Tahirim-pitaovana
Lesona 41: 2 Nefia 32


Lesona 41

2 Nefia 32

Fampidirana

Rehefa avy nampianatra momba ny “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay” (2 Nefia 31:18) i Nefia dia tsapany fa nanontany tena ny olony hoe inona no tokony hataon’izy ireo rehefa manomboka mandeha eo amin’ilay lalana izy ireo. Novaliany ny fanontanian’izy ireo tamin’ny alalan’ny famporisihana azy ireo mba “hivoky ny tenin’i Kristy” ary “hivavaka mandrakariva” (2 Nefia 32:3, 9). Nomeny toky izy ireo fa raha manao ireo zavatra ireo dia hanampy azy ireo hahafantatra ny tokony hataony ny Fanahy Masina.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 32: 1–7

Nanoro hevitra antsika i Nefia mba hikatsaka fitarihana masina amin’ny alalan’ny tenin’i Jesoa Kristy sy ny bitsiky ny Fanahy Masina

Asao ny mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nanazavan’izy ireo lalana haleha raha miainga eo amin’ny toerana iray mankany amin’ny anankiray hafa. Angataho izy ireo mba hanazava ny antony nahamora na nahasarotra ireo fanoroan-dalana ireo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao anatin’ilay lesona teo aloha dia nandalina ireo torolalana nomen’i Nefia ny olona izy ireo. Rehefa avy nizara ireo torolalana ireo izy dia nilaza hoe “Izany no lalana” (2 Nefia 31:21). Mba hanampiana ny mpianatra handinika indray ny zavatra nianarany dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Raha manaraka ny torolalan’i Nefia isika dia hitondra antsika aiza izy ireo? (Any amin’ny fiainana mandrakizay; jereo ny 2 Nefia 31:20.)

  • Araka ny 2 Nefia 31:17–18, ahoana no hanombohantsika ilay lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay?

Hazavao fa ny 2 Nefia 32 dia fitohizan’ny fampianaran’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 31. Angataho ny mpianatra mba hitady ao anatin’ny 2 Nefia 32:1 ilay fanontaniana iray nananan’ny olon’i Nefia mikasika ny zavatra iray nampianariny azy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hilaza ity fanontaniana ity amin’ny teniny manokana. (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa nanontany tena ny olona hoe inona no tokony hataon’izy ireo rehefa manomboka mandeha eo amin’ilay lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 32:2–3. Angataho ny mpianatra mba hitady ny valinteny nomen’i Nefia momba ilay fanontanian’ny olona. Hazavao fa ny 2 Nefia 32:3 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahamora ny fahitan’izy ireo izany.

  • Inona avy ireo teny ao amin’ny 2 Nefia 32:3 izay mamaritra ny fomba tokony handraisantsika ny tenin’i Kristy? Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny hoe mivoky sy hoe mitsaingotsaingoka?

  • Inona no dikan’ny hoe mivoky amin’ny tenin’i Kristy araka ny hevitrao?

  • Inona no lazain’i Nefia fa ho vokany rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika?

  • Aiza avy ireo toerana ahafahantsika mahita ny tenin’i Kristy? (Mety ahitana ireto ny valiny: ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany maoderina ary ny fitaomana azo avy amin’ny Fanahy Masina.)

Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa rehefa mivoky ny tenin’i Kristy isika, dia hiteny ny zavatra rehetra tokony hataontsika ny tenin’i Kristy.

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra hoe hatraiza ny fivokisany ny tenin’i Jesoa Kristy, dia vakio ity lisitra manaraka ity ka miato kely aorian’ny teny tsirairay. Angataho ny mpianatra mba hanoratra ilay lisitra ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy.

  1. Fandalinana manokana ny soratra masina

  2. Fivoriana Fanasan’ny Tompo

  3. Fihaonamben’ny Fiangonana

  4. Fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina

  5. Seminera

  6. Takarivan’ny mpianakavy

  7. Fivorian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na kilasin’ny Zatovovavy

  8. Vavaka Ataon’ny Tena Manokana

Asao ny mpianatra mba hieritreritra hoe hatraiza ny fikatsahany ny tenin’i Jesoa Krisy ao anatin’ireo toe-javatra tsirairay ireo. Isaky ny toe-javatra tsirairay dia asaivo soratan’izy ireo hoe mivoky na mitsaingotsaingoka, na noana. Ohatra, mety mivoky amin’ny fandalinana soratra masina manokana ny mpianatra iray saingy mitsaingotsaingoka fotsiny rehefa fihaonamben’ny Fiangonana. Ny mpianatra iray izay tsy mifanto-tsaina mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo dia mety afaka manoratra ny teny hoe noana eo akaikin’izany toe-javatra izany.

Angataho ny mpianatra mba hifidy iray amin’ireo asa atao izay ’tsaingotsaingohany” na “mahanoana azy” amin’izao fotoana izao ary asao izy ireo mba hametraka tanjona izay hanampy azy ireo “hivoky amin’ny tenin’i Kristy” bebe kokoa ao anatin’izany toe-javatra izany. (Azonao amporisihina izy ireo mba hieritreritra ireo tanjon’izy ireo momba ny Devoirs Envers Dieu na Mon Progrès Personnel ka ampifandraisina amin’ireo tanjona ireo.)

Mba hanamafisana ny fahatakaran’ny mpianatra ny andraikiny mba hitady fitarihana manokana avy amin’ny Fanahy Masina dia asaivo vakiany amim-pahanginana ny 2 Nefia 32:4–7. Dia angataho izy ireo mba hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny namany iray miara-miasa aminy. (Azonao atao ny manao ireo fanontaniana ireo ao anatin’ny taratasy zaraina na manoratra azy ireo eo amin’ny solaitrabe alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana.)

  • Ao amin’nyandininy 4, inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mangataka” na “mandondona”? Inona no nolazain’i Nefia fa ho vokany ho azon’ireo izay tsy mangataka na mandondona?

  • Inona ireo fitahiana nampanantenain’i Nefia fa tokony ho azontsika rehefa mandray ny Fanahy Masina isika?

  • Nahoana no mitoreo noho ny olony i Nefia?

Zarao ny fahatokianao fa rehefa mivoky amin’ny tenin’i Jesoa Kristy ny mpianatra dia hanampy azy ireo hanaraka ilay lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay ny Fanahy Masina.

2 Nefia 32:8--9

Nanoro hevitra antsika mba hivavaka mandrakariva i Nefia

Hazavao fa avy eo i Nefia dia nifantoka tamin’ny zavatra anankiray izay azontsika atao mba handraisana ny tenin’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 32:8 ka hitady ny zavatra nolazain’i Nefia fa tokony hataontsika. Rehefa hitan’izy ireo ilay valiny dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hisaintsaina ny maha zava-dehibe ny vavaka:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Fanahy Masina hivavaka isika?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy tian’i Satana hivavaka isika? Amin’ny fomba ahoana no mety handresen’i Satana lahatra ny olona mba tsy hivavaka?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 32:9. Mariho manokana fa ny 2 Nefia 32:8–9 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahamora ny fahitan’izy ireo izany.

  • Isaky ny inona isika no tokony hivavaka? Inona no dikan’ny hoe “mivavaka mandrakariva” araka ny eritreritrao?

Zarao ity teny manaraka nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. (Raha azo atao dia manaova tahadika maro an’izy ity mba hahafahan’ny mpianatra mamaky azy ary mifantoka amin’ny tenin’ny Loholona Bednar. Raha manao tahadika ianao dia jereo fa ity teny nambara ity dia mbola mitohy avy eo ao anatin’ny lesona aorian’ny fifanakalozan-kevitra fohy. Ampidiro ao anatiny koa izany ampahan’ilay teny nambara izany.) Asao ny mpianatra hihaino ny torohevitry ny Loholona Bednar mikasika ny fomba “hivavahana mandrakariva.”

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mety misy zavatra eo amin’ny toetrantsika, na eo amin’ny fitondrantenantsika, na mikasika ny fivoarantsika ara-panahy izay ilantsika torohevitra avy amin’ny Ray any an-danitra ao anatin’ny vavaka atao isa-maraina. …

“Ao anatin’ny fizotran’iny andro iny dia manao vavaka iray ao am-pontsika isika mba hahazoana fanampiana sy fitarihana. …

“Tsikaritsika mandritra izany andro iray manokana izany fa misy ireo fotoana izay anaovantsika teny mahery raha ny mahazatra nefa tsy manao izany isika na mety mitady ho tezitra isika nefa tsy tonga amin’izany. Mahafantatra ny fisian’ny fanampiana sy hery avy any an-danitra isika ary manaiky amim-panetrentena ny valin’ny vavaka nataontsika. Na mandritra izany fotoam-panekena izany aza dia manolotra vavaka mangina ho fanehoam-pankasitrahana isika” (“Pray Always,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 41–42).

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina izany torohevitra izany dia anontanio izao:

  • Afaka mieritreritra ve ianao hoe nisy androany na andro vitisivitsy lasa izay fotoana tokony nanarahanao io torohevitry ny Loholona Bednar io? (Azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba hisaintsaina amim-pahanginana izany fanontaniana izany fa tsy hamaly amin’ny feo mafy.)

Tohizo ny famakiana ny torohevitry ny Loholona Bednar:

“Rehefa mifarana ny andro dia mandohalika indray isika ary manao tatitra amin’ny Raintsika. Manao jery todika ireo zava-nitranga tamin’izany andro izany isika ary maneho fisaorana avy amin’ny fo noho ireo fitahiana sy fanampiana izay azontsika. Mibebaka isika ary mamantatra miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahin’ny Tompo ireo fomba ahafahantsika manao zavatra tsara kokoa sy ho lasa tsara kokoa rahampitso. Noho izany ilay vavaka ataontsika ny hariva dia miorina eo amin’ilay vavaka nataontsika maraina ary fitohizan’izany koa.

Ary ny vavaka ataontsika amin’ny hariva dia fiomanana amin’ny fanaovana vavaka manan-danja amin’ny maraina. “Ny vavaka maraina sy hariva— ary ireo vavaka rehetra eny antenantenany—dia tsy hoe tsy mifandray na zavatra afenina fa mifandray izy ireo isan’andro ary ao anatin’ireo andro sy herinandro ary volana sy taona mihitsy aza. Izany amin’ny ampahany no fomba hanatanterahantsika ilay fangatahana ara-tsoratra masina mba ’hivavaka mandrakariva’ (Lioka 21:36; 3 Nefia 18:15, 18; F&F 31:12). Ny vavaka manan-danja toy izany dia fitaovana ahafahana mahazo ireo fitahiana ambony indrindra tehirizin’Andriamanitra ho an’ireo zanany mahatoky” (“Pray Always,” 42).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny ampahany faran’ny 2 Nefia 32:9 dia hazavao fa ilay teny hoe hanamasina dia midika hoe “hanao izay hahamarina” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Manokana, Lalàn’ny Fanokanana,” scriptures.lds.org).

  • Nahoana isika no tokony hivavaka “na inona na inona ataontsika ho an’ny Tompo”?

  • Midika inona ho an’ny Tompo araka ny eritreritrao ny hanamasinantsika izay ataontsika mba hitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika?

  • Ahoana no ahafahan’ny torohevitra nomen’ny Loholona Bednar manampy antsika hanana fiainana masina kokoa?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mivavaka mandrakariva isika dia ho afaka ny hanao ny zavatra tian’ny Tompo hataontsika mba hitondra fiadanana ho an’ny fanahintsika.

Sary
Loholona Spencer J. Condie

Mba hamintinana ny zavatra nifanakalozan’ny mpianatra hevitra tao anatin’ity lesona ity dia zarao ity teny nambara manaraka nolazain’ny Loholona Spencer J. Condie ao amin’ny Fitopololahy ity:

“Mety miatrika fanapahan-kevitra mikasika ny asa fitoriana ianao sy ny ho asanao any aoriana ary ny fanambadiana amin’ny farany. Rehefa mamaky ny soratra masina ianao sy mivavaka mba hahazo torolalana dia tsy ho hitanao amin’ny endrika teny voasoratra ao anatin’ilay pejy izany, fa rehefa mamaky ianao dia hahazo fahatsapan-javatra miavaka sy bitsika ary araka ny efa nampanantenaina, ny Fanahy Masina dia ’hampiseho ami[nao] ny zavatra rehetra izay tokony hatao[nao].’ [2 Nefia 32:5.]” (“Becoming a Great Benefit to Our Fellow Beings,” Ensign, Mey 2002, 45).

Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 32:3

Anontanio ny mpianatra hoe hafiriana no ilain’izy ireo araka ny eritreriny mba hitadidiana ny 2 Nefia 32:3 raha toa ka nitanisa izany isaky ny nisakafo izy ireo. Asaivo mamerina mandinika izany soratra masina izany izy ireo—mivoky ny tenin’i Kristy isaky ny misakafo ao anatin’ny andro vitsivitsy manaraka. Rehefa avy nitadidy ireo andinin-tsoratra masina ireo izy ireo dia asao mba hanao tatitra hoe fotoam-pisakafoanana impiry no nilain’izany.

Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 32:8–9

Anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo ka mba efa nanandrana nivavaka tao am-pony nandritra ny andro na herinandro iray manontolo. Asao izy ireo mba hizara ny zavatra niainany. Asao ny mpianatra mba hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo “mivavaka mandrakariva” mandritra ny 24 ora manaraka. Entano izy ireo mba hanao izany ary hanao tatitra mikasika ny zavatra niainany any am-piandohan’ny fotoam-pianarana manaraka.

Fanamarihana: Raha tsy manana fotoana hampiasana ireo hevitra enti-mampianatra ireo ianao ao anatin’ny lesona dia ampiasao ho toy ny famerenana izy ireo ao anatin’ny lesona manaraka.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 32:3 Inona no dikan’ny hoe miteny amin’ny fitenin’ny anjely?

Mety misy manontany tena hoe inona no dikan’izany hoe “miteny amin’ny fitenin’ny anjely izany.” Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer fa ny miteny amin’ny fitenin’ny anjely dia “midika tsotra fotsiny hoe afaka miteny miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina ianao” (“The Gift of the Holy Ghost: What Every Member Should Know,” Ensign, Aog. 2006, 50).

2 Nefia 32:3 Inona no dikan’ny hoe mivoky amin’ny tenin’i Kristy?

Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Midika zavatra bebe kokoa noho ny hoe manandrana ny hoe mivoky. Ny atao hoe mivoky dia mankafy. Mankafy ny soratra masina isika amin’ny alalan’ny fandalinana azy ao anatin’ny toe-tsaina mikaroka amim-pifaliana sy mankato amim-pahatokiana. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika dia tafalentika ao anatin’ny ‘vato fisaka nofo, dia ny fo’ izany. [2 Korintiana 3:3.] Lasa tafiditra tanteraka ao anatin’ny toetrantsika izany” (“Living by Scriptural Guidance,” Ensign, Nôv. 2000, 17).

Nanoro hevitra koa ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Raha hivoky ny tenin’i Kristy izaho sy ianao dia tsy maintsy mandalina ny soratra masina isika ary mitelina ny teniny amin’ny alalan’ny fisaintsainana izany sy mampiditra izany ao anatin’ny zavatra eritreretina sy atao rehetra” (“Healing Soul and Body,” Ensign, Nôv. 1998, 15).

Hamoaka printy