Tahirim-pitaovana
Lesona 54: Môsià 4


Lesona 54

Môsià 4

Fampidirana

Nentanin’ny fampianaran’i Benjamina Mpanjaka ireo vahoaka dia nibebaka ary nandray ny famelana ny fahotany. “Feno fifaliana” sy nahazo “fiadanan-tsaina” izy ireo (Môsià 4:3). Nanohy nampianatra azy ireo i Benjamina Mpanjaka, nanampy azy ireo hahatakatra ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo mba “hitana[na] ny famelana ny fahotan[’izy ireo]” (Môsià 4:12). Rehefa nanao izany izy dia nampitaha azy ireo tamin’ny mpangataka izay niankina tamin’ny famonjen’Andriamanitra. Nampitandrina azy ireo ihany koa izy mikasika ny maha loza ny tsy firaharahiana ny hitandrina ny eritreritr’izy ireo sy ny tenin’izy ireo ary ny ataon’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 4:1–8

Ny olon’i Benjamina Mpanjaka dia nandray ny famelana ny fahotan’izy ireo ary feno fifaliana sy fiadanam-po

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no hahafahantsika mahafantatra fa voavela ny fahotantsika?

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Harold B. Lee:

Sary
Filoha Harold B. Lee

“Raha tonga ny fotoana ka efa nanao izay rehetra azonao natao ianao mba hibebahana tamin’ny fahotanao, na iza ianao na iza, na aiza na aiza no misy anao, ary efa nanisy fanovana sy nanonitra tamin’ny tsara indrindra azonao natao; raha toa izany ka zavatra iray izay hisy fiantraikany amin’ny maha mpikambana anao ao am-piangonana ary nandeha tany amin’ny mpitarika na ny manampahefana mifandraika amin’izany ianao, dia hila izany valinteny manamafy izany ianao ny amin’ny hoe nanaiky ny fibebahanao ve ny Tompo sa tsia. Mandritra ny fandinihanao ny feon’ny fieritreretanao, raha toa ianao ka mikatsaka ary mahita izany fiadanan-tsaina izany, dia amin’ny alalan’izany no ahafahanao mahafantatra fa nanaiky ny fibebahanao ny Tompo” (“Stand Ye in Holy Places,” Ensign, Jolay 1973, 122).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Benjamina Mpanjaka dia nizara ny tenin’ny anjely iray mikasika ny fomba handraisana famelan-keloka. Afaka mampahatsiahy azy ireo ianao, indrindra indrindra fa mikasika ny tenin’ilay anjely momba ny olona araka ny nofo izay fahavalon’Andriamanitra, sy mikasika ireo vokatra izay miandry ireo izay maty nefa tsy nibebaka tamin’ny fahotany (jereo ny Môsià 3:19, 23–27).

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 4:1–2 ka hikaroka teny izay maneho ny fihetsik’ireo olon’i Benjamina Mpanjaka tamin’ny tenin’ilay anjely. Angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara ireo teny izay hitan’izy ireo. Raha mila fanampiana ireo mpianatra hahatakarana ilay teny hoe “toetra araka ny nofo,” dia hazavao fa ny teny hoe araka ny nofo dia mifanohitra amin’ny hoe araka ny fanahy. Entina ilazana ny filantsika ara-batana izany fa tsy ny faniriantsika ara-panahy mba hanatonana bebe kokoa ny Tompo. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaky ny Almà 41:11 ary avy eo dia hanazava ny teny hoe “toetra araka ny nofo” amin’ny tenin’izy ireo manokana. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ilay teny hoe “ambany kokoa noho ny vovon-tany” dia asao izy ireo hamaky ny Helamàna 12:4–8. Avy eo dia asaivo hazavain’izy ireo amin’ny fiteniny manokana ny fomba mety hamaritana ny olona iray izay mandà ny hanaraka ny torohevitry ny Tompo ho toy ny ambany kokoa noho ny vovon-tany. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa tsy mihevitra ny zanany ho ambany noho ny vovoka ny Ray any an-danitra.

Lazao amin’izy ireo fa rehefa niaiky ny maha mpanota azy ny olona, dia nibebaka izy ireo, ka naneho ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 4:3. Asao ireo mpianatra hifantoka amin’ny fomba nahafantaran’ireo vahoaka fa voavela ny helok’ izy ireo.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Môsià 4:3, inona no fahatsapana tonga amin’ireo izay voavelan’ny Tompo ny fahotany?

  • Nahazo ny famelana ny fahotany ilay vahoaka noho ny “finoana fatratra an’i Jesoa Kristy, izay nananan’izy ireo.” Inona ny zavatra nataon’izy ireo ka naneho ny finoan’izy ireo? (Jereo ny Môsià 4:1–2.)

  • Lazao amin’ny teninao manokana hoe inona no azontsika ianarana ao amin’ny Môsià 4:1–3 mikasika ny fahazoana famelan-keloka? (Valinteny iray mety ho azo omena ny hoe rehefa mino an’i Jesoa Kristy isika ary mibebaka amin-kitsim-po, dia mahazo ny famelana ny fahotantsika. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ireo teny sy fehezanteny manan-danja ao amin’ny Môsià 4:1–3 izay manamafy izany fitsipika izany.)

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay mamintina ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana famelan-keloka:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Rehefa mibaboka marina tokoa amin’ny fahotantsika isika, ka manonitra izay vitantsika amin’ireo izay nanaovantsika ratsy, ary mahafoy ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy, dia eo andalam-pahazoana ny famelan-keloka izay isika. Rehefa mandeha ny fotoana dia ho tsapantsika fa mihena ny fijaliantsika noho ny alahelo, ka ’[m]anaisotra ny heloka hiala ny fontsika’ (Almà 24:10) ary mitondra ’fiadanan-tsaina’ (Môsià 4:3).

“Ho an’ireo izay tena mibebaka tokoa kanefa toa tsy mahatsapa ho maivamaivana: tohizo ny fitandremana ny didy. Mampanantena anareo aho fa ho maivamaivana ianareo amin’ny fotoan’ny Tompo. Mitaky fotoana ihany koa ny fahasitranana” (“Repent … That I May Heal You,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 42).

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina na ny kahie ao an-dakilasy momba ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny fibebahana, araka izay nifanakalozan’izy ireo hevitra Môsià 4:1–3. Asao ihany koa izy ireo hanoratra mikasika ny fomba hahafahan’izy ireo maneho finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka famelan-keloka.

Hazavao fa taorian’ny nahitan’i Benjamina Mpanjaka ny fihetsik’ireo vahoaka izay naneho fibebahana, dia nampahatsiahiviny tamin’ireo olona ny fianteheran’izy ireo amin’ny Tompo. Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Môsià 4:4–8. Asao ireo mpianatra hikaroka ny zavatra tian’i Benjamina Mpanjaka ho takatry ny olony taorian’ny nahazoan’izy ireo ny famelana ny fahotany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo, inona avy ireo hany “fepetra izay hahazoana mamonjy [antsika]”?

Rehefa avy mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia asao izy ireo hamerina hamaky amim-pahanginana ny Môsià 4:4–8 mba hikaroana andian-teny izay mamaritra ny olona nahazo famonjena. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo fehezanteny ireo. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “hazoto hitandrina ny didin[’ny Tompo]”?

  • Inona avy ireo zavatra atao izay maneho fa ny olona iray dia “[m]ametraka ny fitokiany amin’ny Tompo”?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny “hatsaram-pon’Andriamanitra” sy ny “heri[ny] tsy manan-tsahala”?

Lazao azy ireo fa ny fibebahana sy ny fankatoavana dia mitaky asa sy ezaka betsaka avy amintsika. Na izany aza, na miasa mafy toy ny inona aza isika, dia tsy hahazo mihitsy ny famelana ny fahotantsika sy ny fanomezan’ny famonjena raha tsy misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Môsià 4:9–30

Mampianatra ny fomba hihazonana ny famelan-keloka i Benjamina Mpanjaka

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe mitana ny famelana ny fahotantsika. Ampahafantaro ireo mpianatra fa taorian’ny nandraisan’ireo vahoaka ny famelana ny fahotany dia nampianatra azy ireo ny fomba hitanana na hihazonana izany toe-tena madio sy mahitsy izany i Benjamina Mpanjaka.

  • Nahoana no manan-danja koa ny hahalalantsika tsirairay amin’izany?

Asao ireo mpianatra handalina amim-pahanginana ny Môsià 4:9–11 ka hikaroka ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hitanana ny famelana ny fahotantsika. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia angataho izy ireo hizara ny zavatra hitany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Mety ho anisan’ny valinteny ny hoe mila mahatsiaro ny halehibiazan’Andriamanitra isika, manetry tena, mivavaka isan’andro, ary mijoro ho tsy voahozongozona ao amin’ny finoana.

Apetraho ireto fanontaniana ireto mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo bebe kokoa ny fahatakaran’izy ireo sy hampihatra ny zavatra novakian’izy ireo:

  • Nampianatra i Benjamina Mpanjaka fa tsy maintsy “[mino] an’Andriamanitra” isika (Môsià 4:9). Niresaka ihany koa izy mikasika ny fanandramana ny fitiavan’Andriamanitra, sy ny hahatsiarovana mandrakariva ny “halehibiazan’Andriamanitra” (Môsià 4:11). Inona no traikefa nanampy anareo hahafantatra fa misy sy mahery Andriamanitra ary tia anareo Izy?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ny herin’Andriamanitra sy ny hatsaram-pony ary ny fitiavany hisy fiantraikany amin’ny fahavononantsika hankatò Azy?

Vakio mafy amin’ny mpianatra ny Môsià 4:12. Asao izy ireo hitady ao amin’io andininy io ireo fitahiana tonga amin’ireo izay manao ny zavatra ampianarina ao amin’ny Môsià 4:5–11.

Hazavao fa ny Môsià 4:13–16 dia ahitana na famaritan’i Benjamina Mpanjaka ny olona izay mitana ny famelana ny fahotany. Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Asao ny vondrona voalohany handalina ny Môsià 4:13, ny vondrona faharoa handalina ny Môsià 4:14–15, ary ny vondrona fahatelo handalina ny Môsià 4:16. Angataho ny mpianatra tsirairay hamaky mitokana ny andinin-tsoratra masina nasaina novakiany ary hamantatra ireo fihetsika sy toetra tsara nofaritan’i Benjamina Mpanjaka fa ananan’ireo izay mikatsaka ny hitana ny famelana ny fahotany.

Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo. Rehefa manao izany izy ireo dia antitrantero ny fahamarinana hoe raha manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra isika ary miezaka ny hampitombo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy, dia afaka mitana ny famelana ny fahotantsika. Ampio ireo mpianatra hampihatra ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana ny iray amin’ireto fanontaniana ireto na izy roa isaky ny misy fihetsika na toetra tsara iray voatonona:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manampy amin’ny fitanana ny famelana ny fahotantsika ity fihetsika (na toetra tsara) ity?

  • Oviana ianao no nahita ohatra tamin’ity fihetsika (na toetra tsara) ity?

Nampiasa fifanahafana mahery vaika i Benjamina Mpanjaka, izay afaka manampy ny mpianatra hankasitraka ireo fitahiana noraisin’izy ireo avy amin’ny Tompo sy mamporisika azy ireo hampitombo ireo toetra tsara nianaran’izy ireo tao amin’ny Môsià 4:13–16. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 4:16–23.

  • Araka ny voalazan’i Benjamina Mpanjaka, amin’ny lafiny ahoana no maha mpangataka antsika rehetra?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany fahatakarana izany antsika hanana fangorahana bebe kokoa ho an’ny hafa?

  • Ho an’ireo izay tsy afaka manome ho an’ireo mpangataka, na ireo izay tsy manana omena afa-tsy kely ihany, inona no fananarana nomen’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môsià 4:24–26?

  • Ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fanaovana ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina manampy antsika hanaraka ilay fananarana ao amin’ny Môsià 4:26? Amin’ny fomba ahona no hahafahan’ny tanora mandray anjara amin’ny fanatitry ny fifadian-kanina? (Mety ho anisan’ny valinteny ny hoe afaka mifady hanina izy ireo, afaka mandray anjara amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ny sasany, ary ny mpiazona ny Fisoronana Aharôna any amin’ny faritra sasany manerana izao tontolo izao dia manangona ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny sampana na ny paroasy.)

Mariho fa mety ho sarotra indraindray ny mandanjalanja eo amin’ny fiainantsika noho ireo zavatra tsara rehetra asaina ataontsika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 4:27.

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe manao ny zavatra rehetra amin’ny “fahendrena sy ny filaminana”?

  • Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’io fananarana io manampy anao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 4:29–30. Mariho fa ny Môsià 4:30 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ity andinin-tsoratra masina ity mba ho mora amin’izy ireo ny hahita ny toerana misy izany.

  • Inona no ifandraisan’ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika? Inona no azontsika atao mba hitandremantsika? Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika mifanampy?

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hanoratana ao amin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba hahafahan’ireo fitsipika ao amin’ny Môsià 4:9–30 manampy azy ireo rehefa miezaka mitana ny famelana ny fahotany izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fitiavan’ny Tompo azy ireo tsirairay sy ny faniriany ny mba hibebahan’izy ireo sy hitanan’izy ireo ny famelana ny fahotany.

Soratra masina fehezina—Môsià 4:30

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fifandraisana misy eo amin’ny eritreritra sy ny teny ary ny atao, araka izay voalaza ao amin’ny Môsià 4:30, dia vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson:

“Manàna fisainana madio. Ireo izay manana fisainana madio dia tsy mahavita manao zavatra ratsy. Tsy hoe tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny zavatra ataonao fotsiny ihany ianao fa tompon’andraikitra ihany koa amin’ny fifehezana ny eritreritrao. Koa aoka ianao hanana fiainana izay tsy ahatonga anao hitsangamenatra raha toa ka haseho amin’ny alalan’ny fahitalavitra ao am-piangonana ny eritreritrao sy ny asanao. Mbola marina ilay ohabolana fahiny manao hoe mamafy eritreritra ianao dia mijinja asa, mamafy asa ianao, dia mijinja fahazarana, mamafy fahazarana ianao, dia mijinja toetra, ary ny toetranao no mamaritra ny anjaranao mandrakaizay. ’Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany” (in Conference Report, Ôkt. 1964, 60; teny avy ao amin’ny Ohabolana 23:7).

Hazavao fa ny hazavana sy ny haizina dia tsy afaka miara-mitoetra amin’ny toerana iray amin’ny fotoana iray. Mampisava ny haizina ny hazavana. Ohatra, ny hira tsara, ny sary manazava ny saina, ny fiaraha-mientana madio, ary ny eritreritra sy ny teny madio dia hanasa ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika handroaka ny eritreritra tsy mendrika tsy ho ao an-tsaintsika. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa afaka mandresy ny haizina izy ireo amin’ny alalan’ny famenoana hazavana ao amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Inona no azontsika atao hitazonana ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika ho madio?

Amporisiho ireo mpianatra hanao drafitra mazava hamenoana hazavana ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra ny drafitra nataony ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina.

Hamoaka printy