Tahirim-pitaovana
Lesona 85: Almà 23–24


Lesona 85

Almà 23–24

Fampidirana

Taorian’ny fiovam-pony dia nanambara ny fahalalahana ara-pivavahana teo anivon’ny vahoakany ny mpanjakan’ny Lamanita. Io fanambarana io dia nahafahan’i Aharôna sy ireo rahalahiny hitory ny filazantsara sy hanorina fiangonana tany amin’ireo tanànan’ny Lamanita. Lamanita an’arivony no niova fo ary tsy nihemotra na oviana na oviana. Ireo Lamanita niova fo ireo dia nanao fanekempihavanana fa handevina ny fitaovam-piadiany, ary nampiavaka ny tenany tamin’ireo Lamanita tsy niova fo izy ireo tamin’ny niantsoany ny tenany ho Antia-Nefia-Lehia. Rehefa nanafika azy ireo ny Lamanita tsy niova fo, dia nanao sorona ny ainy ny sasany tamin’ireo Antia-Nefia-Lehia ireo mba hitazonana ny fanekempihavanana nataony.

Fanamarihana: Tamin’ny Lesona 83 ianao dia mety nanentana ireo mpianatra mba hamela ny fijoroany ho vavolombelona sy ny ohatra feno fahamarinana asehon’izy ireo hisy fiantraikany eo amin’ny hafa, tahaka ilay vato izay miteraka onja miparitaka ao anaty rano. Raha nataonao izany dia hevero ny hanombohana ity lesona ity amin’ny alalan’ny fangatahana ireo mpianatra hanao tatitra mikasika ny ezaka nataon’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 23

Lamanita an’arivony maro no niova fo ho an’ny Tompo

Manaova sarin’olona roa eny amin’ny solaitrabe (sary atao tsipitsipika dia efa ampy). Avy eo dia vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo henoin’ireo mpianatra ny famaritana nataon’ny Loholona Scott momba ny karazan’olona roa samy hafa.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Isika tsirairay dia samy efa nahatsikaritra ny fomba ahafahan’ny olona sasantsasany manao zavatra tsara foana mandritry ny fiainany. Toa sambatra izy ireo ary manana fientanentanana mihitsy aza mikasika ny fiainana. Rehefa misy safidy sarotra tokony hatao dia toa ilay safidy tsara foana no ataony, na dia eo aza ireo zavatra hafa manintona azon’izy ireo isafidianana. Fantatsika fa afaka mihatra amin’izy ireo ny fakam-panahy kanefa toa tsy mahatsikaritra azy ireny akory izy ireo. Tahaka izany ihany koa, tsikaritra ny maha tsy tena mavitrika mihitsy ny olona sasany eo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny. Raha ao amin’ny tontolo iray feno hery ara-panahy izy ireo dia tapa-kevitra hanao tsara kokoa, sy hanova ny fizotry ny fiainany, ary hiala amin’ireo fahazaran-dratsy izay manimba. Tena mahitsy ny fon’izy ireo eo amin’ny fahavononany hiova, kanefa dia vetivety foana izy ireo dia miverina manao indray ireo zavatra izay nahatapa-kevitra azy ireo hoe hialana.

“Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny fiainan’ireo karazan’olona roa ireo? Ahoana no ahafahanao manao safidy tsara hatrany?” (“Full Conversion Brings Happiness,” Ensign, Mey 2002, 24).

Anontanio ny mpianatra hoe inona no mety anarana omen’izy ireo an’ireo sary roa eny amin’ny solaitrabe ireo raha miainga avy amin’ny fanamarihana nataon’ny Loholona Scott. Asio soratra hoe Olona mahatoky ilay sary iray eny amin’ny solaitrabe ary hoe Olona miovaova. ilay sary hafa. Anontanio ireo mpianatra hoe ahoana no hamalian’izy ireo ilay fanontaniana izay napetraky ny Loholona Scott manao hoe:

  • Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny fiainan’ireo karazan’olona roa ireo?

  • Ahoana no ahafahanao hanao safidy tsara hatrany?

Mandritra ny fandalinan’ny mpianatra ny Almà 23–24, dia entano izy ireo hieritreritra mikasika ny zavatra mandrisika ireo mpikamban’ny Fiangonana maro hitoetra ho marina sy mahatoky hatrany mandritra ny androm-piainan’izy ireo.

Fintino ny Almà 23:1–5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy niova fo ny mpanjakan’ny Lamanita dia nandefa fanambarana teo anivon’ny vahoaka izy izay milaza fa tokony avelan’izy ireo i Aharôna sy ny rahalahiny hitory ny tenin’Andriamanitra manerana ny tany tsy misy fanakantsakanana sy fanaratsiana. Io fanambarana io no nahafahan’ireo misiônera hanorina fiangonana maro teo anivon’ny Lamanita. Vokatr’izany, dia Lamanita an’arivony maro no niova fo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 23:6. Asaivo manaraka tsara ireo mpianatra, ary hitady zavatra roa izay nanampy tamin’ny fiovam-pon’ireo Lamanita. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra izay hitany.

  • Fa nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny nampianaran’ i Amôna sy ireo rahalahiny an’ireo Lamanita “araka ny fanahin’ny fanambarana sy ny faminaniana”?

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “ny herin’Andriamanitra nanao fahagagana” teo amin’ny Lamanita?

  • Oviana ianao no niaina ny herin’Andriamanitra nanampy anao hiova fo? Oviana no nahitanao ny herin’Andriamanitra niasa mba hanampiana olona iray hiova fo?

Asao ireo mpianatra hamerina hamaky indray ny Almà 23:6, ary hitady ireo andian-teny izay manoritsoritra ireo Lamanita izay nino ny fitorian’i Amôna sy ireo rahalahiny. (Ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra fa ireo Lamanita ireo dia “niova fo ho an’ny Tompo,” fa tsy ho an’ny Fiangonana na ho an’ireo misiônera izay nampianatra azy ireo. Makà antoka ihany koa fa hitan’ny mpianatra tsara hoe ireo vahoaka ireo dia “tsy nihemotra na oviana na oviana.” Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Niova fo ho an’ny Tompo sy ny hoe Tsy nihemotra na oviana na oviana eo ambanin’ilay sarin’olona nasiana anarana hoe Olona mahatoky.)

  • Fa nahoana no zava-dehibe ny hoe miova fo ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olon-kafa na ho an’ny hevitra sasantsasany rehefa miatrika fotoan-tsarotra sy fahoriana isika?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 23:7, 16–18, ary hitady teny na andian-teny izay manaporofo ny fiovam-pon’ny Lamanita. Asao ireo mpianatra hitatitra ny zavatra hitany. Azonao atao ny manoratra ireo teny sy andian-teny ireo eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay sary nasiana anarana hoe Olona mahatoky. Mba hanampiana ireo mpianatra hamakafaka lalindalina kokoa ireo andininy ireo dia azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahana milaza fa ny fanirian’ny olona hahazo anarana vaovao dia porofo fa niova izy ireo?

  • Ahoana no mety “hanavahana” ireo izay niova fo amin’izao fotoana izao amin’ireo olon-kafa?

  • Araka ny ao amin’ny Almà 23:18, dia nanomboka niasa mafy sy nisakaiza tamin’ireo Nefita ireo Lamanita niova fo. Rehefa miezaka mibebaka na manova ny fiainany ny olona iray, mety hanampy azy amin’ny fomba ahoana ny fiarahany amin’ny olon-kafa izay efa niova fo?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: Ny fiovam-po dia midika hoe …

Asao ireo mpianatra hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny Almà 23 amin’ny alalan’ny famenoana ilay filazana eny amin’ny solaitrabe. Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra rehefa mamaly, saingy tokony haneho ity fahamarinana ity izy ireo: Ny fiovam-po dia midika hoe fiovana sy fahatongavana ho olom-baovao amin’ny alalan’ny herin’Andrimanitra. Fenoy ny filazana eny amin’ny solaitrabe.

Asaivo mijery ireo teny hoe Olona mahatoky sy Olona miovaova eny amin’ny solaitrabe ireo mpianatra. Amporisiho izy ireo handinika hoe iza amin’ireo teny ireo no tena manoritsoritra tsara ny halalin’ny fiovam-pony.

Almà 24

Nanao fanekempihavanana ireo Antia-Nefia-Lehia ny tsy handray fitaovam-piadiana intsony

Asao ireo mpianatra hieritreritra mangina raha toa ka efa nisy fotoana nanapahany hevitra ny hiala amin’ny famerimberenana fahadisoana na fahotana iray kanefa mbola niverina nanao io fahadisoana na fahotana io indray taty aoriana. Hazavao fa raha toa efa niaina izany izy ireo dia tokony hanohy ny hanandrana hihatsara hatrany. Rehefa mandalina ny Almà 24 izy ireo dia hianatra fahamarinana maromaro izay hanampy azy ireo.

Fintino ny Almà 24:1–5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Amalekita sy ny Amiolônita, izay mpiendaka tamin’ny Nefita, dia namporisika ny Lamanita ho tezitra tamin’ny mpanjakany sy ireo Antia-Nefia-Lehia hafa. Tao anatin’ny fahatezerany no niomanan’ireto Lamanita ireto hanafika ireo Antia-Nefia-Lehia. Maty ny mpanjakan’ny Antia-Nefia-Lehia tamin’izany fotoan’ny disadisa izany. Natolotra ny iray tamin’ireo zanany ny fanjakana. Nivory niaraka tamin’ny mpanjaka vaovao sy tamin’i Lamônia ary ny maro hafa i Amôna mba hikaon-doha miaraka sy hamantatra ny fomba hiarovan-tena amin’ireo Lamanita.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 24:6, ary hitady hoe inona no notapahan’ny Antia-Nefia-Lehia fa tsy ho ataony. Rehefa avy nanao tatitra ny amin’ny zavatra hitany ireo mpianatra dia mangataha mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’nyAlmà 24:7–10, 12–14. Asaivo manaraka tsara ny mpianatra hafa, ka mihaino ireo fomba rehetra tsapan’ny mpanjakan’ny Antia-Nefia-Lehia fa nitahian’Andriamanitra azy ireo.

  • Araka ny ao amin’ny Almà 24:9, inona no anankiray tamin’ireo fahotana efa vitan’ireo Antia-Nefia-Lehia tany aloha?

  • Araka ny ao amin’ny Almà 24:13 dia nahoana izy ireo no tsy nanaiky hiady?

Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra. Asao ny andiany voalohany hamaky ny Almà 24:11, 15, ary hitady ireo andian-teny izay maneho ny ezaka nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia mba hibebaka. Asaivo mamaky ny Almà 24:16–19 ny andiany faharoa, ary hitady ny zavatra izay nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia mba hahazoany antoka fa hijanona ho madio izy ireo. Rehefa nahazo fotoana ampy ireo mpianatra hamakiana dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay hitany. Azonao ampiasina ireto fanontaniana manaraka ireto mba hamoahana hevitra fanampiny:

  • Araka ny hevitrao, inona no tian’ilay mpanjaka holazaina raha niteny hoe: “Izay ihany no efa azontsika natao… mba hibebahan[tsika]”? (Almà 24:11). (Io teny io dia mamariparitra ny ezaka lehibe sy ny fahavononan’ireo Antia-Nefia-Lehia hibebaka tamin’ny fahotany.)

  • Ny teny hoe vavolombelona dia miseho in-telo ao amin’ny Almà 24:15–16, 18. Ahoana no mahatonga ny fandevenana ny fitaovam-piadian’izy ireo lalina ao anaty tany ho toy ny vavolombelona? (Naneho tamin’ny olon-kafa sy tamin’Andriamanitra izany fa tena nahafoy ny fahotany, na niala marina tamin’ny fahotany izy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Eo amin’ny fialan’ny olona iray amin’ny fahotana, dia tsy vitan’ny hoe maniry toe-javatra iainana tsaratsara kokoa fotsiny. … Tsy maintsy mahazo antoka izy fa tsy hoe nampitsahatra ilay fahotana fotsiny, fa nanova ihany koa ny toe-javatra rehetra nanodidina ilay fahotana. Tokony halaviriny ireo toerana sy fepetra ary toe-javatra nisy izay nitrangan’ilay fahotana, satria ireo no hitarika azy hamerina hanota indray. Tsy maintsy ilaozany ireo olona izay niarahany nanao ilay fahotana. Tsy voatery hankahala ireo olona izay nandray anjara izy, kanefa tsy maintsy manalavitra ireo olona ireo izy sy ny zavatra rehetra izay misy ifandraisany amin’ilay fahotana” (Le miracle du pardon [1969], 171–72).

  • Inona no nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia mba hanalavirana ireo toe-javatra sy olona izay mety hisarika azy ireo hiverina amin’ny fahotany teo aloha?

Azonao omena fotoana kely ireo mpianatra handinihan’izy ireo raha toa ka misy toe-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay tokony hovainy mba hibebahana sy hamoizana fahotana iray izay nanahirana azy.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: Raha toa isika ka … , dia Andriamanitra no …

Asaivo mamerina mijery ny Almà 24:10–18 ireo mpianatra, ka mitady ireo fomba izay ahafahan’izy ireo mameno io filazana eny amin’ny solaitrabe io. (Azonao atao ny manome torohevitra ireo mpianatra mba hanoratra fehezanteny iray tahaka izao manaraka izao ao amin’ny soratra masin’izy ireo: Raha toa isika ka manao izay azontsika atao mba hibebahana, dia Andriamanitra no hitondra ny fahadisoantsika ary hanampy antsika mba hitoetra ho madio.)

Tariho indray ireo mpianatra hamaky ny Almà 24:17.

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny fiadian’ny fikomiana (jereo ny Almà 23:7) izay azon’ny olona apetraka na alevina rehefa manomboka miova fo ao amin’ny Tompo? (Ampio ireo mpianatra hahita fa ny fiadian’ny fikomiana dia mety ahitana ireo toetra na zava-panao miendrika ota izay tsy maintsy hialana mba ahafahana miova fo ao amin’ny Tompo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity filazana ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mitovy ny halavan’ny fotoana ilaina mba hibebahana sy ny fotoana hitenenana hoe ’Hiova aho’—ka izay tokoa no tianao hambara. Marina fa tsy maintsy hisy olana hovahana sy fanonerana tsy maintsy hatao. Afaka mandany—raha ny marina dia tsara kokoa ho anao ny mandany—ny androm-piainanao sisa hanaporofoana ny fibebahanao amin’ny alalan’ny fitazonana hatrany izany toe-panahy nibebaka izany” (“For Times of Trouble,” New Era, Ôkt. 1980, 11–12).

Asaivo hazavain’ireo mpianatra ny asa tokony ataon’ny zatovolahy na ny zatovovavy iray mba hialana amin’ny famerimberenana ny tsirairay amin’ireto fahotana ireto: fandikana ny Tenin’ny Fahendrena, fijerena pôrnôgrafia, ary faharatsiam-panahy amin’ny mpiray tampo iray.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’ireo Antia-Nefia-Lehia rehefa avy nandevina ny fitaovam-piadiany, ary avy eo nahita fa tamy hanafika azy ireo ny tafika Lamanita. Asaivo mandinika io toe-javatra io ireo mpianatra rehefa mamaky mangina ny Almà 24:20–22 izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana ity: Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika, dia afaka manampy ny hafa hiova fo. Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 24:23–27. Asaivo manaraka tsara ny mpianatra hafa sy mitady ireo teny na andian-teny izay mampianatra ilay fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe.

  • Ahoana no fiantraikan’io tantara io eo amin’ny fanirianao hitandrina ireo fanekempihavanana nataonao?

  • Inona no azontsika atao mba hanamafisana orina ny faniriantsika sy ny fahafahantsika hitandrina ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny Tompo?

Asao ny mpianatra hizara izay mety ho traikefa nananan’izy ireo momba an’io fitsipika eo amin’ny solaitrabe io. Farano amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay nampianarina tato amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 23:17. “Nantsoiny hoe Antia-Nefia-Lehia ny anarany”

“Ireo Lamanita izay niova fo tamin’ny alalan’ireo zanakalahin’i Môsià efatra sy ireo misiônera naman’izy ireo dia nandray teo amin’izy ireo ny anarana hoe: ‘Antia-Nefiia-Lehia.’ (Almà 23:17; Almà 24:1–5.) Ilay ampahany hoe ‘Nefia-Lehia’ amin’ilay anarana dia mety nisy ifandraisana amin’ireo tanin’i Nefia sy i Lehia (na ireo vahoaka izay niaina teo amin’ireo tany ireo tamin’izany fotoana izany) fa tsy amin’ireo taranak’i Nefia na Lehia.

“Na izany aza, Dr. Hugh Nibley dia nahita ‘fototeny Semita sy Indo-Eorôpeanina tsotra amin’ilay hoe antia izay midika hoe “eo anoloan’ny” na “manoloana ny,” toy ny olona iray manoloana ny fitaratra iray, ary raha hitarina dia na hoe “izay manohitra” na “izay maka tahaka.”‘ (Voatanisa tao amin’ny Eldin Ricks, Book of Mormon Study Guide, p. 63.) Noho izany, ny teny hoe ‘Antia-Nefia-Lehia’ dia mety ilazana ireo izay naka tahaka ny fampianaran’ny taranak’i Nefia sy Lehia” (Daniel H. Ludlow, A Companion to Your Study of the Book of Mormon [1976], 209–10).

Hamoaka printy