Tahirim-pitaovana
Lesona 139: Môrmôna 5–6


Lesona 139

Môrmôna 5–6

Fampidirana

Naminany i Môrmôna fa hivoaka amin’ny andro farany ny rakitsorany mba entina handresena lahatra ireo izay mamaky izany fa i Jesoa no Kristy. Nanentana ireo izay mamaky izany rakitsoratra izany izy mba hibebaka sy hiomana amin’ny fitsarana azy ireo eo anoloan’Andriamanitra. Raha ny teo anivon’ny vahoakany dia namerina nandanjalanja ny fialany tsy ho mpitarika ny tafika Nefita i Môrmôna ary nanaiky hitarika azy ireo hiatrika ady indray. Na izany aza anefa dia nandà ny hibebaka ny vahoaka ary nenjehin’ny Lamanita izy ireo mandra-pahafongan’ny firenena Nefita iray manontolo. Eo am-panatrehana maso ity fahafatesana sy faharavana ity i Môrmôna dia nitomany ny amin’ny fahalavoan’ny vahoakany sy ny fikiran’izy ireo tsy hiverina amin’i Jesoa Kristy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrmôna 5:1–9

Nanapa-kevitra hitarika ny tafika Nefita indray i Môrmôna, kanefa nandresy ny Lamanita

Manonona loza voajanahary izay mety hitatao eo amin’ny faritra misy anareo—ohatra, horohoron-tany, tafofon-dranomasina mahery fiavo, fipoahan’ny vôlkano, na tafio-drivotra. Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra fa nahazo fampilazana izy ireo fa hisy loza voajanahary hitranga eo amin’ny faritra misy azy ireo afaka andro vitsivitsy.

  • Aiza no hikarohanao fanampiana?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa niatrika zava-doza nitovy tamin’izany ireo Nefita, saingy ara-panahy izany loza mitataon’izy ireo izany. Ampahatsiahivo koa ireo mpianatra fa tanatin’ny ady ireo Nefita ary noho ny faharatsian’izy ireo dia nandà ny hitarika ny tafiny i Môrmôna (jereo ny Môrmôna 3:16).

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 5:1–2 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary karohiny izay ninoan’ny Nefita fa afaka manafaka azy amin’izany fahoriany izany.

  • Na dia marina fa afaka mitarika ireo Nefita hiatrika ady ataon’ny tafika aza i Môrmôna, nahoana no nino izy fa tsy hohafahana amin’izany fahoriana izany ny vahoaka?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Môrmôna 5:1–2 mikasika ny hoe iza no tokony hitodihantsika voalohany mba hahazoana fanampiana amin’ny fahoriantsika? (Tokony amin’Andriamanitra isika no hitodika voalohany, izay hanampy ireo izay mibebaka ary miantso Azy amin’ny fanampiana amin’ny fahoriany.)

Fintino ny Môrmôna 5:3–7 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nahatohitra ny onjam-panafihan’ny Lamanita vitsivitsy ireo Nefita teo ambany fitarihan’i Môrmôna. Kanefa “[nanosihosy] teo ambany tongony ny vahoakan’ny Nefita” ireo Lamanita tamin’ny farany (Môrmôna 5:6). Teo am-pitsoahana ireo Nefita dia nofongorana ireo izay tsy afaka nitsoaka haingana.

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 5:8–9 ny mpianatra iray. Asaivo karohin’izy ireo ny antony tsy nanoratan’i Môrmôna ny tantara fenon’ny zavatra natrehiny maso.

  • Nahoana i Môrmôna no tsy nanoratra ny famariparitana feno ny zavatra natrehany maso?

Môrmôna 5:10–24

Nanazava i Môrmôna fa ny tanjon’ny rakitsoratra Bokin’i Môrmôna dia ny handresy lahatra ny olona hino an’i Jesoa Kristy

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 5:10–11 ny ankizy iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary mikaroka ny teny izay nampiasain’i Môrmôna in-telo namaritany ny zavatra ho tsapan’ny olona amin’ny andro farany rehefa mianatra mikasika ny faharavan’ny firenena Nefita izy ireo. (Nilaza izy fa “halahelo” isika.)

  • Inona no tsapanao fa mampalahelo amin’ity tantara ity?

Sariho amin’ilay teny nambaran’i Môrmôna ao amin’ny Môrmôna 5:11 ny sain’ireo mpianatra, fa raha nibebaka ny vahoakany dia “[hahazo fihina] … eo an-tsandrin’i Jesoa.”

  • Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe: “[hahazo fihina] … eo an-tsandrin’i Jesoa”?

  • Inona no ampianarin’io andian-teny io antsika mahakasika ny vokatry ny fibebahan’ny tenantsika? (Ampio hahatakatra ity fitsipika manaraka ity ireo mpianatra: Afaka ny “[hahazo fihina] … eo an-tsandrin’i Jesoa” isika amin’ny alalan’ny fibebahana. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ity fitsipika ity dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky ity teny nolazain’ny Loholona Kent F. Richards ao amin’ny Fitopololahy manaraka ity:

“Izay rehetra hanatona dia afaka ny “[hofihinina] eny an-tsandrin’i Jesoa.’ [Môrmôna 5:11.] Ny fanahy rehetra dia azo sitranina amin’ny alalan’ny Heriny. Ny fanaintainana rehetra dia azo alefahana. Ao Aminy dia afaka “mahita fitsaharana ho an’ny fanahin[tsika]” isika. [Matio 11:29.] Mety tsy tonga dia hiova ny toe-javatra iainantsika eto an-tany, saingy ny fanaintainantsika, ny ahiahintsika, ny fijaliantsika sy ny tahotra eo amintsika dia ho voatelina ao amin’ilay fiadanany sy ilay balsamany izay manasitrana” (“Manasitrana ny fanaintainana rehetra ny Sorompanavotana,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 16).

Asao ireo mpianatra hanoratra ny valinteniny amin’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahie fandraisany naoty na diary fandalinana soratra masina. (Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana ireto na vakiana miadankadana mba hahafahan’ny mpianatra mandray azy ireo.)

  • Oviana ianareo no nahatsapa ho “[nahazo fihina] [t]eo an-tsandrin ’i Jesoa”?

  • Inona no azonao atao mba handraisana bebe kokoa ny fanohanana, fiarovana ary famelan-keloky ny Tompo?

Hazavao fa ny Môrmôna 5:12–13 dia mitahiry ny faminanian’i Môrmôna izay milaza fa afenina ireo rakitsorany ary avy eo ho avoaka ho vakian’ny olon-drehetra amin’ny fotoana mahamety azy. Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 5:14–15 ireo mpianatra ary hikaroka ny tanjon’ny Tompo amin’ireo rakitsoratr’i Môrmôna ho an’ireo olona amin’ny andro farany. Rosoy hevitra mba hanisy marika ireo andian-teny izay manan-danja ho azy ireo ny mpianatra.

  • Araka ny voalazan’ny Môrmôna 5:14–15, inona avy ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna? (Ataovy izay hilazan’ireo mpianatra fa nosoratana ny Bokin’i Môrmôna mba handresy lahatra ny olon-drehetra fa i Jesoa no Kristy, mba hanampiana an’Andriamanitra hahatanteraka ny fanekempihavanany amin’ny zanak’i Isiraely ary mba hanampiana ireo taranak’ireo Lamanita hino ny filazantsara amim-pahafenoana kokoa.)

Rehefa mamaly ireo mpianatra fa natao handresena lahatra ny olona mba hino fa i Jesoa no Kristy ny tanjon’ny rakitsoratr’i Môrmôna dia zarao ny fijoroana ho vavolombelona mifandraika amin’izany amin’ny maha ivon’ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna azy.

  • Amin’ny endriny manao ahoana no hitahian’ity ivon’ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna ity ireo izay mamaky azy?

  • Ahoana no nanampian’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna anao bebe kokoa hino sy hitia an’i Jesoa Kristy?

Asehoy fa manampy ny maro hibebaka sy “[hahazo fihina] … eo an-tsandrin’i Jesoa” ny Bokin’i Môrmôna ankehitriny kanefa mbola maro ireo olona no mandà ny tsy hino an’i Kristy.

Soraty eo amin’ny solaitrabe, eo akaikin’ny fitsipika mikasika ny fibebahana izay nosoratanao tany amin’ny fiatombohan’ny lesona, izao manaraka izao: Raha toa ka mandà tsy hibebaka isika … Asao hamaky mafy ny Môrmôna 5:16–19 ny mpianatra iray, ary angataho ny mpianatra hafa hikaroka ny vokatry ny fandavan’ny Nefita ny hibebaka. Asaivo ampiasain’ireo mpianatra ny zavatra hitany ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hamenoana ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe. Eo am-pamalian’izy ireo izany dia afaka mametraka ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana ireto ianao mba hanampy azy ireo hahatakatra ireo teny sy andian-teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina:

  • Inona no dikan’ny hoe “tsy miaraka amin’i Kristy sy Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao” araka ny eritreritrareo? (Môrmôna 5:16). (Toy izao no mety ho valiny: Midika izany fa miaina tsy manam-pinoana an’i Jesoa Kristy na ny Ray any an-danitra ary tsy misy fitarihana avy any an-danitra.)

  • Ny akofa dia hodiny manify eo ivelan’ny voam-bary. Rehefa otazana ny vary dia esorina ny akofa. Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny andian-teny manao hoe: “avezivezy toy ny akofa eo anoloan’ny rivotra”? (Môrmôna 5:16).

  • Toy ny ahoana izany hoe ao anaty sambo tsy misy lay na tsy misy fomba anamoriana sy tsy misy vatofantsika izany? (Jereo ny Môrmôna 5:18.) Ahoana no itovian’ity toe-java-nitranga ity amin’ny niseho tamin’ny Nefita?

  • Inona no ampianarin’ny tenin’i Môrmôna antsika mikasika ireo izay nandà ny hibebaka? (Tokony hampiseho ny valintenin’ny mpianatra fa miteraka ny fahaverezan’ny fitarihan’ny Tompo ny fandavana hibebaka. Fenoy amin’ny alalan’ny fanoratana ity fahamarinana manaraka ity ilay fanambarana eo amin’ny solaitrabe: Raha toa ka mandà ny hibebaka isika dia hisintona ny Fanahy ary hamery ny fitarihan’ny Tompo isika.)

Asaivo misaintsaina am-pahanginana ny fomba fahitany ity fitsipika ity eo amin’ny fiainany na eo amin’ny fiainan’ny olon-kafa ireo mpianatra.

Asao hamerina hijery ny Môrmôna 5:11, 16–18 sy ireo fitsipika roa izay nosoratanao teo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra.

  • Ahoana ny hilazanao amin’ny teninao ny fahasamihafana eo amin’ny vokatry ny fibebahana amin-kitsimpo sy ny vokatry ny fandavana hibebaka?

Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 5:22–24 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nanentanan’i Môrmôna mba ho ataon’ny olona amin’ny andro farany. Toroy hevitra mba hanisy marika ny zavatra hitany ireo mpianatra.

Ijoroy ho vavolombelona ny fahamarinana amin’ireo fitsipika roa mifanohitra eo amin’ny solaitrabe ireo.

Môrmôna 6

Mitantara ny ady farany nataon’ny Nefita i Môrmôna ary malahelo amin’ny faharavan’ny vahoakany

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety ho tsapanareo amin’ny fahafatesan’ny olon-tiana iray izay nahatoky an’Andriamanitra nandritra ny androm-piainany?

  • Inona no mety ho tsapanareo amin’ny fahafatesan’ny olon-tiana iray izay tsy nankato ny didin’Andriamanitra nandritra ny androm-piainany?

Hazavao fa nahatsapa alahelo goavana i Môrmôna tamin’ny fahafatesan’ny vahoakany rehetra satria fantany fa tsy vonona ny hihaona amin’Andriamanitra izy ireo. Fintino ny Môrmôna 6:1–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa namela ny Nefita hiangona teo amin’ny tanin’i Kômôrà mba hiady ny Lamanita. Nihaantitra i Môrmôna ary fantany fa ity no “ady faran’ny vahoaka[ny]” (Môrmôna 6:6). Nomeny hiandraiketan’ny zanany lahy Môrônia ny vitsivitsy tamin’ireo rakitsorany ary nafeniny tao amin’ny Havoan’i Kômôrà ny ambin’ireo rakitsorany. Noraketiny an-tsoratra ny zavatra natrehiny maso nandritra ny faharavan’ny vahoakany tanteraka. Asaivo mamaky am-pahanginana ny Môrmôna 6:7–15 ireo mpianatra ary mieritreritra ny zavatra mety ho tsapan’i Môrmôna teo am-panoratana ireo teny ireo.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no niandry ny fahafatesana tanatin’ny “tahotra mahatsiravina” ireo Nefita? (Môrmôna 6:7).

Vakio mafy amin’ireo mpianatra ny Môrmôna 6:16–22 eo am-panarahan’izy ireo izany eo amin’ny soratra masiny. Asaivo soratan’izy ireo ao amin’ny kahie fandraisany naoty na diary fandalinana ny soratra masina ny eritreriny sy ireo zavatra tsapany eo am-pamakiana sy eo am-pihainoana ireo andinin-tsoratra masina ireo. Omeo fahafahana hizara ny sasantsasany amin’ireo eritreriny izay nosoratany izy ireo, rehefa avy nomena fotoana misimisy.

Mijoroa ho vavolombelona amin’ireo mpianatra ny amin’ny fitiavan’ny Ray any an-danitra, Jesoa Kristy, mpaminany, mpitarika ary ireo ray aman-dreniny azy ireo. Entano izy ireo hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka amin’ireo fahotany mba ahahafahany “[hahazo fihina] … eo an-tsandrin’i Jesoa” (Môrmôna 5:11).

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrmôna 5:11. “Hahazoana fihina … eo an-tsandrin’i Jesoa”

Nanazava ny fifandraisan’ny teny Sorompanavotana sy ny andian-teny “hahazoana fihina … eo an-tsandrin’i Jesoa” ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Dikan-teny manan-danja no azo avy amin’ny fandalinana ny teny sorompanavotana avy amin’ireo fiteny Semita tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha. Amin’ny fiteny Hebreo, ny teny fototra ampiasaina amin’ny sorompanavotana dia kaphar, matoateny iray izay midika hoe ‘manarona’ na ‘mamela.’ Mifanakaiky ny teny Aramaika sy Arabo dia ny kafat, izay midika hoe: ‘fifamihinana akaiky’—izay tsy azo isalasalana fa misy ifandraisany amin’ny fomba fifamihinana Egyptiana. Hita mazava ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo andalan-tsoratra masina amin’izany fifamihinana izany. Ny iray dia milaza fa ‘navotan’ ny Tompo … ny fanahiko; efa nahita ny voninahiny aho sy efa sakambininy mandrakizay amin’ ireo sandrim-pitiavany.’ [2 Nefia 1:15.] Ny iray hafa maneho ny fanantenana mahatalanjona ny amin’ny ‘hahazoan[tsika] fihina eo an-tsandrin’i Jesoa.’ [Môrmôna 5:11.]” (“The Atonement,” Ensign, Nôv. 1996, 34).

Môrmôna 5:16. Rehefa misintona ny Fanahin’ny Tompo

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe:

“Namariparitra ireo olona sasany, ny vahoakany, izay nisintahan’ny fanahin’ny Tompo i Môrmôna [jereo ny 2 Nefia 26:11]. … Toa mazava amiko tsara fa ny zavatra resahiny dia tsy ny tsy fananana ny fiarahan’ny Fanahy na ny tsy fananana ny fanomezana ny Fanahy Masina fotsiny, fa niresaka kosa ilay fahazavan’ny fahamarinana [ny Fahazavan’i Kristy] izy izay natolotra ny tsirairay izay teraka eto amin’izao tontolo izao izay tsy hitsahatra velively ny fiarahany amin’ny tsirairay, raha tsy hoe namotsotra izany izy tamin’ny alalan’ny fahotana nataony” (in Conference Report, Apr. 1956, 108).

Môrmôna 6:16–22. Aza mandà ilay sandrim-pamindram-pon’i Kristy

Nisaona ny fahafatesan’ny vahoakany i Môrmôna ary nalahelo fa tsy niova tamin’ny fombany izy ireo. Nilaza izy fa raha nialan’izy ireo ny fieboeboana sy nibebaka tamin’ny fahotany izy ireo dia hahafinaritra ny fihaonan’izy ireo amin’ny Mpamonjy (jereo ny Môrmôna 6:17). Namaritra ny fifaliana ho tsapantsika raha toa ka nanomana ny tenantsika hijoro eo anoloan’ny Tompo amin’ny andron’ny Fitsarana ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

“Manam-paniriana ny hahazo ireo fitahiana faran’ny Sorompanavotana isika—dia ny ho iray hiaraka Aminy, ho eo anatrehany, ho antsoina araka ny anarana eo am-pandraisany antsika amim-pifaliana ao an-tokantrano miaraka amin’ny tsiky mamirapiratra, hiantsoany antsika ho eo an-tsandrim-pitiavany ka hamihinany antsika amin’ny fitiavany tsy misy fetra. Ho traikefa mahatalanjona faran’izay ambony dia ambony tokoa izany raha toa isika ka mahatsapa ho mendrika ny ho eo Anatrehany! Ilay fanomezana maimaim-poana avy amin’ny sorona fanavotana lehibe nataony ho antsika tsirairay no hany fomba ahafahantsika hasandratra ka ho afaka ny hijoro eo Anoloany sy hifanatri-tava Aminy. Ny hafatra mahery vaika avy amin’ny Sorompanavotana dia ny fitiavana tonga lafatra ananan’ny Mpamonjy ho antsika tsirairay sy ny ho an’ny olon-drehetra. Fitiavana feno famindram-po, faharetana, fahasoavana, ara-drariny, fahari-po, ary, ambonin’ny zava-drehetra, famelan-keloka izany.

“Handrava ny fanantenana izay ananantsika eo am-pandresena ireo hadisoantsika ny fisarihana ratsin’i Satana. Tiany hahatsapa isika fa very ary tsy hisy fanantenana. Mifanohitra amin’izany kosa, i Jesoa dia mampitraka antsika rehefa lavo isika. Afaka miomana ny ho mendrika hijoro eo Anatrehany isika amin’ny alalan’ny fibebahantsika sy ny fanomezana avy amin’ny Sorompanavotana” (“The Atonement: Our Greatest Hope,” Ensign, Nôv. 2001, 20).

Hamoaka printy