Tahirim-pitaovana
Jakôba


Fampahafantarana NY Bokin’ i Jakôba

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny bokin’i Jakôba ireo mpianatra dia afaka mianatra lesona manan-danja avy amin’ny lehilahy iray izay nanana finoana tsy voahozongozona an’i Jesoa Kristy. Namerimberina nijoro ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy i Jakôba ary nanasa ny vahoakany sy ireo izay hamaky ny teny nosoratany mba hibebaka. Nampianariny ary nasehony ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana amim-pahazotoana ireo antso avy any amin’ny Tompo. Nampitandrina ny vahoakany izy mikasika ny loza mety ateraky ny avonavona sy ny fitiavan-karena ary ny tsy fahadiovam-pitondrantena. I Jakôba dia nitantara ary nanao fanamarihana momba ny fanoharana nataon’i Zenôsa mikasika ireo hazo oliva, izay maneho ireo ezaka tsy nitandro hasasarana nataon’ny Mpamonjy mba hanatanterahana ny famonjena an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra, ary manolotra topimaso mamintina ireo fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny mpianakavin’i Isiraely.Tamin’ny nihaonan’i Jakôba tamin’i Serema, izay antikristy, dia nasehon’i Jakôba ny fomba hamaliana amim-pahamarinana ireo izay mametra-panontaniana na manakiana ny finoantsika.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Jakôba, zanakalahin’i Sarià sy Lehia fahadimy, no nanoratra ity boky ity. Teraka tany an-tany foana izy, nandritra ny dian’ny fianakavian’i Lehia ho any amin’ny tany nampanantenaina. Nandritra ny fahatanorany i Jakôba dia “niaritra fahoriana sy alahelo betsaka […] noho ny halozan’ ny rahalahin[y]” (2 Nefia 2:1). Kanefa dia nampanantenain’i Lehia i Jakôba fa Andriamanitra dia “hanokana ny fahorian[y] ho tombotsoan[y]” ary handany ny androm-piainany izy amin’ ny “fanompoana ny Andriamani[ny]” (2 Nefia 2:2–3). Nanditra ny fahatanorany i Jakôba dia nahita ny voninahitry ny Mpamonjy (jereo ny 2 Nefia 2:3–4). Nohosoran’i Nefia i Jakôba mba ho mpisorona sy mpampianatra ireo Nefita (jereo ny 2 Nefia 5:26) ary taty aoriana dia nankininy taminy ireo takelaka kelin’i Nefia (jereo ny Jakôba 1:1–4). Amin’ny maha mpitarika sy mpampianatra mahatoky an’i Jakôba tao amin’ny fisoronana dia niasa tamim-pahazotoana izy mba handresena lahatra ny vahoakany hino an’i Kristy (jereo ny Jakôba 1:7). Naharay fanambarana maromaro izy mikasika ny Mpamonjy, niaina ny asa fanompoan’ny anjely, nahare ny feon’ny Tompo (jereo ny Jakôba 7:5), ary nahita ny Mpanavotra azy (jereo ny 2 Nefia 11:2–3). I Jakôba no rain’i Enôsa, izay nanolorany ireo takelaka talohan’ny nahafatesany.

Ho an’iza no nanoratana io boky io ary nahoana?

I Nefia dia nanome torolalana an’i Jakôba mba hirakitra ireo fampianarana masina sy fanambarana ary faminaniana “noho ny amin’ i Kristy sy noho ny amin’ ny olon[y]” (Jakôba 1:4). Nankatò io torolalana io i Jakôba ary nitahiry ireo soratra izay “noheveri[ny] ho tena sarobidy indrindra” (Jakôba 1:2). Nanoratra izy hoe: “Ary miasa amim-pahazotoana tokoa izahay mba hisokitra ireo teny ireo eo amin’ ny takelaka ka manantena fa ny rahalahy malalanay sy ny zanakay dia handray azy ireny amin’ ny fo feno fisaorana. … Satria noho izany fikasana izany no efa nanoratanay ireto zavatra ireto dia ny hahazony mahafantatra fa izahay dia nahalala ny amin’ i Kristy, ary nanananay ny fanantenana ny voninahiny, taon-jato maro talohan’ ny fiaviany” (Jakôba 4:3–4). Niresaka momba ny lohahevitra iray izay ifotoran’ny asa soratra nataony i Jakôba raha nanamarika hoe “fa nahoana no tsy iresaka ny momba ny sorompanavotan’ i Kristy, ka tsy ho takatra ny fahalalana tomombana ny Aminy … ?” (Jakôba 4:12).

Oviana ary taiza no fotoana nanoratana azy?

Ny bokin’i Jakôba dia miantomboka any amin’ny taona 544 tany ho any talohan’i J.K., tamin’ny fotoana nanankinan’i Nefia ireo takelaka madinika tamin’i Jakôba. Ary miafara tany amin’ny faramparan’ny androm-piainan’i Jakôba, tamin’ny fotoana nanolorany ireo takelaka tamin’i Enôsa zanany lahy. Tamin’i Jakôba nonina tany an-tanin’i Nefia no nanoratany ity rakitsoratra ity.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ny bokin’i Jakôba dia manome fampahalalana mikasika ny fitondram-panjakana Nefita taorian’ny nahafatesan’i Nefia. Nanosotra lehilahy iray i Nefia mba handimby azy ka ho mpanjaka sy mpitantana ny vahoaka, raha toa ka i Jakôba sy i Josefa rahalahiny kosa mbola nanohy ho mpitarika ara-panahy an’ireo Nefita hatrany. Ny zavatra iray hafa mampiavaka an’ity boky ity dia ny fanamelohan’i Jakôba ny fanaovana ny fanambadiana maro izay tsy nahazoana lalana. Ny hany soratra masina izay mikasika io lohahevitra io ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia hita ao amin’ny Jakôba 2. Ny bokin’i Jakôba ihany koa dia ahitana ny toko lava indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia ny Jakôba 5, izay ahitana ilay fanoharan’i Zenosa ny amin’ireo hazo oliva. Ankoatr’izany, ny bokin’i Jakôba dia mirakitra ny tranga voalohany izay ahitana mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampitandrina mivantana ireo Nefita amin’ny avonavona—ilay fahotana izay hitarika ny faharavan’izy ireo aty aoriana (jereo ny Jakôba 2:12–22; Môrônia 8:27). Izy io ihany koa dia mirakitra ny fotoana voalohany nipoiran’ny antikristy iray teo anivon’ireo Nefita.

Topimaso

Jakôba 1 Nankatoavin’i Jakôba ny didin’i Nefia mikasika ny tokony hitehirizana rakitsoratra masina iray. Nodimandry i Nefia. Nanompo teo anivon’ny vahoaka i Jakôba sy i Josefa, nampianatra azy ireo ny tenin’Andriamanitra.

Jakôba 2–3 Raha nandray fitenenana tany amin’ny tempoly i Jakôba dia nampitandrina ireo Nefita momba ny avonavona sy ny fitiavan-karena ary ny tsy fahadiovam-pitondrantena.

Jakôba 4–6 Nijoro vavolombelona momba an’i Kristy i Jakôba ary nitantara ny fanoharan’i Zenôsa ny amin’ireo hazo oliva. Namporisika ny vahoakany izy mba hibebaka sy handray ny famindram-pon’ny Tompo, ary hiomana ho amin’ny fitsarana.

Jakôba 7 Rehefa nampian’ny Tompo i Jakôba dia nampangaihay an’i Serema, izay antikristy. Nilaza ireo ady nisy teo amin’ireo Nefita sy ireo Lamanita izy ary nanolotra ireo takelaka madinika tamin’i Enôsa.

Hamoaka printy