Tahirim-pitaovana
Almà


Fampahafantarana nyBokin’i Almà

Inona ny antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny bokin’i Almà ireo mpianatra dia hianatra mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny ilana ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ao amin’ny drafitry ny famonjena. Hianatra ihany koa izy ireo mikasika ny herin’ny tenin’Andriamanitra ahafahana mandresy ireo komiberaky ny mpisorona, sy fotopampianarana tsy marina, sy ny fahotana, sy ny fankahalana ary ny apôstazia, ary ahafahana mitarika ny tsirairay mba hiaina fiovam-po mahery vaika. Afaka mivoatra ireo mpianatra ary afaka mahazo fitaomam-panahy rehefa mamaky mikasika ireo ezaka fitoriana filazantsara nataon’i Almà sy i Amioleka ary ireo zanakalahin’i Môsià, torak’izany koa ny fiovam-pon’ireo Antia-Nefia-Lehia (ny vahoakan’i Amôna) sy ny fahatokiany. Rehefa mandalina ireo toko izay mitantara amin’ny antsipiriany ireo ady eo amin’ny Nefita sy ny Lamanita izy ireo dia ho afaka hianatra fitsipika izay hitantana azy ireo eo amin’ireo fotoana feno korontana izay iainan’izy ireo ary hanampy azy ireo handresy eo amin’ireo ady ataon’izy ireo manokana amin’ilay fahavalo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Môrmôna no nanambatra ary namintina rakitsoratra avy amin’ireo takelaka lehiben’i Nefia mba hamoronana ny bokin’i Almà. Ity boky ity dia nantsoina araka ny anaran’i Almà, izay noho izy zanak’i Almà, dia matetika antsoina hoe Almà Zanany. Rehefa nametraka ny fanjakan’ny mpitsara i Môsià Mpanjaka teo anivon’ireo Nefita, dia i Almà Zanany no lasa lohan’ny mpitsara voalohany ary nandimby an-drainy tamin’ny naha mpisorona avo azy ho an’ny Fiangonana (jereo ny Môsià 29:42). Taty amin’ny farany izy dia nametra-pialana tamin’ny naha lohan’ny mpitsara azy mba hanokan-tena “manontolo ho an’ ny fisoronana avo” ary mba “[hitory] ny tenin’Andriamanitra tamin’ny vahoaka” manerana ny tanin’ireo Nefita (Almà 4:20; 5:1). Ireo rakitsoratra mirakitra ny asa fanompoan’i Almà (jereo ny Almà 1–44) sy ny asa soratr’i Helamàna (jereo ny Almà 45–62) sy i Siblôna zanak’i Almà (jereo ny Almà 63) no nampiasain’i Môrmôna handrafetana ny bokin’i Almà.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Tsy nanokana ny bokin’i Almà mba hiresahana amin’ny vondron’olona iray manokana i Môrmôna na koa nanazava izay antony nanoratany izany. Kanefa ireo fampianarana maro ao amin’ity boky ity mikasika ny asa fanavotana nanirahana an’i Jesoa Kristy dia mandray anjara amin’ilay tanjona fototry ny Bokin’i Môrmôna, dia ny hijoro ho vavolombelona “fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna; jereo ihany koa ny Almà 5; 7; 13; 32–34; 36; 39–42).

Oviana ary taiza no nanoratana azy?

Ireo rakitsoratra fototra nampiasaina tamin’ny bokin’i Almà dia azo lazaina fa nosoratana teo anelanelan’ny taona 91Talohan’i Kristy sy ny taona 52 Talohan’i Kristy. Teo anelanelan’ny taona 345 Taorian’i Kristy sy ny taona 385 taorian’i Kristy no namintinan’i Môrmôna ireo rakitsoratra ireo. Tsy noraketin’i Môrmôna izay toerana nisy azy tamin’izy nanambatra ity boky ity.

Inona avy ireo zavatra mampiavaka ity boky ity?

Na dia ny bokin’i Almà aza no lava indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia tsy miresaka afa-tsy vanimpotoana maharitra 39 taona monja io boky io—sahabo ho tamin’ny taona 91 talohan’i Kristy ka hatramin’ny taona 52 talohan’i Kristy. Io boky io no mirakitra ny tranga voalohany nisian’ny asa fitoriana nahomby teo anivon’ireo Lamanita. Avohitr’io boky io ihany koa ny fahatokian’ireo Lamanita niova fo teo amin’ny fitandreman’izy ireo ny fanekempihavanana nataony (jereo ny Almà 23:6–7; 24). Ankoatr’izany, ny bokin’i Almà dia ahitana fampianarana mikasika ny fotopampianaran’ny fanendrena mialoha sy ny asa fanompoan’i Melkizedeka (jereo ny Almà 13); ny herin’ny tenin’Andriamanitra (jereo ny Almà 31); ny fomba hananana finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Almà 32–34); ny maha ratsy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny Almà 39); ny toetoetry ny fanahintsika aorian’ny fahafatesana (jereo ny Almà 40); ireo fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny famerenana amin’ny laoniny (jereo ny Almà 40–41); ary ny anjara toeran’ny fahamarinana sy ny famindrampo eo amin’ny drafi-panavotan’ny Ray any An-danitra (jereo ny Almà 42). Ity boky ity dia ahitana ihany koa ireo fampianaran’ny Tompo mikasika ny fiarovan-tena sy ny fanamarinana ny antony hanaovana ady (jereo ny Almà 43:45–47).

Votoatiny

Almà 1–3 Nampidirin’i Nehora teo anivon’ireo Nefita ny komiberaky mpisorona. Notarihin’i Almà ireo olo-marina Nefita teo amin’ny fiarovany ny tenany teo anatrehan’i Amlisia sy ireo mpanara-dia azy, izay nitambatra tamin’ny andian-tafika Lamanita iray. Rehefa avy nampandamoaka ny fikasan’i Amlisia ho lasa mpanjaka sy handrava ny Fiangonana ireo Nefita dia nandresy andian-tafika Lamanita iray hafa indray.

Almà 4–16 Nametra-pialana i Almà tamin’ny naha lohan’ny mpitsara azy. Nitety ny tanin’ireo Nefita izy mba hiadiana amin’ny avonavona sy ny faharatsiana tamin’ny alalan’ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra. Niaraka tamin’i Almà i Amioleka ary dia nampianatra mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo, sy ny Fitsanganana amin’ny maty ary ny filana finoana ny Tompo sy fibebahana. Niova fo i Zezrôma ary natao batisa.

Almà 17–28 Nitory ny tenin’Andriamanitra teo anivon’ireo Lamanita ireo zanakalahin’i Môsià sy ireo hafa, tany amin’ny tanin’i Nefia. An’arivony no niova fo ho an’ny Tompo. Namoy ireo fiadiany ireo izay niova fo ary nandeha mba hipetraka eo anivon’ireo Nefita. Olona marobe no maty nandritra ny ady lehibe iray teo amin’ireo Nefita sy ireo Lamanita.

Almà 29–42 Naniry hitondra fanahy maro ho amin’ny fibebahana i Almà. Nampangaihay an’i Kôrihôra (izay antikristy) izy. I Almà, rehefa nampianatra ireo Zôramita, izay andiana mpiendaka Nefita, dia nampitaha ny tenin’Andriamanitra tamin’ny masomboly iray izay tsy maintsy kolokoloina amin’ny alalan’ny finoana. Nijoro ho vavolombelona mikasika ny Sorompanavotana i Amioleka ary nampianatra ireo Zôramita hampiasa finoana mba hibebahana. Nanolotra fananarana manokana sy fijoroana ho vavolombelona i Almà ho an’ireo zanany dia i Helamàna sy i Siblôna ary i Kôriantona. Nankinin’i Almà tamin’i Helamàna ireo rakitsoratra masina. Nampianatra mikasika ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fahafatesana izy, sy ny fitsanganana amin’ny maty ary ny anjara asan’ny fahamarinana sy ny famindram-po eo amin’ny drafitr’Andriamanitra.

Almà 43–45 Nentin’ny fahatezerana ireo Lamanita noho ny nafitsok’ireo Nefita mpiendaka ka dia tonga niady tamin’ireo Nefita. Notarihin’i Môrônia ireo Nefita ho amin’ny fandresena teo anatrehan’ny tafik’i Zerahemnà. Nanao tafa sy dinika sy nanome tsodrano an’i Helamàna i Almà, ka naminany ny faharavan’ireo Nefita ary nandao ny tany.

Almà 46–63 Nitarika an’ireo Nefita ho amin’ny fandresena i Môrônia, i Lehia, i Teankoma, sy i Helamàna ary i Pahôrana teo anatrehan’ireo tafika Lamanita izay teo ambany fifehezan’i Amalikià sy Amôrôna. Nofoanan’i Môrônia sy i Pahôrana ihany koa ilay fikomiana nataon’ireo Nefita mpiendaka nantsoina hoe olon’ny mpanjaka. Noraisin’i Siblôna ireo rakitsoratra Nefita ary natolony taty aoriana an’i Helamàna, zanak’i Helamàna. Resin’ny tafik’i Môrônihà ireo Lamanita nandritra ny ady iray hafa indray.