Tahirim-pitaovana
Lesona 133: 3 Nefia 27


Lesona 133

3 Nefia 27

Fampidirana

Fotoana fohy taorian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ireo Nefita, dia niara nivory hanao vavaka mahery sy fifadian-kanina ireo mpianatra Nefita roambinifolo izay natsoina vao haingana. Niseho tamin’izy ireo i Jesoa Kristy ary namaly ireo fanontaniany mikasika ny anarana tokony hiantsoany ny Fiangonana. Nampianatra azy ireo mikasika ny filazantsarany Izy ary nandidy azy ireo ho tonga tahaka Azy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 27:1–12

Nampianatra ireo mpianatra roambinifolo i Jesoa Kristy fa ny Fiangonany dia tokony hitondra ny Anarany

Zarao ho vondron’olona telo na efatra ireo mpianatra. Raha vitsy ireo mpianatrao dia asaivo miasa tsirairay izy ireo. Angataho ireo vondrona (na ny tsirairay) haka sary an-tsaina fa hanangana fikambanana na ekipa mpanao fanatanjahantena vaovao izy ireo. Asaivo misafidy ireo vondrona hoe karazana fikambanana na ekipa mpanao fanatanjahantena manao ahoana no hatsangany, ohatra hoe fikambanan’ny mpanao fikarohana, na ekipa mpanao baolina kitra, ary avy eo asaivo misafidy anarana ho an’ilay fikambana na ekipa izy ireo. Asaivo manoratra ny anarany amin’ny taratasy kely ireo vondrona tsirairay. Avy eo dia angony ny taratasin’ireo vondrona. Tokony ho fohy ity asa atao ity. Tsy tokony handany fotoana be loatra na hisarika ny saina hiala amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny 3 Nefia 27 izany.)

Vakio mafy ny anarana ao amin’ny taratasy tsirairay. Rehefa avy mamaky anarana iray ianao dia asaivo mamantatra avy amin’ilay anarana ireo mpianatra hoe karazana fikambanana na ekipa inona izany.

  • Inona no azon’ny anarana iray ampitaina momba ny fikambanana na ny olona ao aminy?

Hazavao fa fotoana fohy taorian’ny namangian’i Jesoa Kristy ireo Nefita dia niara-nifady hanina sy nivavaka ireo mpianatra Nefita roambinifolo (jereo ny 3 Nefia 27:1). Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 27:2–7. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fanontanian’ireo mpianatra sy ny valintenin’ny Mpamonjy.

  • Ahoana hoy ny Mpamonjy no tokony hiantsoana ny Fiangonany?

  • Inona ireo antony nolazainy fa hiantsoana ny Fiangonany amin’ny Anarany?

Asao ireo mpianatra handalina mangina ny 3 Nefia 27:8–12 mba hitady ny famaritan’ny Mpamonjy ny Fiangonany marina. Mandritra ny fandalinana ataon’izy ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fehezanteny tsy feno izao:

Ny Fiangonana marina an’i Jesoa Kristy dia tokony …

Rehefa nahazo fotoana sahaza ho azy ireo mpianatra mba handalinana ireo andinin-tsoratra masina dia anontanio azy ireo ny fomba mety hamenoany ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe araka izay zavatra novakian’izy ireo. (Tokony ho afaka hahita izao fahamarinana manaraka izao ireo mpianatra: Ny Fiangonana marina an’i Jesoa Kristy dia tokony hantsoina amin’ny Anarany ary tokony hiorina amin’ny filazantsarany)

  • Nahoana araka ny hevitrareo no manan-danja amin’ny Mpamonjy ny hiantsoana ny Fiangonany amin’ny Anarany?

  • Midika inona ho an’ny Fiangonana araka ny hevitrareo ny hoe “miorina amin’ny filazantsara[ny]”? (3 Nefia 27:10). Nahoana araka ny hevitrareo no zava-dehibe ho an’ny Fiangonana ny miorina amin’ny Filazantsarany fa tsy amin’ny asan’ny olombelona?

Asao ny mpianatra hameno ity fehezanteny manaraka ity ao amin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina: “Manan-danja amiko ny maha mpikambana ahy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy satria …”

3 Nefia 27:13–22

Nampahafantatra ny Filazantsarany i Jesoa Kristy ary nampianatra ny zavatra tokony hataontsika mba hijoroana tsisy tsiny eo anoloan’Izy sy ny Rainy

Angataho ny mpianatra hieritreritra momba ny zavatra tsapany rehefa tratra nanao zavatra ratsy izy ireo. (Aza asaina mizara ilay zavatra niainany izy ireo.) Avy eo dia asao izy ireo haka sary an-tsaina hoe hanao ahoana ny hijoro eo anoloan’ny Tompo mba hotsaraina. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no ho tsapanao manoloana ny Tompo raha toa manan-tsiny noho ny ota ianao?

Hazavao fa ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly.” Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 27:13–16, ary asaivo tadiavin’ny iray kilasy ny vaovao mahafaly ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Angataho ihany koa izy ireo hieritreritra ny fomba ifandraisan’ireo vaovao mahafaly ireo amin’ilay andro hijoroan’izy ireo manoloana an’Andriamanitra mba hotsaraina.

  • Mijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy fa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy mba hanao ny sitrapon’ny Rainy. Araka ny voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 27:14, inona no asa nanirahan’ny Ray any an-danitra an’i Jesoa Kristy teto amin’izao tontolo izao?

  • Raha araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 27:13–14 dia inona no fototra ijoroan’ny filazantsara? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra, dia tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Ny fototra ijoroan’ny filazantsara dia hoe i Jesoa Kristy dia nanao ny sitrapon’ny Rainy tamin’ny fanatanterahana ny Sorompanavotana. Azaonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra izany fahamarinana izany eo akaikin’ny 3 Nefia 27:13–14.)

  • Noho ny nanatanterahan’ny Mpamonjy ny sitrapon’ny Rainy dia inona no hitranga amin’ny zanak’olombelona? (Hasandratry ny Ray hijoro eo anoloany isika mba hotsaraina amin’ny asantsika.)

Asao ny mpianatra handalina mangina ny 3 Nefia 27:16 mba hitady ireo zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoantsika ireo fitahian’ny Sorompanavotana sy hiomanantsika amin’ny fitsarana. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Asao ny mpianatra iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

  • Araka ny voalaza ao amin’io andinin-tsoratra masina io dia inona ireo fitahiana ho azon’ireo izay mibebaka sy atao batisa ary maharitra hatramin’ny farany? (Tokony ahitana taratra izao fahamarinana manaraka izao ny valintenin’ny mpianatra: Raha mibebaka sy atao batisa ary maharitra hatramin’ny farany isika dia ho tonga tsisy tsiny rehefa mijoro eo noloan’Andriamanitra mba ho tsaraina.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 27:17–19. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra hitranga amin’ireo izay tsy mibebaka na tsy maharitra hatramin’ny farany.

  • Avy amin’ny zavatra novakianareo teo dia nahoana ireo zanaky ny Ray any an-danitra rehetra no mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Inona ireo vaovao mahafaly ho antsika rehefa mieritreritra ny hijoro eo anoloan’ny Tompo mba hotsaraina isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Lolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny ’vaovao mahafaly’ [dia] hoe ny fahafatesana sy ny helo [dia azo] resena, ary ny fahotana dia [azo] resena, misy fanantenana, misy fanampiana, voavaha izay tsy azo novahana, resy ny fahavalo. Ny vaovao mahafaly dia hoe ny fasan’ny rehetra dia [ho] foana indray andro any, ny fanahin’ny rehetra dia [afaka] ny hadio indray, ny zanak’Andriamanitra rehetra dia [afaka] hiverina indray any amin’ilay Ray izay nanome aina azy ireo” (“Missionary Work and the Atonement,” Ensign, Mar. 2001, 8, 10).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 27:20–21, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny fanasan’ny Mpamonjy antsika.

  • Inona no fanasana ataon’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ireo ezaka ataon’izy ireo hanaiky izany fanasana izany, dia asao izy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana na mamaky izany miadana mba hahafahan’ireo mpianatra mandray an-tsoratra.)

  • Nahoana ianao no tian’ny Mpamonjy hibebaka sy hanatona Azy?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanehoanao fa manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 27:20–21 ianao?

  • Inona no azonao atao androany mba hiomananao hijoro tsisy tsiny eo anoloan’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ireo hevi-baovao fanampiny momba ny antony maha vaovao mahafaly ny filazantsara. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra hoe F&F 76:40–42 ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny 3 Nefia 27:13.)

Teo aloha kely teo nandritra ny lesona, dia nangataka ireo mpianatra ianao hisaintsaina izay mety ho tsapany manoloana ny Tompo raha toa izy ireo manan-tsiny noho ny fahotana. Amin’izao indray kosa, dia asao izy ireo hisaintsaina momba ny mety ho tsapany manoloana ny Mpamonjy raha mahafantatra izy ireo fa efa voadio tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana sy tamin’ny fankatoavana ireo fitsipika sy didy ary ôrdônansin’ny filazantsara.

  • Raha afaka miresaka amin’ny Mpamonjy ianao amin’izany fotoana izany dia inona no holazainao?

  • Avy amin’ny zavatra nianaranareo androany dia ahoana no hanazavanareo ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny namanareo iray?

3 Nefia 27:23–33

Nanome torolalana ireo mpianany mba ho tonga tahaka Azy i Jesoa Kristy

Fintino ny 3 Nefia 27:23–26 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nanome torolalana ireo mpianany Nefita roambinifolo ary nampianatra azy ireo mikasika ny andraikiny. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 27:27 mba hitady ny didy nomeny ireo mpianany mba hanampiana azy ireo hanatanteraka ny anjara asany amin’ny maha mpitsara ny vahoaka azy ireo.

  • Nahoana no ho zava-dehibe ho an’ireo mpitsara ny vahoaka ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy?

Angataho ny mpianatra hamerina hijery ny 3 Nefia 27:21.

  • Inona no nandidian’ny Mpamonjy ireo mpianany mba ho ataon’izy ireo?

  • Inona no ifandraisan’ny fanaovana ireo asa nataon’ny Mpamonjy sy ny fahatongavana tahaka Azy?

Rehefa mifanakalo hevitra momba io fanontaniana io ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Andrasan’ny Tompo amin’ireo mpianany ny hanao ny Asany sy ho tonga tahaka Azy.

  • Inona ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika hitovy amin’ny Mpamonjy? Inona ireo asa vitsivitsy azontsika hatao rehefa manaraka ny ohatra nasehony isika?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao rehefa niezaka nanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ianao?

Farano ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay azontsika rehefa miezaka ny ho tahaka an’i Jesoa Kristy isika.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 27:8. Ny anaran’ny Fiangonana

Hoy ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Ny fampiasana ilay anarana nomena avy amin’ny fanambarana hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (F&F 115:4) dia mihamanan-danja hatrany amin’ny andraikitsika hitory ny anaran’ny Mpamonjy manerana izao tontolo izao. Noho izany dia mangataka izahay ny hampiasana araka izay azo atao ny anarana fenon’ny Fiangonana mba entina hilazana azy (Taratasin’ny Fiadidiana Voalohany, Feb. 23, 2001).

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe:

“Rehefa nanambara ny anarana hiantsoana ny Fiangonany Izy [ny Tompo], dia nampiasa fiteny mahaliana. Hoy Izy hoe: ‘Satria izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.” (F&F 115:4.)

“Ny teny hoe ny dia manan-danja: tsy hoe Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany fotsiny, satria ny milaza hoe ‘Ny Fiangonana’ dia manavaka izany ho ilay hany fiangonana marina ety ambonin’ny tany. Tsy niteny izy hoe Fiangonana Môrmôna; tsy niteny izy hoe fiangonana OMAF, fa teny mazava, sy hentitra, ary tsisy hiadian-kevitra hoe ‘Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany’” (“The Way to Eternal Life,” Ensign, Nôv. 1971, 13).

3 Nefia 27:13–21. Ny Filazantsaran’ i Jesoa Kristy

Nanazava ny hafatra izay ivon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Mpaminany Joseph Smith:

“Ireo fitsipika fototra amin’ny fivavahantsika dia ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly sy Mpaminany, mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy, nalevina, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra tany an-danitra; ary ny zavatra rehetra izay mikasika ny fivavahantsika dia manampy izany fotsiny” (Enseingements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 49).

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe ‘vaovao mahafaly.’ Ny vaovao mahafaly dia i Jesoa Kristy Tompo sy ny hafatry ny famonjeny . Ho an’i Jesoa dia tafiditra ao amin’ny filazantsarany na ny asa nanirahana Azy na ny asa fanompoana nataony tety an-tany. Tamin’ny teny nataony nandritra asa nanirahana Azy, dia hoy i Jesoa hoe:

“’Ary izao no filazantsara izay efa nomeko anareo—fa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.

“‘Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ ny hazofijaliana.’ |3 Nefia 27:13–14.]

“Ny ahafantarantsika ny asa nanirahana ny Mpamonjy ety an-tany dia hoe ny Sorompanavotana.

“Ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy tety an-tany dia ahitana zavatra hafa izay nataony—ny fampianarany, ny fanehoany fitiavana, fitandremana ireo ôrdônansy, ny lamina arahana amin’ny vavaka, ny faharetana, sy ny hafa. Niaina mba ho Ohatra ho antsika Izy, izay nampidiriny ihany koa ao amin’ny filazantsara tao amin’ny fanambarana mikasika ny asa fanompoany. ‘Izany no filazantsarako,’ hoy Izy, ‘… fa ny asa izay efa hitanareo nataoko no hataonareo koa.’ [3 Nefia 27:21.] Araka izany, ny finoana, ny fibebahana, ny batisa amin’ny rano, sy amin’ny afo, ary an’ny Fanahy Masina; ny fanangonana ireo voafidy; ary ny faharetana hatramin’ny farany dia ampahany ao amin’ny filazantsara avokoa” (“Senior Missionaries and the Gospel,” Ensign na Liahona, Nôv. 2004, 81).

3 Nefia 27:27. Ny fahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

“Ny lehilahy manana fiainana manakaiky ny maodelim-piainan’i Kristy dia lehilahy lehibe indrindra sy sambatra indrindra ary faly indrindra. Tsy misy idiran’ny harena, sy fahefana, ary voninahitry ny tany izany. Ny hany fitsapana marina ahitana ny fahalebiazana, sy ny maha olona voatahy, ary ny fifaliana dia ny fanakaikezan’ny fiainana iray hitovy amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra. Izy no lalana marina sy fahamarinana feno ary ny fiainana miroborobo” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations” [BYU devotional address, Des. 10, 1974], 1, speeches.byu.edu).

Hamoaka printy