Tahirim-pitaovana
Lesona 73: Almà 6–7


Lesona 73

Almà 6–7

Fampidirana

Rehefa avy nandamina ny Fiangonana tao Zarahemla i Almà dia nandeha nankany amin’ny tanànan’i Gideôna. Hitany fa mahatoky kokoa noho ireo tao Zarahemlà ny vahoaka tao. Noho izany dia tsy nitovy tamin’ny hafatra nomeny tao Zarahemlà ny hafatra natolony tao Gideôna. Namporisika ny vahoaka izy hiantehitra hatrany amin’ny Tompo sy hikatsaka hatrany ny hampihatra ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Nijoro ho vavolombelona izy fa ny Mpamonjy dia handray ny fahafatesana sy ny fahotantsika ho eo Aminy, ary horaisiny eo Aminy ihany koa ny fanaintainantsika sy ny fahoriantsika, sy ny aretintsika ary ny kilemantsika, mba hahafahany mahafantatra ny fomba hanampiana antsika.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 6

Nandamina ny Fiangonana tao Zarahemlà i Almà ary nandeha nitory tany Gideôna

Mialoha ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra iray hiomana ny hizara fohifohy amin’ny iray kilasy ny sasany amin’ireo fomba nahatsapany ho voatahy noho ireo ezaka ataony anatrehana any am-piangonana. Hanombohana ny lesona dia angataho io mpianatra io mba handeha eny aloha ary hizara ny hevitra izay efa nomaniny. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fomba nahazoanao fitahiana tamin’ny alalan’ny fandehanana miangona.

Ampahafantaro ny Almà 6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ity toko ity dia mampianatra ny fomba nahafahan’i Almà sy ny mpitarika hafa tao amin’ny fisoronana nanamafy orina ny Fiangonana tao Zarahemlà.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 6:4–6. Asaivo manaraka ny iray kilasy, sady mitady izay zavatra nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Zarahemlà ho an’ireo izay tsy nahafantatra an’Andriamanitra. Asao ireo mpianatra hitatitra izay zavatra nianaran’izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Ny Fiangonana dia naorina mba ho tombontsoan’ny olon-drehetra. Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’io fahamarinana io hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’izy ireo dia anontanio hoe:

  • Araka ny hevitrao, ahoana no fomba ahafahan’ny Fiangonana ankehitriny hitahy ireo izay tsy mahafantatra an’Andriamanitra?

Asao ireo mpianatra hieritreritra olona iray izay mila mahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra. Mety ho mpikamban’ny Fiangonana io olona io na mpikambana amin’ny fiangonana hafa. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana izay azontsika noho isika mpikamban’ny Fiangonana, ary amporisiho ireo mpianatra hanasa ny hafa hifampizara ireo fitahiana ireo.

Almà 7:1–13

Naminany ny fiavian’i Jesoa Kristy i Almà

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mifanakalo hevitra mikasika ny valintenin’izy ireo mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ny ekipa tsirairay:

  • Inona avy ireo zavatra hiseho amin’ny ho avy izay efa mampientanentana anao?

Rehefa avy nahazo fotoana ampy ireo ekipan’olon-droa hifanakalozana hevitra mikasika ny valintenin’izy ireo tamin’io fanontaniana io dia asaivo mizara ny valintenin’izy ireo amin’ny mpianatra rehetra ny mpianatra vitsivitsy. Hazavao avy eo fa rehefa avy nandamina ny Fiangonana tao Zarahemlà i Almà, dia nandeha nankany amin’ny tanànan’i Gideôna. Nolazainy ireo vahoaka teo fa amin’ireo zava-drehetra izay hitranga any amin’ny ho avy, dia misy iray izay “manan-danja kokoa noho ny rehetra” (Almà 7:7). Nampianatra fitsipika izy, izay hanampy ny vahoaka hiomana ho an’ireo fitahiana izay ho avy, noho io zavatra hiseho amin’ny ho avy io.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 7:3–6. Asaivo karohin’ireo mpianatra ireo fanantenana izay nananan’i Almà mikasika ny vahoaka tao Gideôna. Avy eo dia manasà mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Almà 7:18–19. Asaivo fariparitan’ireo mpianatra izay zavatra nianaran’i Almà tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy mikasika ireo vahoaka tao Gideôna.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 7:7, 9–10, sady mitady ilay zava-nitranga izay tsapan’i Almà fa nanan-danja indrindra ho an’ny vahoaka ny fahafantarana ny mikasika azy.

  • Araka ny nolazain’i Almà, dia inona ilay “zavatra iray izay [n]anan-danja kokoa” noho ny zavatra hafa rehetra izay hitranga? Nahoana, araka ny hevitrao, no ny fiavian’ny Mpamonjy no zava-nitranga manan-danja indrindra hatrizay?

  • Nahoana i Almà, araka ny hevitrao, no te hiteny amin’ny vahoaka iray izay efa nino sy nanana finoana natanjaka hoe nila nibebaka izy ireo?

Hazavao fa avy teo i Almà dia nampianatra hoe nahoana no ny fiavian’i Jesoa Kristy no zava-nitranga nanan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona manontolo. Asaivo mifandimby mamaky mafy ny ao amin’ny Almà 7:11–13 ny mpianatra vitsivitsy. Asao ny mpianatra sisa hafa hanaraka ary hamantatra izay zavatra nentin’ny Mpamonjy teo Aminy mba ho antsika.

Mariho fa ny Almà 7:11–13 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny mandroso hevitra amin’ireo mpianatra ny mba hanisian’izy ireo marika ireo andininy ireo amin’ny fomba miavaka mba hahafahan’izy ireo mahita izany mora foana.

Tanisao mitsivalana manaraka ny faritra ambony amin’ny solaitrabe ho toy ny lohateny ny valintenin’ireo mpianatra. Ireo valinteny dia mety ahitana ny hoe fanaintainana, fahoriana, fakam-panahy, aretina, fahafatesana, rofy (fahalemena na tsy fahaiza-manao), ary fahotana.

Azonao atao ny mandroso hevitra ny mba hanisian’ireo mpianatra marika ireo teny hoe “isan-karazany” ao amin’ny Almà 7:11. Asaivo manome ohatra maromaro izy ireo ho an’ny zavatra tsirairay voasoratra eny amin’ny solaitrabe. Rehefa manome ohatra ireo mpianatra dia soraty eo ambanin’ny sokajy mifanaraka aminy izany. (Ohatra hoe: ny homamiadana izay azo atao eo ambanin’ny hoe aretina, ary ny kilema ara-batana dia azo atao eo ambanin’ny hoe rofy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce C. Hafen ao amin’ny Fitopololahy:

“Ny Sorompanavotana dia tsy natao ho an’ireo mpanota ihany” (“Beauty for Ashes: The Atonement of Jesus Christ,” Ensign, Apr. 1990, 7). Azonao atao ny manoratra io filazana io eny amin’ny solaitrabe sy ny mandroso hevitra ny mba hanoratan’ireo mpianatra izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Almà 7:11–13.

  • Raha mifototra amin’izay novakiantsika tao amin’ny Almà 7:11–13, dia inona araka ny hevitrao no tian’ny Loholona Hafen nambara tamin’ny nilazany fa “Ny Sorompanavotana dia tsy natao ho an’ireo mpanota ihany”?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ary mba hanampiana antsika eo anatrehan’ireo fanamby mandritra ny fiainana an-tany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba ahafahan’izy ireo miantehitra amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Moa ve ianao eo am-pitolomana amin’ny fahazaran-dratsy iray mampiankin-doha—paraky na sigara na zava-mahadomelina na filokana, na ilay areti-mifindra mandravarava amin’izao vanim-potoana izao dia ny pôrnôgraphia? … Moa ve ianao mikorontan-tsaina eo amin’ny maha-lahy na maha-vavy anao, sa mitady ny maha ianao anao? Moa ve ianao—na ny olona iray izay tianao—miatrika aretina na fahakivian-tsaina lalina na fahafatesana? Na inona na inona dingana maro hafa ilainao atao hamahana ireo olana ireo, dia manatòna aloha ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Itokiso ireo fampanantenan’ny lanitra. …

“Io fianteherana amin’ny maha-be famindram-po an’Andriamanitra io no tena ivon’ilay filazantsara izay nampianarin’i Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia manala amintsika, tsy hoe ny enta-mavesatry ny ota ihany fa eo ihany koa ny enta-mavesatry ny fahadisoam-panantenana sy ny fahoriana, ireo ratram-pontsika sy ny fahakiviantsika. [Jereo ny Almà 7:11–12.] Hatrany am-boalohany, ny fitokisana amin’ny fanampiana toy izany dia sady natao hanome antsika antony hivoarana no natao hanome fomba hivoarana, tambiny hamporisika antsika hametraka ny enta-mavesatsika ary handray ny famonjena antsika” (“Broken Things to Mend,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 70–71).

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana ny Almà 7:11–13 hanampy antsika rehefa miatrika olana isika?

Mba hanehaoana ny fomba sasantsasany ahafahantsika mahazo fanampiana sy hery amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia vakio ireto toe-javatra manaraka ireto. Rehefa avy mamaky ny tsirairay amin’ireo, dia asaivo hazavain’ireo mpianatra ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, manampy olona iray hiatrika olana toy izany.

  1. Voan’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny fiarakodia ny zatovovavy iray ka lasa nalemy ireo tongony roa.

  2. Menatra ny zatovolahy iray noho ireo safidy ratsy izay nataony. Mahatsiaro ho kivy sy tsy misy ilana azy izy.

  3. Vao nodimandry vao tsy ela ny rain’ny zatovolahy iray, ary nifindra monina niaraka tamin’ny reniny nankany amin’ny tanàna vaovao iray hafa izy. Mahatsiaro ho malahelo sy manirery izy, ary tsy hitany izay hampiverina ny zava-drehetra ho tsara indray.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny herin’ny Sorompanavotana sy ny hoe hatraiza no takany. Avy eo dia omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra hamaliana ao amin’ny kahie na ny diary fandalinany soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fiantombohan’ny fotoana, na ny manomana taratasy hozaraina misy an’ireo fanontaniana, na ny manonona miadana tsara ireo fanontaniana mba hahafahan’ireo mpianatra mandika azy ireo.)

  • Oviana no nanampy anao, na ny olona iray fantatrao, ny Sorompanavotana tamin’ny iray amin’ireo fomba voalaza ao amin’ny Almà 7:11–13?

  • Inona no hataonao mba hianteherana amin’ny Sorompanavotana rehefa miatrika olana?

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nosoratany. (Ampahatsiahivo izy ireo fa tsy voatery hizara zavatra izay mahakasika loatra ny tena manokana na tsiambaratelo.)

Almà 7:14–27

Namporisika ny olona i Almà hanohy handroso hatrany eo amin’ilay làlana mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra

Mba hampahatsiahivana ireo mpianatra ny fomba namariparitan’i Almà ny toe-panahin’ny olona tao Gideôna, dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 7:19. Antitrantero fa ilay vahoaka dia “mby amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Hazavao fa naniry ny hanampy azy ireo i Almà hitoetra eo amin’io lalana io.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa rehefa miaina ireo fitsipiky ny filazantsara isika dia manaraka ny lalana mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra, dia manaova sarina lalana iray mitsivalana eo amin’ny solaitrabe. Asio soratra hoe Fiainana an-tany. eo amin’ny fiantombohan’ilay lalana. Asio soratra hoe Fanjakan’Andriamanitra. eo amin’ny fiafaran’ilay lalana. Zarao ho andiany roa ireo mpianatra. Asao ny andiany iray handalina ny Almà 7:14–16 ary ny andiany iray hafa handalina ny Almà 7:22–24. Asaivo tadiavin’ireo andiany roa tonta izay zavatra ilaintsika atao sy izay karazan’olona ilaintsika ahatongavana raha te-hanaraka ilay lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Rehefa avy nahazo fotoana ampy ireo mpianatra hamakiana, dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo ho eny amin’ny solaitrabe. Asaivo soratan’izy ireo eo amin’ilay lalana ireo asa atao sy ireo toetra izay hitan’izy ireo fa mitondra mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Azonao atao ny manontany ireo mpianatra hoe midika inona amin’izy ireo ny sasany amin’ireo asa atao na toetra eny amin’ilay lalana. Azonao atao ihany koa ny mangataka azy ireo hieritreritra mikasika izay fomba ahafahan’izy ireo manaraka io lalana io eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa miaina amim-pahatokiana isika dia “mby amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Almà 7:19).

Soratra Masina Fehezina—Almà 7:11–13

Koa satria ny Almà 7:11–13 dia andinin-tsoratra masina lava, dia mety ho sarotra amin’ireo mpianatra ny hahatadidy izany tsianjery. Kanefa ny fitenin’i Almà dia ahitana teny mazava izay mety hanampy ireo mpianatra hahatsiaro mandritra ny androm-piainany ny herin’ny Sorompanavotana sy ny zavatra rehetra takany. Mba hanampiana azy ireo hahatadidy ireto teny manan-danja ireto dia soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoana ny lahatsoratra ao anatin’ny Almà 7:11–13, ka soloy banga ireto teny manan-danja ireto isak’izay mipoitra: fanaintainana, fahoriana, fakam-panahy, aretina, fahafatesana, rofy, fahotana, fandikan-dalàna. (Ohatra, ny fandikanao ny Almà 7:11 dia hanomboka tahaka izao: “Ary handeha Izy, hiaritra … sy … ary … isan-karazany.”)

Rehefa miara-mamaky mafy ny Almà 7:11–13 ny iray kilasy, dia asaivo fenoin’ireo mpianatra ireo banga. Rehefa avy nahavita izany im-betsabetsaka ianareo, dia anontanio ireo mpianatra raha afaka manoratra amin’ny taratasy hafa ireo teny izay manambara izay zavatra nentin’ny Mpamonjy ho eo Aminy ho azy ireo. Asao ireo mpianatra hahatsiaro mandrakariva izay nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo, amin’izay rehefa manana olana izy ireo dia afaka manana finoana lehibe kokoa an’ilay “herin’ny fanafahany.”

Fanamarihana: Azonao atao ny maka minitra vitsivitsy amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana manaraka mba hahitana raha toa ka mbola afaka mitadidy ireo teny manan-danja ireo ny mpianatra, izay mahakasika ny maha tsy misy fetra ny zavatra takatry ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 6:6. Mifady hanina sy mivavaka ho an’ “ireo izay tsy nahalala an’ Andriamanitra”

Mba hanantitranterana fa natao ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ireo fitahiana noho ny maha mpikamban’ny Fiangonana, dia azonao atao ny mamaky ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Mivavaka ho an’ireo misiônera ny tsirairay. Enga anie mba ho toy izany hatrany. Torak’izany ihany koa, tokony hivavaka ihany koa isika ho an’ireo izay mihaona (na tokony hihaona) amin’ireo misiônera. Tao Zarahemla dia nodidiana ireo mpikambana mba ‘hiombona amin’ny fifadian-kanina sy ny faherezana mivavaka’ [Almà 6:6] ho an’ireo izay tsy mbola nitambatra tamin’ny Fiangonan’ Andriamanitra. Afaka manao tahaka izany isika.

“Afaka mivavaka ihany koa isika ho an’ireo zavatra iainantsika manokana mikasika ny asa fitoriana. Mivavaha mba ho eo ambany fitarihan’ Andriamanitra izany rehetra izany, ka ny fahafahana manao asa fitoriana izay irianao dia efa omanina ao am-pon’ny olona iray izay mangetaheta ary mitady ilay filazantsara izay anananao. ‘Fa mbola misy maro eto an-tany … ary ny hany manakana azy ireo tsy hahita ny fahamarinana dia noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny.’ [F&F 123:12.] Mivavaha mba hahitan’izy ireny anao! Ary avy eo dia aoka ho mailo, satria maro dia maro ao amin’ny tontolo misy anao no mahatsapa mosary eo amin’ny fiainan’izy ireo” (“Witnesses unto Me,” Ensign, Mey 2001, 15).

Almà 7:1–5. Ny vahoaka tao amin’ny tanin’i Gideôna

Ny Almà 7 dia ahitana ireo fampianarana nataon’i Almà ho an’ny olona izay nonina tao amin’ny tanànan’i Gideôna, izay tao amin’ny lohasahan’i Gideôna, izay “nantsoina araka ny anaran’ilay lehilahy izay novonoin’ny tanan’i Nehôra tamin-tsabatra” (Almà 6:7). I Gideôna dia mpanara-dia an’i Jesoa Kristy mahatoky izay fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra tamin’ny fanafahana ny vahoakan’i Limia hiala tamin’ny famatorana. Nanohitra ny fotopampianaran’i Nehôra izy tamin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra hatrany amin’ny fahafatesany. (Jereo ny Môsià 22:3–9; Almà 1:7–9.) Ny vahoaka izay nonina tao amin’ilay tany izay nitondra ny anaran’io lehilahy nahatoky io dia nahatoky ihany koa (Jereo ny Almà 7:17–20, 26). Afaka nanambara tamim-pifaliana teny feno fahamasinana tamin’izy ireo i Almà, izay nahalala fa nino izy ireo ary efa nifidy ny hitsaoka an’ilay Andriamanitra marina sy velona (jereo ny Almà 7:6). Mety efa nanomana azy ireo ny fahatokian’izy ireo mba handraisany ny lesona mahery vaika nataon’i Almà mikasika ny Sorompanavotana—hoe “hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony” i Jesoa Kristy, ka hoe “[hanampy] ny vahoakany arakaraka ny rofiny” Izy, ary koa hoe “maka ho eo Aminy ny fahotan’ny olony” Izy” (Almà 7:11–13).

Almà 7:10. “Ao Jerosalema” no teraka i Jesoa

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanazava ny toerana nahaterahan’ny Mpamonjy araka izay voalazan’i Almà:

“Tsy misy mifanohitra na mifanipaka ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy izay fahamarinana rehetra voarakitra ao amin’ny Baiboly. Ny famakiana amim-pitandremana tsara izay voalazan’i Almà dia hampiseho fa tsy nanana finiavana izy hanambara fa i Jesoa dia ho teraka ao Jerosalema. Nahalala tsara kokoa noho izany i Almà. Torak’izany koa i Joseph Smith sy ireo izay niaraka taminy teo amin’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna. Raha izao no voalazan’ i Almà hoe: ‘[teraka] ao Jerosalema, ilay tanànan’ ny razambentsika,’ dia ho tena hafa tanteraka. Dia ho nilaza isika hoe nanao fahadisoana izy. Tsy nanao fahadisoana akory i Almà, ary marina izay voalazany.

“Dr. Hugh Nibley, ao amin’ny fandaharam-pianarana nosoratany ho an’ny fisoronana ho an’ny taona 1957 hoe An Approach to the Book of Mormon, ao amin’ny lesona faha 8, pejy 85, dia manan-kambara an’izao zavatra izao mikasika an’io:

“‘… Isan’ireo sehatra tian’ny olona indrindra hamelezana ny Bokin’i Môrmôna ilay filazana ao amin’ny Almà 7:10 hoe ny Mpamonjy dia ho teraka “ao Jerosalema izay tanin’ ny razambentsika.” Eto ilay hoe Jerosalema dia tsy ilay tanàna “ao amin’ ny tanin’ny razambentsika,” fa ilay firenena. I Kristy dia teraka tao amin’ny tanàna kely iray sahabo ho teo amin’ny folo kilaometatra miala amin’ny tanànan’i Jerosalema; tsy tao amin’ilay tanàna, fa tany amin’ilay faritra izay fantatsika ankehitriny fa ireo olona fahiny mihitsy no niantso azy hoe “ny tanin’i Jerosalema”’” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 1:174).

Almà 7:11–13. “Fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany”

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanolotra ity hevi-baovao ity mikasika ny fampiononana izay azontsika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy:

“Hampionona antsika izany rehefa tsy maintsy miandry ao anatin’ny fijaliana an’ilay fanamaivanana nampanantenain’ny Mpamonjy isika izay hahaizany, noho ny traikefany, ny fomba hanasitranana sy hanampiana antsika. Ny Bokin’i Môrmôna dia manome toky azo antoka antsika mikasika ny heriny ahafahany mampionona. Ary ny finoana an’io hery io dia hanome faharetana antsika rehefa mivavaka sy miasa isika ary miandry fanampiana. Tokony ho azony natao ny nahalala ny fomba hanampiana antsika tamin’ny alalan’ny fandraisana fanambarana fotsiny, saingy nosafidiany ny hianatra tamin’ny alalan’ny fiainan’ny tena manokana ilay zavatra” (“Adversity,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 24).

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa afaka manampy antsika ny Mpamonjy amin’ny izay karazana olana mety atrehantsika na inona izany na inona:

“Maro no mizaka enta-mavesatra izaitsizy. Ny sasany dia namoy olona tiana iray noho ny fahafatesana na mikarakara olona iray misy fahasembanana. Ny sasany dia voaratran’ny fisaraham-panambadiana. Ny hafa indray dia maniry fanambadiana mandrakizay. Ny sasany dia andevozin’ny zava-dratsy mampiankin-doha toy ny toaka, ny sigara, ny zava-mahadomelina, na ny pôrnôgrafia. Ny hafa indray dia manana kilema ara-batana na ara-tsaina izay tena mandamaka. Ny sasany dia mitolona amin’ny olan’ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy. Ny sasany dia manana fahatsapana fahakiviana na tsy fahampian’ny fahaiza-manao mahatsiravina. …

“Ilay hery manasitran’i Jesoa Kristy Tompo—na manala ireo enta-mavesatsika izany na mampahatanjaka antsika hahafahantsika miaritra sy miaina miaraka amin’izy ireo … —dia azo ampiasaina ho an’ny fahoriana rehetra eo amin’ny fiainana an-tany” (“He Heals the Heavy Laden,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 6, 8).

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra mikasika ny fangorahan’i Kristy sy ny fahaizany manampy antsika:

“Niaina ny zavatra rehetra natao hiainan’ny olombelona rehetra mety maty i Kristy mba hahafahany mahafantatra ny fomba hamonjena sy hanatanjahana antsika ao amin’ireo fotoan-tsarotra indrindra iainantsika. Fantany ireo enta-mavesatra lalina indrindra sy tena an’ny tena manokana indrindra izay entintsika. Fantany ireo fanaintainana tena miharihary sy mandratra fo indrindra izay zakaintsika. Nidina ambanin’ireny fijaliana rehetra ireny izy mba hahafahany mampiarina antsika handinganantsika izany. Tsy misy tahotra na fahoriana na alahelo eo amin’ny fiainana ka tsy nozakainy teo amin’ny toerantsika ka nalainy mba ho eo amin’ireo soroka mahery sy feno fangorahana izay Azy manokana” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 223–24).

Hamoaka printy