Tahirim-pitaovana
Lesona 5: Famintinana mikasika ny Bokin’i Môrmôna


Lesona 5

Famintinana mikasika ny Bokin’i Môrmôna

Fampidirana

Ahitana famintinana mikasika ny Bokin’i Môrmôna ity lesona ity. Handalina ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona mikasika ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ireo mpianatra. Hianatra ihany koa ny fomba nanambarana sy namintinana ny boky teo ambanin’ny fitarihan’ny lanitra izy ireo. Nahita ny andro farany ireo mpanoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary nampidirin’izy ireo tao ireo tantara sy fampianarana izay fantany fa hitondra tombontsoa lehibe ho antsika.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny fijoroan’ny Mpaminany Joseph Smith ho vavolombelona

Mialoha ny hiatombohan’ny fotoam-pianarana, dia asio Bokin’i Môrmôna ao anatin’ny boaty iray, ary fonosy toy ny fanomezana izany. Apetraho eo ambony latabatra manoloana ireo mpianatra ilay fanomezana, ary lazao amin’ireo mpianatra fa fanomezana sarobidy izany.

  • Inona avy ireo fanomezana sarobidy sasantsasany efa azonao?

  • Inona no mahatonga ny fanomezana iray ho sarobidy?

  • Inona no tsapanao rehefa manome fanomezana iray izay heverinao fa sarobidy ianao ka mandray izany amim-pifaliana ilay nomenao azy?

Manasà mpianatra iray hanokatra ilay fanomezana ary hampiseho amin’ireo mpianatra izay ao anatiny.

  • Iza no nanome antsika iny fanomezana iny?

  • Araka ny eritreritrareo, nahoana no sarobidy iny fanomezana iny?

Asehoy ilay sary ahitana an’i Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny efitranony (62492; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], no. 91).

Sary
The Angel Moroni Appears to Joseph Smith
  • Inona no toe-javatra haseho eo amin’io sary io?

  • Inona no anjara biriky nentin’io toe-javatra niseho io tamin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara?

Hazavao amin’ireo mpianatra fa hamaky ny tenin’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny nipoiran’ny Bokin’i Môrmôna izy ireo izao. Lazao amin’izy ireo fa ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Mpaminany Joseph Smith izay hita ao amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna dia nalaina avy ao amin’ny Joseph Smith—Tantara ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Asaivo mamaky ny ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ireo mpianatra, rehefa manatanteraka ity asa manaraka ity.

Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Manasà mpianatra iray isaky ny mpiara-miasa hamaky amim-pahanginana ny Joseph Smith—Tantara 1:30, 32–35, 42. Angataho hamaky amim-pahanginana ny Joseph Smith—Tantara 1:51–54, 59–60 ny mpianatra iray ao anatin’ny vondron’olon-droa tsirairay. Hazavao fa tokony hampianatra ny iray mikasika izay novakiany ny mpiara-miasa tsirairay avy rehefa vita ny famakiany.

Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra hamakiana sy hifanakalozana hevitra, dia mametraha fanontaniana manao hoe:

  • Araka ny eritreritrareo, mety ho nanampy an’i Joseph Smith tamin’ny fomba manao ahoana ny fiandrasany efa-taona talohan’ny nahafahany nitondra ireo takela-bolamena nody niaraka taminy? (Nampianarin’i Môrônia tao an-trano i Joseph nandritra izany, ary nihamatotra tamin’ny fomba maro izy. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:54.

  • Inona no porofo hitanareo ao amin’ny tantaran’i Joseph Smith fa nitahiry ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo mba hahatongavany amin’izao andro farany izao?

  • Inona no porofo hitanao ao amin’ny tantaran’i Joseph Smith fa tonga tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna?

Fanazavana fohy mikasika ny Bokin’i Môrmôna

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba nanambarana ny Bokin’i Môrmôna ho lasa boky, dia asaivo mijery ao amin’ny “Fanazavana Fohy Momba ny Bokin’i Môrmôna” izy ireo ao amin’ireo pejy fampidirana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Manasà mpianatra efatra hifandimby hamaky mafy ny laharana 1–4 ao amin’ny lisitra. Rehefa mamaky izy ireo, dia asaivo henoin’ny mpianatra ambiny ny antony mahatonga ireo amboaran-takelaka tsirairay ho manan-danja ho an’ny Bokin’i Môrmôna. Ahitana fanazavana mitondra ny lohateny hoe “Ireo takelaka sy ny Fifandraisan’izy ireo amin’ny Bokin’i Môrmôna Navoaka” ao amin’ireo pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity. Mety hanampy ireo mpianatra haka sary an-tsaina ireo takelaka noresahina ao amin’ny “Fanazavana Fohy Momba ny Bokin’i Môrmôna” ity fanazavana ity. (Hazavao ilay andinin-tsoratra farany izay hita ao amin’ny bokin’i Môrmôna amin’ny teny Anglisy ao anatin’ny fanazavana fohy izay manomboka amin’ny andian-teny hoe “About this edition”, raha toa ka tsapanao fa hanampy kokoa amin’ny fifanakalozan-kevitra izany. Hazavao fa ny fanontana tsirairay ny Bokin’i Môrmôna dia nahitana fanitsiana kelikely teo amin’ny tsipelina sy ireo fahadisoana nandritra ny fanaovana printy azy.)

Sary
Mormon Abridging the Plates

Asehoy ilay sary mampiseho an’i Môrmôna mamintina ireo takelaka (62520; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara, no. 73). Hazavao fa maro ireo olona nitahiry ireo rakitsoratra izay lasa Bokin’i Môrmôna tamin’ny farany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Asaivo mandalina izany amim-pahanginana ireo mpianatra, hikaroka ireo fitsipika sasany izay nanampy ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna nanapa-kevitra ny amin’izay zavatra tokony hampidirina tao amin’ireo rakitsorany. Asao hizara ny zavatra hitany ireo mpianatra. (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.)

  • Ahoana no hanampian’ny fahatakaranao ireo fitsipika manoro lalana ireo anao rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna?

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona fa ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna dia nahita izao androntsika izao ary nanoratra izay zavatra tena hanampy indrindra antsika. Asao hamaky mafy ny Môrmôna 8:35–38 ny mpianatra iray.

  • Inona avy ireo olana hitan’i Môrônia teo anivon’ny olona amin’izao androntsika izao?

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahalalana fa nahafantatra ireo olana atrehintsika i Môrônia sy ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna?

Manasà mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity mikasika ny fomba handalinana ny Bokin’i Môrmôna:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay tena hanan-danja amintsika, moa ve tsy izany no fomba tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nanentanan’ny Tompo ny fanahin’i Môrmôna (na Môrônia na Almà) mba hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko tsoahina avy amin’izany mba hanampy ahy hiaina amin’izao andro sy taona izao?’” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, Nôv. 1986, 6).

Lazao amin’ireo mpianatra fa niatrika olana nitovitovy tamin’ny antsika ireo olona voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Na dia rakitsoratra fahiny aza ny Bokin’i Môrmôna , dia manan-danja lehibe tokoa amin’izao fotoana izao ireo fotopampianarana, ary ireo tantara ao anatiny.

Angataho hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity ny mpianatra iray. (Azonao atao ny manome ireo mpianatra tsirairay io fanambarana io.) Asaivo mihaino ireo fitahiana nampanantenain’ny Filoha Benson an’ireo izay manomboka mandalina amim-pahamatorana ny Bokin’i Môrmôna ireo mpianatra.

“Tsy vitan’ny mampianatra antsika ny fahamarinana fotsiny ny Bokin’i Môrmôna, eny fa na dia tena manao izany aza izy io. Tsy hoe mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy fotsiny ihany ny Bokin’i Môrmôna, na dia tena manao izany ihany koa aza izy. Saingy mbola misy zavatra hafa ankoatra izany. Misy hery ao anatin’ilay boky izay hanomboka hirotsaka ao amin’ny fiainanao raha vao manomboka mandalina tsara ny boky ianao. Hahita hery lehibe kokoa hanoherana ny fakam-panahy ianao. Hahita hery hisorohana ny fahadisoam-panantenana ianao. Hahita hery hijanonana eo amin’ilay lalana ety sy tery ianao. Antsoina hoe “tenin’ny fiainana” (jereo ny F&F 84:85) ny soratra masina, ary tena marina kokoa izany ho an’ny Bokin’i Môrmôna raha oharina amin’ny boky hafa. Rehefa manomboka noana sy mangetaheta ireo teny ireo ianao, dia hahita ny fiainana amin’ny fahafenoany hatrany hatrany” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” 7).

  • Oviana ianao no nahazo fitahiana avy amin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna?

Mizarà fijoroana ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia manome antsika hery lehibe hanoherana ny fakam-panahy sy hijanonana ao amin’ny lalana ety sy tery. Tantarao amin’ireo mpianatra ny fotoana iray nahazoanao ireo fitahiana ireo vokatry ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lisitry ny fanontaniana sy soratra masina manaraka ireto alohan’ny fotoam-pianarana:

Hazavao fa ho fanampiana ireo fitahiana izay efa voatonona, dia mirakitra ny valin’ireo fanontaniana tena manan-danja eo amin’ny fiainana ny Bokin’i Môrmôna. Asao ny mpianatra mba hisafidy manokana iray na roa amin’ireo fanontaniana ireo, ary handalina ireo andinin-tsoratra masina miaraka amin’izany mba hahitana ny valiny. Omeo minitra vitsy hitadiavany valinteny izy ireo. Azonao atao ny mandehandeha manerana ny efitrano fianarana, mba hanampy araka izay ilaina.

  • Ahoana no fomba hamalian’ny Bokin’i Môrmôna ireo fanontaniana nofidinao?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Niresaka tamin’ireo mpampianatra seminera sy institiota mikasika ny herin’ny soratra masina hamaliana ireo fanontaniana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana izy tamin’ny fotoana nanaovany ity fanambarana ity.

“Rehefa mahafantatra tsara ny fahazoana fanambarana ireo mpianatrareo, dia tsy misy fanontaniana—manokana na ara-tsôsialy na ara-pôlitika, na eo amin’ny lafin’ny asa—izay tsy hahazoana valiny. Hita ao anatin’izany ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay. Hitantsika ao ireo fitsipiky ny fahamarinana izay hamaha ireo fisafotofotoana sy ireo olana ary ireo zava-tsarotra rehetra izay hatrehin’ny fianakavian’olombelona na ny olona tsirairay ao anatin’izany” (“Teach the Scriptures” [Fihaonambe ho an’ireo mpampianatra eo anivon’ny DEE , 14 Okt. 1977], 3–4, si.lds.org).

Zarao ny fomba nitahian’ny Bokin’i Môrmôna ny fiainanao. Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra ny tanjony hamaky isan’andro ny Bokin’i Môrmôna sy hamaky izany hatramin’ny farany farafahakeliny indray isan-taona.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Fanazavana fohy momba ny Bokin’i Môrmôna. “About this edition”

Misy roa ireo rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna: ilay rakitsoratra voalohany indrindra ary ilay rakitsoratry ny mpanonta. Ny ampahany kely natao printy tao anatin’ny Bokin’i Môrmôna natonta tamin’ny taona 1830 dia nalaina avy amin’ny rakitsoratra voalohany indrindra, ary nalaina avy amin’ilay rakitsoratra tany amin’ny mpanonta ny ambiny, izay tahadikan’ilay rakitsoratra voalohany indrindra. Rehefa nanomana ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny taona 1840 ny Mpaminany Joseph Smith, dia nampiasa ilay rakitsoratra voalohany indrindra izy mba hanitsiana ireo fahadisoana tsy nahy sy ireo teny adino izany nitranga tao amin’ny boky natonta tamin’ny taona 1830. Ho an’ny boky natonta ny taona 1981, dia nampiasaina indray ilay rakitsoratra voalohany indrindra mba hamerenana amin’ny laoniny ireo teny tokony ho hita tany amin’ny toerana miisa 20 eo ho eo. Raha misy hadisoana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia hadisoana nataon’ny olona izany, ary natao ireo fanovana mba hamerenana fotsiny amin’ny laoniny ny Bokin’i Môrmôna amin’ny tena dikany sy ny tanjony voalohany indrindra. (Jereo ny Book of Mormon Reference Companion, ed. Dennis Largey [2003], 124–25.)

Nanoratra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

“Efa nampoizina fa tsy maintsy hisy hadisoana vitsivitsy ara-panontana printy tao amin’ny boky natonta voalohany [ny Bokin’i Môrmôna], ary angamba tsy maintsy hisy teny roa na telo adino. Ireo izay namoaka boky tamim-pitandremana mafy sy tao anatin’ny fotoana tena tsara tamin’izany, dia ketraka satria nahita fahadisoana teo amin’ny lafiny ara-panontana printy sy teo amin’ny lafiny ara-mekanika, ary nitranga taorian’ny nahavitana ny fanaraha-maso farany ny sasany tamin’izany.

“… Ny fanaraha-maso natao tamim-pitandremana mikasika ireo lisitry ny zavatra novaina … dia maneho fa tsy nisy fanovana na fanampiana izay tsy nifanaraka tamin’ilay lahatsoratra voalohany indrindra. Ireo mari-piatoana sy ireo olana kely izay nila fanitsiana no nasiana fanovana, saingy izay mety ho fanovana na fanampiana natao dia tsy nanova mihitsy ny hevitra tany am-piandohana na dia iray monja aza. Araka ny ahitantsika azy, ireo fanovana … dia mampazava kokoa ny lahatsoratra ary maneho fa adino ny nanoratra azy ireo teo. Azoko antoka fa ireo fahadisoana sy ireo fanadinoana tao anatin’ny boky natonta voalohany dia fahadisoana avy amin’ny mpandamina ny lahatsoratra na ny mpanonta amin’ny ankapobeny. Maro tamin’ireo fahadisoana ireo, izay hita tao anatin’ny famakiana voalohany hijerena izay diso, no hitan’ny Mpaminany Joseph Smith izy tenany mihitsy, dia nahitsiny izany” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i. Joseph Fielding Smith Jr., boky [1957–66], 2:199–200; soramandry tany am-piandohana).

Hamoaka printy