Tahirim-pitaovana
Lesona 45: Jakôba 3–4


Lesona 45

Jakôba 3–4

Fampidirana

Ao amin’ny Jakôba 3 no ahitantsika ny famaranana ny toriteny iray izay nomen’i Jakôba ny vahoakany. Nanolotra teny fohy fampaherezana sy fampanantenana ho an’ireo izay madio am-po i Jakôba. Nanameloka ireo izay niavonavona sy maloto fitondrantena teo anivon’ny olony ihany koa izy, ka nampitandrina azy ireo my amin’ireo voka-dratsy izay ho avy raha toa ka tsy mibebaka izy ireo. Ny Jakôba 4 dia ahitana ireo teny izay nitaoman’ny Fanahy an’i Jakôba mba hosoratana ho an’ny vahoaka izay hamaky ny rakitsorany indray andro any. Nijoro ho vavolombelona mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ary nitaona ireo mpamaky ny teniny mba hihavana amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Tamin’ny feo fampitandremana no nilazany mikasika ireo Jiosy izay handà an’i Jesoa Kristy sy ny fahafenoan’ny filazantsarany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jakôba 3

Nankahery sy nanoro hevitra an’ireo madio am-po i Jakôba ary nanoro hevitra ireo hafa mba hibebaka

Asao ireo mpianatra hieritreritra momba izay torohevitra mety homen’izy ireo ny olona ao anatin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  1. Miezaka miaina am-pahamarinana ny zatovovavy iray saingy mijaly izy satria miankin-doha amin’ny zava-pisotro misy alikaola ny rainy.

  2. Manao izay rehetra vitany ny zatovolahy iray hiainana ny filazantsara saingy misedra fitsapana izy noho ny fisaraham-panambadiana teo amin’ireo ray aman-dreniny.

  3. Miezaka amim-pahazotoana hitia ny fianakaviany ny zatovovavy iray saingy miady mafy ao an-trano noho ny fitiavan-tenan’ny rahavaviny sy ireo fihetsika tsy voahevitra ataony.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny fehezanteny voalohany ao amin’ny Jakôba 3:1. Asaivo fantarin’izy ireo hoe iza aloha no resahin’i Jakôba ato amin’ity toko ity.

Hazavao fa i Jakôba dia vao avy niresaka mivantana tamin’ny vahoaka izay meloka noho ny avonavona sy ny fahotana ara-pitondrantena. Avy teo izy dia nampifantoka ny sainy tamin’ireo olo-marina izay teo am-pandalovana fisedrana noho ny faharatsian’ny olon-kafa. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Jakôba 3:1–2. Asao izy ireo mba hitady zavatra efatra izay nasain’i Jakôba hataon’ireo izay madio am-po.

  • Inona avy ireo zavatra efatra izay nasain’i Jakôba hataon’ireo madio am-po? (“Miandrandra an’Andriamanitra amin’ny fiorenan’ny sainareo, … mivavaha Aminy amin’ny finoana fatratra, … andrandrao ny lohanareo ary raiso ny teny mahafinaritra izay an’Andriamanitra ary mivokisa amin’ny fitiavany.”) Inona no nampanantenain’i Jakôba an’ireo madio am-po raha toa izy ireo ka mijanona ho mahatoky? (Fampiononana sy fiarovana amin’ireo fahavalo.)

  • Inona hoy ianareo no azontsika atao mba handraisana ny tenin’Andriamanitra?

Momba ilay fanontaniana mikasika ny fampanantenan’i Jakôba tamin’ireo madio am-po dia ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa hampiononin’Andriamanitra amin’ny fahoriany ireo madio am-po. Mety ilaina ny hanazavanao fa ilay teny hoe mampionona dia midika hoe mankahery olona iray izay malahelo na sahiran-tsaina. Mba hanampiana ireo mpianatra handinika sy hampihatra izany fahamarinana izany dia anontanio hoe:

  • Ahoana no fomba efa nampiononan’Andriamanitra anao?

  • Tamin’ny fomba ahoana no efa nahazoanao fanampiana tamin’ny alalan’ny vavaka am-pinoana nandritra ny fotoam-pitsapana iray?

  • Oviana no nanampy anao hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra ny Teniny?

Hazavao fa rehefa avy niresaka tamin’ireo madio am-po i Jakôba dia niverina niresaka indray tamin’ireo izay tsy madio am-po.

Asao hamaky mafy ny Jakôba 3:3–4 ny mpianatra iray. Asao ireo mpianatra hamantatra izay nasain’i Jakôba hataon’ireo mpanota.

  • Inona no hitranga raha toa ka tsy nibebaka ireo vahoakan’i Jakôba?

Mariho fa nilaza i Jakôba hoe marina kokoa noho ireo Nefita sasantsasany ireo Lamanita tamin’izany fotoana izany. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Jakôba 3:5–7, sady mitady hoe tamin’ny lafiny inona no naha marina kokoa ireo Lamanita noho ireo Nefita.

  • Tamin’ny lafiny inona avy no naha marina kokoa ireo Lamanita noho ireo Nefita sasantsasany?

  • Inona avy ireo fitsipika izay ianaranao ao amin’ny Jakôba 3:7 mikasika ny fifandraisan’ny mpianakavy? (Natao hifankatia ireo mpivady, ary natao hitia ny zanany ireo ray aman-dreny.)

  • Inona avy no mety ho vokany raha toa ka tsy mifankatia ireo olona ao amin’ny fianakaviana ary tsy mahavita ny adidiny ao an-tokantrano?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Jakôba 3:10, sady mitady ilay fampitandremana izay nomen’i Jakôba manokana ho an’ireo raim-pianakaviana Nefita.

  • Inona no fampitandremana nomen’i Jakôba ho an’ireo raim-pianakaviana Nefita?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana ny fifanehoana ohatra tsara?

Vakio mafy amin’ireo mpianatra ny Jakôba 3:11–12. Mety ilaina ny hanazavanao fa ao amin’ny andininy faha 11, ilay andian-teny hoe “fohazy ny faharanitan’ny fanahinareo” dia miresaka momba ny filana mifoha ara-panahy. Ao amin’ny Jakôba 3:12, ilay andian-teny hoe “fijangajangana sy faharatsiam-pitondrantena” dia miresaka momba ireo fahotana mikasika ny fitondrantena ara-nofo. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia antitrantero ireo “vokatra mahatsiravina” aterak’ireo fahotana mikasika ny fitondrantena ara-nofo. Ankoatr’izany, ampahatsiahivo ireo mpianatra ny fampanantenana nataon’i Jakôba tamin’ireo madio am-po (jereo ny Jakôba 3:1–2). Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny fomba tsara indrindra hahazoana ireo fitahiana nampanantenaina ireo dia ny mitoetra ho madio am-po mandrakariva. Na izany aza, ireo olona izay nahavita fahotana eo amin’ny fitondrantena ara-nofo dia afaka mikatsaka fanampiana avy amin’ny eveka na ny filohan’ny sampana misy azy, izay hanampy azy hibebaka, sy ho tonga madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary handray ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo madio am-po.

Jakôba 4

Mijoro ho vavolombelona i Jakôba fa afaka miverina mihavana amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny Sorompanavonan’i Jesoa Kristy

Alohan’ny fotoam-pianarana dia asio sary kely an’i Jesoa Kristy eo afovoan’ny solaitrabe. Manorata soratra vitsivitsy manodidina ilay sary, soratra izay maneho zavatra izay mety hampivily ny fifantohantsika tsy hiantefa any amin’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany. Ohatra, azonao asiana zavatra mahasoa izany—toy ny fianarana, ny fanatanjahantena, sy ny namana—izay zava-dehibe saingy tsy tokony ho lasa lohalaharana ifantohana eo amin’ny fiainantsika. Azonao asiana zavatra hafa ihany koa—toy ny pôrnôgrafia, ny karazan-kira tsy mahasoa, ary ny zava-mahadomelina—izay manimba ny fanahintsika ary mitarika antsika hanalavitra ny Mpamonjy.

Asaivo mijery ny Jakôba 4:14 ireo mpianatra. Hazavao fa ity andininy ity dia ahitana andinin-teny hoe “fibanjinana ny any ivelan’ny tanjona.” Nampianarin’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ao amin’ity andininy ity, “ilay tanjona dia i Kristy” (“Jesus of Nazareth, Savior and King,” Ensign, Des. 2007, 45). Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra io fanambarana io ao amin’ny boky soratra masin’izy ireo eo anilan’ny Jakôba 4:14.

Rehefa avy nizara io fanazavana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 4:14–15.

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho dikan’ny hoe mibanjina any ivelan’ny tanjona? (Ny mampifantoka ny fiainantsika amin’ny zavatra hafa noho ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.)

  • Arak’i Jakôba dia inona avy ireo toe-tsaina sy fomba fanao izay nanakana ireo Jiosy tsy handray an’i Jesoa Kristy?

Hazavao fa na dia ireo fahotana nataon’ny sasantsasany tamin’ireo Jiosy aza no tena resahin’i Jakôba, ny ampahany amin’ny Jakôba 4:14–15 kosa dia afaka mihatra amintsika ihany koa ary azo raisina toy ny fampitandremana ho antsika. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita izany fampiharana izany dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana indraindray no mandà ny “tenin’ny fahatsorana” ny olona ary ny zavatra izay tsy azon’izy ireo takarina indray no katsahiny?Inona no sasantsasany amin’ireo loza izay mety ateraky ny tsy firaharahiana ireo fahamarinana tsotra an’ny filazantsara?

  • Inona no azontsika ampiana eny amin’ny solaitrabe ho karazana ohatra hafa izay mamily ny fifantohantsika tsy ho any amin’ny Mpamonjy sy ny Filazantsarany? (Ampio an’ireo valintenin’ireo mpianatra ireo teny izay efa nosoratanao teny amin’ny solaitrabe.)

Fafao ireo teny izay nosoratanao teo amin’ny solaitrabe ary soraty ity fanontaniana manaraka ity: Inona no azontsika atao mba tsy hibanjinana any ivelan’ny tanjona fa mba hifantohana hatrany amin’i Jesoa Kristy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jakôba 4:4–5; Jakôba 4:6–7; Jakôba 4:8–9; Jakôba 4:10; Jakôba 4:11–13. Hazavao fa ao amin’ny Jakôba 4 i Jakôba dia mizara fitsipika izay afaka manampy antsika hifantoka hatrany amin’i Jesoa Kristy. Tendreo ireo mpianatra hiara hiasa tsiroaroa ary hitady ireo fitsipika ireo ao amin’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eo amin’ny solaitrabe. (Arakaraka ny isan’ny mpianatra ao amin’ny kilasinao dia mety ilaina ny manendry vondron’ny mpianatra kely maromaro hisahana ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Na mety azonao angatahana ny vondrona iray ahitana mpianatra roa mba hamaky andinin-tsoratra masina maromaro.)

Afaka minitra vitsivitsy dia asao ireo mpianatra hitatitra ny valintenin’izy ireo. Eo am-panaovan’izy ireo izany dia azonao atao ny mametraka fanontaniana mba hanampiana azy ireo handinika lalindalina kokoa mikasika izay nianarany tao amin’ireo andinin-tsoratra masina. Mba hanampiana anao hitarika ny fifanakalozan-kevitra dia ireto misy fanontaniana izay voasokajy arakaraka ireo andinin-tsoratra masina izay notendrena:

  • Jakôba 4:4–5. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpaminany nanampy anao hifantoka amin’i Jesoa Kristy? Tahaka ny ahoana no naha mafy orina anao tamin’ny alalan’ny fijoroan’ny hafa ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy? Nilaza i Jakôba fa ny fankatoavan’ny vahoakany ny lalàn’i Mosesy dia nahafahan’izy ireo “nampitodika ny fanahi[n’izy ireo]” tamin’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ireo ezaka ataontsika handraisana ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy hitandremana ny didy mampitodika ny fanahintsika amin’ny Tompo?

  • Jakôba 4:6–7. Ahoana no ahafahan’ny fanambarana omena ireo mpaminany manampy antsika hahazo fanantenana sy finoana an’i Jesoa Kristy? Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, na ny tenivavolombelona ara-panahy izay azonao, nanamafy orina ny finoanao? Fa nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatsiaro fa amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tompo ihany no ahafahantsika manao ny Asany?

  • Jakôba 4:8–9. Fa nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny miaiky fa “lehibe sy mahatalanjona” ny asan’ny Tompo? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny asan’ny Mpamonjy amin’ny maha mpahary ny tany azy hisy fiantraikany eo amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba Azy? Inona aminao no hevitry ny hoe “aza manao tsinontsinona ny fanambaran’Andriamanitra”? Ahoana no fomba ahafahantsika maneho amin’ny Tompo fa asiantsika lanjany ireo fanambarana izay nomeny?

  • Jakôba 4:10. Inona avy ireo karazana fomba ahafahan’ny olona iray “[tsy h]ikatsaka ny hanoro hevitra ny Tompo fa ny handray kosa torohevitra eo an-tanany”?

  • Jakôba 4:11–13. Araka ny voalaza ao amin’ny lesona faha 35, ny teny hoe mihavana dia midika hoe manao izay hampirindra. Fomba ahoana no ahafahan’ny Sorompanavotana manampy antsika ho lasa mirindra amin’ny Raintsika any An-danitra? Ampahatsiahivin’i Jakôba antsika ny maha zava-dehibe ny mampianatra mikasika ny Sorompanavotana, tamin’izy nanontany hoe: “Fa nahoana no tsy iresaka ny momba ny sorompanavotan’i Kristy … ?” Ahoana no ahafahantsika manaraka io fitsipika io rehefa mizara ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’ny hafa isika sy rehefa manana fahafahana hafa hampianatra ny filazantsara? Rehefa mizara ny fijoroantsika ho vavolombelona isika dia nahoana no zava-dehibe ny manao izany amin’ny fomba izay hahafahan’ny olona mahatakatra izany? Amin’ny fomba ahoana avy no hanampian’ny Fanahy antsika hanatanteraka izany?

Ho vokatr’izany fifanakalozan-kevitra izany dia ataovy izay hampazava tsara ity fahamarinana manaraka ity: Afaka ny ho heniky ny fanantenana isika ary hihavana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Zarao ny fahatsapanao fankasitrahana noho ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ilay “tanjona” izay tokony hampifantohantsika ny fiainantsika. Mba hamaranana ny lesona dia asao ireo mpianatra handinika izay ho ataon’izy ireo mba hifantohana amin’ny Mpamonjy mandritra ny andro vitsivitsy manaraka. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanoratra ny drafitr’izy ireo ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina. Diniho ny hanasana ny vitsivitsy amin’izy ireo hilaza amin’ny mpianatra hafa izay zavatra kendren’izy ireo hatao.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Manampy ny mpianatra hahatadidy ny toeran’ny soratra masina fehezina ny famerimberenana. Fomba iray ahafahana mamporisika ny famerimberenana ny fampiasana ireo karatra misy soratra masina fehezina (fitaovana laharana 10459; azo alaina ihany koa amin’ny endrika PDF ao amin’ny si.lds.org). Raha tsy afaka mahazo ireo karatra ireo ianao dia ampio ireo mpianatra hamorona karatra azy ireo manokana, izay ahitana teny manan-danja avy amin’ilay andinin-tsoratra masina eo anoloana amin’ny karatra tsirairay ary ny toko sy andininy kosa ao ambadika. Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Omeo minitra vitsivitsy izy ireo hifanadina amin’ny alalan’ireo karatra. Ohatra, afaka mamaky ireo teny manan-danja ny mpianatra iray, ary ilay iray hafa kosa mamantatra ny toko sy andininy. Asao ireo mpianatra hampiasa matetika ireo karatra ireo mba hanadinana ny tenan’izy ireo sy hifampanadinana.

Fanamarihana: Ny faharetan’ity lesona ity dia mety ahafahana manana fotoana hanaovana ity Asa Famerenana ny Soratra Masina Fehezina ity. Azonao atao any amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pampianarana ilay asa atao, na atao fitsaharana kely eo analanelan’ny fizarana roa ao anatin’ny lesona, na amin’ny faran’ny fotoam-pampianarana. Ataovy fohy ilay asa atao mba hamelana fotoana ampy ho an’ny lesona. Ho an’ireo asa famerenana hafa dia jereo ny pejy fanampiny ao amin’ity boky torolalana ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Jakôba 4:4. Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha

Nilaza i Jakôba 400 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy fa ireo mpaminany rehetra teo alohany dia nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy (jereo ny Jakôba 4:4). Mety hanontany tena ny olona sasany hoe fa nahoana ny Testamenta Taloha no tsy dia ahitana zavatra firy mikasika an’i Jesoa Kristy. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nindrana ny fanazavana nataon’i Nefia mikasika ireo “zavatra tsotra sy sarobidy” izay “nesorina” avy tao amin’ny Baiboly (jereo ny 1 Nefia 13:26–29) ary avy eo izy dia nilaza hoe:

“Azo antoka fa ny tsotra sy sarobidy indrindra amin’ireo fahamarinana rehetra izay very avy tao amin’ny Baiboly, indrindra indrindra ny Testamenta Taloha, dia ireo fanambarana mazava sy tsy misy hevitra miafina mikasika ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy, sy ny anjara asany izay efa nanendrena azy mialoha amin’ny maha-Mesia sy Mpamonjy an’izao tontolo izao Azy, ary ireo ampahany amin’ny filazantsarany izay miendrika fanekempihavanana, izay efa nampianarina nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ireo fotoampitantanana tsirairay izay nifandimby. Noho izany, ny tanjona avo indrindra an’ny Bokin’i Môrmôna dia ny hamerina amin’ny laoniny amin’ny fianakaviamben’ Andriamanitra io fahalalana tena manan-danja io mikasika ny anjara asan’i Kristy eo amin’ny fanavotana ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsirairay izay miaina amin’izao fotoana izao, na izay rehetra efa niaina hatramin’izay, na izay mbola hiaina eto ambony tany” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 6–7).

Jakôba 4:5. Derao ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa Kristy

Ireo zavatra nosoratan’i Jakôba dia manome hevi-baovao manan-danja mikasika ny lalàn’i Mosesy sy ny Testamenta Taloha. Ao amin’ny Jakôba 4:5, dia hitantsika fa ireo mpaminany talohan’ny andron’i Jakôba dia nitsaoka ny Ray any An-danitra tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy, izay maneho fa izy ireo dia nahafantatra fa ny Ray sy ny Zanaka dia olona roa miavaka tsara. Ireo tenin’i Jakôba dia maneho fa ny lalàn’i Mosesy dia mihoatra lavitra noho ny lisitra didy hentitra sy fehezan-dalàna, araka ny filazan’ny manam-pahaizana sasantsasany ankehitriny. Ny lalàn’i Mosesy dia nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary nitondra ireo izay marina nankamin’ny fahamasinana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Jakôba 4:10. “Handray … torohevitra eo an-tànany”

Ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana sy ny fanarahana ny torohevitry ny Tompo:

“Tsy mino aho hoe maro amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no minia [manaraka] ny fandresen-dahatra ataon’ny olona na ny torohevitry ny tenan’izy ireo manokana fa tsy mihaino ny an’ny Tompo. Kanefa, rehefa tsy manao izay ahafantarana ny torohevitry ny Tompo isika dia lasa mora amintsika ny manakalo ny hevitry ny Tompo amin’ny antsika. Raha ny marina dia tsy misy zavatra hafa azontsika atao ankoatra ny manaraka ny hevitsika manokana rehefa tsy mahafantatra ny torolalan’ny Tompo isika” (“Seek Not to Counsel the Lord,” Ensign, aog. 1985, 5).

Hamoaka printy