Tahirim-pitaovana
4 Nefia


Fampahafantarana NY Nefia Fahefatra: Ny Bokin’i Nefia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Hianatra momba ireo fitahiana izay azon’ny vahoaka miray hina amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo mpianatra eo am-pandalinana ny 4 Nefia. Niova fo daholo ireo olon-drehetra manerana ny tany taorian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ireo taranak’i Lehia. Niaina fiadanana sy firoboroboana ary fitahiana ara-panahy mahatalanjona izy ireo rehefa nankato ireo didy. Nilaza i Môrmôna hoe: “Marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ ny vahoaka rehetra izay noharian’ ny tànan’ Andriamanitra” (4 Nefia 1:16). Hianatra lesona manan-danja avy amin’ny fihemorana tsikelikelin’ireo vahoaka nankamin’ny toetran’ny faharatsiana ihany koa ireo mpianatra.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Namintina sy nanambatra ireo rakitsoratr’ireo mpanoratra efatra i Môrmôna izay nahazoana ny bokin’i 4 Nefia. I Nefia no voalohany tamin’izany, izay nampitondraina ny anarany ilay boky. I Nefia dia zanakalahin’i Nefia, izay iray tamin’ireo roambinifololahy mpianatra nofinidin’ny Tompo nandritra ny asa fanompoany teo anivon’ireo taranak’i Lehia (jereo ny 3 Nefia 11:18–22; 12:1). Ireo mpanoratra telo hafa dia i Amôsa, zanakalahin’i Nefia sy ny zanakalahin’i Amôsa dia i Amôsa sy Amarôna (jereo ny 4 Nefia 1:19, 21, 47).

Ho an’iza no nanoratana io boky io ary nahoana?

Tsy nampiantefa ny bokin’i 4 Nefia ho an’ny vondron’olona manokana i Môrmôna, ary tsy nilaza ny antony nanoratany izany koa izy. Na dia izany aza, ity boky ity dia mitana toerana amin’ireo tanjona lehiben’ny Bokin’i Môrmôna—ny ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy sy ny hampahafantatra ireo fanekempihavanan’ny Tompo (jereo ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna). Amin’ny alalan’ny fanehoany ireo fitahiana izay azo rehefa mibebaka sy manatona an’i Jesoa Kristy ary manao fanekempihavanana Aminy ireo vahoaka no anaovany izany. Mampiseho ny vokatry ny faharavana izay nitranga teo amin’ireo olona izay nandà ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ary nanadino ireo fanekempihavanana nataony koa izany.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Ny rakitsoratra tany am-piandohana nampiasaina ho loharano niavian’ny bokin’ny 4 Nefia dia mety ho nosoratana teo amin’ny manodididina ny 34 taorian’i J.K. sy 321 taorian’i J.K. Natambatr’i Môrmôna teo amin’ny manodidina ny 345 taorian’i J.K. sy 385 taorian’i J.K. teo ireo rakitsoratra ireo. Tsy nilaza i Môrmôna hoe taiza izy tamin’ny fotoana nampitambarany ity boky ity.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Nitantara vanim-potoana efa saika ho 300 taona—izay efa ho ny ampahatelon’ny tantaran’ny Nefita voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ao anatin’ny andininy 49 fotsiny ny bokin’ny Nefia. Manampy ho amin’ny herin’ny 4 Nefia ny hafohiny. Mampiseho amin’ny fomba fohifohy ny fahasamihafana teo amin’ny fahamarinan’ireo vahoaka taorian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’izy ireo sy ny faharatsian-toetrany taranaka fahefatra taty aoriana izany. Maneho ireo fitahiana azon’ny fiarahamonina izay miorina eo ambonin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny andininy 18 voalohan’ilay boky. Mitondra vavolombelona amin’ny faharavana entin’ny fiavonavonana ireo andininy eo aoriandriana, mampiseho ny fahalemen’ity fiarahamonina ity tsikelikely mandra-pahenika azy tanteraka tao amin’ny ota.

Topimaso ankapobeny

4 Nefia 1:1–18 Taorian’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy dia niova fo sy natao batisa ireo olona rehetra manerana ny tany. Tsy nisy fizarazarana intsony toy ny Nefita sy Lamanita teo anivony. “Niarahan’[izy ireo] nanana avokoa ny zava-drehetra” (4 Nefia 1:3). Niaina fahagagana maro izy ireo, niroborobo ary niaina tamim-piraisan-kina sy fahasambarana nandritra ny 110 taona.

4 Nefia 1:19–34 Maty i Nefia ary nitahiry ireo rakitsoratra i Amôsa zanany lahy. Nanolotra ireo rakitsoratra tamin’i Amôsa zanany lahy i Amôsa taty aoriana. Maro ireo olona no mamela an’i Satana “[h]ahazo vahana ao am-pony” (4 Nefia 1:28). Niorina teo anivon’ireo vahoaka ny fisaraham-bazana, fiavonavonana ary ny fiangonan-diso. Nanomboka nanenjika ireo mpikamban’ny Fiangonana marina sy “ireo mpianatr’i Jesoa izay niara-nitoetra taminy” (4 Nefia 1:30) ireo ratsy fanahy.

4 Nefia 1:35–49 Niverina nizarazara ho Nefita sy Lamanita indray ireo vahoaka. Nikomy tamin’ny nahim-pony nanohitra ny filazantsara ireo Lamanita ary nanangana ny tsikombakomba miafin’i Gadiantôna. Tamin’ny farany dia lasa ratsy fanahy koa ny Nefita. Maty i Amôsa, ary ny rahalahiny Amarôna no nitahiry ireo rakitsoratra talohan’ny nibitsihan’ny Fanahy Masina azy mba hanafina izany.

Hamoaka printy