Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any an-trano Fizarana 27


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

3 Nefia 23–30 (Fizarana 27)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny 3 Nefia 23–30 (fizarana 27) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Vitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ihany no ifantohan’ny lesona ampianarinao. Araho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mijery izay zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (3 Nefia 23)

Nanohy ny fandalinana ny tenin’i Jesoa Kristy tamin’ireo Nefita ny mpianatra. Nianatra izy ireo fa ny Mpamonjy dia nandidy ny vahoakany hanadihady am-pahazotoana ireo tenin’i Isaia sy ireo mpaminany hafa. Rehefa nanafay ny vahoakany ny Mpamonjy noho ny tsy niraketan’izy ireo an-tsoratra tamin’ny antsipiriany ny tantarany ara-panahy, dia nianatra ny mpianatra fa rehefa mirakitra an-tsoratra ny zavatra iainantsika isika, dia manasa ny Tompo hanome antsika fanambarana bebe kokoa.

Andro 2 (3 Nefia 24–26)

Rehefa nisaintsaina ireo tenin’i Malakia izay nozarain’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita ireo mpianatra, dia nampahatsiahivina izy ireo fa amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, dia hodioviny ny vahoakany ary hotsarainy ireo ratsy fanahy. Ny fandinihana lalindalina kokoa momba ny fitsipiky ny fahafolonkarena sy ny faminaniana momba ny fiverenan’i Elia amin’ny andro farany dia nanampy ny mpianatra hahita fa rehefa miverina amin’ny Tompo isika, dia hiverina amintsika Izy ary rehefa mitodika any amin’ireo raintsika ny fontsika, dia manampy amin’ny fanomanana ny tany ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika. Ny fanazavan’i Môrmôna mikasika ny antony tsy nampidirany ny fampianarana rehetra nomen’ny Mpamonjy ireo Nefita dia nanampy ireo mpianatra hahafantatra fa rehefa mino izay nambaran’Andriamanitra isika, dia manomana ny tenantsika handray fanambarana lehibe kokoa.

Andro 3 (3 Nefia 27)

Raha mbola nanohy nivavaka sy nifady hanina ireo mpianatra Nefita roambinifolo, dia nitsidika azy ireo ny Mpamonjy ary nanazava fa ny Fiangonana marina an’i Jesoa Kristy dia antsoina amin’ny Anarany sy miorina amin’ny filazantsarany. Avy amin’ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ireo mpianany dia nianatra ihany koa ireo mpianatra fa ny fototra iorenan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny nanaovany ny sitrapon’ny Rainy tamin’ny fanatanterahana ny Sorompanavotana. Avy amin’izany fahatakarana ny filazantsara izany dia nianaran’ireo mpianatra ihany koa fa raha miaina ireo fitsipiky ny filazantsara isika dia afaka hitsangana tsisy tsiny eo anoloan’Andriamanitra amin’ny andro farany.

Andro 4 (3 Nefia 28–30)

Rehefa nanatanteraka ny fanirian’ireo mpianany Nefita i Jesoa Kristy izay efa nitsangana tamin’ny maty, dia nianaran’ireo mpianatra fa ny Tompo dia mitahy antsika araka ny faniriantsika feno fahamarinana. Avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrmôna rehefa nanontany ny Tompo izy mba hahazoany fanampim-pahalalana mikasika ireo Nefita Telolahy, dia nianatra ireo mpianatra fa raha mangataka amin’ny Tompo isika mba hahatakatra bebe kokoa dia handray fanambarana. Ny famaranan’i Môrmôna ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo anivon’ireo Nefita dia nampianatra ireo mpianatra fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana fa ny Tompo dia eo am-panatanterahana ny fanekempihavanana nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely, ary raha manatona an’i Kristy isika dia horaisiny ho isan’ny vahoakany.

Fampidirana

Na dia misy fitsipika manan-danja maro aza hita ao amin’ny 3 Nefia 23–30, ny tapany voalohany amin’ny lesona dia mifantoka amin’ny zavatra azon’ireo mpianatra ianarana ao amin’ny 3 Nefia 24–25 mikasika ny fiomanana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ny tapany faharoa amin’ny lesona dia mifantoka amin’ireo fitsipika ao amin’ny 3 Nefia 27 izay afaka manampy ireo mpianatra hieritreritra hoe midika inona aminy ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ary ahoana no ahafahan’izy ireo ho tonga tahaka azy bebe kokoa.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 23–26

Namelabelatra ny soratra masina tamin’ny Nefita i Jesoa Kristy izay efa nitsangana tamin’ny maty

Asao ireo mpianatra hanome ohatra amin’ny fotoan-dehibe izay mitaky fiomanana tsara mandritra ny fotoana elaela. (Ireo ohatra dia mety ahitana hazakazaka lavitra ezaka, fampisehoana mozika na tantara an-dapihazo.) Angataho ny mpianatra hilazalaza momba izay zavatra mety hitranga amin’ny olona izay manandrana mandray anjara amin’ireo fotoan-dehibe ireo ka tsy nanao ireo fiomanana notakiana tamin’izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky ny 3 Nefia 24:2, ary anontanio iray kilasy hoe inona ilay fotoan-dehibe nambaran’ny mpaminany Malakia mialoha. Rehefa hitan’ireo mpianatra fa ilay “andro hihaviany” dia ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia asao izy ireo hanisy marika ilay fanontaniana napetrak’i Malakia: “Iza no hahatanty ny andro hihaviany, ary iza no ho tafajanona rehefa miseho Izy?”

Manontania hoe: Nahoana no manan-danja hoan’ireo izay miaina amin’ny andro farany ny mieritreritra momba izany fanontaniana izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanazavana manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany mikasika ny fomba ahafahantsika miomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany amin’ny alalan’ny fandoavantsika ny fahafolonkarena:

“Amin’ny alalan’ny fanapahantsika hevitra amin’izao fotoana izao ho tonga mpandoa fahafolonkarena feno sy ny ezaka tsy ankiato ataontsika mba hankatò, dia hihatanjaka amin’ny finoantsika isika ary, rehefa tonga ny fotoana, dia hihamalefaka ny fontsika. Io fiovana ao amin’ny fontsika io amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, mihoatra noho ny fanolorantsika ny volantsika sy ny fananantsika, no mahatonga ny Tompo ho afaka hampanantena fiarovana ho an’ireo mpandoa ny fahafolonkarena feno amin’ny andro farany. Afaka mahazo toky isika fa ho mendritra ny homena izany fiarovana izany raha manolo-tena manomboka izao ny handoa fahafolonkarena feno sy hanao izany hatrany hatrany” (“Spiritual Preparedness: Start Early and Be Steady,” Ensign na Liahona, Nôv. 2005, 40).

Manontania hoe: Araka ny nolazain’ny Filoha Eyring, ahoana no ahafahan’ny fandoavantsika fahafolonkarena manomana antsika hihaona amin’ny Mamonjy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny faminanian’i Malakia mikasika ny fiavian’i Elia ao amin’ny 3 Nefia 25:5–6. Mba hanampiana azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny fomba hiantefan’ny fahatanterahan’io faminaniana io amin’izy ireo, dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanasana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Manasa ireo tanoran’ny Fiangonana aho mba hianatra momba ny Fanahin’i Elia sy hiaina izany. …

“Raha toa ka manaiky amim-pinoana izany fanasana izany ianareo dia hitodika any amin’ny ray ny fonareo. Hitoetra ao am-ponareo ny fampanantenana natao tamin’ i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba. … Hitombo ny fitiavanareo sy ny fankasitrahanareo ireo razambenareo. Ho lalim-paka sy haharitra ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny fiovam-ponareo hanaraka Azy. Ary mampanantena anareo aho fa ho voaro amin’ny fisarihana mahery vaika ataon’ny fahavalo ianareo. Ho voaro ianareo ao anatin’ny fahatanoranareo sy mandritra ny fiainanareo rehefa mandray anjara ao anatin’izany asa masina izany ary mitia izany” (“Hitodika ny Fon’ny Zanaka,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 26–27).

Manontania hoe: Inona ireo traikefa azonao tamin’ny fanaovanao ny tantaram-pianakaviana sy ny asan’ny tempoly ka nampahery anao ara-panahy?

3 Nefia 27–30

Nanambara ny anarana sy ny toetoetra fototry ny Fiangonany i Jesoa Kristy ary nanatanteraka ny faniriana feno fahamarinana an’ireo mpianany; namarana ny rakitsoratra nataony momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ireo Nefita i Môrmôna

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanambarana ity, izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (azonao atao alohan’ny fotoam-pianarana izany ary rakofanao mandrapahatonga eto amin’ity ampahany amin’ny lesona ity). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana. (Io teny io dia hita ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 49.)

“Ireo fitsipika fototra amin’ny fivavahantsika dia ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly sy Mpaminany, mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy, nalevina, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra tany an-danitra” (Joseph Smith).

Hazavao fa tahaka ny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith mihitsy, ny Mpamonjy dia nampianatra ireo Nefita fa ny ivon’ny filazantsarany dia ny sorompanavotana izay nataony. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Nyfototra iorenan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny nanaovany ny sitrapon’ny Rainy tamin’ny fanatanterahana ny Sorompanavotana.

Asao ireo mpianatra hamaky haingana ny 3 Nefia 27 ary hitady ireo fehezanteny izay ahitana ny fampianaran’ny Mpamonjy ity fotopampianarana ity. Asaivo mizara ny andinin-tsoratra masina hitany ireo mpianatra.

Hazavao fa ny 3 Nefia 27:16–20 dia ahitana ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny fomba ahafahantsika manasa ny herin’ny Sorompanavotany ho eo amin’ny fiainantsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny manaraka ireto: Raha toa isika … , dia. … Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 27:20 mba hitady ireo teny na andianteny izay azon’izy ireo ampiasaina mba hamenoana ny banga eo amin’ny solaitrabe. Manontania hoe: Ahoana no hahatonga antsika ho mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanarahantsika izany fitsipika izany?

Hazavao amin’ireo mpianatra fa ny fanamby farany sy avo indrindra amin’ny maha mpianatra antsika dia ao amin’ny 3 Nefia 27:21, 27. Asao ny mpianatra hamaky mangina ireo andinin-tsoratra masina ireo. Raha mbola mamaky izany izy ireo dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao teny manaraka izao: Andrasan’i Jesoa Kristy Tompo amin’ireo mpianany ny hanao ny asany sy ho tonga. …

Anontanio an’ireo mpianatra ny fomba mety hamenoany io fehezanteny io avy amin’izay zavatra novakiany tao amin’ny 3 Nefia 27:27. (Rehefa mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba ho lasa toy izao: Andrasan’i Jesoa Kristy Tompo amin’ireo mpianany ny hanao ny asany sy ny ho tonga tahaka Azy. Vakio mafy ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

“Ndeha isika hijery ny sasany amin’ireo zavatra nataon’i Jesoa ka azontsika halain-tahaka.

“1. ’Nandehandeha nanao soa’ i Jesoa.’ [Asan’ny Apôstôly 10:38.] Afaka manao asa soa isan’andro isika rehetra—ho an’ny olona iray ao amin’ny fiankaviantsika, ny namantsika, eny fa na olona tsy fantatra aza—raha mitady ireo fahafahana hanaovana izany.

“2. I Jesoa Kristy no ilay Mpiandry Ondry Tsara izay niambina ireo ondriny sy sahiran-tsaina tamin’ireo izay very. Afaka mitady ireo izay manirery na ireo izay malaindaina ka maka azy ireo ho namana isika.

“3. Nanana fangorahana ho an’ny olona maro i Jesoa, anisan’izany ny boka mampalahelo iray. Isika ihany koa dia afaka hanana fangorahana. Ampahatsiahivina isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa isika dia tokony ’hiara-malahelo amin’izay malahelo.’ [Môsià 18:9.]

“4. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny iraka masina nampanaovina Azy sy ny asa lehiben’ny Rainy i Jesoa. Ny azontsika atao dia ny ’mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra.’ [Môsià 18:9.]” (“Discipleship,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 21).

Ampiaraho tsiroaroa na zarao ho vondrona kelikely ny mpianatra. Asao ireo vondrona tsirairay mba hanoratra fomba roa na telo izay ahafahany mampihatra eo amin’ny fiainany ireo torohevitra efatra nomen’ny Filoha Faust.

Rehefa mahavita izy ireo dia asao ny vondrona tsirairay hifandimby hizara hevitra iray avy ao amin’ny lisitra nataony. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hevitr’izy ireo amin’ny fomba ahafahantsika manao ny asan’ny Mpamonjy sy ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Asao ireo mpianatra hanolo-tena mangina hanao ny iray na ny roa amin’ireo hevitra ireo mandritra ny herinandro manaraka. Mijoroa ho vavolombelona fa isika rehetra dia afaka ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy raha mampihatra finoana Aminy.

Fizarana Manaraka (4 Nefia 1Môrmôna 8)

Amporisiho ny mpianatra hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mandalina ny fizarana manaraka izy ireo: Ahoana no nahatongavan’ny vahoaka iray izay tao anatin’ny fandriampahalemana sy ny firoboroboana ho any amin’ny faharatsiana? Ahoana no nahatonga ny Nefita izay vahoaka niroborobo sy sambatra indrindra teto ambonin’ny tany ho lasa feno faharatsiana tanteraka? Inona ireo teny farany nataon’i Môrmôna?

Hamoaka printy