Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 16


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Almà 11–16 (Fizarana 16)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana manaraka ity izay mamintina ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra tamin’izy ireo nandalina ny Almà 11–16 (fizarana 16) dia tsy natao ho ampianarina mandritra ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny ihany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao.

Andro 1 (Almà 11)

Tamin’ny alalan’ny ohatr’i Amioleka rehefa nifanehitra tamin’i Zezrôma no nianaran’ireo mpianatra fa rehefa miantehitra amin’ny Fanahy Masina isika dia afaka mandresy fakam-panahy. Teo am-pampianarana an’i Zezrôma sy ny vahoakan’i Amônihà i Amioleka dia nanantitrantitra ireto fotopampianarana manaraka ireto izay mahakasika ny anjara asan’ny Mpamonjy: Ny finoana marina an’i Jesoa Kristy dia fiantombohan’ireo dingan’ny fanavotana noho ny amin’ny fahotantsika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hitsanganan’ny rehetra amin’ny maty sy hitsarana ny rehetra araka ny asa vitany.

Andro 2 (Almà 12)

Toa an’i Amioleka dia nampianatra an’i Zezrôma sy ny vahoakan’i Amônihà ihany koa i Almà. Nohazavainy ny fikasan’ny devoly ary nanambara izy fa teo ambany fahefan’ny devoly i Zezrôma. I Almà sy i Amioleka dia ohatra maneho fa ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hamantatra ireo fakam-panahin’ny fahavalo. Nampian’i Almà ny vahoaka hahatakatra fa ny Tompo dia manambara fahamarinana ara-panahy amintsika arakaraka ny fifantohantsika sy ny fahazotoantsika amin’ny Teniny. Nampianatra koa izy mikasika ny Fitsarana Farany, ka nanazava fa horaisina ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra isika amin’ny tenintsika sy ny asantsika ary ny eritrerintsika. Nantitranteriny fa ny fiainana an-tany dia fotoana iray hiomanantsika hihaona amin’Andriamanitra.

Andro 3 (Almà 13)

Nampahatsiahivin’i Almà i Zezrôma sy ny vahoaka fa nanendry mpihazona fisoronana Andriamanitra efa hatrany am-piandohan’izao tontolo izao. Ireo lehilahy izay maneho finoana lehibe sy misafidy ny fahamarinana dia mandray ny Fisoronana Melkizedeka mba hitaomana ny hafa hankany amin’Andriamanitra. Nianatra mikasika an’i Melkizedeka sy ny olony ireo mpianatra ary nandinika ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa mamaly amim-panetren-tena ny fanasana hibebaka isika dia hitarika antsika ny Fanahy Masina ho any amin’ny fitsaharan’ny Tompo.

Andro 4 (Almà 14–16)

Novakian’ireo mpianatra ny mikasika ny zaza amam-behivavy tsy manan-tsiny izay niaritra fahafatesana noho ny zavatra nataon’ireo olon-dratsy. Nodinihan’izy ireo ireo filazana miendrika faminaniana izay mampianatra fa avelan’Andriamanitra hijaly ireo olo-marina noho ny asan’ireo ratsy fanahy mba hahafahan’ny Fitsarany ho marina. Hitan’ireo mpianatra teo amin’ny fiainan’i Almà sy i Amioleka fa rehefa mitoky amin’ny Tompo isika dia mampatanjaka antsika Izy mandritra ireo fitsapana mahazo antsika. Raha miantso azy amim-pinoana isika dia hampatanjaka antsika Izy ao anatin’ny fahoriana mahazo antsika ary hanafaka antsika Izy amin’ny fombany sy amin’ny fotoany manokana.

Fampidirana

Rehefa nanomboka nampianatra ny vahoakan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka dia tojo fanoherana. Rehefa avy nanazava fahamarinana mandrakizay maro izy ireo dia olona maro “no nanomboka nibebaka ary nandinika ny soratra masina” (Almà 14:1). Ireo tantara ao amin’ny Almà 11–16 dia maneho ny fahafoizana izay mety ho vitan’ny olona noho ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Ireo toko ireo ihany koa dia manolotra porofo fa rehefa “mandroaka ny marina hiala” ireo ratsy fanahy dia hamely azy ireo “amin’ny mosary sy amin’ny areti-mandringana ary amin’ny sabatra” ny Tompo (Almà 10:23). Nampitandrina ny vahoakan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka fa raha tsy mibebaka izy ireo dia ho tonga amin’izy ireo ny fitsaran’Andriamanitra. Nandà ilay fiantsoana hibebaka ny vahoakan’i Amônihà ary dia noravain’ny tafika Lamanita iray taty aoriana.

Ity lesona ity dia hifantoka amin’ny Almà 14–15. Ankoatra izany dia azonao atao ny mampianatra na mamerina mijery ireo fahamarinana avy amin’ireo toko hafa notendrena ho amin’ity herinandro ity.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 14–15

Tahian’Andriamanitra ireo izay mitoky Aminy ao anatin’ny fahoriany

Diniho ny hanombohana ny lesona anio amin’ny filazana loza nitranga tato ho ato izay nahitana olona tsy manan-tsiny nijaly noho ny safidy nataon’ny hafa. Na azonao asaina mizara ohatra avy amin’ny soratra masina ireo mpianatra izay nahitana olo-marina nampijaliana noho ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny filazantsara. Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ny ohatra vitsivitsy dia manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 14:7–11 sy ny Almà 60:13.

Anontanio hoe: Inona avy no antony omena ao amin’ireo andininy ireo mahatonga ny olo-marina indraindray avela hampijalian’ireo ratsy fanahy? (Fahamarinana iray izay nianaran’ireo mpianatra tamin’izy ireo nandalina ity ampahany amin’ny Almà 14 ity ny hoe avelan’ny Tompo ho ampijalian’ireo ratsy fanahy ny olo-marina mba hahafahan’ny fitsarany ho marina.)

Hazavao fa ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famindram-pony dia mipaka any ankoatran’ny fahafatesana mba hitazonana ireo izay nanota ho tompon’andraikitra ary mba hanolorana famindram-po ho an’ireo marina. Avy eo dia zarao ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Filoha James E. Faust izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

“Mety ho tsy rariny tokoa izany fijaliana rehetra izany raha toa ka tapitra teo amin’ny fahafatesana ny zava-drehetra, saingy tsy izany. Tsy toy ny kilalao an-tsehatra tsy misy fizarana afa-tsy tokana akory ny fiainana. Misy fizarana telo izy io. Ny fizarana voalohany dia fony isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana; ary amin’izao fotoana izao isika dia miaina ny fizarana faharoa, dia ny fianana an-tany; ary mbola hiaina ny fizarana fahatelo isika rehefa hiverina any amin’Andriamanitra. … Nalefa teto amin’ny fiainana an-tany isika mba hotsapaina sy hosedraina [jereo ny Abrahama 3:25]. …

“Ireo fijaliantsika fahiny sy ankehitriny, araka ny voalazan’i Paoly, dia tsy azo ’oharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika’ [Romana 8:18] any amin’ny mandrakizay. ’Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana. Koa avy ny andro izay hampisatrohina anareo voninahitra be’ [F&F 58:4]. Koa ilaina izany ny fahoriana noho izy hoe manampy amin’ny fidirana ao amin’ny fanjakana selestialy. …

“Tsy dia ny zavatra mitranga amintsika loatra no zava-dehibe fa ny fomba hiatrehantsika ny zavatra izay mitranga amintsika” (“Where Do I Make My Stand?” Ensign na Liahona, Nôv. 2004, 19–20).

Hazavao fa ny fijaliana sy ny fahoriana dia afaka manampy antsika hahatratra ny fisandratana amin’ny alalan’ny fanatanjahana ny finoantsika. Ny fijanonana ho mahatoky mandritra ny fitsapana sy ny fotoan-tsarotra dia maneho fitokisana tanteraka amin’Andriamanitra sy ny drafiny, ka dia manamafy orina ny finoantsika sy ny fahafahantsika maharitra hatramin’ny farany.

Aperaho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny drafitry ny famonjena—tafiditra amin’izany ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny fiainana aorian’ny fahafatesana—manamaivana ny fahoriana izay iainantsika mandritra ny fiainana an-tany?

  • Raha mandinika ny zavatra nohalalininareo tamin’ity herinandro ity tao amin’ny Almà 14–15, dia amin’ny fomba ahoana no hitahiana ireo olo-marina ao anatin’ny fahoriany?

  • Mandritra ny fahoriana, ahoana no fomba ahafahantsika maneho fa mahatoky an’Andriamanitra isika?

Asaivo ampitahain’ireo mpianatra ny fanontaniana napetrak’i Almà ao amin’ny Almà 14:26 sy ny fanontaniana napetrak’i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:3. Avy eo dia anontanio hoe: Araka ny ao amin’ny Almà 14:26, fomba ahoana no nahafahan’i Almà sy i Amioleka nandresy ny fahoriany?

Hazavao fa tamin’ny Mpaminany Joseph Smith naiditra am-ponja tamin’ny tsy rariny tany Missouri, dia nametraka ilay fanontaniana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:3 izy. Tsy toa an’i Almà sy i Amioleka anefa fa tsy nafahana avy hatrany avy tao am-ponja izy. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’Andriamanitra tamin’ny vavaka nataony? (Jereo ny F&F 121:7–9; 122:4–9.) Nantitranterina tamin’ny fandalinan’ny tena manokana nataon’ireo mpianatra tamin’ity herinandro ity izao fahamarinana manaraka izao: Raha mangataka amin’ny Tompo amim-pinoana isika dia hanamafy orina antsika Izy ao anatin’ny fahoriantsika ary hanafaka antsika amin’ny fombany sy amin’ny fotoany manokana.

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba nanampian’ny Tompo anao tamin’ny ianao nandalo fitsapana?

  • Inona no manampy anao hanaiky ny sitrapon’ny Tompo sy hanaiky ny fandaharam-potoany?

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa na i Zezrôma na i Amioleka dia samy nahatoky an’Andriamanitra tao anatin’ny fahoriany ary dia nahazo valisoa araka ny sitrapon’ny Tompo sy tamin’ny fotoan’ny Tompo manokana.

Asaivo mamaky ny Almà 15:5–12 ny antsasaky ny kilasy ary asaivo mamantatra zavatra mikasika an’i Zezrôma izay maneho fa mitombo ny fahatokiany ny Tompo. Asaivo mandalina ny Almà 15:16, 18 ny antsasany ambiny ary asaivo mamantatra zavatra mikasika ny zavatra izay nafoin’i Amioleka mba hanompoana ny Tompo.

Amporisiho ireo mpianatra hahatoky ny Tompo sy hanaiky ny Sitrapony sy ny fandaharam-potoany rehefa misy fotoan-tsarotra sy fahoriana tonga amin’izy ireo. Omeo toky izy ireo fa mampiasa ny heriny sy ny fitaomany amin’ny karazana fomba maro mahagaga sy mihatra amin’ny tena manokana tokoa Andriamanitra.

Famerenana Soratra Masina Fehezina

Ity lesona ity no manamarika ny fisasahan’ny fandaharam-pampianaran’ny seminera Bokin’i Môrmôna. Mba hanamafisana ny ezaka ataon’ireo mpianatra hianarana sy hahatakarana ireo andinin-tsoratra masina fehezina, dia omeo fitsapam-pahaizana izy ireo handrefesana hoe hatraiza ny fahaizan’izy ireo ireo andinin-tsoratra masina 13 izay efa nianarany hatreto. Azo atao fitsapam-pahaizana tsotra am-bava na an-tsoratra izany, ka omena sombintsombiny avy amin’ilay fanamariham-pejy ireo mpianatra ary avy eo avela manoratra ilay toko sy andininy, na koa azo atao famerenana mijery ny sasany amin’ireo andininy izay efa tadidin’izy ireo tsianjery. Ny halavan’ity lesona ity dia hahafahanao manokana fotoana ho an’ilay fitsapam-pahaizana amin’ity herinandro ity, na koa azonao atao ny milaza mialoha fa hisy fitsapam-pahaizana mba hahafahan’ireo mpianatra miomana.

Fizarana Manaraka (Almà 17–24)

Nandeha nitory tamin’ny vahoaka iray ratsy fanahy sy lozabe ireo zanakalahin’i Môsià. Tany am-boalohany izy ireo sy nisedra fahoriana maro, saingy teo am-pitorian’izy ireo ny filazantsara tamin’ireo Lamanita dia fahagagana maro no nitranga. Mariho ny fomba nahafahan’ny fahatokian’i Amôna tamin’Andriamanitra sy tamin’ilay mpanjaka niteraka fahamarinana fatratra.

Hamoaka printy