Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 31


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Etera 13Môrônia 7:19 (Fizarana 31)

Fitaovana Fanomanana Ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona Isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity rehefa nandalina ny Etera 13Môrônia 7:19 (fizarana 31) izy ireo dia tsy natao ho anisan’ny ampianarina ao anatin’ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ianao.

Andro 1 (Etera 13–15)

Nitsipaka ny mpaminany Etera ny Jaredita ary nikiry tao anatin’ny faharatsiana sy ny ady mandra-pifandringanan’izy ireo tamin’ny farany. Nianatra ny mpianatra avy amin’ity tantara ity fa raha mitsipaka ny fampitandreman’ny Tompo mba hibebaka isika dia misintaka ny Fanahiny ary mahazo fahefana amin’ny fontsika i Satana. Afaka nahita ihany koa ny mpianatra fa mitarika antsika hanao safidy manimba ny tenantsika sy ny hafa ny fahatezerana sy ny valifaty. Nanome fanantenana ireo mpamaky ny teniny i Môrônia ao anatin’ny fitantarany ny faharinganan’ny Jaredita tamin’ny alalan’ny fanambarana fa ilay Jerosalema Vaovao na Ziona dia haorina amin’ny andro farany.

Andro 2 (Môrônia 1–5)

Raha mbola nandeha nirenireny mba hiarovany ny ainy i Môrônia dia nirakitra an-tsoratra fahalalana misimisy kokoa mikasika ny fisoronana sy ny ôrdônansin’ny filazantsara izy. Nanoratra izy fa atao amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana amin’ny alalan’ireo izay manana fahefana ny fanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina sy ny fanokanana amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana. Nanome fahafahana ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hanampian’ireo mariky ny fanasan’ny Tompo azy ireo hahatsiaro ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fanomezan’i Môrônia lanja ny fanasan’ny Tompo. Nampahatsiahivina azy ireo koa fa rehefa mitandrina amim-pahatokiana ireo fanekempihavanana miaraka amin’ny fanasan’ny Tompo izy ireo dia afaka hanana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka amin’izy ireo.

Andro 3 (Môrônia 6)

Nanantitrantitra ny lanjan’ny batisa sy ny fihavanana ao amin’ny Fiangonana ary ny fitarihana ireo fivoriam-piangonana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Môrônia. Nianatra ireo mpianatra fa manao fanekempihavanana hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika sy hanompo Azy hatramin’ny farany isika amin’ny alalan’ny batisa. Nianatra mikasika ny andraikitra ananan’izy ireo mba hamahana ara-panahy ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana ihany koa izy ireo amin’ny alalan’ny fihaonana matetika mba hifady hanina sy hivavaka ary handray ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy. Ankoatra izay dia nianatra ny mpianatra fa raha mbola mibebaka sy mikatsaka famelan-keloka amin’ny finiavana marina isika dia ho voavela heloka.

Andro 4 (Môrônia 7:1–19)

Nirakitra an-tsoratra ny lahateny iray nataon’ny rainy i Môrônia, ny rainy izay nampianatra fa mba hitahiana antsika amin’ny asa tsara ataontsika dia tsy maintsy manao ireo asa tsara ireo amin’ny finiavana marina isika. Nampianatra ny fomba ahafahantsika manao safidy tsara ihany koa i Môrmôna tao amin’io lahateny io. Nahafantatra ny mpianatra fa na inona na inona avy amin’Andriamanitra dia manasa antsika hanao ny tsara sy hitia ary hanompo an’Andriamanitra izany, ary na inona na inona mandresy lahatra antsika hanao ny ratsy sy hiady amin’Andriamanitra dia avy amin’ny devoly izany. Niangavy ireo mpamaky ny rakitsorany i Môrmôna mba hitady amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny Hazavan’i Kristy, izay hanome azy ireo ny hery hanavahana ny tsara amin’ny ratsy.

Fampidirana

Manantitrantitra ireo antony sy ny ilan’ny tsirairay avy amintsika ny fankanesana any am-piangonana ny lesona androany. Mamporisika ny mpianatra ihany koa izany amin’ny fahavononan’izy ireo hanavaka ny tsara amin’ny ratsy sy hitady amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny Hazavan’i Kristy mba hanaovana safidy tsara.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 14–15

Nirakitra an-tsoratra ny fiafaran’ny sivilizasiôna Jaredita i Môrônia

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe 2.000.000. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe toy ny ahoana ny habetsahan’izany olona roa tapitrisa izany raha ampitahaina amin’ny isan’ny olona monina eo amin’ny tanànan’izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 15:1–2 rehefa mijery ny zavatra nitranga tamin’ny Jaredita roa tapitrisa ny iray kilasy.

Anontanio raha misy amin’ireo mpianatra afaka mamintina ireo zava-nitranga izay nitarika ny famongorana ny Jaredita araka izay voarakitra ao amin’ny Etera 14–15. Raha manana olana amin’ny famaliana ny mpianatra dia asao izy ireo hijery ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Etera 14:5–10, 24; 15:1–6, 19, 22.

Anontanio hoe: Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny faharinganan’ny Jaredita?

Nantitranterina tao anatin’ny leson’ny mpianatra nandritra ny herinandro ireto fahamarinana roa ireto: (1) Raha mitsipaka ny fampitandreman’ny Tompo mba hibebaka isika dia hisintaka ny Fanahiny ary hahazo fahefana amin’ny fontsika i Satana. (2) Mitarika ny olona hanao safidy manimba ny tenany sy ny hafa ny hatezerana sy ny valifaty.

Anontanio hoe: Inona avy ireo toe-javatra ianainana izay azo ampiharana ireo lesona ireo eo amin’ny fiainan’ny zatovolahy na zatovovavy iray amin’izao fotoana izao?

Môrônia 1–3

Nijoro ho vavolombelona i Môrônia fa tsy handà an’i Kristy izy

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 1:1–4. Apetraho amin’ny mpianatra avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no antony mety nikasan’ny Lamanita hamonoana an’i Môrônia?

  • Inona no asehon’izany mikasika ny finoana sy ny herimpon’i Môrônia? Ahoana no ahafahantsika mampitombo fijoroana ho vavolombelona mafy orina toy izany mikasika an’i Jesoa Kristy?

Môrônia 4–6

Nirakitra an-tsoratra ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo sy ireo zavatra takiana amin’ny batisa ary ny antony hanaovana ireo fivoriam-piangonana i Môrônia

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: Ny antony hankanesako any am-piangonana rehefa Alahady. Asao ny mpianatra handalina ny Môrônia 4–6 sy hanomana valinteny iray na roa minitra ho an’io fehezanteny io amin’ny alalan’ny fanoratana fanamarihana vitsivitsy ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina. Amporisiho izy ireo hampiditra ao amin’ny valintenin’izy ireo, farafahakeliny ny roa amin’ireto zavatra manaraka ireto (azonao atao ny manoratra azy ireo eny amin’ny solaitrabe na manomana azy ireo amin’ny taratasy hozaraina):

  1. Andinin-tsoratra masina iray avy ao amin’ny Môrônia 4–6 izay manazava antony iray hivoriana miaraka ao am-piangonana.

  2. Fotopampianarana na fitsipika izay manazava ny antony tokony hanatrehantsika ireo fivoriana ao am-piangonana.

  3. Zavatra niainana manokana izay maneho ny antony tokony hanatrehantsika ireo fivoriana ao am-piangonana.

  4. Fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana mikasika ny maha zava-dehibe ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana.

Rehefa avy nomena fotoana ampy hanomanana ny zavatra eritreretiny ny mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny hevi-baovao hitany amin’ny iray kilasy.

Rehefa avy nizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana hitan’izy ireo sy ny maha zava-dehibe ny fivoriana miaraka tsy tapaka ao amin’ireo fivoriam-piangonana.

Môrônia 7:1–19

Nampianatra ny fomba hanavahana ny tsara amin’ny ratsy i Môrmôna

Alohan’ny fotoam-pianarana dia fenoy rano ny kaopy iray ary fenoy rano miharo vinaingitra fotsy ny kaopy iray hafa (na sira). Tokony hitovy endrika ireo kaopy ireo. Ampahafantaro ny mpianatra fa manana kaopy roa misy rano izay toy ny mitovy raha jerena ianao, kanefa marikivy (na masira) ny iray amin’izy ireo. Asao ny mpianatra iray manolo-tena mba hamantatra hoe iza amin’ireo kaopy no misy ilay rano tsara ary iza no misy ilay rano marikivy (na masira) (afaka manao izany amin’ny fanandramana na fanamboloana ilay rano izy ireo).

Anontanio hoe: Ahoana no ahafahantsika milaza fa ratsy ny zavatra iray kanefa tsy manandrana manao izany?

Hazavao fa nampidirin’i Môrônia tao amin’ny rakitsorany ny lahateny nataon’i Môrmôna rainy, izay manome hevi-baovao amin’io fanontaniana io. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 7:11–13, 15–16. Asao ny iray kilasy hifidy fehezanteny iray farafahakeliny, izay manan-danja amin’izy ireo, izay manazava ny fomba ahafahantsika manavaka ny tsara amin’ny ratsy. Omeo fahafahana ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fehezanteny nofidiany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 7:19 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nolazain’i Môrmôna fa tokony hataontsika mba hahafantarana ny tsara amin’ny ratsy.

Anontanio hoe: Inona no natoron’i Môrmôna fa tokony hataontsika mba hahafahantsika manavaka ny tsara amin’ny ratsy?

Tokony ho afaka mamantatra ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Afaka manavaka ny tsara amin’ny ratsy isika rehefa mitady amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy.

Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fahatakaranareo ny atao hoe Hazavan’i Kristy raha miainga amin’ny fandalinana nataonareo tamin’ity herinandro ity?

  • Oviana ny Hazavan’i Kristy no nanampy anareo nanavaka ny tsara tamin’ny ratsy?

Omeo iray na roa minitra ny mpianatra hanoratana ny lisitr’ireo fandaharana amin’ny fahitalavitra, hira, tarika mpihira, tranonkala amin’ny internet, applications, jeux vidéos, na zavatra ananan’izy ireo manokana, izay tena tian’izy ireo indrindra. Asao izy ireo hampiasa ny Môrônia 7:16–19 mba hamantatra na manampy azy ireo hanatona an’Andriamanitra akaikikaiky kokoa ireo zavatra ao amin’ny lisitr’izy ireo na manalavitra azy ireo kokoa amin’Andriamanitra.

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fanasana nomena azy ireo tao anatin’ny fandalinany tamin’ity herinandro ity mba hanafoana eo amin’ny fiainany ireo zavatra izay tsy tsara ary “[hihazona] avokoa ny zavatra tsara” (Môrônia 7:19). Azonao atao ny mizara zavatra iray niainanao rehefa nanaraka ny Hazavan’i Kristy ianao ary afaka nanavaka ny tsara tamin’ny ratsy.

Fizarana manaraka (Môrônia 7:20–10:34)

Asao ny mpianatra hieritreritra ireto fanontaniana manaraka ireto eo am-pandalinan’izy ireo ny fizarana manaraka: Inona no atao hoe fiantrana? Ahoana no ahafahan’ny olona iray manana fiantrana? Nahoana ny ankizy madinika na ny zaza no tsy tokony hatao batisa? Ahoana no fomba nijanonan’i Môrmôna sy i Môrônia ho mahatoky na dia rehefa nohodidinin’ny faharatsiana aza izy ireo? Inona ireo teny farany nataon’i Môrônia? Nahoana no manan-danja izy ireo?

Hamoaka printy