Tahirim-pitaovana
Lesona 67: Môsià 27


Lesona 67

Môsià 27

Fampidirana

Nikomy tamin’ireo rainy sy tamin’ny Tompo i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’ny Mpanjaka Môsià ary nikasa ny handrava ny Fiangonan’Andriamanitra. Nitsahatra ny ezaka nataon’izy ireo rehefa niantso azy ireo hibebaka ny anjely iray izay nirahina mba ho valin’ny vavak’ireo olo-marina. Vokatr’io traikefa mahagaga io, dia nateraka indray tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo, ary nandeha nitety ny tanin’i Zarahemlà iray manontolo mba hitory ny filazantsara ary hanonitra ny fahasimbana noho izay nataon’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 27:1–22

Niantso an’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsia ho amin’ny fibebahana ny anjely iray

Mba hampahafantarana ireo mpianatra ny votoatin’ity lesona ity, dia fintino ny Môsià 27:1–7 amin’ny alalan’ny fanazavana fa maro tamin’ireo tsy mpino tao Zarahemlà no nanomboka nanenjika ireo izay anisan’ny Fiangonana. Taorian’ny namoahan’ny Mpanjaka fanambarana nandrara ny fanenjehana toy izany dia nankatò ny ankabeazan’ny vahoaka ary tafaverina tamin’ny laoniny ny fandriampahalemana. Kanefa, ny olona sasany dia nanohy niezaka handrava ny Fiangonana. I Almà, zanakalahin’i Almà ary i Amôna, Aarôna, Ômnera, ary i Himnia, zanakalahin’ny Mpanjaka Môsià ny dimy tamin’ireo. I Almà zanakalahin’i Almà matetika dia antsoina hoe Almà Zanany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 27:8–10. Asao ny iray kilasy hitady teny na fehezanteny izay mamariparitra mikasika an’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià.

  • Inona amin’ny ampahan’ny famariparitana an’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià no hitanao ho miavaka indrindra? Nahoana? (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo teny sy fehezanteny rehefa hitan’ireo mpianatra izy ireo. Asio faritra malalaka eny amin’ny solaitrabe mba hamoronana lisitra faharoa rehefa afaka elaela mandritra ny lesona.)

Asao ireo mpianatra handinika amim-pahanginana ity fanontaniana manaraka ity:

  • Raha nipetraka tao Zarahemlà ianareo tamin’izany fotoana izany, toy ny ahoana no mety ho fihetsikareo nanoloana ny zavatra nataon’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià?

Sary
Conversion of Alma the Younger

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Fiovam-pon’i Almà Zanany (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 77). Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 27:11–13, izay tantara aseho ao amin’io hosodoko io. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 27:14. Asao ny mpianatra rehetra hitady ireo antony nomen’ilay anjely fa nahatongavany teo amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià.

  • Inona no ampianarin’io andininy io mikasika ny fomba azontsika hanampiana ny hafa izay manana ady atao eo amin’ny fiainana? (Ataovy izay hahazoana antoka fa ireo mpianatra dia mahatakatra fa mamaly ny vavaka mahatoky ataontsika ho an’ny hafa ny Tompo. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe sy manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Môsia 27:14. Azonao atao koa ny manoro hevitra azy ireo hanampy soratra masina mifandray amin’ny Jakôba 5:16 (ao amin’ny Testamenta Vaovao). Hamafiso fa mamaly ny vavaka ataontsika ny Tompo, tsy ho an’ireo izay manana ady ara-panahy ihany, fa ho an’ireo izay miaina zava-tsarotra hafa karazana sy mila fanampiana hafa ihany koa.)

  • Oviana no nanova zavatra teo amin’ny fiainanao ny vavaka nataon’ny hafa?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nanova zavatra teo amin’ny fiainan’ny hafa ny vavaka nataonao?

Amporisiho ireo mpianatra hanohy hivavaka ho an’ny hafa. Mijoroa ho vavolombelona fa ny tantaran’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià dia porofo fa mandre ny vavaka ataontsika ho an’ny hafa ny Tompo. Tsy hanao ho tsinontsinona ny safidin’ireo izay hoentintsika am-bavaka Izy, fa handre ny vavaka ataontsika Izy, ary hamaly amin’ny fombany sy amin’ny fotoana voatendriny Izy.

Asao ny mpianatra iray hitsangana eny aloha ary hamaky mafy ny Môsià 27:15–16. Hazavao fa tenin’ny anjely iray tamin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià ireo. Antitrantero fa niteny “miova tsy ny feon’ ny kotrobaratra, izay nahatonga ny tany hihorohoro” ilay anjely (Môsià 27:11).

  • Inona no mahatalanjona anareo mikasika ny zavatra nataon’ilay anjely sy ny zavatra nolazainy? Nahoana no mahatalanjona anareo izany?

Fintino ny Môsià 27:19–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny nampitan’ilay anjely ny hafatra noentiny dia tsy afaka niteny i Almà, sy nanjary osa, ary tsy naharay tena mandra-pahatongany teo anatrehan’ny rainy (jereo ny Môsià 27:19). Rehefa nandre ny zavatra nitranga ny rain’i Almà, dia “faly [izy], satria nahalala izy fa herin’ Andriamanitra izany” (Môsià 27:20). Namory ny vahoaka izy “mba hahazoany manatri-maso ny zavatra izay efa nataon’ ny Tompo tamin-janany” (Môsià 27:21). Nasainy niara-nifamory koa ireo mpisorona, ary nifady hanina sy nivavaka izy ireo mba hahazoan’ny zanany hery sy hahafahany miteny (jereo ny Môsià 27:22).

Môsià 27:23–31

Nibebaka i Almà Zanany ary nateraka indray

Miverena amin’ilay lisitra mamaritra an’i Almà sy ireo zanak’i Môsià izay nosoratanao teny amin’ny solaitra be tany am-piandohan’ny lesona. Omeo anarana hoe Teo aloha izany lisitra izany. Manorata hoe Taty aoriana eo amin’ny lafiny ilany amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 27:23–24, 28–29, hitady ireo teny sy fehezanteny maneho fa niova i Almà. Omeo fahafahana hanoratra ireo teny sy fehezanteny ireo eny amin’ny solaitrabe ny vitsivitsy amin’ireo mpianatra.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Môsià 27:24 sy 28, inona no nataon’i Almà ka nitarika ho amin’izany fiovana izany? Inona no nataon’ny Tompo? Nahoana no manan-danja ny mahatakatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika rehefa mikatsaka ny hiova sy hanaraka ny Mpamonjy isika? Nahoana no manan-danja ny mahatakatra ny zavatra ho ataon’ny Tompo ho antsika?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fianarana momba ny zavatra niainan’i Almà ny olona iray izay mieritreritra fa tsy afaka mahazo famelan-keloka izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 27:25–26. Asao ny iray kilasy hamantatra ny fotopampianarana nampianarin’ny Tompo an’i Almà. (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra dia ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia mahatakatra fa tsy maintsy ateraka indray amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny tsirairay avy amintsika. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.)

Hazavao fa ny hoe ateraka indray dia midika hoe mahatonga fiovana mahery vaika eo amin’ny fon’ny olona iray ny Fanahin’ny Tompo, ka vokatr’izany dia tsy manana faniriana hanao ratsy intsony izany olona izany fa maniry kosa ny hikatsaka ireo zavatr’Andriamanitra (jereo ny Môsià 5:2).

Azonao atao koa ny manazava fa na dia hita mazava fa nitranga haingana aza ilay fiovam-po mahery vaika teo amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià, dia miova tsikelikely kokoa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ny ankamaroantsika. Dingana izany fa tsy zava-mitranga amin’ny fotoana iray. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ity fotopampianarana ity, dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

“Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ho lasa kivy na tsy manam-panantenana intsony rehefa mikatsaka ny ho tonga bebe kokoa tahaka an’Andriamanitra. Ny fahatongavana ho tahaka an’i Kristy dia zavatra atao mandritra ny fiainana ary matetika no tafiditra ao anatin’izany ny fivoarana sy ny fiovana miadana, izay mila tsy ho tsikaritra mihitsy. Ny soratra masina dia mirakitra tantara miavaka momba ireo lehilahy izay nanana fiainana niova tamin’ny fomba mahatalanjona, tao anatin’ny fotoana fohy, toy ny an’i: Almà Zanany, Paoly teo amin’ny lalana nankany Damaskosy, Enôsa nivavaka hatramin’ny alim-be, ny Mpanjaka Lamônia. Ny ohatra mahatalanjona toy izany mikasika ny hery ahafahana manova, eny fa na hatramin’ireo izay nilona tao anatin’ny fahotana aza, dia manome toky fa ny Sorompanavotana dia afaka mahatakatra, eny fa na dia ireo ao anatin’ny fahadisoam-panantenana lalina aza.

“Saingy tsy maintsy mitandrina isika rehefa miresaka ireo ohatra miavaka ireo. Na dia tena misy sy mahery vaika aza izy ireo, dia zavatra miavaka fa tsy fitsipika. Anetsiny amin’ireo Paoly tsirairay, Enôsa tsirairay, ary ny Mpanjaka Lamônia tsirairay no mahita fa ny dingan’ny fibebahana dia mazana kokoa sy zara raha tsikaritra kokoa. Mihamanakaiky ny Tompo isan’andro izy ireo, izay zara raha mahita fa manorina fiainana tahaka ny an’Andriamanitra izy ireo. Miaina fiainana mangingina feno fahatsarana sy asa fanompoana ary fanoloran-tena izy ireo” (“A Mighty Change of Heart,” Ensign, Ôkt. 1989, 5).

Rehefa avy mizara ny zavatra nianarany avy amin’io fanambarana io ireo mpianatra, dia asao izy ireo hamaly mandritra ny minitra vitsy ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana, na vakio miadana ireo fanontaniana mba hahafahan’ireo mpianatra manoratra azy ireo ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanovana anao tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana rehefa nibebaka ianao, ary nanao izay tsara indrindra vitanao hanarahana ny Mpamonjy?

  • Inona ny zavatra iray azonao atao hanatonanao feno kokoa ny Tompo mba hanovana anao amin’ny alalan’ny Sorompanavotana?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany sy hitantara momba ny fiovana izay afaka mitranga ao anatintsika rehefa mibebaka sy mino an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika. (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy voatery mizara zavatra niainana tokony hotazoniny ho azy samirery na tsiambaratelo izy ireo. Ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia mahatakatra fa tsy tokony hiresaka mikasika ny fahotany taloha izy ireo.)

Môsià 27:32–37

Nandeha manerana ilay tany i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià, izay niezaka ny hanarina ny fahasimbana avy amin’ny nataon’izy ireo sy hampatanjaka ny Fiangonana

Hazavao fa ny fibebahana marina dia fiovam-po fa tsy fahatapahan-kevitra hitsahatra amin’ny fanaovana izay tsy mety fotsiny. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 27:32–37. Asao ny iray kilasy hamantatra izay nataon’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià, izay nanao zavatra mihoatra ny hoe nitsahatra fotsiny tamin’ny zavatra tsy nety nataony.

  • Inona no porofo hitanareo fa niova marina i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià?

  • Inona no azontsika hianarana avy amin’ny ohatr’izy ireo?

Mety hahitana izao manaraka izao ny valintenin’ireo mpianatra:

Afaka ny ho voavela heloka na dia ireo izay nikomy tamin’ny Tompo sy ny fampianarany aza.

Mba hibebahana marina dia tsy maintsy manao ny zavatra rehetra azo atao hanarenana ny fahasimbana avy amin’ny zavatra nataony ny olona iray. (Azonao atao ny manazava fa matetika isika no mampiasa ny teny hoe manonitra mba entina hilazana ny asa atao rehefa manarina ny fahasimbana avy amin’izay nataontsika sy manitsy ny safidintsika izay tsy natao tamim-pahamalinana.)

Azo ovaina ho amin’ny toetry ny fahamarinana isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa ohatry ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy hanovana antsika ny tantaran’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fanirian’ny Mpamonjy hamela ireo rehetra, tahaka ireo zatovolahy ireo, izay nino Azy sy nikatsaka ny hanaraka Azy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 27:25. Ateraka Indray

Namaritra ny dingan’ny fahaterahana indray ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Manomboka ny dingan’ny fahaterahana indray isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana amin’ny fahotantsika, ary ny fanaovana batisa asitrika ho famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny olona iray manana ny fahefan’ny fisoronana.

“… Rehefa mivoaka avy ao amin’ny ranon’ny batisa isika, dia ilain’ny fanahintsika ny hilona ao anatiny sy ho feno ny fahamarinana ary ny fahazavan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Ny fiainana tsindraindray ny fotopampianaran’i Kristy sy amin’ny fomba tsy dia lalina loatra, ary ny fandraisana anjara amin’ny ampahany ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny dia tsy afaka miteraka ilay fiovana ara-panahy izay ahafahantsika mandeha amin’ny fiainam-baovao. Ny fahatokiana amin’ireo fanekempihavanana, ny fanoloran-tena hatrany hatrany, ary ny fanolorana ny fanahintsika manontolo ho an’ Andriamanitra kosa no takiana raha maniry ny handray ireo fitahiana mandrakizay isika. …

“Dingana ilaina amin’ny dingan’ny fahaterahana indray ny filomana tanteraka sy fiainana feno ny filazantsaran’ny Mpamonjy” (“Ye Must Be Born Again,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 21).

Nanazava koa ny Loholona Bruce R. McConkie, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ateraka indray isika rehefa maty amin’izay zavatra mahakasika ny tsy fahamarinana ary rehefa velona amin’ireo zavatry ny Fanahy. Tsy mitranga ao anatin’ny indray mipi-maso sy tampoka anefa izany. Dingana miantoana … izany. Zavatra mandeha tsikelikely ny fahaterahana indray, afa-tsy amin’ny fotoana vitsivitsy miavaka ihany, izay tena mahagaga tokoa, ka noho izany dia nosoratana tao amin’ny soratra masina izy ireo. Raha ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny no resahina, dia mandeha tsikelikely ny fahaterahantsika indray, ary ateraka indray isika amin’ny alalan’ny fahazoana fahazavana fanampiny sy fahalalana fanampiny ary faniriana fanampiny hanao ny tsara rehefa mitandrina ireo didy. …

“Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana, raha toa isika ka manoritra lalana izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay, raha toa isika ka manomboka ireo dingana miantoanan’ny fahaterahana ara-panahy, ary mandeha amin’ny lalana tena izy; raha toa isika ka manoritra lalana hanamasinana ny fanahintsika, ary mizotra tsikelikely any amin’izany lalana izany; raha toa isika ka manoritra lalana mba ho tonga tanteraka, ary, manao izay hahatanteraka tsikelikely sy amin’ny ambaratongany ny fanahintsika amin’ny alalan’ny fandresena izao tontolo izao, dia azo antoka tanteraka fa —tsy hisy intsony ny ahiahy, na inona izany na inona, mikasika izany—hahazo ny fiainana mandrakizay isika. Na dia manana tombon-dalana amintsika aza ny fahaterahana ara-panahy, manana tombon-dalana amintsika ny fahatanterahana, manana tombon-dalana amintsika ny fahamasinana feno, raha manoritra lalana sy manaraka izany amin’ny fahafahana rehetra ananantsika eto amin’ity fiainana ity isika, ary aorian’izay, rehefa miala eto amin’ity fiainana ity isika, dia hanohy handeha amin’izany lalana izany foana” (“Jesus Christ and Him Crucified,” Brigham Young University 1976 Speeches, 5 Sept. 1976, 5–6, speeches.byu.edu).

Hamoaka printy