Tahirim-pitaovana
Lesona 27: 2 Nefia 5


Lesona 27

2 Nefia 5

Fampidirana

Nisaraka tamin’i Lamàna sy i Lemoela ary ireo zanakalahin’i Ismaela i Nefia sy ny mpanara-dia azy rehefa nandre fampitandremana avy amin’ny Tompo. Niaina tao anatin’ny fahamarinana sy fifaliana izy ireo raha nanalavitra ny Tompo kosa ireo mpanara-dia an’i Lamàna sy i Lemoela.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 5:1–8

Nosarahan’ny Tompo tamin’ireo mpanara-dia an’i Lamàna sy i Lemoela ireo mpanara-dia an’i Nefia

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireo olana sy fanapahan-kevitra sasany izay atrehiny. Amporisiho izy ireo mba hieritreritra ao an-tsainy ireo olana manokana atrehiny rehefa mandalina ny fomba niatrehan’i Nefia olana izy ireo. Ampahatsiahivo izy ireo fa rehefa maty i Lehia dia i Nefia no tavela ho lasa mpitarika ara-panahin’ny fianakaviana. Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 5:1–4 mba hahitana ny olana natrehan’i Nefia.

  • Araka ny 2 Nefia 5:1, inona no nataon’i Nefia mba hamahana ny olany?

  • Na dia efa nivavaka mba hahazo fanampiana aza i Nefia dia inona no nokasain’i Lamàna sy i Lemoela hatao?

Rehefa mizara ny valinteniny ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa tsy voavaly eo no ho eo na amin’ny fomba itiavantsika azy foana ny vavaka ataontsika.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 5:5–8. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ary hitady ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanampiana an’i Nefia sy ny mpanara-dia azy.

Angataho ny mpianatra mba hamintina ny zavatra nianarany avy ao amin’ny 2 Nefia 5:1–8. Ny fahamarinana iray izay mety tokony hohamafisina dia ny hoe mitarika an’ireo izay mikatsaka Azy amim-pahatokiana ao anatin’ny vavaka ny Tompo. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto izay mifandray amin’ireo andininy ireo:

  • Nahoana no zava-dehibe ny manohy ho mahatoky rehefa tsy voavaly eo no ho eo na tamin’ny fomba itiavantsika azy ny vavaka nataontsika?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanomezan’ny Tompo fampitandremana antsika?

Rehefa mamaly izany fanontaniana izany ny mpianatra dia vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Tsy afaka manomboka mankany amin’ny lalan-diso isika raha tsy hoe nandà fampitandremana iray aloha” (quoted in Kenneth Johnson, “Yielding to the Enticings of the Holy Spirit,” Ensign, Nôv. 2002, 90).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Nefia rehefa miatrika olana isika?

Ao anatin’ilay fifanakalozan-kevitry ny mpianatra mikasika ny 2 Nefia 5:1–8, hazavao fa ilay fisarahan’ny Nefita tamin’ny Lamanita dia vokatry ny fankahalan’i Lamàna sy i Lemoela an’i Nefia. Nitohy nandritra ny taonjato maro izany fisarahana izany niaraka tamin’ny fampianaran’ireo taranak’i Lamàna sy i Lemoela ny zanany mba hankahala ny taranak’i Nefia (jereo ny Môsià 10:12–17).

2 Nefia 5:9–18, 26–27

Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana ny Nefita

Tariho ny mpianatra ao anatin’ny fiarahana mamaky mafy ny 2 Nefia 5:27. Azonao toroina hevitra ny mpianatra mba hanisy marika io andininy io. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fahasambarana.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana”?

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Marlin K. Jensen ao amin’ny Fitopololahy ity:

Loholona Marlin K. Jensen

“Mitondra fifaliana eo amin’ny fiainantsika ireo fitsipika sy fahamarinana tsy miova sasantsasany. Lohahevitra nahaliana ahy izany nandritra ny taona maro satria na dia mahazo fitahiana maro aza aho ary manana ny antony rehetra tokony hahafaly ahy, dia sahirana aho matetika ary tsy manana foana ilay fitiavana ara-boajanahary ny fahasambarana sy toe-tsaina amam-panahy faly izay toa ananan’ny olona sasany.

“Noho izany antony izany dia nisarika ny saiko taona maro lasa izay ny andinin-tsoratra masina iray tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. … Nanorina fiaraha-monina izay niorina teo amin’ny fahamarinan’ny filazantsara i Nefia ary hoy izy mikasika izany fiaraha-monina izany: “Ary ny zava-nitranga dia niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay” (2 Ne. 5:27). Nanaitra lalina ny saiko izany andinin-tsoratra masina izany. … Nanontany tena aho hoe … mety ho inona ireo singa manokana hita ao anatin’ny fiaraha-monina sy fiainana tena sambatra iray, ary dia nanomboka nikaroka tao amin’ireo rakitsoratr’i Nefia aho mba hahitana fanazavana. Manasa … anao aho mba hanao ny fikarohanao manokana koa. Mety ho fikarohana atao mandritra ny fiainana sy tsy hanenenana izany.

“… Mandaitra tsara torak’izany ankehitriny ireo lamina sy ireo singa eo amin’ny fiainana andavanandro izay nanome fahafahana an’i Nefia sy ny vahoakany mba ho sambatra 560 taona talohan’i Kristy” (“Living after the Manner of Happiness,” Ensign, Des. 2002, 56, 61).

Amporisiho ny mpianatra mba hanaiky ny fanasan’ny Loholona Jensen. Angataho izy ireo mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 5:6, 10–18, 26–27 ka hitady ireo “singa ao anatin’ny fiaraha-monina sy fiainana tena sambatra.” Azonao toroina hevitra izy ireo mba hanisy marika ireo fitsipika izay nanampy ny Nefita hahazo fahasambarana. Minitra vitsy aorian’izay dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe. (Ny valiny dia mety ahitana hoe, nandeha niaraka tamin’ny fianakaviany i Nefia sy ny mpanara-dia azy [jereo ny andininy 6]; nankato ny Tompo [jereo ny andininy 10]; niasa mafy mba hamelomana ny tenany [jereo ny 11, 15–17]; nitondra soratra masina niaraka tamin’izy ireo [jereo ny 12]; nanorina tempoly [jereo ny andininy 16]; ary nanaraka mpitarika marina [jereo ny andininy 18, 26].)

Asao ny mpianatra mba hisafidy fitsipika iray na roa eny amin’ny solaitrabe ary hizara ny fomba nanampian’ireo fitsipika ireo azy ireo mba “hiaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana.”

Azonao atao, fa miankina amin’ny zavatra nohamafisin’ny mpianatra, ny mamantatra ny vokatry ny zavatra nampanaovina azy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana vitsy toy ireto manaraka ireto:

  • Araka ny 2 Nefia 5:10–11, 16, inona avy ireo fitahiana izay azon’ny olona noho ny fitandreman’izy ireo ny didin’ny Tompo? Oviana ianao no nahatsapa fa niaraka taminao ny Tompo? Ahoana no fomba nitondran’ilay hery mitarika an’ny Tompo fifaliana teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no fomba mety nanampian’ny tempoly ny olona mba “hiaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana”? Ahoana no fomba nitondran’ny tempoly fahasambarana lehibe kokoa ho anao na ho an’ny olona iray hafa izay fantatrao?

  • Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny fiasana mafy fahasambarana?

Asao ny mpianatra mba hamintina ny zavatra nianarany mikasika ny fomba hampitomboana ny fahasambarany. Na dia mety mizara fitsipika samihafa aza ny mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa rehefa lasa fomba fiainantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitombo ny fahasambarantsika. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe.

Asao ny mpianatra mba handinika ny fiainany ary hanapa-kevitra ny hanao zavatra iray mba hiaina feno kokoa “ao amin’ny toetry ny fahasambarana.” Amporisiho izy ireo mba hanoratra izany zavatra hatao izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny any an-dakilasy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika sy fomba fanao izay nitondra fahasambarana teo amin’ny fiainanao.

2 Nefia 5:19–25

Voaozona ny Lamanita noho ny tsy fankatoavan’izy ireo

Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 5:19–24, ary hitady ireo fahasamihafana nisy teo amin’ny fomba fiainan’ny Lamanita sy ny fomba fiainan’ny Nefita.

  • Araka ny 2 Nefia 5:20, inona no vokatry ny tsy fankatoavan’ny Lamanita?

  • Ahoana no fomba hanampian’ny 2 Nefia 5:21 anao hahatakatra ny antony nanesorana ny Tompo tsy ho eo anatrehan’ny Tompo? (Azonao atao ny manazava fa ny afovato dia vato mafy. Nentin’i Nefia hanamafisana ny hamafin’ny fon’ny Lamanita ny filazany hoe “nanjary toy ny afovato” ny Lamanita.)

  • Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo mikasika an’ireo Nefita manambady Lamanita izay nandà ny filazantsara? (Jereo ny 2 Nefia 5:23.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny misoroka ny fiarahana amin’olona sy ny fanambadiana olona izay tsy manaraka ny Tompo? Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety hitondran’ny olona izay iarahanao ary ho lasa vadinao amin’ny farany fiovana eo amin’ny ezaka ataonao hiaina ny filazantsara? (Mety hanampy ny mampahatsiahy ny mpianatra fa nanoro hevitra ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Manaova safidy ny tsy hiaraka afa-tsy amin’ireo izay miaina fitsipika ambony ihany ary afaka mihazona ny fitsipika iainanao ianao rehefa miaraka aminy” [For the Strength of Youth (booklet, 2011), 4].)

  • Inona avy ireo fitsipika sasantsasany izay azonao ianarana avy amin’ny 2 Nefia 5:20–24? (Rehefa mizara fitsipika ny mpianatra dia ataovy izay ahatakaran’izy ireo fa manasaraka ny tenany amin’ny Tompo ny olona rehefa manamafy ny fony Aminy.)

Hamafiso fa maneho fahasamihafana lehibe eo amin’ny Nefita sy ny Lamanita ny 2 Nefia 5. Afaka misafidy izay ohatra harahintsika isika. Amporisiho ny mpianatra mba hahatsiaro ny zavatra nanapahany hevitra fa hataony mba hiaina feno kokoa “amin’ny toetry ny fahasambarana.” Zarao ny fanananao fahatokiana fa afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Nefita izy ireo ary ho sambatra marina.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 5:5–9. Esory ao amintsika ny faharatsiana

Misy fotoana izay ilana fandaozana toerana iray mba hanalavirana ny ratsy toy ny nataon’i Nefia sy ny mpanara-dia azy. Kanefa mety tsy ho afaka foana ny hanala ny tenantsika any amin’ny toerana iray isika mba hanalavirana ny ratsy. Nohazavain’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fomba ahafahantsika miaro ny tenantsika amin’ny toe-javatra toy izany:

“Nanome fomba iray mba hiainana eto amin’ity izao tontolo izao ity Andriamanitra sy fomba tsy hifindran’ilay fanerena mirefarefa amin’ny tany izay aelin’ireo iraka ratsy fanahy ao anatin’izany eny aminao. Afaka miaina fiainana madio, mamokatra sy marina ianao amin’ny alalan’ny fanarahana ny drafitry ny fiarovana izay nataon’ny Raintsika any An-danitra: ny drafitry ny fahasambarana. Hita ao anatin’ny soratra masina sy ireo fanambarana tena tsara nataon’ny mpaminaniny izany. …

“Alaviro ny faharatsian’izao tontolo izao. Fantaro fa mifehy ny zava-drehetra Andriamanitra. Ho avy ny fotoana hahalavo tanteraka an’i Satana sy hanasaziana azy noho ny faharatsiany mamohehatra. Manana drafitra manokana ho an’ny fiainanao Andriamanitra. Hanambara ny ampahan’izany drafitra izany aminao izy rehefa mitady izany amim-pinoana sy amim-pankatoavana tsy tapaka ianao. Ilay Zanakalahiny dia tsy nanafaka anareo— tamin’ny vokatry ny zavatra nataonareo fa nanome fahafahana anareo mba hisafidy. Ny hahomby eto amin’ity fiainana an-tany ity no tanjon’ Andriamanitra ho anareo. Na lasa ratsy toy ny inona aza izao tontolo izao dia afaka mahazo izany fitahiana izany ianao. Katsaho ary henoy tsara ny fitarihana manokana izay atolotra anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Aoka ianao hanohy ny ho mendrika hahazo izany. Ampio ireo izay tafintohina sy sanganehana, ka tsy mahafantatra izay lalana tokony harahina” (“How to Live Well amid Increasing Evil,” Ensign na Liahona, mey 2004, 100, 102).

2 Nefia 5:11, 13. “Izahay dia niroborobo fatratra tokoa”

Tantarain’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 5:11, 13 ny firoboroboan’ny olony sy ny fahombiazan’izy ireo teo amin’ny fikolokoloana andiana biby fiompy sy biby isaky ny karazany ary voly. Ampifandraisintsika matetika amin’ny fitahiana azo tsapain-tanana ny firoboroboana. Nampianatra ny Filoha Heber J. Grant fa ny tena firoboroboana dia ahitana zavatra bebe kokoa noho ny harena na zavatra ara-nofon’izao tontolo izao:

“Rehefa milaza aho hoe firoboroboana dia tsy mieritreritra ny lafiny ara-bola fotsiny. … Fa ny tena isaiko ho toy ny firoboroboana marina sy zavatra iray ao anatin’ny zavatra maro izay manan-danja lehibe ho an’ny lehilahy sy vehivavy miaina tsirairay, dia ny fitomboan’ny fahalalana an’ Andriamanitra sy ny fijoroana ho vavolombelona ary ny fitomboan’ny hery hiainana ny filazantsara sy hanentanana ny fianakaviana hanao izany koa. Izany no karazana firoboroboana tena marina” (Teachings of Presidents of the Church: Heber J. Grant [2002], 124).

2 Nefia 5:10–18, 26–27. “Amin’ny toetry ny fahasambarana”

Nohazavain’ny Mpaminany Joseph Smith fa misy lalana iray izay mitondra any amin’ny fahasambarana: “Ny fahasambarana no tanjona sy drafitry ny fiainantsika ary izay no hiafarany izany raha toa ka manaraka ilay lalana izay mitondra any amin’izany isika. Izany lalana izany dia ny hatsaran-toetra, ny fahitsiana, ny fahatokiana, ny fahamasinana, ary ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra” (History of the Church, 5:134–35).

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Avy amin’ny fahamarinana ny fahasambarana. ‘Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.’ (Almà 41:10.) Ny fahotana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana. Ny fitiavan-tena dia tsy fahasambarana na oviana na oviana. Ny fahalianan-karena dia tsy fahasambarana na oviana na oviana. Mitoetra ao anatin’ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fahasambarana” (ao amin’ny “Fast-Paced Schedule for the Prophet,” Church News, Apr. 20, 1996, 3).

2 Nefia 5:16. “Izaho Nefia dia nanorina tempoly iray”

Nohazavain’ny Loholona Marlin K. Jensen ao amin’ny Fitopololahy fa mitondra mankany amin’ny fahasambarana ny fandehanana any amin’ny tempoly:

“Nanoratra i Nefia hoe: ‘Ary izaho Nefia dia nanorina tempoly iray’ (2 Ne. 5:16). Mety ho tsy mitovy amin’ireo tempolintsika amin’izao andro farany izao ny tempolin’i Nefia eo amin’ny lafiny sasantsasany, saingy mitovy ny tena tanjony: hampianatra sy hanazatra ny zanak’ Andriamanitra mikasika ny drafiny ho an’ny fahasambaran’izy ireo ary hanome ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana izay ilaina mba hahatratrarana izany fahasambarana izany.

“Rehefa niaina teto amin’ity tany tsara ity nandritra ny dimampolo taona mahery aho dia afaka milaza amin-kitsimpo fa ny olona tena matotra sy sambatra fantatro dia ireo izay mavitrika mandeha any amin’ny tempoly. Misy antony tsara mahatonga izany. Any amin’ny tempoly no hilazana sy hamerenana hilazana ny mikasika ny fandaharan’ Andriamanitra iray manontolo ho antsika. Isaky ny lazaina izany dia mitondra fahatakaran-tsaina sy fanoloran-tena hiaina ilay fiainana araka ny fombany. …

“Mety ho fomba tsara iray hamantarana hoe hatraiza ny fikatsahantsika hanatona an’i Kristy ny zavatra tsapantsika mikasika ny tempoly sy ny zavatra niainantsika tany. Azo atao ho teny mitovy hevitra amin’ny tempoly ny fahasambarana sy fifaliana. Tena izany no nisy ho an’i Nefia sy ny olony” (“Living after the Manner of Happiness,” Ensign, Des. 2002, 60).

2 Nefia 5:20–25. Ny ozona nahazo ny Lamanita

Mahita valim-panontaniana efatra isika farafahakeliny mikasika ny ozona nahazo ny Lamanita ao amin’ny 2 Nefia 5:20–25:

1. Inona ilay ozona?

Voafaritra mazava tsara ao amin’ny 2 Nefia 5:20 ilay ozona hoe “hoesorina tsy hoe eo anatrehan’ny Tompo.” Tsy ny fahamatrohan’ny hoditry ny Lamanita ilay ozona.

2. Inona no nahatonga ilay ozona?

Araka ny 2 Nefia 5:21, tonga teo amin’ny Lamanita ilay ozona “noho ny helony” ary satria “nanamafy ny fony tamin’ny [Tompo] izy ireo.” Ny faharatsiana dia niteraka foana ny fanesorana tsy ho eo anatrehan’ny Tompo nanomboka tany amin’ny fahalavoan’i Adama (jereo ny 1 Nefia 2:21; 2 Nefia 4:4; 9:6; Almà 9:13; Etera 10:11).

3. Nahoana no nampitondraina ny Lamanita ilay mariky ny fahamatrohan’ny hoditra?

Marika manokana noho ireo toe-javatra miseho manokana izany. Nanazava i Nefia hoe: “Nataon’ny Tompo Andriamanitra izay hahamatroka ny fihodiran’ny [Lamanita] mba tsy hahazoany manintona ny oloko” (2 Nefia 5:21). Nanome fanazavana mitovy amin’izany i Almà: “Ary matroka ny fihodiran’ny Lamanita … fa izany no hahazoan’ny Tompo Andriamanitra mitahiry ny olony mba tsy hahazoany miharoharo sy tsy hinoany fomban-drazana diso” (Almà 3:6, 8). Ireo fanazavana ireo dia mifanaraka amin’ireo soratra masina hafa izay nampitandrina fa tsy tokony hanambady tsy mpino ny vahoakan’ny Tompo satria ny vokatry ny fanaovana izany dia matetika mahatonga ny marina hanalavitra ny Tompo (jereo ny Deoteronomia 7:2–4; 1 Mpanjaka 11:4; 2 Korintiana 6:14; F&F 74:5).

4. Inona no vokatr’ilay ozona?

Vokatr’ilay ozona—rehefa nesorina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo ny Lamanita—dia “nanjary midonana-poana izy ireo, feno fitaka sy hafetsena” (2 Nefia 5:24).

Tsy naharitra akory ilay ozona fa nandritra ny naharatsy fanahy an’ilay vahoaka ihany. Rehefa nibebaka sy nisafidy ny hiaina ny filazantsara ny Lamanita dia “tsy nomba azy ireo intsony ny ozon’ Andriamanitra” (Almà 23:18). Ahitana ohatra maro mikasika ireo Lamanita ny Bokin’i Môrmôna izay nibebaka sy nandray ny fitarihan’ny Fanahin’ny Tompo. Ny bokin’i Helamàna dia miresaka momba ny fotoana iray izay naha marin-toetra kokoa ny Lamanita noho ny Nefita (jereo ny Helamàna 13:1).