Tahirim-pitaovana
Lesona 127: 3 Nefia 18


Lesona 127

3 Nefia 18

Fampidirana

Rehefa namarana ny andro voalohany nanaovany asa fanompoana teo anivon’ny Nefita i Jesoa Kristy, dia nanatanteraka ny fanasan’ny Tompo Izy. Nandidy azy ireo Izy mba handray ny fanasan’ny Tompo sy hivavaka mandrakariva amin’ny Ray ary handray ny rehetra ho namany. Nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay mankatò ny Mpamonjy. Avy eo Izy dia nanome torolalana ireo mpianatra Nefita roambinifolo mikasika ny asa fanompoany ao amin’ny Fiangonana. Alohan’ny niakarany tany an-danitra dia nanome azy ireo ny fahefana hanome ny fanomezan’ny Fanahy Masina Izy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 18:1–14

Nanatanteraka ny Fanasan’ny Tompo teo amin’ireo Nefita i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Gerald N. Lund ao amin’ny Fitopololahy. (Lazao amin’ireo mpianatra fa ny anarana hoe Czenkusch dia tononina hoe “ZEN-kush.”) Amporisiho ireo mpianatra mba hieritreritra hoe mety ho nanao ahoana raha izy ireo no ilay mpihanika tendrombohitra izay voalazan’ny Loholona Lund.

“Fotoana vitsivitsy lasa izay dia nisy lahatsoratra mahaliana mikasika ny mpihanika tendrombohitra iray tao amin’ny gazety boky iray momba ny fahasalamana. …

“Miresaka momba ny lehilahy iray antsoina hoe Czenkusch izay mitantana sekoly mampianatra fihanihana tendrombohitra ilay lahatsoratra. … Nanazava tamin’ny mpanao gazety nanontany azy i Czenkusch mikasika ny rafitry ny tady ifaharana fiarovana amin’ny loza amin’ny fihanihana tendrombohitra. Izany no rafitra fiarovan-tenan’ireo mpihanika tendrombohitra mba tsy hianjera. Misy mpihanika tendrombohitra iray tonga eo amin’ny toerana tsy atahorana ary mamatotra ilay tady ho an’ilay mpihanika tendrombohitra iray hafa izay mazàna no mifatotra manodidina ny vatany. Ny hoe ’Efa tsara fahatra ianao,’ dia midika hoe ’Efa azo antoka ilay tadinao. Raha misy zavatra mitranga, dia hiaro anao tsy hianjera aho.’ Ampahany manan-danja amin’ny fihanihana tendrombohitra izany. Henoy indray ary ny zavatra nitranga manaraka ao amin’ilay lahatsoratra: ’Ny fifaharana amin’ny tady aro loza no nahitan’i Czenkusch ny fotoana tsara indrindra sy ratsy indrindra tamin’ny fihanihany tendrombohitra. Indray mandeha dia nianjera avy eny amin’ny hantsana iray lehibe i Czenkusch, namikitra tamin’ny zavatra telo nihazona azy izy ary nisintona ilay olona mpihazona ny tady aro lozany hiala tamin’ny sisiny marimarin’ny harambato. Tafajanona izy, nitsimbadimbadika 300 metatra niala tamin’ny tany rehefa nampijanona ny fianjerany ilay mpihazona ny tady aro lozany [i Don] tamin’ny alalan’ny herin’ny sandriny izay novelariny. “Nanavotra ny aiko i Don,” hoy Czenkusch. “Ahoana no ho fihetsikao amin’ny olona tahaka izany? Manome azy tady fihanihana tendrombohitra hatao fanomezana amin’ny Krismasy ve? Tsia, mahatsiaro azy ianao. Tsaroanao mandrakariva izy”’ [Eric G. Anderson, “The Vertical Wilderness,” Private Practice, Nôvambra 1979, 21; nampiana fanamafisana]” (“The Grace and Mercy of Jesus Christ,” ao amin’ny Jesus Christ: Son of God, Savior, ed. Paul H. Peterson, Gary L. Hatch, ary Laura D. Card [2002], 48).

  • Nahoana araka ny hevitrao tendrombohitra no nahatsapa ilay mpihanika tendrombohitra fa tsy fomba fanehoana fisaorana tsara ny manome fanomezana azo tsapain-tanana ho an’ilay olona nanavotra azy?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 18:1–7 mba hitady ny zavatra nasain’ny Mpamonjy hataon’ireo Nefita ho fahatsiarovana Azy. (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ny teny hoe fahatsiarovana sy mahatsiaro ao amin’ny 3 Nefia 18:7.) Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hanampian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo antsika hahatsiaro ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 18:7, inona no tokony hotsaroan’ireo Nefita rehefa nandray ny mofo izy ireo?

Omeo fotoana ny mpianatra mba hijereny indray ny 3 Nefia 11:14–15. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Nahoana no mety ho nisy heviny manan-danja manokana ho an’ireo Nefita ny fahatsiarovana ny vatan’ny Mpamonjy?

  • Na dia tsy nahita ireo holatra teo amin’ny vatan’ny Mpamonjy tahaka ireo Nefita aza ianareo, nahoana no mbola manan-danja aminareo ny mandray ny mofo amin’ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ny vatan’ny” Mpamonjy? (F&F 20:77).

  • Inona no azonareo atao mba hahatsiarovana mandrakariva ny Mpamonjy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa …

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 18:8–11 mba hitady ireo teny na andianteny izay mameno ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara izay zavatra hitany. (Azon’ireo mpianatra atao ny mameno ilay fehezanteny toy izao: Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa hahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy. Valiny iray hafa azo omena koa ny toy izao: Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona ny hanao izay rehetra nandidian’ny Mpamonjy antsika.)

Ampiasao ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mba hanampiana ireo mpianatra hahazo fahatakarana sy fankasitrahana lalindalina kokoa noho ny anjara asan’ny fanasan’ny Tompo amin’ny fanampiana antsika hahatsiaro ny Mpamonjy:

  • Inona avy ireo lafim-piainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoan’ny Mpamonjy izay mety hotsaroantsika mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo? (Ny valiny dia mety ahitana hoe ny fahafatesany sy ny sorompanavotany, ny fahaterahany tamim-panetren-tena, ireo fahagagana nataony sy ireo fampianarany, ny fikarakarana feno fitiavana nataony tamin’ny hafa, ary ny fankatoavany ny Ray any an-danitra.)

  • Na dia fotoana fohy ihany aza no lany amin’ny fanasan’ny Tompo dia mandrakizay kosa ny vokatry ny fiomanana amin’izany ôrdônansy izany sy ny fandraisana anjara amin’izany. Inona no azontsika hatao mba hahatsiarovana mandrakariva ny Mpamonjy aorian’ny handraisantsika ny fanasan’ny Tompo sy mandritra ny andro sisa amin’ny herinandro?

  • Manampy antsika hahatsiaro ny Mpamonjy mandritra ny herinandro ny fahitsin’ny fo sy ny fifantohantsika amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’izany antsika?

  • Inona no dikan’ny fanasan’ny Tompo raha toa ka tsy mahatsiaro Azy isika?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 18:7, 11, inona no nampanantenain’ny Mpamonjy ho an’ireo izay mandray ny fanasan’ny Tompo sy mahatsiaro Azy? (Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika ka mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy dia hanana ny Fanahiny miaraka amintsika.)

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 18:12–14 ary avy eo dia angataho ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Helamàna 5:12. Asao ireo mpianatra hafa hanaraka sy hisaintsaina ny fifandraisana misy amin’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo.

  • Ahoana no ahazoanao fanampiana hanao an’i Jesoa Kristy ho fototra hanorenanao ny fiainanao amin’ny alalan’ny fandraisanao tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro an’i Jesoa Kristy bebe kokoa dia asao izy ireo hanoratra isan’andro mandritra ny herinandro manaraka ao amin’ny kahieny, na ny diary fandalinany soratra masina, na ny diariny manokana mikasika izay zavatra ataon’izy ireo mba hahatsiarovana ny Mpamonjy. Amporisiho izy ireo hanoratra mikasika ny zavatra noeritreretiny nandritra ny fanasan’ny Tompo na ny fomba niovan’ny eritreriny, sy ny fomba fiteniny ary ny zavatra ataony noho ny fahatsiarovany ny Mpamonjy.

Araho maso ny zavatra ataon’ireo mpianatra mandritra ireo fotoam-pianarana vitsivitsy manaraka amin’ny alalan’ny famporisihina azy ireo hanohy hanoratra isan’andro. Mandritra ny herinandro, dia azonao atao ny manome azy ireo minitra vitsivitsy amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana mba hanoratana izay zavatra ataon’izy ireo ho fahatsiarovana ny Mpamonjy.

3 Nefia 18:15–25

Nampianatra ireo Nefita i Jesoa mba hivavaka mandrakariva amin’ny Ray sy hihaona miaraka matetika

Ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra. Asao ny mpianatra mpiara-miasa hiara-hamaky ny 3 Nefia 18:15–21 ary hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy antsika mba handresentsika ny fakampanahy. Rehefa avy mamaky izy ireo dia angataho ireo mpianatra mpiara-miasa hanoratra fehezanteny iray izay tsapany fa mamintina ireo fampianarana mikasika ny fandresena ny fakampanahy ireo. Angataho ny mpianatra mpiara-miasa maromaro hizara izay zavatra nosoratany. (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra hilazany ny famintinana nataony, dia tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao izy ireo Raha miambina sy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray isika, dia afaka hanohitra ireo fakampanahin’i Satana )

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny teny hoe miambina ao amin’ny 3 Nefia 18:18? (Miambina ara-panahy, malina, na mitandrina.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no tena ilaina ny sady miambina no mivavaka mba handresena ny fakampanahy?

Hamafiso fa ny 3 Nefia 18:15, 20–21 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika io andinin-tsoratra masina io amin’ny fomba miavaka mba ahafahan’izy ireo mahita izany mora foana.

  • Ahoana no fomba hanampian’ny vavaka antsika mba hijanona ho malina sy miambina raha ny ezaka ataon’i Satana haka fanahy antsika no jerena?

Asao ireo mpianatra hamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. (Azoanao atao ny manoratra ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe na mamaky azy ireo miadana mba hahafahan’ireo mpianatra manoratra izany.)

  • Ahoana no fomba nanampian’ny vavaka anao handresy ireo fakampanahin’i Satana?

  • Inona no azonao atao mba hanatsarana ireo vavaka ataonao manokana?

  • Inona ireo fitahiana hitanao avy amin’ny fivavahana miaraka amin’ny fianakavianao?

  • Inona no azonao atao mba hanampiana ny fianakavianao hanao vavaky ny mpianakavy mafonja sy manan-danja?

Raha mbola misy ny fotoana dia angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny rehetra izay zavatra nosoratany.

Angataho ny mpianatra hieritreritra olona iray izay tian’izy ireo ampiana hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao ary amporisiho ireo mpianatra hanoratra izany: Rehefa manompo ny hafa isika dia afaka manampy azy ireo hanatona an’i Kristy. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 18:22–24.

  • Inona no asain’ny Mpamonjy ataontsika mba hanampiana ny hafa hanatona Azy? (Tsy tokony handroaka ny hafa tsy hanatrika ireo fivorian’ny Fiangonantsika isika, ary tokony hivavaka ho azy ireo.)

  • Nilaza ny Mpamonjy fa Izy no fahazavana izay tokony hasandratsika avo ho an’izao tontolo izao. Ahoana no hanandratantsika tsirairay avy mandritra ny fiainantsika ny fahazavan’ny Mpamonjy?

Vakio mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra hihaino izay lazain’ny Loholona Hales fa hitranga rehefa miaina amim-pahamarinana isika.

Loholona Robert D. Hales

“Moa ve tsy ho nankasitrahan’i Jesoa raha toa isika ka mamela ny fahazavantsika hamirapiratra mba hahatonga ireo izay manara-dia antsika hanara-dia ny Mpamonjy? Ao ireo olona izay mitady ny fahazavana, izay ho handingana amim-pifaliana ny vavahadin’ny batisa mankao amin’ilay lalana ety sy tery, izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 31). Manaiky ny ho ilay fahazavana mitondra azy mankany amin’ny toerana azo antoka ve ianao?” (“That Ye May Be the Children of Light” [Brigham Young University fireside address, Nôv. 3, 1996], 8, speeches.byu.edu).

  • Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ilay fanontaniana hoe: “Moa ve tsy ho nankasitrahan’i Jesoa raha toa isika ka mamela ny fahazavantsika hamirapiratra mba hahatonga ireo izay manara-dia antsika hanara-dia ny Mpamonjy?”

Hazavao fa ny fivavahana ho an’ny hafa sy ny fanasana azy ireo hanatrika ireo fivoriam-piangonana ary ny fanehoana ohatra tahaka ny an’i Kristy dia fomba ahafahantsika manompo ny hafa. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara traikefa izay nanandratany avo ny fahazavan’ny Mpamonjy mba hanampiana olona iray hanatona ny Mpamonjy.

3 Nefia 18:26–39

Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy mba hihavana amin’ny olon-drehetra

Fintino ny 3 Nefia 18:26–39 amin’ny fanazavana fa rehefa avy niteny tamin’ny valalabemandry ny Mpamonjy, dia nitodika tany amin’ireo mpianatra roambinifolo izay nofidiany Izy ka nanome torolalana azy ireo mikasika ny fomba hitarihany sy hitondrany ny raharahan’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 18:32 mba hitady ny tokony ho fihetsika ataontsika manoloana ny olona izay nandao ny filazantsara.

  • Nahoana no zava-dehibe ny hanohizantsika ny fanompoana ireo olona nandao ny filazantsara?

Mizarà traikefa izay nanaovanao asa fanompoana ho an’ny iray amin’ireo zanak’Andriamanitra ka nanampy io olona hanatona an’i Kristy.

sary famantarana ny soratra masina fehezinaSoratra Masina Fehezina—3 Nefia 18:15, 20–21

Fanamarihana: Noho ny halavan’ity lesona ity dia azonao atao ny manomboka ny lesona manaraka amin’ity asa atao mikasika ity soratra masina fehezina manaraka ity. Na azo ampiasaina amin’ny lesona amin’ny ho avy koa ity asa atao ity rehefa manana fotoana misimisy kokoa ianao hamerenana ireo andinin-tsoratra masina fehezina.

Mandania minitra maromaro hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery ny 3 Nefia 18:15, 20–21. Soraty eny amin’ny solaitrabe avokoa ireo andininy telo ary asaivo mamerina izany amin’ny feo mafy ireo mpianatra mba hitadidiana izany. Rehefa avy namerimberina ireo andinin-tsoratra masina rehetra ireo mpianatra dia atombohy ny famafana ampahany vitsivitsy samy hafa amin’ilay andinin-tsoratra masina, ary ny mpianatra kosa etsy andanin’izay dia manohy mamerina ireo andininy rehetra. Averimbereno io fomba fianarana io mandra-paha voafafa ireo teny rehetra eny amin’ny solaitrabe.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 18:15. Mivavaha mandrakariva

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny hevitry ny hoe “mivava[k]a mandrakariva”:

Ny vavaka ataontsika ny hariva dia mifototra amin’ny vavaka maraina sy tohin’ny vavaka maraina. Ary ny vavaka ataontsika amin’ny hariva koa dia fiomanana amin’ny vavaka manan-danja ho atao ny maraina.

“Ny vavaka maraina sy hariva— ary ireo vavaka rehetra eny antenantenany—dia tsy hoe tsy mifandray na zavatra afenina fa mifandray izy ireo isan’andro ary ao anatin’ireo andro sy herinandro ary volana sy taona mihitsy aza. Izany dia isan’ny fomba entintsika hanatanterahana ilay fananarana ao amin’ny soratra masina mba ‘hivavaka mandrakariva’ (Lioka 21:36; 3 Nefia 18:15, 18; F&F 31:12). Ny vavaka manan-danja toy izany dia fitaovana ahafahana mandray ireo fitahiana avo indrindra izay tehirizin’ Andriamanitra ho an’ireo Zanany mahatoky” (“Mivavaha Mandrakariva,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 42).

3 Nefia 18:21. Mivavaha ao amin’ny fianakavianareo

Ny Filoha James E. Faust ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia niresaka momba ny herin’ny vavaky ny mpianakavy:

“Ny vavaky ny mpianakavy dia fitaomana mahery sy mitondra fankaherezana. Nandritra ny fotoana nampivarahontsana tamin’ny Ady Lehibe II, dia nisy baomba milanja 225 kilao nilatsaka teo ivelan’ny trano kelin’ny Rahalahy Patey, izay raim-pianakaviana tanora tao Liverpool, Angleterre, kanefa tsy nipoaka ilay baomba. Efa maty ny vadiny ka dia izy no nitaiza irery ireo zanany dimy. Namory azy ireo izy tamin’io fotoana feno fitaintainana io mba hanao vavaky ny mpianakavy. Nivavaka tamin-kitsimpo avokoa izy rehetra … ary rehefa vita ny vavaka nataony, dia hoy ireo ankizy hoe: “Dada a, tsy haninona isika. Tsy haninona isika ato amin’ny tranontsika anio alina.”

“’Ary rehefa izany dia nandeha natory izy ireo, alao sary an-tsaina anie izany e, miaraka amin’ilay baomba mampitahotra mipetraka ao ivelan’ny varavarana izay milentika any anaty tany ny antsasany. Raha nipoaka ilay baomba dia ho nanapotika trano efapolo na dimampolo angamba ary ho namono olona roanjato na telonjato. …

“‘Ny ampitso maraina … dia nifindra monina avokoa ireo olona teo amin’ny manodidina nandritra ny valo amby efapolo ora ary nony farany dia nesorina ilay baomba. …

“‘Rehefa teny an-dalana hody ny Rahalahy Patey dia nanontany ny tompon’andraikitry ny A.R.P. Squad mpanala baomba hoe: “Dia ahoana? Inona no hitanareo tao?”

“‘“Patey a! Nojerenay tsara ilay baomba teo ivelan’ny varavaranao ary hitanay fa vonona ny hipoaka tamin’ny fotoana rehetra ilay izy. Tsy nisy zavatra tsy nety tamin’ilay izy. Tsy fantatray mihitsy ny antony tsy nipoahany.”’ [Andre K. Anastasiou, ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1946, 26.] Misy zava-mahagaga mitranga rehefa miara-mivavaka ny mpianakavy” (“The Lifeline of Prayer,” Ensign, Mey 2002, 61).