Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 21


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Almà 45–63 (Fizarana 21)

Fitaovana Fanomanana Ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona Isan’andro Ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity rehefa nandalina ny Almà 45–63 (fizarana 21) dia tsy natao ho anisan’ny ampianarina ao anatin’ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao.

Andro 1 (Almà 45–49)

Nanazava tamin’i Helamàna zanany lahy i Almà fa ny Tompo dia tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra. Rehefa nampitaha ny adin’ny Nefita tamin’ny adiny manokana ny mpianatra dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto: Hampatanjaka sy hitahy antsika Andriamanitra rehefa mahery fo amin’ny fitandremana ny didy isika tahaka izay nataon’ny Kapiteny Môrônia. Mikatsaka ny hanimba antsika i Satana ary mitaona antsika tsikelikely hampidina ny fenitra arahantsika.

Andro 2 (Almà 50–52; 54–55)

Nanohy nanomana ny olony tamin’ny fanafihana ho avy i Môrônia na dia niroborobo nandritra ny fotoana maharitra taorian’ny nahalasanan’i Amalikià aza ny Nefita. Nanampy ny mpianatra hahatakatra ny ohatra nasehon’ny Nefita nandritra ny fotoan-tsarotra fa mitondra fahasambarana ny fahatokiana an’Andriamanitra na dia ao anatin’ny hotakotaka aza—kanefa manimba ny fandriampahalemantsika ny fisaraham-bazana sy ny fifandirana. Nianatra koa ny mpianatra fa afaka manakana ny fitaoman’ny ratsy tsy hanan-kery amintsika isika rehefa mijoro amin’ny fanaovana ny tsara.

Andro 3 (Almà 53; 56–58)

Nitarika tafika nisy zatovolahy avy ao amin’ny vahoakan’i Amôna i Helamàna nandritra ireo fotoana sarotra indrindra teo amin’ny ady. Naneho ireo zatovolahy mpiady ireo fa afaka mahazo tanjaka avy amin’Andriamanitra isika rehefa miasa amim-pinoana. Nianatra ny mpianatra avy amin’ny ohatra nasehon’ireo mpiady mahery fo ireo fa rehefa mahatoky sy mankatò tanteraka ny Tompo isika dia hanampy antsika mandritra ny ady ataontsika Izy. Na dia teo aza ireo ratra maro nahazo azy ireo ary maro ireo zava-tsarotra niaretan’izy ireo dia naneho ireo miaramila Nefita sy ireo zatovolahy mpiady fa afaka mahazo antoka avy any an-danitra izay mampatanjaka ny finoantsika sy manome fanantenana antsika isika rehefa mitodika any amin’Andriamanitra ao anatin’ireo fotoan-tsarotra.

Andro 4 (Almà 59–63)

Noho ny fikomiana teo anivon’ny vahoaka Nefita dia very ny maro tamin’ny tanàna Nefita. Izany dia maneho amin’ny mpianatra fa mora kokoa ny mijanona ho mahatoky noho ny miverina amin’ny finoana rehefa avy nania. Nanameloka an’i Pahôrana lohan’ny mpitsara tsy tamim-piheverana ho nanao tsirambina ny adidiny i Môrônia ary nianatra avy tamin’ny valintenin’i Pahôrana ny mpianatra fa afaka misafidy ny tsy ho tezitra noho ny teny sy ny fihetsiky ny hafa isika. Ankoatra izay dia nianatra ny mpianatra fa rehefa miray hina amin’ny tsara miaraka amin’ny hafa isika dia matanjaka kokoa amin’ny ady ataontsika amin’ny ratsy, araka izay nasehon’i Môrônia sy i Pahôrana.

Fampidirana

Noho ity lesona ity mahafaoka toko 19 ao amin’ny bokin’i Almà dia tsy ho afaka ny hampianatra na hanantitrantitra ireo votoatin-kevitry ny tantara rehetra sy ireo fotopampianarana sy fitsipika rehetra nianaran’ny mpianatra nandritra ny herinandro ianao. Ity sosokevitra enti-mampianatra manaraka ity dia manome fahafahana ny mpianatra hampihatra ireo fahamarinana nianarany avy amin’ny fandalinana ny adin’ny Nefita eo amin’ny ady eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Halalino ombam-bavaka ireo soratra masina ho an’ity lesona ity mba hahafahanao hahazo fitaomam-panahy hanamafy ireo fahamarinana izay tokony hifantohan’ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 45–63

Afaka nandresy ny Lamanita tamin’ny alalan’ny fahatokiana an’Andriamanitra sy ny fanarahana ireo mpitarika notaomim-panahy ny Nefita

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity alohan’ny fotoam-pianarana: “Mianatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fomba hiainan’ny mpanara-dia an’i Kristy mandritra ny fotoan’ny ady isika” (“The Book of Mormon —Keystone of Our Religion,” Ensign, Nôv. 1986, 7).

Asao ny mpianatra hilaza ireo ady nataon’ny firenena izay honenan’izy ireo. Aorian’izay dia asao izy ireo hilaza zava-tsarotra mety hosedrain’ny olona mandritra ny ady.

Manontania hoe: Nahoana no mety ho sarotra ny mijanona ho mpanara-dia an’i Kristy mandritra ny ady?

Asao ny mpianatra hieritreritra mikasika ireo ady nohalalinin’izy ireo nandritra ny herinandro lasa araka izay voarakitra ao amin’ny Almà 45–63. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hamerina hijery haingankaingana ny sasany amin’ireo famintinana ny toko ho an’ny Almà 45–63. Asao izy ireo hilaza ireo zava-tsarotra natrehin’ny Nefita nandritra ny adin’izy ireo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa na dia tsy miady amin’ny ady ara-batana mihitsy aza isika dia samy tafiditra ao anatin’ny ady ara-panahy avokoa. Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity izay mamaritra ny ady ara-panahy hirotsahantsika amin’izao fotoana izao. Azonao atao ny manome ny tahadikan’izany ho an’ny mpianatra tsirairay.

“Tafiditra ao amin’ny tafiky ny Tompo amin’ilay fotoampitantanana farany [ianao]. Tsy fotoanan’ny fandriampahalemana izao. Ary toy izany hatrany nanomboka tamin’ny fikomian’i Satana tamin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tsy fantatsika amin’ny antsipiriany ny fandehan’ny ady. Fa fantatsika ny vokatr’izany. Noroahina hianjera tety an-tany i Satana sy ny mpanara-dia azy. Ary nanomboka tamin’ny nahariana an’i Adama sy i Eva dia nitohy hatrany ny fifandonana. Hitanay ny fihamafin’izany. Ary ny soratra masina dia nilaza fa hiharatsy izany ady izany ary hitombo hatrany ireo resy ara-panahy avy amin’ireo mpomba ny Tompo” (“Misy Namana Voa e!” Ensign na Liahona, Mey 2009, 63).

Asao ny mpianatra hijery ilay zavatra nolazain’ny Filoha Benson eny amin’ny solaitrabe. Lazao amin’izy ireo fa na miresaka mikasika ny ady ara-batana isika na ny ady ara-panahy dia marina io fanambarana io. Hazavao fa afaka manampy antsika hampitombo ireo toetra izay hanan-danja amin’ny adintsika manokana ara-panahy ny fandalinana ny fiainan’ireo mpanara-dia izay niaina nandritra ireo ady tamin’ny andron’ny Bokin’i Môrmôna.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto anarana sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto na omano ao amin’ny taratasy hozaraina izy ireo. Asao ny mpianatra hisafidy izay hohalalininy amin’ny iray amin’ireo olona tsirairay na andian’olona ireo. Miezaha manasa mpianatra iray farafahakeliny handalina ny olona tsirairay na ny andian’olona.

  1. Môrônia—Almà 46:11–21; 48:7–17

  2. Helamàna—Almà 48:19–20; 56:2–9; 58:4–12, 32–37

  3. Ireo zatovolahy mpiady 2.060—Almà 53:16–22; 56:47–56; 57:19–27

  4. Pahôrana—Almà 50:39–40; 51:1–7; 61:1–21

Omeo minitra maromaro ny mpianatra handalinana soratra masina faran’izay betsaka indrindra araka izay tratra mikasika ilay olona iray na andian’olona fidian’izy ireo. Asao izy ireo hiomana hampianatra ireto hevitra manaraka ireto amin’ny iray kilasy (azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe na manoratra izany amin’ny taratasy hozaraina ihany koa):

  • Zava-nitranga avy amin’ny fiainan’io olona na andian’olona io izay maneho fa mpanara-dia marina ny Mpamonjy ireo olona ireo.

  • Toetra iray na maromaro an’io olona na andian’olona io izay nanampy azy ireo hijanona ho mahery fo nandritra ny ady natao tamin’ny Lamanita.

  • Fitsipiky ny filazantsara iray izay azontsika hianarana avy amin’io olona na andian’olona io, izay afaka mampatanjaka antsika amin’ny ady ara-panahy ataontsika amin’izao fotoana izao.

Manasà mpianatra betsaka araka izay azo atao hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ilay fotoam-pianarana. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanoratra ireo fitsipiky ny filazantsara izay nianarany ireo eny amin’ny solaitrabe.

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny fandalinan’izy ireo ny Almà 45–63:

  • Eritrereto ireo toetran’ny mpanara-dia iray an’i Jesoa Kristy izay hitanao ao amin’ireo olona izay niaina nandritra ireo ady natao tamin’ny Lamanita. Iza amin’ireo toetra ireo no tianao hokolokoloina indrindra eo amin’ny fiainanao? Nahoana?

  • Inona avy ireo ady ara-panahy atrehintsika amin’izao fotoana izao? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo ohatra nasehon’ireo mpanara-dia ny Mpamonjy ireo anao hanana finoana sy herim-po rehefa miatrika ireo ady ireo?

Azonao atao ny mizara ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina tianao indrindra avy ao amin’ny Almà 45–63. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy antsika ho lasa mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy mandritra ny ady ara-panahy amin’izao andro farany izao ireo fitsipika hianarantsika avy amin’ireo toko ireo.

Fizarana Manaraka (Helamàna 1–9)

Lazao amin’ny mpianatra fa mirakitra ny fahafatesan’ireo lohan’ny mpitsara telo ny toko voalohany ao amin’ny Helamàna. Lazao amin’izy ireo fa hahita ny valin’ireto fanontaniana ireto izy ireo: Tamin’ny fomba ahoana no nahafatesan’ireo mpitsara? Inona no fahagagana nitranga tamin’i Nefia sy i Lehia rehefa tao am-ponja izy ireo? Feon’iza no ren’izy ireo? Lazao amin’ny mpianatra fa afaka namantatra mikasika ny famonoana olona iray tamin’ny alalan’ny herin’ny faminaniana i Nefia.

Hamoaka printy