Tahirim-pitaovana
Lesona 147: Etera 6


Lesona 147

Etera 6

Fampidirana

Taorian’ny fanatanterahana ireo fiomanana araka ny didin’ny Tompo dia niondrana an-tsambo ireo Jaredita, ary nahatoky fa hivimbina azy ireo mandritra ny dia sarotra ataony mankany amin’ny tany nampanantenaina ny Tompo. Nandefa rivotra izay nangilahila ireo sambo tambonin’ny onjan-dranomasina ny Tompo ary nandevina azy ireo lalina matetika tanaty ranomasina izany, kanefa izany rivotra izany koa dia nanosika ny sambon’izy ireo nankany amin’ny tany nampanantenaina. Teo am-panorenan’izy ireo ny fiainany teo amin’ilay tany vaovao dia nisafidy mpanjaka iray ny vahoaka, na dia efa nampitandrina azy ireo aza ny rahalahin’i Jareda.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 6:1–12

Nasain’ny Tompo nanosika ireo sambon’ny Jaredita ho any amin’ny tany nampanantenaina ny rivotra

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao, alohan’ny hiatombohan’ny fianarana:

Mizara ny filazantsara amin’ny namana iray

Mijanona ho madio ara-pitondrantena

Misafidy ireo namana izay miaina fitsipika ambony

Mametraka laharampahamehana mendrika eo amin’ny fiainana

Mariho fa ireo ohatra ireo dia zavatra tian’ny Tompo ataontsika. Na izany aza dia misy olona sasantsasany mieritreritra fa sarotra be ireo zavatra ireo. Asao hieritreritra ohatra hafa izay afaka hanampiany izany lisitra izany ireo mpianatra. Hazavao fa mitahiry fitsipika izay afaka hitarika antsika mandritra ny fotoana ahatsiarovantsika fa sarotra ny manao ny zavatra nandidian’ny Tompo antsika ny tantaran’ny dian’ireo Jaredita nankany amin’ny tany nampanantenaina. Amporisiho ireo mpianatra mba hikaroka ireo fitsipika izay hanampy azy ireo hiatrika fanamby tahaka ireo voatanisao eo amin’ny solaitrabe eo am-pandalinana ny Etera 6.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 2:24–25. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny fampitandreman’ny Tompo an’ireo Jaredita momba ny fahasarotan’ny dian’izy ireo mankany amin’ny tany nampanantenaina.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo ho ataony mba hanampiana ireo Jaredita ho tonga soa aman-tsara any amin’ny tany nampanantenaina?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa mba hahazakana ireo onja sy rivotra dia nanamboatra sambo izay “nifanizina tahaka ny lovia” (Etera 2:17) ireo Jaredita, izay nisy lavaka teo amin’ny tampony ary koa ao amin’ny fanambaniny mba ho azo sokafana hampidirana rivotra. Asao hamaky mafy ny Etera 6:1–4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ireo fomba hafa izay niomanan’ny Jaredita amin’ireo fahasarotan’ny dia ireo.

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe nisononoka an-dranomasina ireo Jaredita tamin’ny “[fanankinany] tamin’ny Tompo Andriamaniny ny tenany”? (Nahatoky an’Andriamanitra tamin’ny fiahiana sy fiarovana azy izy ireo.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho an’ny Jaredita ny nanankina ny tenany tamin’ny Tompo taorian’ny nanatontosany ny zava-drehetra azony natao mba hanomanany ny tenany?

  • Nahoana no mety ho sarotra ny mametra-pitokiana amin’ny Tompo amin’ny toe-javatra toy izany? (Raha toa ka tsy milaza izao manaraka izao ireo mpianatra dia azonao atao ny manantitrantitra fa tsy maintsy nanamboatra ny sambony manokana ireo Jaredita, tsy afaka namoy ny sambony izy ireo ary azo antoka fa tsy fantany ny lalana mankany amin’ny tany nampanantenaina na hoe hafiriana no ho faharetan’izany dia izany.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hijery ny zava-nitranga tantaraina ao amin’ny Etera 6 dia asaivo manao sary ny endrikendrika tsotran’ny sambo irain’ny Jaredita ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina izy ireo. Avy eo dia asaivo manao sary na mitanisa ny zavatra hita ao amin’ilay sambo izy ireo araka ny voalaza ao amin’ny Etera 6:1–4.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy manomboka eo amin’ny Etera 6:5–11. Asaivo mijery ny sary nataony ireo mpianatra eo am-pihainoana sy fakana sary an-tsaina ny mety ho fandehan’ny fanaovana dia amin’ny sambo toy izany.

  • Inona araka ny eritreritrareo no mety ho sarotra amin’ny fanaovana dia amin’ny sambo irain’ny Jaredita?

  • Araka ny voalazan’ny Etera 6:11, hafiriana no nanaovan’ny Jaredita izany dia izany?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ilay andian-teny hoe “tendrombohitr’onja”? (Etera 6:6). Ahoana no mety ho fihetsikareo raha toa ka tao anatin’ny sambo irain’ny Jaredita ianareo rehefa nahatonga izany “[ni]levina tao amin’ny halalin’ny ranomasina” ny onja? (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa tsy maintsy niandry ilay sambo hivoaka ety ivelany indray ireo Jaredita alohan’ny hahafahan’izy ireo manokatra ilay lavaka ka hahazo rivotra.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana hamantatra fitsipika iray dia mametraha izao fanontaniana izao:

  • Ahoana no nampisehoan’ny Jaredita ny fahatokiana ny Tompo teo am-pamakivakiana ny ranomasina? (Jereo ny Etera 6:7, 9.)

  • Inona ireo andian-teny sasantsasany voalaza ao amin’ny Etera 6:5–11 izay mamaritra ny zavatra nataon’ny Tompo tamin’ireo Jaredita vokatry ny fahatokian’izy ireo Azy?

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 6:12 ireo mpianatra, ary hikaroka ny vokatry ny dian’ireo Jaredita.

  • Nahoana no nandrotsa-dranomasom-pifaliana ireo Jaredita? Inona ireo “famindram-po” natolotry ny Tompo azy ireo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra fitsipika iray izay nihatra tamin’ny zava-nitranga niainan’ireo Jaredita dia mametraha izao fanontaniana izao:

  • Araka ny zavatra nianaranareo avy tamin’ny dian’ireo Jaredita, inona no ho ataon’ny Tompo ho antsika rehefa mahatoky Azy sy manao ny sitrapony isika? (Iray amin’ireo fitsipika izay tokony ho hitan’ny mpianatra ny hoe hitarika ny dian-tsika eo amin’ny fiainantsika ny Tompo rehefa mahatoky sy manao ny sitrapony isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany. Asaivo misaintsaina izany fitsipika izany ireo mpianatra ary mizara traikefa izay nanampy azy ireo hahafantatra fa marina izany. Azonao atao koa ny mizara ny fomba nahafantaranao fa marina izany.)

Asao hisaintsaina ny fomba izay mety ahafahany mametra-pitokisana ny Tompo bebe kokoa ireo mpianatra ary hanarahany ny fitarihany amin’ny toe-javatra sarotra izay mety atrehiny amin’izao fotoana izao. Hazavao fa afaka mahita fitsipika hafa izy ireo ao amin’ny Etera 6:1–12. Fafao daholo ireo zavatra voasoratra eo amin’ny solaitrabe afa-tsy ilay teny hoe mametra-pitokiana amin’ny Tompo. Manaova sary tsotran’ny sambo iray eo amin’ny lafiny ilan’ny solaitrabe. Ary soraty etsy andaniny ny hoe Tany nampanantenaina.

  • Inona no mety ampitoviana amin’ny tany nampanantenaina ao amin’ny drafitry ny famonjena? (Fiainana mandrakizay.)

  • Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’ireo Jaredita rehefa miatrika ny fahasarotan’ny fiainana isika? Ahoana no hanampian’ny Tompo antsika, tahaka ny nanampiany ireo Jaredita, mandritra ny diantsika eto amin’ny fiainana an-tany? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Raha mahatoky ny Tompo isika dia hanohana antsika Izy eo am-pivoarantsika sy am-piomanantsika handray ny fiainana mandrakizay. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanoratra ity fitsipika ity ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Etera 6:5–12.)

Asao hieritreritra ny fanamby natrehiny na atrehiny ankehitriny eo amin’ny fiainany ireo mpianatra. Asaivo soratan’izy ireo ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina ny zavatra tsapany rehefa niatrika tamim-pahatokiana ireo fanamby ireo izy ireo sy ny fomba nanampian’ny Tompo azy ireo.

Entano hizara ny zavatra nosoratany ny mpianatra vitsivitsy. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Araka ny zavatra nianaranareo androany, inona no mety hevitra atolotrareo ho an’ny olona izay mandalo fizahan-toetra na fanamby?

Etera 6:13–18

Nampianatra ireo zanany handeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo ireo Jaredita

Fintino ny Etera 6:13–18 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa tonga tany amin’ny tany nampanantenaina ireo Jaredita dia nanomboka nanorina ny fianakaviany sy namboly. Asao hamaky amim-pahanginana ny Etera 6:17 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nampianarin’ireo Jaredita ny zanany. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “[m]andeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo”? Inona ireo ohatra hitanareo nataon’ny olona izay nanaraka izany fitsipika izany? Ahoana no fomba namporisihan’ny ray aman-dreninareo na ny hafa anareo handeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo?

  • Inona no dikan’ny hoe nampianarina “avy tany ambony”?

  • Inona no fifandraisana misy eo amin’ny hoe mandeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo sy ny hoe nampianarina avy tany ambony araka ny eritreritrareo? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Raha mandeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo isika dia afaka ny ho ampianarina avy any ambony.)

Azonao atao ny mangataka an’ireo mpianatra mba hanoratra mikasika ny fotoana izay nahatsapany fa “nampianarina avy tany ambony” izy ireo. Entano mba hizara ny zavatra nosoratany ny mpianatra vitsivitsy. Asao ireo mpianatra hanaraka ireo fitsipika voarakitra ao amin’ny Etera 6:17.

Etera 6:19–30

Nisafidy mpanjaka ireo Jaredita

Fintino ny Etera 6:19–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nihaantitra i Jareda sy ny rahalahiny dia nangataka ny hisafidy mpanjaka ny Jaredita. Asaivo karohin’ireo mpianatra ny Etera 6:23 ary hikaroka ny zavatra nampitandreman’ny rahalahin’i Jareda fa hitranga raha toa ka hisafidy mpanjaka izy ireo.

Farano amin’ny fizaranao fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fitsipika ao amin’ity lesona ity ny fotoana.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Etera 6:1–12. Namakivaky tamim-pilaminana ny ranomasina ireo Jaredita

Nampianatra ny fomba ahafahantsika vonona amin’ireo fanamby izay atrehintsika ny Filoha Thomas S. Monson:

“Miaina anatin’ny fotoana izay hialan’ny ankamaroan’ny eto amin’izao tontolo izao amin’ny vatofantsiky ny fiarovana azo avy amin’ny fanarahana ny didy isika. Fotoana fanaranana ara-nofo izao, izay tsy hiraharahiana sy handikan’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny ireo lalàn’ Andriamanitra. Matetika isika no tafiditra amin’ny fanoherana izany fitaomana ratsy izany ary indraindray toa saika hahasintino antsika mihitsy izany.

“Tsaroako ny tenin’ny Tompo hita ao amin’ny bokin’i Etera ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hoy ny Tompo hoe: ‘Tsy afaka mita ity hantsana lehibe ity ianareo raha tsy omaniko ianareo hiatrika ny onjan-dranomasina, sy ny rivotra izay efa nivoaka ary ny alon-drano izay ho avy.’ [Etera 2:25.] Ry rahalahiko sy anabaviko, nanomana antsika Izy. Raha manaraka ny teniny isika sy miaina ny didiny dia ho tafavoaka velona avy ao amin’ity fotoan’ny baranahiny sy ny faharatsiana ity—fotoana izay azo oharina amin’ny onja sy ny rivotra ary ny tondra-drano izay afaka mandrava. Mihevitra ny momba antsika hatrany Izy. Tia antsika Izy ary hitahy antsika rehefa manao ny marina isika” (“Closing Remarks,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 109).

Etera 6:22–24. Nisafidy mpanjaka ireo Jaredita

Nampitandrina nanoloana ireo loza amin’ny fananana mpanjaka ireo mpaminany tao anatin’ny soratra masina manontolo. Jereo ireto ohatra manaraka ireto:

  1. Nampitandrina ny vahoakany ny rahalahin’i Jareda fa hitondra azy ireo amin’ny fahababoana ny fananana mpanjaka (jereo ny Etera 6:23).

  2. Nampitandrina ny vahoakany mikasika ny loza ateraky ny fananana mpanjaka ratsy fanahy ny Mpanjaka Môsià. Nanoro hevitra izy mba hametrahana ny lamin’ny mpitsara. (Jereo ny Môsià 29.)

  3. Nampitandrina mikasika ny olana eo amin’ny fitantanan’ny mpanjaka ny mpaminany Samoela ao amin’ny Testamenta Taloha fony naniry ny hanana mpanjaka ny vahoakany mba ho “tahaka ny firenen-drehetra” (jereo ny 1 Samoela 8).

Hamoaka printy