Tahirim-pitaovana
Enôsa


Fampahafantarana ny Bokin’i Enôsa

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny bokin’i Enôsa dia maneho ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy hanadiovana ny olona amin’ny fahotana ary hanasitranana azy ireo. Nitolona teo anatrehan’Andriamanitra i Enôsa tao anatin’ny vavaka mahery vaika talohan’ny naha voavela ny helony. Avy teo izy dia nivavaka ho an’ny fahatomombanana ara-panahin’ireo Nefita sy ireo Lamanita, ary nandany ny androm-piainany sisa tamin’ny fiasana ho an’ny famonjena azy ireo. Rehefa mandalina ny bokin’i Enôsa ireo mpianatra dia afaka mahita lesona manan-danja mikasika ny vavaka sy ny fibebahana ary ny fanambarana. Afaka mianatra koa izy ireo fa rehefa mandray ireo fitahian’ny Sorompanavotana ny olona dia haniry hizara izany fitahiana izany amin’ny hafa.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Enôsa, zanakalahin’i Jakôba ary zafikelin’i Lehia sy Saria no nanoratra ity boky ity. Noraketin’i Enôsa fa ny rainy dia nampianatra azy “tamin’ny fanabeazana sy ny fananarana araka ny Tompo” (Enôsa 1:1). Tany amin’ny faramparan’ny androm-piainany dia nanoratra i Enôsa hoe efa nanambara “ny fahamarinana izay ao amin’i Kristy” izy nandritra ny androm-piainany rehetra (Enôsa 1:26). Taloha ny nahafatesany dia natolotr’i Enôsa tamin’i Jarôma zanany lahy ireo takelaka kelin’i Nefia (jereo ny Jarôma 1:1). Namarana ny rakitsorany i Enôsa tamin’ny filazana fa nifaly amin’ilay andro izay hijoroany eo anoloan’ny Mpanavotra azy izy. Nanambara izy hoe “Ary amin’izany aho dia ho finaritra hahita ny tavany, ary Izy hiteny amiko hoe: Avia aty Amiko, ianao notahiana, fa efa misy toerana voavoatra ho anao ao an-tranon-dRaiko” (Enôsa 1:27).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Rehefa naharay ireo takelaka madinika tamin-drainy i Enôsa dia nampanantena fa tsy hisokitra afa-tsy izay soratra izay heveriny ho tena manan-danja indrindra, izay ahitana fampianarana masina sy fanambarana ary faminaniana (jereo ny Jakôba 1:1–4; 7:27). Nahafantatra i Enôsa fa any aoriana any dia ho fongotra ny vahoakany, dia ireo Nefita. Nivavaka izy ny mba hitsimbinan’ny Tompo ny rakitsoratr’ireo Nefita “mba hahazoana mamoaka izany ho an’ny Lamanita amin’ny andro ho avy, ka angamba ho azo tarihina ho amin’ny famonjena izy” (Enôsa 1:13).

Oviana ary taiza no nanoratana azy?

Nofaranan’i Enôsa ny rakitsorany tamin’ny fanambarana fa 179 taona no lasana hatramin’ ny fotoana nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema (jereo ny Enôsa 1:25). Izany no mametraka ny vaninandron’ny rakitsorany ho eo anelanelan’ny taona 544 talohan’i J.K. (tamin’ny namaranan’i Jakôba ny rakitsorany) sy ny taona 421 talohan’ny J.K. Tamin’ny fotoana niainany tany amin’ny tanin’i Nefia no nanoratan’i Enôsa ity rakitsoratra ity.

Inona avy no mampiavaka ity boky ity?

Ny bokin’i Enôsa dia mampahafantatra fomba iray izay maneho ny fomba ahafahan’ny olona mandray ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary mizara izany fitahiana izany amin’ireo hafa. Tamin’ny voalohany aloha i Enôsa dia nampianarina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Enôsa 1:1, 3). Avy eo izy dia nahatsapa ny filany ny Mpamonjy ary nivavaka mba hahazo famelan-keloka (jereo ny Enôsa 1:2–4). Avy eo, rehefa avy nandray ny famelana ny fahotany izy dia nivavaka sy niasa tamim-pahazotoana mba hitondrana ny hafa ho any amin’ny famonjena (jereo Enôsa 1:5–27). Io fomba io dia hita manerana ny Bokin’i Môrmôna manontolo. Ny ohatra amin’izany dia i Almà (jereo ny Môsià 17:1–2; 18:1–2), i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià (jereo ny Môsià 27–28), ary i Lamônia sy ny vahoakany (jereo ny Almà 18–19).

Ankoatra izay dia ny bokin’i Enôsa no boky voalohany mamariparitra amin’ny antsipiriany ny maha ao anatin’ny apôstazia an’ireo taranak’i Lamana sy i Lemoela (jereo ny Enôsa 1:20). Milaza koa izy io fa nisy “mpaminany maro izaitsizy tokoa” teo anivon’ireo Nefita, na dia “vahoaka mafy hatoka” aza ny ankamaroan’ireo Nefita izay tsy maintsy notairina lalandava mba “hitanana azy amin’ny fahatahorana ny Tompo” (Enôsa 1:22–23).

Topimaso

Enôsa 1:1–8 Nivavaka i Enôsa mba ho famelana ny fahotany ary nandray famelan-keloka noho ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Enôsa 1:9–18 Nivavaka ho an’ireo Nefita sy ireo Lamanita i Enôsa ary nangataka ny Tompo hitsimbina ireo rakitsoratry ny Nefita.

Enôsa 1:19–24 Nofariparitan’i Enôsa ny faharatsian’ireo Lamanita sy ny maha mafy hatoka an’ireo Nefita. Niasa tsy tapaka izy sy ny mpaminany maro hafa mba ho famonjena azy ireo.

Enôsa 1:25–27 Namarana ny rakitsorany i Enôsa ary nanoratra mikasika ny fahazoana antoka ny fiainana mandrakizay izay noraisiny tamin’ny alalan’ny Mpanavotra azy.

Hamoaka printy