Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana faha 9


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

2 Nefia 32Jakôba 4 (Fizarana faha 9)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana manaraka ity izay mamintina ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra tamin’izy ireo nandalina ny 2 Nefia 32Jakôba 4 (Fizarana faha 9) dia tsy natao ho ampianarina mandritra ny lesona ataonao. Ny lesona izay ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny fotopampianarana sy fitsipika vitsivitsy amin’izy ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ianao.

Andro 1 (2 Nefia 32)

Raha nandalina ny 2 Nefia 32 ireo mpianatra dia nianatra fa rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika izay tokony hataontsika. Nianaran’izy ireo koa fa raha mivavaka mandrakariva isika dia ho vitantsika ny manao izay rehetra tian’ny Tompo hataontsika mba hahasoa ny fanahintsika. Io lesona io dia nanasa ireo mpianatra handray tsara ao anatin’ny 24 ora izay zavatra nianarany mikasika ny fivavahana mandrakariva.

Andro 2 (2 Nefia 33)

Tao anatin’ity lesona ity izay mikasika ny fijoroana ho vavolombelona farany nataon’i Nefia, dia nianatra ireo mpianatra fa isika no misafidy hoe hanokatra ny fontsika amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina na tsia. Namerina nijery ny 1 Nefia sy 2 Nefia koa izy ireo, ka nisafidy andinin-tsoratra masina iray izay nitaona azy ireo hanao ny tsara na hino an’i Kristy.

Andro 3 (Jakôba 1–2)

Nandritra ny leson’izy ireo mikasika ny Jakôba 1–2, dia nianatra ireo mpianatra fa miasa mafy ireo mpiatrika ao amin’ny fisoronana mba hanampiana antsika hanatona an’i Kristy ary nomen’Andriamanitra andraikitra izy ireo mba hampianatra ny tenin’Andriamanitra sy hampitandrina amin’ny fahotana. Raha nandalina ny toritenin’i Jakôba ireo mpianatra dia nianatra fa tokony hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra isika alohan’ny zavatra hafa rehetra. Nanoratra tao amin’ny diary fandalinany soratra masina izy ireo mikasika ny fomba iray azon’izy ireo hampiasana ireo fitahiana sy fahafahana nomen’Andriamanitra azy ireo mba hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra sy hitahiana ny fiainan’ny hafa. Nifantohan’izy ireo koa ilay fahamarinana hoe finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny olon-drehetra ny Tompo, na ny lehilahy na ny vehivavy. Nasaina nandinika izy ireo hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena mitahy ireo fianakaviana sy mahafaly ny Tompo.

Andro 4 (Jakôba 3–4)

Raha nanohy nandalina ny toritenin’i Jakôba ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa hampionona ireo madio am-po ny Tompo ao anatin’ny fahorian’izy ireo. Ity fotopampianarana ity no nifantohan’ny lesona: Afaka ny ho feno fanantenana isika sy hihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nanoratra ireo mpianatra mikasika ny antony mahatonga azy ireo manokana haniry hijoro ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana.

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra fa i Nefia dia nijoro ho vavolombelona mikasika ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy. Hanana fahafahana ireo mpianatra hizara hoe ahoana no ahafahan’ny tenin’i Jakôba hanampy azy ireo handresy ny avonavona sy hampiasa ny fitahiana azon’izy ireo tamin’Andriamanitra hananganana ny Fanjakany. Hanana fahafahana izy ireo hampiasa ireo fitsipika sy fotopampianarana nianaran’izy ireo tao amin’ny Jakôba 2 mba hifanakalozana hevitra momba ny maha zava-dehibe ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra mikasika ny fahadiovam-pitondrantena. Hifanakalo hevitra izy ireo mikasika ireo fomba hitadiavana fahafahana hiresahana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 32–33

Manoro hevitra antsika i Nefia mba hikatsaka ny fitarihan’Andriamanitra ao anatin’ny tenin’i Jesoa Kristy

Atombohy amin’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto ny lesona:

  • Inona no anisan’ny fanatanjahantena na fialamboly tianao indrindra?

  • Inona avy ireo fahaiza-manao fototra izay tsy maintsy izaranao ampiharina matetika raha te hamiratra amin’io fanatanjahan-tena na io taranja io?

  • Inona no mitranga raha tsy miraharaha ny fizarana mampihatra ireo fahaiza-manao fototra ireo ny olona iray?

Lazao ireo mpianatra fa misy zavatra fototra atao izay manasa ny Fanahy Masina hanome antsika fitarihana avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tabilao ity na manomana taratasy zaraina misy an’io tabilao io.

Vavaka

Fandraisana Fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina

Fandalinana ny soratra masina

2 Nefia 32:8–9

2 Nefia 32:5; 33:1–2

2 Nefia 32:3; 33:4

Asao ny mpianatra tsirairay hisafidy iray amin’ireo asa atao ao amin’ilay tabilao ary hamaky ny andinin-tsoratra masina mifanandrify amin’izany.Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra na ho vondrona kely maromaro. Asao ireo mpianatra hifandimby hizara hoe tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny vavaka sy ny fandraisana fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina ary ny fandalinana ny soratra masina nanampy azy ireo handray fitarihana avy amin’Andriamanitra.

Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra mba hitatitra hoe fomba ahoana no nahazoan’izy ireo fanampiana tamin’ny alalan’ny torolalana nomen’ny Loholona David A. Bednar mikasika ilay didy hoe mivavaha mandrakariva. Azonao atao koa ny manontany azy ireo hoe ahoana no fomba nihatsaran’ny vavaka ataon’izy ireo tamin’ny alalan’ilay asa nampanaovina hoe mandray tsara ao anatin’ny 24 ora izay zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny fivavahana mandrakariva. (Tao amin’ny andro 1 no nisy an’ireo asa nampanaovina ireo.)

Jakôba 1–2

Nohelohan’i Jakôba ny vahoakany noho ny fitiavan-karena sy ny avonavona ary ny fahavetavetan’izy ireo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny manaraka ireto: Satria ny olona sasany dia efa manana … betsaka kokoa noho ny hafa, dia mety halaim-panahy izy ireo hihevitra ho tsara kokoa noho ny hafa.

Asao ireo mpianatra hanolotra teny samihafa izay azo hamenoana io filazana io. Ny mety ho valiny dia vola, harena, fahaizana mihira, fahaizana fanatanjahantena, talenta, fahalalana, faharanitan-tsaina, fahafahana hitombo, fahalalana filazantsara, ary fananana. Asao ireo mpianatra handinika amim-pahanginana raha toa ka efa nisy fotoana naha marina io filazana io miaraka amin’izay teny naroson’izy ireo, raha ny tenan’izy ireo no resahana.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa noho ny fitiavan’i Jakôba ny vahoakany sy noho ny fankatoavany ny didin’ny Tompo, dia nampitandrina ny olony izy noho ny fahalemen’izy ireo sy ny fahotan’izy ireo. Asao ireo mpianatra hamaky ny Jakôba 2:12–13 ary hanolotra fomba azon’izy ireo hamenoana ny fehezanteny eo amin’ny solaitrabe mba hahatonga izany ho afaka mamaritra ny sasantsasany amin’ireo Nefita nandritra ny asa fanompoan’i Jakôba.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Jakôba 2:17–21 ary hitady teny manoro hevitra izay afaka manampy azy ireo handresy ny avonavona. (Mety efa nasian’izy ireo marika ireo teny ireo nandritra ny fandalinana nataon’izy ireo manokana.) Asao ireo mpianatra hizara ny sasantsasany amin’ireo teny fanoroana hevitra izay hitan’izy ireo ary hanazava hoe fomba ahoana no nanampian’izany teny izany azy ireo handresy ny avonavona.

Hazavao fa ireo andininy ireo dia mampianatra ity fahamarinana manaraka ity: Tokony hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra isika alohan’ny zavatra hafa rehetra. Asao ny mpianatra maromaro hizara fomba iray azon’izy ireo ampiasana ireo tombontsoa sy fahafaha-manao nomen’ny Tompo azy ireo mba hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra sy hitahiana ny hafa.

Mba hanomanana ireo mpianatra hamerina hijery ireo fampianaran’i Jakôba mikasika ny fahadiovam-pitondrantena ara-nofo dia asao izy ireo haka sary an-tsaina hoe nisy olona nanontany azy ireo ny antony hinoan’izy ireo fa tokony hiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Asao ireo mpianatra hamaky ny Jakôba 2:28–35 mba hanampy azy ireo hamaly io fanontaniana io. Mety hanampy ny fampahatsiahivana azy ireo fa nianatra ity fahamarinana ity izy ireo nandritra ny fandalinana manokana nataony: Finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo. Nohalalin’izy ireo ihany koa ireo voka-dratsin’ny fahavetavetana izay voafaritra ao anatin’ireo andininy ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny fomba izay hanazavan’izy ireo ny fomba hamaliana io fanontaniana io, raha mifototra amin’ny Jakôba 2:28–35.

Anontanio hoe: Araka ny Jakôba 2:27, dia inona no “tenin’ny Tompo” mikasika ny fananana vady mihoatra ny iray? (Ataovy izay hampazava tsara fa ny Tompo dia nandidy fa ny lehilahy iray dia tsy tokony hanambady afa-tsy vehivavy iray ihany.)

Mariho fa nisy fotoana teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona nandidian’ny Tompo ny vahoakany hampihatra ny fanambadiana maro. Ohatra, tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia nampihatra ny fanambadiana maro i Abrahama sy i Sara (jereo ny Genesisy 16:1–3; F&F 132:34–35, 37) ary i Isaka zanak’izy ireo ary i Jakôba zafikelin’izy ireo (jereo ny F&F 132:37), ary nisy fotoana koa nampiharana izany nandritra ny fiandohan’ny tantaran’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny F&F 132:32–33, 53). Saingy tamin’ny taona 1890 dia nandidy an’i Wilford Woodruff mpaminaniny Andriamanitra hampitsahatra ny fanambadiana vady maro (jereo ny F&F, Filazana Ofisialy 1).

Omeo fotoana ireo mpianatra handinika hoe fomba ahoana no hahatonga ireo safidy ataon’izy ireo mba ho madio fitondrantena sy ho madio hahafinaritra ny Tompo sy ny hafa. Asao izy ireo hanazava hoe ahoana no ahafahan’ny fitandreman’izy ireo ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena amin’izao fotoana izao hitahy azy ireo sy ny fianakaviany—amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy. Hazavao ny fomba nahazoanao sy ny fianakavianao fitahiana noho ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Jakôba 3–4

Mamporisika ny vahoakany i Jakôba hibebaka sy hahazo fanantenana hoe afaka miverina eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo

Asio sary kelin’i Jesoa Kristy eo afovoan’ny solaitrabe, na ny peta-drindrina iray, na ny taratasy iray. Manorata manodidina ilay sary teny vitsivitsy izay maneho zavatra mety hampiala ny fifantohan’ny olona tsy hiantefa any amin’ny Mpamonjy sy ny Filazantsarany. Asaivo mijery ao amin’ny Jakôba 4:14 ireo mpianatra. Hazavao fa io andininy io dia ahitana ny teny hoe “fibanjinana ny any ivelan’ny tanjona.” Anontanio azy ireo hoe inona no tiana hambara amin’ny hoe “tanjona” tao anatin’ity andininy ity. (Ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe “ilay tanjona dia i Kristy” [“Jesus of Nazareth, Savior and King,” Ensign, Des. 2007, 45].) Rehefa avy nizara io fanazavana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 4:14–15.

Anontanio hoe: inona araka ny eritreritrao no mety ho hevitry ny hoe mibanjina ny any ivelan’ny tanjona? (Mampifantoka ny fiainantsika amin’ny zavatra hafa ankoatra ny Mpamonjy sy ny Filazantsarany.)

Asao ireo mpianatra hamaky ny Jakôba 4:4–12 ary hamantatra antony maro nahatonga an’i Jakôba hino an’i Jesoa Kristy sy hahatsapa fa zava-dehibe ny mampahafantatra ny hafa mikasika ny Sorompanavotana. Ho vokatr’izany fifanakalozan-kevitra izany dia ataovy izay hampazava tsara ity fahamarinana ity: Afaka ny ho feno fanantenana isika sy hihavana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Sorompanavotana.

Zarao ny fahatsapanao fankasitrahana noho ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ilay “tanjona” izay tokony hampifantohantsika ny fiainantsika. Mba hamaranana ny lesona dia asao ireo mpianatra handinika izay hataon’izy ireo mba hifantohana amin’ny Mpamonjy mandritra ireo andro vitsivitsy ho avy.

Fizarana manaraka (Jakôba 5 ka hatramin’i Ômnia)

Anontanio ireo mpianatra hoe: Inona izany hoe olona antikristy? Ahoana no ho fomba hamalianao ny olona iray izay antikristy? Rehefa mamaky ireo soratra masina ao amin’ny fizarana manaraka ianao dia mariho izay nolazain’i Jakôba sy izay nataony rehefa nifanehitra tamin’i Serema, izay antikristy. Tadiavo ihany koa ireo fitahiana izay azon’i Enôsa noho izy nikatsaka an’Andriamanitra tamin’ny fony manontolo, nivavaka nandritra ny manontolo andro ka hatramin’ny alina. Tadiavo ireo antony nahatonga ireo Nefita nandao ny tany lovan’izy ireo voalohany ka lasa nitambatra tamin’ireo Miolekita.

Hamoaka printy