Tahirim-pitaovana
Lesona 7: 1 Nefia 2


Lesona 7

1 Nefia 2

Fampidirana

Ny tantara ao amin’ny 1 Nefia 2 dia maneho fihetsika samy hafa manoloana ireo didy avy amin’ny Tompo. Nankatò ny didin’Andriamanitra hitondra ny fianakaviany tany an-tany foana i Lehia. Nikomy i Lamàna sy i Lemoela rehefa niatrika ny fahasarotan’ilay didy. Nifanohitra tamin’izay kosa, i Nefia dia nahazo fijoroana ho vavolombelona nanamafy izany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 2:1–7

Nandidy an’i Lehia hankany an-tany foana ny Tompo

Asaivo alain’ireo mpianatra sary an-tsaina hoe niteny tamin’izy ireo ny ray aman-dreniny fa tsy maintsy mandao ny tranony ny fianakavian’izy ireo rahampitso, ary mandao saika ho efa ny fananany rehetra. Handeha any an-tany foana izy ireo, ary tsy mitondra afa-tsy ny vatsy ilain’izy ireo mba tsy ho faty.

  • Inona no mety havalinareo?

  • Mety hiova toy ny ahoana ny valinteninao raha fantatrao fa avy amin’ny Tompo ilay didy hifindrana monina any an-tany foana?

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 2:1–6 ny mpianatra iray. Asaivo mikaroka ireo antony nitondran’i Lehia ny ankohonany tany an-tany foana ireo mpianatra.

  • Inona no didy azon’i Lehia avy amin’ny Tompo? (Jereo ny 1 Nefia 2:2.)

  • Inona no lesona azonao tsoahina avy amin’ny fanapahan-kevitr’i Lehia mikasika izay tokony hoentina sy tokony hajanona?

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 2:7 ny mpianatra iray.

  • Nisaotra ny Tompo i Lehia raha vao avy nandao ny tranony sy ny fananany. Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’izany?

  • Inona no tokony hanehoan’i Lehia fankasitrahana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity: Rehefa mahatoky sy mankatò isika, dia hanampy antsika ao anatin’ny fotoan’ny fitsapana ny Tompo.

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nanampy anao ny Tompo tao anatin’ny fotoan’ny fitsapana? (Amporisiho ireo mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mamaly io fanontaniana io. Ampio izy ireo hahatakatra fa tsy voatery hizara traikefa tokony hotazoniny ho azy irery na tsiambaratelo izy ireo.)

1 Nefia 2:8–15

Nimonomonona nanohitra an-drainy i Lamàna sy i Lemoela

Asaivo manontany tena am-pahanginana ireo mpianatra raha efa nitaraina, na tamin’ny vava na tao anaty, mikasika ny didy iray avy amin’ny Tompo na mikasika ny fangatahana nataon’ny ray na ny reny na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Omeo fotoana hieritreretana mikasika ireo traikefany izy ireo.

  • Nahoana isika no mitaraina indraindray rehefa omena torohevitra?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Renirano sy Lohasaha. Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 2:8–10 ny mpianatra iray.

  • Teo amin’ny lafiny inona no nanirian’i Lehia an’i Lamàna hitovy amin’ny renirano? Teo amin’ny lafiny inona no nanirian’i Lehia an’i Lemoela hitovy amin’ny lohasaha? (Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny teny Renirano sy Lohasaha.)

  • Inona no nezahin’i Lehia nampianarina an’i Lamàna sy i Lemoela?

Asaivo mamaky mangina ny 1 Nefia 2:11–14 ireo mpianatra.

  • Inona avy ireo antony nahatonga an’i Lamàna sy i Lemoela nimonomonona tamin-drainy?

  • Ao amin’ny 1 Nefia 2:11, ny teny hamafy hatoka dia entina hilazana ny avonavona sy ny hamafisan-doha. Nahoana ny avonavona no mitarika ny olona himonomonona indraindray?

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no fimonomononana no mitranga rehefa tsy mahatakatra ny fitondran’Andriamanitra ny olona?

Hazavao fa ny antony iray hitiavan’i Satana antsika himonomonona dia satria manakana antsika tsy hanaraka ny mpaminany, sy ireo mpitondra hafa entanim-panahy, ary ny ray aman-dreny izany. Azonao atao ny mizara ity manaraka ity, mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonareo, izay mifototra amin’ny fanambarana nataon’ny Loholona H. Ross Workman ao amin’ny Fitopololahy:

“Ahitana dingana telo ny fimonomononana, ary mitondra mankany amin’ny dingana manaraka ny tsirairay avy amin’izy ireo izay mitondra midina mankany amin’ny tsy fankatoavana. Voalohany, dia manomboka mametra-panontaniana ny olona. Mametra-panontaniana “amin’ny voalohany ao an-tsainy” izy ireo, ary avy eo dia mamboly fanontaniana “ao an-tsain’ny hafa.” Faharoa, ireo mpimonomonona dia manomboka “manamarin-tena amin’ny zavatra tsy vitany ary manala tsiny ny tenany amin’ny tsy fanaovany izay nampianarina azy fa tokony ataony. … Araka izany, dia manamarin-tena amin’ny tsy fankatoavana izy ireo.” Ny fanadiovan-tenan’izy ireo dia mitondra amin’ny dingana fahatelo: “Ny hakamoana amin’ny fanarahana ny didin’ny Tompo. …

“Manasa anareo aho hifantoka amin’ny didy avy amin’ireo mpaminany velona izay tena manahirana anareo indrindra. Mametra-panontaniana ve ianao na azo ampiharina amin’ny fiainanao ny didy na tsia? Manana fialan-tsiny efa vonona amin’ny tsy fanajanao ny didy amin’izao fotoana izao ve ianao? Mahatsapa ho sorena na tezitra amin’ireo izay mampahatsiahy anao ny didy ve ianao? Kamo amin’ny fitandremana izany ve ianao? Mitandrema amin’ny fitaky ny fahavalo. Mitandrema amin’ny fimonomononana” (“Beware of Murmuring,” Ensign, Nôv. 2001, 85–86).

Asao ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy:

  • Inona no azonao atao rehefa mahita ny tenanao mimonomonona mikasika ireo mpaminanin’ny Tompo sy ireo didiny ianao?

1 Nefia 2:16–19

Nikatsaka fahatakarana avy amin’ny Tompo i Nefia.

Asaivo mamaky sy misaintsaina lalina am-pahanginana ny 1 Nefia 2:16, 19 ireo mpianatra.

  • Inona no fihetsika nasetrin’i Nefia ny hafatra avy amin-drainy?

  • Oviana ianao no nitalaho tamin’ny Tompo ary nahatsapa fa nihanalefaka ny fonao?

Omeo fahafahana hitantara mikasika ny fotoana nanalefahan’ny Tompo ny fony ireo mpianatra (saingy ampahatsiahivo azy fa tsy tokony hahatsapa ho voatery hizara traikefa tokony hotazoniny ho azy samirery na tsiambaratelo izy ireo). Ho fanampin’izay, dia azonao atao ny mitantara mikasika ny fotoana nanalefahan’ny Tompo ny fonao. Ataovy izay hahazoan’ireo mpianatra toky fa rehefa mitalaho amin’Andriamanitra isika, dia afaka mampahalefaka ny fontsika Izy mba hankatò ny teniny.

Vakio mafy ny 1 Nefia 2:19. Asaivo hazavain’ireo mpianatra amin’ny teniny manokana ny dikan’ny teny hoe “tamim-pahazotoana sy “fietren’ny fo.” Amporisiho hikatsaka ny Tompo tahaka ny nataon’i Nefia izy ireo.

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 2:17–18 ny mpianatra iray.

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika sintonina avy amin’ireo fihetsika samy hafa nasehon’i Nefia, i Samy, i Lamàna, ary i Lemoela?

  • Oviana no nampatanjaka ny finoanao ny tenin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namanao, tahaka ny nampatanjahan’ny tenin’i Nefia ny finoan’i Samy?

1 Nefia 2:20–24

Hiroborobo ireo izay mitandrina ny didy

Asaivo mamaky ny 1 Nefia 2:20–21 ny mpianatra. Asao izy ireo hamantatra na hanisy marika ny fampanantenana fa “raha mbola mitandrina ny didiko ianao dia hambinina.” Hazavao fa hamaky mikasika ny fotoana maro nahatanteraka io fampanantenana io izy ireo rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna.

Zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Ny fankatoavana no lalàna voalohany any an-danitra. Tonga amin’ireo izay miaina ny lalàn’Ilay Mandrakizay ny fivoarana rehetra, ny fahatanterahana rehetra, ny famonjena rehetra, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra rehetra, ny tsara sy ny mahitsy ary ny marina rehetra, ny zavatra tsara rehetra izay. Tsy misy na inona na inona manan-danja kokoa noho ny fitandremana ireo didin’Andriamanitra ao anatin’ny mandrakizay” (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 126).

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa mitahy ireo izay mankatò sy mahatoky Andriamanitra. Tahaka an’i Nefia, ireo mpianatra dia afaka mampitombo fahatokian-tena amin’ny alalan’ny fandraisana fitarihana avy amin’ny Tompo. Amporisiho izy ireo mba hiezaka ny ho tonga mpankatò bebe kokoa sy hanaraka ny fitarihana azony avy amin’ny Fanahy Masina.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 2:2–6. Ireo lalana mety nalehan’ny ankohonan’i Lehia

Mety nitondra ny ankohonany tany amin’ny Ranomasina Mena tao akaikin’ny Helo-dranomasin’i Aqaba i Lehia, eo ho eo amin’ny 290 kilaometatra miala ao Jerosalema. Mitaky fandehanana tao anatin’ny firenena mafana sady babangoana izany, izay fanta-daza amin’ny mpangalatra izay miandry mba handroba ireo mpandeha tsy tsara omana. Rehefa tonga teo amin’ny Ranomasina Mena, dia mbola nanao dia nandritra ny telo andro ilay fianakaviana talohan’ny nitobiany teo amin’ny lohasaha iray misy renirano. Mety ho naharitra 14 andro teo ho eo ny dia avy any Jerosalema nankany amin’ilay lohasaha misy renirano. Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra ireo elanelan-tany sy fotoana ireo rehefa mamaky momba ny fiverenan’i Nefia sy ireo rahalahiny tany Jerosalema izy ireo.

Sary
Sarintanin’ny faritra Afovoany Atsinanana

1 Nefia 2:7. Fanehoana fankasitrahana ny Tompo

Haseho ao amin’ny 1 Nefia 2:7ny fankasitrahan’i Lehia ny fitarihana sy ny fiarovan’ny Tompo: “Nanangana alitara vato izy ary nanao fanatitra ho an’ ny Tompo sy nanolotra fisaorana ho an’ ny Tompo Andriamanitray.” Inty no voalohany indrindra amin’ireo fotoana maro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nanaovan’ireo mpanara-dia mahatoky an’i Kristy sorona sy fanatitra hodorana mba hanehoana fankasitrahana an’ Andriamanitra (Jereo, ohatra, ny 1 Nefia 7:22; Môsià 2:3–4). Takiana amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ny fanehoana fankasitrahana avy amin’ny fo sy ny fankatoavana Azy raha tian’izy ireo ny hampifaly Azy (jereo ny F&F 59:21).

Hamoaka printy