Tahirim-pitaovana
Lesona 11: 1 Nefia 7


Lesona 11

1 Nefia 7

Fampidirana

Ao amin’ny 1 Nefia 7 dia ahitana ohatra mikasika ny fanoloran-tenan’i Nefia ho an-Andriamanitra. Nankatò i Nefia rehefa nandidy azy sy ireo rahalahiny ny Tompo hiverina hanasa an’i Ismaela sy ny ankohonany hiara-dia amin’izy ireo tany an-tany foana mba hahafahany manambady sy manangana taranaka. Eny fa na dia tamin’ny fotoana nikomian’i Lamàna sy i Lemoela tamin’i Nefia sy nanandramany namono azy aza dia nitoetra ho mahatoky sy niezaka nanampy azy ireo ho mahatoky ihany koa i Nefia.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 7:1–5

Nandidy an’i Nefia hiverina tany Jerosalema ny Tompo mba haka an’i Ismaela sy ny ankohonany

Manehoa sarin’olon-droa mpivady miaraka amin’ny zanany. (Azonao atao ny mampiasa ny sarin’ny fianakavianao.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 7:1–2 .

  • Inona no nandidian’ny Tompo ny zanak’i Lehia mba hataony? Inona no fahamarinana afaka ianarantsika avy amin’io didy io? (Ataovy izay hahazoana antoka fa ireo mpianatra dia mahatakatra fa mandidy antsika hanambady sy hanangana taranaka ao Aminy ny Tompo.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tao anatin’ny andro maro nanaovana dia feno fahasarotana tany an-tany foana no niverenan’i Nefia sy ny rahalahiny tany Jerosalema.

  • Nahoana no nanan-danja tokoa tamin’i Nefia sy ny rahalahiny ny fanambadiana sy ny fianakaviana ka nahatonga azy nandeha niverina nankany Jerosalema mba hihaona tamin’i Ismaela sy ny ankohonany?

Alohan’ny hanohizanao, dia azonao atao ny manome ny mpianatra tsirairay “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” na mangataka azy ireo hijery ilay takila misy ny fanambarana ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fehezanteny notsongaina avy ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” ity. Asao ireo mpianatra hihaino tsara sy hamantatra izay lazain’ireo mpaminany amin’izao andro farany izao mikasika ny maha zava-dehibe ny fanambadiana.

“Izahay, Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manambara amim-boninahitra fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara izay nianarany avy amin’io fanambarana io. Ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia mahatakatra fa ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjarantsika mandrakizay. Hamafiso fa izay no antony nandidian’ny Tompo an’i Nefia sy ireo rahalahiny hanasa ny fianakavian’i Ismaela handeha miaraka aminy. Hazavao ihany koa fa iray amin’ireo antony lehibe indrindra hanambadiana ny mitondra ireo ankizy eto ambonin’ny tany.

  • Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe manangana taranaka “ao amin’ny Tompo”? (1 Nefia 7:1).

Rehefa avy mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hihaino ireo hevi-baovao fanampiny rehefa mamaky ity fanambarana manaraka nalaina avy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ity ianao. Raha manana ny taha-dikan’ilay fanambarana izay azy manokana ny mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo teny na fehezanteny manan-danja amin’izy ireo.

“Ambaranay fa ny didin’Andriamanitra ho an’ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery. …

“… Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo, ary ny hampianatra azy mba hifankatia sy hifanompo, sy hitandrina ny didin’Andriamanitra ary ho olom-pirenena vanona na aiza na aiza hitoerany. Ny mpivady—ireo reny sy ireo ray—dia raisina ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fanatanterahana izany adidy izany” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” 129).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 7:3–5.

  • Amin’ny fomba ahoana no maha ohatra ny 1 Nefia 7:3–5 amin’ny fahamarinana hita ao amin’ny 1 Nefia 3:7? (Ampio ireo mpianatra hahita fa nanomana lalana ho an’i Nefia sy ireo rahalahiny ny Tompo mba hitandremany ny didy hanambady sy hiteraka.)

  • Ahoana no hahafahan’ny tanora miomana amin’izao fotoana izao mba hanambady sy “hanangana” taranaka ao amin’ny filazantsara?

1 Nefia 7:6–15

Nijoro ho vavolombelona momba ny herin’ny Tompo nitarika azy ireo tany amin’ny tany nampanantenaina i Nefia rehefa niatrika ny fikomian’i Lamàna sy i Lemoela

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 7:6–7 ny mpianatra iray.

  • Nahoana i Lamàna sy i Lemoela ary ny sasany tamin’ireo zanak’i Ismaela no nikomy nandritra ny dian’izy ireo tany an-tany foana?

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra momba izay mety nolazainy tamin’i Lamàna sy i Lemoela ary ireo zanakalahy sy zanakavavin’i Ismaela izay nikomy mba handresena lahatra azy ireo hanohy ny diany ho any amin’ny tany nampanantenaina. Avy eo dia asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 1 Nefia 7:8–12 sy hitady ireo fanontaniana napetrak’i Nefia tamin’i Lamàna sy i Lemoela.

  • Inona avy ireo fahamarinana nozarain’i Nefia rehefa nametraka ireo fanontaniana ireo izy? (Nampahatsiahy ireo rahalahiny ireo fitahiana izay efa azon’izy ireo avy any amin’ny Tompo izy sy ny fahafahan’ny Tompo manohy mitahy azy ireo arakaraka ny finoany.)

  • Nahoana no manan-danja amintsika ny mahatsiahy ireo fahamarinana ireo?

Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 7:13–15 ary hamantatra izay mety ho vokany raha niverina tany Jerosalema i Lamàna sy i Lemoela ary ireo zanakalahy sy zanakavavin’i Ismaela izay nikomy.

1 Nefia 7:16–22

Nafahan’ny Tompo i Nefia

Hazavao fa taorian’ny nampahatsiahivan’i Nefia an’i Lamàna sy i Lemoela mikasika ny faharavana izay ho tonga tamin’ireo izay nonina tao Jerosalema dia tezitra taminy izy ireo.

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 7:16 ny mpianatra iray. Asaivo alain’ireo mpianatra sary an-tsaina raha izy ireo no teo amin’ny toeran’i Nefia.

  • Toy ny ahoana ny fahatsapanao raha teo amin’ny toeran’i Nefia ianao? Inona no ho ataonao?

Ampahatsiahivo fa niatrika izany toe-javatra izany tamin’ny alalan’ny fangatahana fanampiana tamim-bavaka i Nefia. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny vavaka nataon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 7:17–18.

  • Inona no nangatahin’i Nefia? Inona no hitanao fa manan-danja mikasika ny vavaka nataony?

Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ataovy izao hahazoana antoka fa hitan’izy ireo fa nangataka ny ho hafahana i Nefia “araka ny finoa[ny].” Ampahatsiahivo ihany koa fa rehefa nangataka ny ho hafahana tamin’ny fampahorian’ireo rahalahiny izy dia nangataka an’Andriamanitra hankahery azy mba hahafahany mamaha ilay olana. Hazavao fa ny hoe mivavaka amim-pinoana dia midika fa mivavaka amin’ny fahatokiana ny Tompo isika ary amin’ny fahavononana hanao asa. Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona David A. Bednar

“I Nefia dia ohatra iray izay nahafantatra sy nahatakatra ary niantehitra tamin’ilay hery manampin’ny Mpamonjy. … Mba diniho ity vavaka nataon’i Nefia ao amin’ny andininy faha 17 ity: ’Tompo ô, araka ny finoako izay ao Aminao dia Ianao anie hanafaka ahy eo an-tanan’ny rahalahiko; eny, omeo hery aho hahazoako manapatapaka ireto tady izay ifatorako ireto’ (nampiana fanamafisana).

“… Tena mahavariana ahy manokana ny tsy nivavahan’i Nefia … mba hanovana ny toe-javatra nihatra taminy. Fa nivavaka kosa izy mba hahazo hery hanovana ilay toe-javatra nihatra taminy. Ary mamelà ahy hilaza fa nivavaka mazava tsara tahaka izany izy satria nahafantatra sy nahatakatra ary niaina ny hery manome fahefana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy” (“In the Strength of the Lord” (“Ao amin’ny Herin’ny Tompo”) [Brigham Young University devotional address, 23 Ôkt. 2001], 4, speeches.byu.edu).

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa mamaly vavaka arakaraka ny finoana Andriamanitra. Ampahatsiahivo fa namaly ny vavaka nataon’i Nefia saika teo no ho eo Andriamanitra tamin’ity toe-javatra ity. Na izany aza, dia tsy mivaly toy izany foana ny vavaka. Mamaly vavaka amin’ny fotoany, sy amin’ny fombany, ary araka ny sitrapony ny Ray any an-danitra. Omeo fahafahana hijoro ho vavolombelona momba ny herin’ny vavaka ny mpianatra amin’ny alalan’ny fametrahana amin’izy ireo ity fanontaniana manaraka ity:

  • Oviana ianao no nivavaka tamim-pinoana ary nahazo hery na fanampiana avy amin’ny Tompo, na teo no ho eo izany na elaela taty aoriana? (Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao momba ity fitsipika ity.)

Lazao amin’ny mpianatra fa rehefa nafahana tamin’ny fatorany i Nefia dia nanandrana ny hamely azy indray ireo rahalahiny. Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 7:19–20 ny mpianatra iray.

  • Iza no nandresy lahatra an’i Lamàna sy i Lemoela mba hijanona tsy hanandrana hamono an’i Nefia?

Ampahatsiahivo fa matetika ny vavaka ataontsika no mivaly ary matetika no azontsika izay ilaintsika amin’ny alalan’ny asa amim-pahatokiana ataon’ny hafa. Rehefa mandalina ireo andininy sisa tavela amin’ny 1 Nefia 7 ny mpianatrao, dia asao izy ireo hijery ny fomba namalian’i Nefia ny rahalahiny, na dia efa be aza ny ratsy nataony taminy. Asao izy ireo hieritreritra ireto fanontaniana ary hamaly mangina any an-tsainy:

  • Inona no nataonao rehefa nisy olona niezaka nandratra anao?

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 7:21 ny mpianatra iray. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ny fanambarana nataon’i Nefia momba ny famelan-keloka.

  • Inona no dikan’ny hoe mamela heloka tsy an-kifonofono? (Raha tsy mahatoky tena ireo mpianatra dia hazavao fa ny teny hoe tsy an-kifonofono dia midika hoe amim-pahitsiana na avy hatrany.)

  • Namporisihin’i Nefia hanao inona ireo rahalahiny? Nahoana no nanan-danja izany fananarana izany?

Mijoroa ho vavolombelona fa mitondra firaisankina sy fiadanam-po ny famelan-keloka sy ny famelana ny hafa. Asao ny mpianatra hieritreritra mikasika ny toe-javatra nisy teo amin’ny fianakaviany izay nitaky famelan-keloka.

  • Nahoana no manan-danja tokoa ny famelan-keloka eo amin’ny fianakaviantsika?

  • Mieritrereta fotoana iray izay namelanao heloka ny olona tao amin’ny fianakaviana na fotoana namelan’ny olona ao amin’ny fianakaviana heloka anao. Ahoana no fiantraikan’izany teo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa sy ny fanahy tao an-tranonao?

Farano amin’ny fampahatsiahivana ireo mpianatra fa nandidy an’i Nefia sy ireo rahalahiny ny Tompo mba hanambady sy hanana fianakaviana ary mitaky izany ihany koa ny Tompo amin’izao fotoana izao. Mijoroa ihany koa ho vavolombelona fa mamaly ny vavaka ataontsika sy manome antsika hery handresena ireo zava-tsarotra misy eo amintsika ny Tompo arakaraka ny finoantsika Azy. Asao izy ireo hieritreritra ny fomba mety hahafahany mampihatra ny iray amin’ireo fitsipika ao amin’ny lesona androany mba hanampian’izy ireo ny fianakaviany.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Fanamarihana: Hita ao anatin’ity boky torolalana ity ireo famerenana ny soratra masina. Mampahafantatra fomba isan-karazany izay azonao ampiasaina hanampiana ny mpianatra hamerina araka ny mahazatra ireo andinin-tsoratra masina fehezina izy ireo.

Ny halavan’ity lesona ity dia mety manome fotoana hanaovana ity asa atao hamerenana soratra masina fehezina ity. Afaka mitarika izany asa atao izany any am-piandohan’ny fotoam-pianarana ianao, na ho toy ny fakana aina eo anelanelan’ireo fizarana ao amin’ny lesona, na any amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana. Ataovy izay hahafohy an’izany mba hananana fotoana ho an’ny lesona. Jereo ny pejy fanampiny ho an’ireo asa atao famerenana hafa.

Rehefa mora amin’ireo mpianatra ny mahita ny misy ireo andinin-tsoratra masina fehezina ary mahatakatra ny dikan’izany, sy ny zavatra raketiny ary ny fampiharana izany izy ireo, dia hahatoky tena kokoa izy ireo eo amin’ny fandalinany manokana sy amin’ny fahaizany mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara ary amin’ireo fahafahana ananany hampianatra avy amin’ny soratra masina. Saintsaino ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ity manao hoe: “Manantena izahay fa rehefa mandao ny efitrano ampianaranao ireo mpianatrao dia tsy hisy ho feno tahotra na tsy hahazo aina na ho menatra fa tsy afaka nahazo ny fanampiana nilainy izy ireo satria tsy mahafantatra tsara ny soratra masina mba hitadiavany ireo andinin-tsoratra masina mifanaraka amin’izany” (“Eternal Investments” (“Ezaka Mandrakizay”) [Lahateny natao tamin’ireo Mpampianatra ny filazantsara eo anivon’ny DEE, 10 Feb. 1989], 2, si.lds.org).

Mba hanampiana ireo mpianatra ho zatra amin’ny fitadiavana izay misy ireo andinin-tsoratra masina fehezina, dia asao izy ireo hijery ilay takelaka fanoroam-pejy misy ireo soratra masina fehezina, sy hitady ireo andinin-tsoratra masina fehezina dimy voalohany ao amin’ny soratra masin’izy ireo, ary hamaky izany. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fehezina amin’ny fomba miavaka mba hahafahan’izy ireo mitady mora foana ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 7:2. Taranak’i Efraima i Ismaela

Indraindray dia antsoina amin’ny hoe “ny tapakazon’i Josefa” ny Bokin’i Môrmôna (Ezekiela 37:19) na “ny tapakazon’i Efraima” (F&F 27:5). Taranak’i Manasè i Lehia (jereo ny Almà 10:3) ary taranak’i Efraima i Ismaela (jereo ny Erastus Snow, Deseret News, 18 Aog. 1882). Ireo faminanian’i Jakôba (jereo ny Genesisy 48:16; 49:22) dia tanteraka rehefa nandeha tany Amerika niaraka tamin’i Lehia (taranak’i Manasè) i Ismaela (taranak’i Efraima).

1 Nefia 7:3–5. Ny maha zava-dehibe ny fanambadiana

Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanambadiana ny filoha Howard W. Hunter manao hoe:

“Toy ny batisa izay didin’ny Tompo, dia toy izany ihany koa ny fanambadiana. Toy ny ilana ny batisa mba hidirana ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana, dia ilaina amin’ny fisandratantsika hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra ihany koa ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Ampahany amin’ny anjarantsika izany. Tsy afaka manatanteraka ny tanjontsika faratampony isika raha tsy manao izany.

“Aza manaiky ho afa-po amin’ny zavatra hafa ankoatra izay.

“Tsy hanaiky batisa amin’ny endriny araka izao tontolo izao ianao, sa tsy izany?

“Manana ny fomba fanaovany batisa—asitrika amin’ny alalan’ny olona iray manana fahefana Andriamanitra.

“Manarak’izany, moa ve ianao hanaiky fanambadiana amin’ny endriny araka izao tontolo izao?

“Manana ny fomba fanaovany ny fanambadiana ihany koa Izy: ny fanambadiana any amin’ny tempoly izany” (Teachings of Howard W. Hunter, ed. Clyde J. Williams [1997], 131–32 (Fampianaran’i Howard W. Hunter, natontan’i Clyde J. Williams [1997], 131–32); jereo ihany koa ny F&F 131:1–4).

1 Nefia 7:15. “Raha miverina any Jerosalema ianareo dia ho faty miaraka aminy koa”

Nampitandrina ireo rahalahiny sy ireo mpikambana tao amin’ny fianakavian’i Ismaela i Nefia fa ho faty izy ireo raha miverina any Jerosalema. Ny tantara dia maneho fa marina ny voalazan’i Nefia. Nodidinin’ny Babylôniana ilay tanàna taona vitsivitsy taorian’ny nandaozan’ny ankohonan’i Lehia sy i Ismaela an’i Jerosalema. Araka ny voalazan’ny Baiboly dia maty mosary ny olona, sy “voabanga” ny tanàna, ary nipariaka ny miaramilan’i Zedekia Mpanjaka noho ny fambaboana ny tanàna teo ho eo amin’ny 18 volana teo (jereo ny 2 Mpanjaka 25:1–7). Noravan’ny Babylôniana avy eo ny tempoly ary nentiny ho babo tany Babylôna ny maro tamin’ireo olona tao. Raha niverina tany Jerosalema i Lamàna sy i Lemoela ary ireo olona hafa dia lasan-ko babo sy maty izy ireo (jereo ny 2 Nefia 1:4). Saingy noho ny safidin’izy ireo hanaraka an’i Lehia sy i Nefia dia afaka nankafy ny voankazo sy ny tantely remby tany amin’ny tanin’i Soafeno izy ireo (jereo ny 1 Nefia 17:3–6) sy nahazo tany ho lova (jereo ny 2 Nefia 1:5). Ankoatra izay dia namindra fo tamin’ireo taranak’i Lamàna sy i Lemoela amin’izao andro farany izao ny Tompo amin’ny alalan’ny fitahiana azy ireo amin’ny filazantsara (jereo ny 2 Nefia 4:7–9).

Hamoaka printy