Tahirim-pitaovana
Lesona 21: 1 Nefia 20–22


Lesona 21

1 Nefia 20–22

Fampidirana

Rehefa nampianatra ireo olona tao amin’ny fianakaviany i Nefia dia namaky teny tao amin’ny takela-barahina izy, izay nifantoka tamin’ny faminanian’i Isaia mikasika ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely. Taorian’izay dia namaly ny fanontanian’ireo rahalahiny momba ireo faminaniana ireo izy. Nanazava izy fa miresaka mivantana momba ny fianakavian’izy ireo izany. Tamin’ny alalan’ny famerimberenany ireo tenin’i Isaia dia nijoro ho vavolombelona i Nefia fa hanangona ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Tompo—ka na rehefa tsy mitandrina ireo fanekempihavanany aza ireo vahoaka ireo dia tia azy ireo ny Tompo ary manasa azy ireo hibebaka sy hiverina any Aminy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 20

Mananatra ny vahoakany ny Tompo ary manasa azy ireo hiverina ho any Aminy

Sary
Manoratra ny amin’ny Fahaterahan’i Kristy i Isaia

Asehoy amin’ireo mpianatra ny sary mitondra ny lohateny hoe Manoratra ny amin’ny Fahaterahan’i Kristy i Isaia (62339; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 22). Hazavao fa ity hoso-doko ity dia maneho ny mpaminany Isaia manoratra faminaniana momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Anontanio hoe firy amin’izy ireo no efa nahare mikasika an’i Isaia.

Hazavao fa mpaminany niaina tany Jerosalema i Isaia ary naminany tamin’ny olona teo anelanelan’ny taona 740 talohan’i J.K. sy 701 talohan’i J.K., tsy dia ela loatra talohan’ny nandehanan’i Lehia sy ny fianakaviany ho any amin’ny tany nampanantenaina. Finaritra tamin’ny tenin’i Isaia i Nefia ary nampiasa ny faminanian’i Isaia mba hampianarany ny fianakaviany (jereo ny 1 Nefia 19:23; 2 Nefia 25:5). Matetika dia hitan’ny olona ho sarotra takarina ny fampianaran’i Isaia satria toy ny teny fampiasa amin’ny tononkalo sy feno sarin-teny ny teny ampiasainy. Na izany aza anefa dia afaka mahazo fitahiana isika rehefa mandalina ny teniny sy mikatsaka ny hahatakatra izany.

Hazavao fa rehefa nampianatra ny fianakaviany i Nefia dia namaky ny sasany tamin’ny tenin’i Isaia izay noraketina tao amin’ireo takela-barahina. Nanao izany izy mba “hahazoa[ny] mandresy lahatra tanteraka azy ireo ka hinoany ny Tompo Mpanavotra azy ireo” (1 Nefia 19:23; jereo ihany koa ny andininy faha 24).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 20:1–2. Alohan’ny hamakiany izany dia hazavao fa miresaka amin’ireo olona vita batisa izay tsy nahatoky tamin’ny fanekempihavanana nataony i Isaia ao anatin’ity andinin-tsoratra masina ity. Azonao atao ny manazava ny andian-teny “mpianakavin’i Isiraely” amin’ny alalan’ny fitantarana ity manaraka ity: Ahitana ny tantaran’i Jakôba ao amin’ny Testamenta Taloha, izay zanakalahin’i Isaka ary zafikelin’i Abrahama. Nampitondrain’ny Tompo ny anarana hoe Isiraely i Jakôba (jereo ny Genesisy 32:28). Ny teny hoe “mpianakavin’i Isiraely” dia entina hilazana ny taranak’i Jakôba sy ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Isiraely,”).

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 20:3–4, 8. Asao izy ireo hitady teny na andian-teny maneho fa tsy nahatoky tamin’ny Tompo ny mpianakavin’i Isiraely. Amporisiho ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Manehoa sombina metaly iray izay sarotra aforitra. Anontanio ireo mpianatra izay heviny mikasika ny dikan’ny hoe “hoza-by” ny hatoky ny olona iray (1 Nefia 20:4). Hazavao fa ny hozatra dia nofo mafy be mampitohy ny taolana. Tahaka ny vy izay tsy mety miforitra moramora, dia tsy hampiondrika ny hatony hanetry tena ny olona iray mpiavonavona. Ny andian-teny hoe “hoza-by”dia milaza fa maro tamin’ireo olona tao amin’ny mpianakavin’i Isiraely no feno avonavona.

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 20:22.

  • Araka ny hevitrao, nahoana ny ratsy fanahy no tsy manana fiadanam-po?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa rehefa nizara ny faminanian’i Isaia i Nefia dia namporisika ireo rahalahiny izy nanao hoe “ampiharo amin’ny tenanareo [ireo]” (1 Nefia 19:24).

  • Inona no nampitovy ireo olona tao amin’ny fianakavian’i Nefia tamin’ireo olona nantsoin’i Isaia ho amin’ny fibebahana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 20:14, 16, 20.

  • Inona no tian’ny Tompo ho atao sy holazain’ireo vahoakan’ny fanekempihavanany? (Azonao atao ny manazava fa ny hoe mandao an’i Babylôna sy ny Kaldeana dia tandindon’ny hoe mamela ny fanaon’izao tontolo izao ary manatona ny Tompo.)

Asao ireo mpianatra hizara ireo ohatra izay hitany mikasika ny olona nanatona an’i Kristy sy namela ny fanaon’izao tontolo izao. Angataho ireo mpianatra handalina ny 1 Nefia 20:18, mba hikaroka ireo fitahiana omen’ny Tompo ireo izay manatona azy sy mitandrina ny didiny.

  • Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fiadanam-po amin’ny renirano? Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fiainana amim-pahamarinana amin’ny onjan-dranomasina?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hamintina ireo fahamarinana nianaran’izy ireo tao amin’ny 1 Nefia 20. Na dia mety mampiasa teny samihafa aza izy ireo dia ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’izy ireo fa manasa ireo izay tsy nankatò hibebaka sy hiverina ho any aminy Izy.

Angataho ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Asao ireo mpianatra hisaintsaina izay hifandraisan’izany amin’ny 1 Nefia 20.

“I Satana … dia maniry antsika hahatsapa fa tsy afaka ny hahazo famelan-keloka intsony isika (jereo ny Apokalipsy 12:10). Tian’i Satana isika hieritreritra hoe rehefa nanota dia efa nihoatra an’ilay “fotoana tsy ahafahana miverina intsony” —ary efa tara loatra raha hanova ny lalantsika. …

“… Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an’ny zanany mba hanitsiana sy handresena ny vokatry ny fahotana. Tia ny zanany rehetra Andriamanitra ary tsy hitsahatra ny hitia sy hanantena antsika Izy. …

“Tonga mba hamonjy antsika i Kristy. Raha nandeha tamin’ny lalana tsy izy isika, dia afaka manome fahatokiana antsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa ny fahotana dia tsy hoe toe-javatra iray tsy ahafahana miverina intsony. Ny fiverenana hieren-doza dia tanteraka raha toa ka manaraka ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika isika. …

“… Misy foana ny toe-javatra iray ahafahana miverina tsy ho azon-doza; misy foana ny fanantenana” (“Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 99, 101).

  • Inona no mampitovy ny hafatry ny Filoha Uchtdorf amin’ny hafatr’i Isaia?

Mijoroa ho vavolombelona fa manasa ireo izay tsy mpankatò mba hibebaka sy hiverina any Aminy ny Tompo. Omeo antoka ireo mpianatra fa tia antsika tsirairay avy ny Tompo ary manasa antsika lalandava ny hanatona Azy. Asao izy ireo hisaintsaina ny zavatra hanasan’ny Tompo azy ireo mba havela mba hahafahan’izy ireo manatona azy bebe kokoa.

1 Nefia 21:1–17

Naminany i Isaia fa tsy hanadino ny vahoakan’ny fanekempihavanany i Jesoa Kristy

Fintino fohifohy ny 1 Nefia 21:1–13 amin’ny alalan’ny fisintonana ny sain’ny mpianatra amin’ireo fehezanteny roa voalohany ao amin’ny sasin-tenin’ilay toko: “Ho fahazavana ho an’ ny Jentilisa ny Mesia ary hanafaka ny mpifatotra” sy ny hoe “Hangonina amin-kery i Isiraely amin’ ny andro farany.” Hazavao fa ao amin’ny andininy 1–13, dia mampahafantatra ny fitiavany ny olony ny tenin’ny Tompo—eny fa na dia ireo nivily lalana sy nanadino Azy aza.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Tia antsika ny Tompo ary tsy hanadino antsika mihitsy Izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 21:14.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana ny olona no mahatsapa indraindray fa nanadino azy ireo ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 21:15–16. Aorian’izay dia apetraho ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana ireto na izy rehetra:

  • Inona no ampianarin’i Isaia amin’ny alalan’ny fampitahana ny Mpamonjy tamin’ny renin’ny zazakely iray?

  • Inona no tian’ny teny hoe tombokavatsa ambara? (Azonao atao ny manazava fa matetika isika no mieritreritra ny zavatra sokirina ho eo amin’ny vato na vy mba tsy hialan’izany eo intsony.)

  • Midika inona aminao izany hoe atao tombokavatsa “eo amin’ ny felatana[n’ny Mpamonjy]” izany?

  • Inona no zavatra niainanao ka nanampy anao mba hahafantatra fa tsy nanadino anao ny Tompo?

Rehefa mieritreritra mikasika ireo fanontaniana ireo ny mpianatra ary mifampihaino ny valintenin’ny tsirairay avy dia ho voaomana hahatsapa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy izy ireo. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Mpamonjy. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nizara ny faminanian’i Isaia i Nefia mba handresena lahatra antsika mba hino ny Mpanavotra sy hanampiana antsika hanana fanantenana.

1 Nefia 21:18–26; 22:1–22

Nanazava ny faminanian’i Isaia momba ny fanaparitahana sy ny fanangonana an’i Isiraely i Nefia

Apetraho miaraka eo ambony latabatra na seza ny zavatra maromaro (toy ny kaopy). Ampahafantaro ireo mpianatra fa maneho vondron’olona ireo zavatra ireo. Hazavao fa i Nefia dia nampianatra fa haparitaka manerana ny firenena rehetra i Isiraely satria nanamafy ny fony nanohitra ny Mpamonjy izy ireo (jereo ny 1 Nefia 22:1–5). Eo am-pitenenanao dia afindrao amin’ny faritra samy hafa ao amin’ilay efitrano ireo zavatra ireo. Hazavao fa zavatra iray tena nanan-danja tamin’i Nefia izany. Anisan’ireo niharan’ny fanaparitahana ny fianakaviany. Naparitaka niala an’i Jerosalema izy ireo, ny tany niaviany, noho ny faharatsiam-panahin’ny olona nonina tao amin’ilay toerana.

Asao ny mpianatra hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 21:22–23 sy 22:6–8. Alohan’ny hamakian’izy ireo dia hazavao fa ny 1 Nefia 21 dia hahita faminaniana nataon’i Isaia mikasika ny fanangonana an’i Isiraely ary ny 1 Nefia 22 dia hahitana ny fampianaran’i Nefia momba ny faminanian’i Isaia.

  • Inona ilay “asa iray mahatalanjona” voalaza ao amin’ny 1 Nefia 22:7–8? (Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Filazantsara)

  • Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fizarana ny filazantsara amin’ny fitondrana ny hafa eo an-tsandrintsika na eo an-tsorotsika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fanaparitahana sy ny fanangonana an’i Isiraely dia azonao atao ny mamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Nahoana i Isiraely no naely patrana? Mazava ny valiny, tsotra izany, ary tsy misy ahiahy ny amin’izany. Naely patrana ireo Israelita razantsika satria nandà ny filazantsara izy ireo, nandoto ny fisoronana, nandà ny fiangonana, ary niala tao amin’ny fanjakana. …

“Inona avy ary izany no tafiditra ao anatin’ny fampodiana an’i Isiraely? Ny fampodiana an’i Isiraely dia ny mino sy manaiky ary miaina tsy misy fanoherana ireo zavatra rehetra nomen’ny Tompo ireo vahoaka voafidiny fahiny tany aloha tany. … Izany dia ny finoana ny filazantsara sy ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana ary ny miditra ao amin’ny fanjakana. … Mety ho ny fanangonana eo amin’ny toerana iray voatendry na tany hiderana an’Andriamanitra ihany koa izany” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 515).

Vakio ny 1 Nefia 22:9–12. Hazavao fa rehefa milaza ny soratra masina hoe “mampihanjaka ny sandriny” ny Tompo, dia ny Tompo maneho ny heriny no tiany ambara.

  • Ao amin’ny 1 Nefia 22:11, inona no nolazain’i Nefia fa ho ataon’ny Tompo amin’ny andro farany mba hanehoany ny heriny?

  • Ahoana no fomba hanampian’ny fanangonana ny olona ho amin’ny Fiangonana amin’ny fanalana azy ireo amin’ny fahababoana sy ny haizina?

Asao ireo mpianatra haka ireo zavatra napetraka manerana ny efitrano ary hitondra azy ireo hiverina amin’ny toerana iray. Hazavao fa ny fampodiana dia mety ho ara-panahy ary ara-batana ihany koa. Rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika, atao batisa izy ireo, ary mandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina, dia angonina ara-panahy ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo izy ireo. Nandritra ireo fotoana niandohan’ny Fiangonana dia nasaina ireo mpikambana vaovao mba hivondrona tamin’ny toerana iray (ohatra, Kirtland, Ohio; Nauvoo, Illinois; ary Salt Lake City, Utah). Amin’izao fotoana izao dia amporisihina ireo mpikambana vao niova fo mba hanangana Fiangonana na aiza na aiza no misy azy ireo ary hivory ao amin’ny sampana sy paroasy ary tsatòka eo an-toerana.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 22:25, inona ireo fitahiana tonga amin’ireo izay ampodian’ny Tompo? Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe “andiany iray”? (Azonao atao ny manazava fa ny hoe vala dia toerana iray izay hiarovana ireo andian’ondry.) Araka ny eritreritrao, midika inona ny hoe “[mahita] ahi-maitso”?

Amin’izao androntsika izao dia manasa ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra Andriamanitra mba hanampy amin’ny fanangonana “ny zanany avy amin’ ny vazan-tany” (1 Nefia 22:25). Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia nampanantena ny hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara sy hampody an’i Isiraely amin’ny andro farany.

  • Araka ny eritreritrao, ho toy ny ahoana ny zavatra tsapan’ireo nangonina (mpikambana vaovao) mikasika ireo izay nanangona azy ireo (ireo izay nizara ny filazantsara tamin’izy ireo)?

  • Inona no azonao atao mba hizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa namaky ny tenin’i Isaia i Nefia mba hanampiana ireo olona tao amin’ny fianakaviany hanana finoana sy fanantenana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy. Ny faminanian’i Isaia sy ny fijoroan’i Nefia ho vavolombelona dia afaka manampy antsika amin’ny fomba mitovy. Mijoroa ho vavolombelona fa tsy hanadino antsika ary mikatsaka amim-pahavitrihana ny hanangona antsika i Jesoa Kristy.

Famerenana ny 1 Nefia

Makà fotoana kely hamerenana ny 1 Nefia amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra mba hamerenany ireo zavatra nianarany nandritra ny seminera sy ny fandalinana manokana efa nataon’izy ireo tamin’ity taona ity. Mety hamporisika azy ireo hamerina hijery ny sasin-teny ao amin’ny 1 Nefia ianao. Asao izy ireo hiomana hizara zavatra avy ao amin’ny bokin’i 1 Nefia izay nanazava ny saina amam-panahiny na nampahery ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Rehefa avy nomena ny fotoana ilaina izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny heviny sy ny fahatsapany. Zarao ny iray amin’ireo zavatra niainanao mikasika ny fomba nitahian’ireo fampianarana ao amin’ny 1 Nefia ny fiainanao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 21:15–16. Tsy hanadino i Jesoa Kristy

Nizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana ao amin’ny 1 Nefia 21:15–16 ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Ity andinin-tsoratra masina miendrika tonon-kalo ity dia mbola manome fampahatsiahivana momba ny anjara andraikitr’i Kristy mba hamonjy, dia ilay andraikitry ny ray aman-dreny mpiaro sy mpanavotra ny zanak’i Ziona. Mampionona ny olony Izy ary maneho famindram-po rehefa ampahoriana izy ireo, toy izay ataon’ny ray sy reny rehetra amin’ny zanaka iray, saingy mihoatra lavitra noho izay azon’ny ray sy reny ara-nofo atao izany araka izay ampahatsiahivin’i Nefia antsika amin’ny alalan’ny tenin’i Isaia. Na dia mety hanadino ny zanany minono aza ny reny iray (na dia mety ho hafa be aza no hiheveran’ireo ray aman-dreny rehetra ny mety ho dikan’izany), dia tsy hanadino ireo zanaka izay navotany izy na ny fanekempihavanana nataony tamin’izy ireo ho famonjena ao Ziona” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 84).

1 Nefia 22:6–9. “Firenena iray matanjaka” sy “asa iray mahatalanjona”

Nampianatra ny Loholona Mark E. Petersen tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ao amin’ny 1 Nefia 22:7, ny andian-teny hoe “firenena iray matanjaka eo anivon’ny Jentilisa” dia entina hilazana an’i Etazonia (jereo ny “The Great Prologue” [lahateny natao tao Brigham Young University, 29 Sept. 1974], 4, speeches.byu.edu).

Ao amin’ny 1 Nefia 22:8, dia miresaka mikasika ny “asa iray mahatalanjona eo anivon’ny Jentilisa” amin’ny andro farany i Nefia. Ity asa lehibe ity dia hahitana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fanalahidin’ny fisoronana ilaina mba hitondrana ireo fanekempihavanan’ Andriamanitra amin’ny “foko rehetra amin’ny tany” (1 Nefia 22:9).

Ireo zava-nitranga voalaza ao amin’ny 1 Nefia 22:7 ireo dia tsy maintsy nialoha ireo izay voalaza ao amin’ny 1 Nefia 22:8–9. Tany amin’ny fiandohan’ireo taona ao amin’ny taona 1800 dia fivavahana noteren’ny fanjakana avokoa no hita tao amin’ny ankamaroan’ireo firenena. Ny filazantsara dia tsy afaka naverina tamin’ny laoniny afa-tsy tao amin’ny firenena iray izay nametraka tamin’ny alalan’ny lalàna ny fahalalahana ara-pivavahana sy namela izany ho azo atao tamim-pahalalahana. Ny Fanovana Voalohany ao amin’ny Lalam-panorenana ao Etazonia dia hahitana ny fanambarana ny fahalalahana ara-pivavahana. Ity fanovana ity sy ny hafa koa dia nekena tamin’ny 15 Desambra 1791, izay nanome fahalalahana ara-pivavahana mba ho tafapetraka eo amin’ny tontolon’ny fandrosoana. Teraka tamin’ny Desambra 1805 i Joseph Smith, 14 taona monja taorian’ny nanekena ireo fanovana ny Lalam-panorenan’i Etazonia ireo.

Hamoaka printy