Ny Jiosy dia na ireo olom-pirenena tao amin’ny fanjakan’i Joda na ireo taranany ary noraisina ho Jentilisa avokoa ny hafa rehetra ankoatra izay. Isika izany ireo Jentilisa izay resahin’ity soratra masina ity [1 Nefia 15:13]; isika ireo izay nandray ny fahafenoan’ny filazantsara ary hitondra izany amin’ny Lamanita, izay Jiosy, satria avy any Jerosalema sy ny fanjakan’i Joda ny razany” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 556). Mariho fa noraisina ho Jiosy ireo Lamanita satria avy any amin’ny tanin’i Joda ireo razam-beny.

Namaritra manokana ireo Jentilisa izay hanampy be dia be tokoa amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ihany koa ny Loholona McConkie: “I Joseph Smith … dia ilay Jentilisa izay tamin’ny alalan’ny tanany no nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, ary ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany … no ireo Jentilisa izay mitondra ny famonjena amin’ny Lamanita sy ny Jiosy” (The Millennial Messiah [1982], 233). Na dia anisan’ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny alalan’ny rany aza i Joseph Smith sy ireo olona hafa izay namoaka ny Bokin’i Môrmôna dia noraisina ho Jentilisa izy ireo satria tsy avy ao amin’ny tanin’i Joda.

1 Nefia 15:13–16. Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara amin’ny Andro Farany

Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ry rahalahiko sy anabaviko, mahalala tsara ny zavatra ananantsika ve ianareo? Moa ve ianareo mahafantatra ny toerana misy antsika ao amin’ilay tantara an-tsehatra lehibe eo amin’ny tantaram-piainan’ny olombelona? Io no ivon’ny zavatra rehetra lasa teo aloha. Izao no vanim-potoan’ny fanonerana. Izao no andron’ny famerenana amin’ny laoniny. Izao no fotoana izay hankanesan’ny olona maneran-tany ao an-tendrombohitry ny tranon’ny Tompo mba hikatsaka sy hianatra ny fombany sy handeha amin’ny lalany. Izao no famintinana ireo taon-jato rehetra nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Kristy ka hatramin’izao andro ankehitriny sy mahafinaritra izao” (“At the Summit of the Ages,” Ensign, Nôv. 1999, 74).

Hamoaka printy