Tahirim-pitaovana
Lesona 156: Môrônia 7:20–48


Lesona 156

Môrônia 7:20–48

Fampidirana

Nirakitra an-tsoratra ny famaranana ny lahateny nataon’i Môrmôna rainy tao amin’ny sinagoga iray taona vitsy talohan’izay i Môrônia. Nampianatra ny fomba “hihazonana ny zavatra tsara rehetra” (Môrônia 7:20, 25) tamin’ny mpihaino azy i Môrmôna tao anatin’ilay lahateny. Nanazava ny fifandraisan’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana izy ary namarana izany tamin’ny fiangaviana ny vahoakany hivavaka amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazo ilay fanomezana iray dia ny fiantrana izany izay “ny fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47).

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 7:20–39

Nampianatra i Môrmôna fa afaka mihazona ny zavatra tsara rehetra isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity:

Inona avy ireo zavatra tsara izay nomen’ny Ray any an-danitra anareo?

Omeo iray na roa minitra ny mpianatra any am-piandohan’ny fotoam-pianarana mba hamaliana ity fanontaniana ity ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina. Asao izy ireo avy eo hamaky ny sasany amin’ireo zavatra nataon’izy ireo lisitra.

Vakio mafy ny Môrônia 7:24. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hitady ny loharanon’ny zavatra tsara rehetra izay tonga teo amin’izy ireo.

  • Iza no loharanon’ny zavatra tsara rehetra izay tonga teo aminareo? (Mety tsy hitovy ny valintenin’ny mpianatra kanefa tokony hilaza ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Tonga noho i Jesoa Kristy ny zavatra tsara rehetra.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra misimisy kokoa ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môrônia 7:24 dia hazavao fa amin’ny maha taranak’i Adama sy Eva antsika dia “lavo” isika ary tsy afaka mandray fitahiana na inona na inona avy amin’ny tenantsika (jereo koa ny Almà 22:14; Etera 3:2; Fanekem-pinoana 1:3). Raha tsy nisy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia “tsy ho nety nisy zavatra tsara tonga tami[ntsika].” Ny zavatra tsara rehetra efa noraisintsika avy amin’ny Raintsika any an-danitra dia tonga tamin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

Hazavao fa mitahiry fitahiana maro ho antsika ny Ray any an-danitra. Tiany “[hihazona] avokoa ny zavatra tsara” (Môrônia 7:19) isika ary tiany homena antsika izay ananany rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanontanian’i Môrmôna ao amin’ny Môrônia 7:20. Aorian’izay dia asao ny mpianatra rehetra hamaky mangina ny Môrônia 7:21–24 ka hitady ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika mihazona ny zavatra tsara rehetra.

  • Avy amin’ny zavatra novakianareo tao amin’ny Môrônia 7:21–24, ahoana no ho namalianareo ny fanontanian’i Môrmôna ao amin’ny Môrônia 7:20? (Eo am-pamalian’ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Afaka mihazona ny zavatra tsara rehetra isika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo “mihazona ny zavatra tsara rehetra” dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hifandimby hamaky mafy ny Môrônia 7:25–26, 32–38. Asao ny antsasaky ny kilasy hamantatra ireo fomba tokony hanehoantsika ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Asao ilay antsasany iray hafa hitady ireo zavatra tsara izay tonga eo amintsika vokatr’izany. (Rehefa mamaky ny andininy 33 ny mpianatra iray dia azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “mahasoa ao Amiko” dia entina hilazana ireo zavatra miara-mirindra amin’ny sitrapon’ny Tompo.)

Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia asao izy ireo hanoratra tanjona iray izay hanampy azy ireo hampihatra finoana lehibe an’i Jesoa Kristy sy hihazona ny zavatra tsara rehetra izay irian’ny Ray any an-danitra omena azy ireo. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa tonga amin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ary ny Sorompanavotany ny fitahiana lehibe kokoa. Amporisiho ny mpianatra hampihatra finoana lehibe kokoa ao amin’i Jesoa Kristy.

Môrônia 7:40–43

Nampianatra i Môrmôna fa mitarika antsika mba hanana fanantenana ny fiainana mandrakizay ny finoana an’i Jesoa Kristy

Manaova sarina seza bory misy tongony telo eny amin’ny solaitrabe (na mampisehoa seza bory misy tongony telo).

Sary
seza bory misy tongony telo

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Fitsipika masina telo no mandrafitra fototra izay ahafahantsika manorina ny firafitry ny fiainantsika. … Izy ireo miaraka dia manome antsika fanohanana fototra tahaka ireo tongotry ny seza bory manana tongotra telo” (“The Joy of Hope Fulfilled,” Ensign, Nôv. 1992, 33).

Omeo anarana ny iray amin’ny tongotr’ilay seza bory hoe Finoana an’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hieritreritra hoe mety maneho inona ireo tongony roa hafa. Asao avy eo ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 7:40 mba hahitana hoe maneho inona ilay tongony faharoa. (Maneho ny fanantenana ilay tongony faharoa.)

Vakio mafy ireto fanambarana fanantenana manaraka ireto. Asao ny mpianatra hihaino ireo fahasamihafana eo amin’ireo fanambarana ireo.

  1. Manantena aho fa ho avy ny orana androany.

  2. Manana fanantenana amin’ny fampanantenan’ny Tompo aho fa afaka mahatsapa fiadanana amin’ny alalan’ny fibebahana.

  • Amin’ny fomba ahoana no mahasamihafa ireo fanambarana ireo? (Ampio ny mpianatra hahita fa ao amin’ilay ohatra voalohany, ny teny hoe fanantenana dia entina hilazana firariana tsy azo antoka. Ao amin’ilay ohatra faharoa, ny teny hoe fanantenana dia entina hilazana ny fahatokian-tena. Hery manosika hanao asa izany ary mifantoka amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny teny hoe fanantenana araka ny ampiasana izany ao amin’ny soratra masina dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny fanantenana dia fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. …

“Ny fanantenana dia tsy fahalalana, fa fahatokiana maharitra kosa fa ny Tompo dia hanatanteraka ny fampanantenany amintsika. Izany dia fahatokiana fa raha manana fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra sy ny tenin’ireo mpaminany isika amin’izao fotoana izao, dia handray ireo fitahiana iriantsika amin’ny ho avy. [Izany dia finoana sy fiandrandrana] fa hivaly ny vavaka ataontsika. Miseho izany [amin’ny alalan’ny fananana fahatokiana,] fieritreretana ny tsara hatrany, fientanentanana, ary faharetana” (“Ny Hery tsy Manam-petran’ny Fanantenana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 21–22).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 7:41. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hitady ny zavatra nampianarin’i Môrmôna fa tokony hantenaintsika. Rehefa mitatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia omeo anarana hoe Fanantenana ny Fiainana Mandrakizay ny tongotra faharoan’ilay seza bory.

Hamafiso fa ny Môrônia 7:41 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika io andininy io amin’ny fomba miavaka mba ho mora amin’izy ireo ny mahita izay misy ilay izy.

  • Araka ny voalazan’ny Môrônia 7:41 ahoana no ahafahantsika manana fanantenana mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay? (Na dia mety mampiasa teny samihafa aza ny mpianatra dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay.)

Asao ny mpianatra hamaky mitokana ny Môrônia 7:42–43 ka hitady ireo toetra ilaintsika mba hananana finoana sy fanantenana. Angataho izy ireo hitatitra ny zavatra hitany. (Azonao atao ny manazava fa ny hoe malemy fanahy sy mietry am-po dia midika hoe manetry tena, tsara fanahy, ary manaiky ny sitrapon’ny Tompo.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no ilaina ny fahalemem-panahy sy ny fietrena am-po mba hananana finoana sy fanantenana ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina:

  • Ahoana no hanomezan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany anao fanantenana fa hahazo ny fiainana mandrakizay ianao?

Môrônia 7:44–48

Nampianatra ny maha zava-dehibe ny fiantrana i Môrmôna

Avereno resahina indray ilay seza bory misy tongony telo. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 7:44 ary hitady anarana ho an’ny tongotra fahatelon’ilay seza bory. Rehefa milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia omeo anarana ilay tongony fahatelo hoe Fiantrana. Asao izy ireo hamaritra ny fiantrana amin’ny tenin’izy ireo manokana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 7:45–47. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hitady ny fomba namariparitan’i Môrmôna ny fiantrana.

  • Inona no namaritan’i Môrmôna ny fiantrana ao amin’ny Môrônia 7:47? (“Ny fitiavana madion’i Kristy.”)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe ny fiantrana dia tsy ho levona mandrakizay?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no toy ny tsinontsinona isika raha toa ka tsy manana fiantrana?

Asao ny mpianatra hifidy ireo famaritana ny fiantrana ao amin’ny Môrônia 7:45 ary hanazava izay eritreretiny ho dikan’ireo famaritana ireo. Hazavao araka izay ilaina ny fanazavana omen’izy ireo. (Ohatra hoe ny “mahari-po” dia midika fa mandalo ireo fitsapana amim-paharetana ny olona iray. Ny “tsy mialona” dia midika fa tsy mialona ny hafa ny olona iray. Ny “tsy mieboebo” dia midika fa manetry tena ny olona iray. Ny “tsy mikatsaka ny ho azy” dia mamaritra ny toetra izay mametraka an’Andriamanitra sy ny hafa alohan’ny tena. Ny “tsy mora hantsina” dia midika hoe tsy mora tezitra. Ny “mino ny zavatra rehetra” dia mamaritra ny olona iray izay manaiky ny fahamarinana rehetra.)

Anontanio ny mpianatra hoe ahoana no mety ho fihetsiny amin’ireto toe-javatra manaraka ireto raha tsy manana fiantrana izy ireo. Aorian’izay dia anontanio izy ireo hoe ahoana no mety ho fihetsiny raha feno fiantrana izy ireo. (Azonao atao ny manamboatra ireo toe-javatra ireo hifanaraka amin’izay ilain’ny mpianatra ampianarinao sy ny zavatra mahaliana azy.)

  1. Mihomehy anao na ny olona iray hafa ny olona any an-tsekoly.

  2. Manana mpiray tampo izay manorisory anao matetika ianao.

  3. Nanao fahotana lehibe ny olona iray fantatrao.

  4. Tsy tianao tahaka ny mpanolotsaina iray teo aloha ny mpanolotsaina vaovao ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Môrônia 7:48. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hamantatra ny zavatra tokony hataontsika mba hanomezana antsika izany fiantrana izany. Rehefa manome valinteny ny mpianatra dia ataovy izay hahazoana antoka fa mazava ity fitsipika manaraka ity: Afaka ny ho feno fiantrana isika raha mivavaka amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo ary miaina amin’ny maha mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.

Lazao amin’ny mpianatra fa ny Môrônia 7:45, 47–48 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo andininy ireo amin’ny fomba miavaka mba ho mora amin’izy ireo ny mahita izay misy azy ireo.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no tokony hivavaka amin’ny herin’ny fo manontolo isika mba hanomezana antsika izany fiantrana izany?

  • Oviana ianareo no nahita maso ny ohatry ny fiantrana? (Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara zavatra niainana. Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra niainanao manokana.)

  • Oviana ianareo no nahatsapa fa nanampy anareo hahatsapa ho feno fiantrana kokoa tamin’ny hafa ny Tompo?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Môrônia 7:45 ary hisafidy lafin-javatra iray ao anatin’ny fiantrana izay tokony hatsarain’izy ireo. Amporisiho izy ireo hivavaka mba hanomezana azy ireo izany fiantrana izany rehefa miezaka ny hivoatra ao amin’io lafin-javatra io izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fiantraikan’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana teo amin’ny fiainanao.

Soratra Masina Fehezina—Môrônia 7:41

Ampio ny mpianatra hanao tsianjery ny Môrônia 7:41. Ampiasao ny iray amin’ireo fomba fianarana hazavaina ao amin’ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Soratra Masina Fehezina—Môrônia 7:45, 47–48

Asao ny mpianatra hisafidy olona iray ao amin’ity lisitra manaraka ity, izay tian’izy ireo hanana fiantrana misimisy kokoa: olona iray ao amin’ny fianakaviana, mpikambana iray ao amin’ny kôlejy na kilasy, mpiara-mianatra iray any an-tsekoly, namana iray, na mpiara-monina iray. Amporisiho izy ireo hieritreritra olona iray izay nofidian’izy ireo eo am-pamakiana ny Môrônia 7:45 ary hieritreritra fomba azon’izy ireo hanehoana fitiavana misimisy kokoa tahaka ny an’i Kristy. Asao izy ireo hanoratra fomba iray na roa ao amin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina, izay entin’izy ireo hanehoana fitiavana ho an’ilay olona izay nofidiany. Asao izy ireo hampiditra ity ezaka atao ity ao anatin’ny vavak’izy ireo mandritra ny herinandro ho avy. Azonao atao ny manome fahafahana ny mpianatra hizara ny traikefany mandritra ireo andro ho avy.

Fanamarihana: Noho ny halavan’ity lesona ity dia azonao atao ny mampiasa ity asa atao ity amin’ny andro hafa rehefa manana fotoana fanampiny ianao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrônia 7:29–31. Ny fanompoan’ny anjely

Namariparitra ny fanompoan’ny anjely ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“‘Ny teny hoe “anjely” dia ampiasaina ao amin’ny soratra masina ho an’ny olona rehetra any an-danitra izay mitondra ny hafatr’ Andriamanitra’ (George Q. Cannon, Gospel Truth, sel. Jerreld L. Newquist [1987], 54). Mitanisa ohatra maro izay nahitana anjely iray niseho mivantana ny soratra masina. Ny fisehoan’ny anjely tamin’i Zakaria sy i Maria (jereo ny Lioka 1) ary tamin’ny Mpanjaka Benjamina sy i Nefia, ilay zanakalahin’i Helamàna (jereo ny Môsià 3:2; 3 Ne. 7:17–18) dia ohatra vitsivitsy ihany.

“… Mety ho tsy hita maso ihany koa ny fanompoan’ny anjely. Ny hafatra avy amin’ny anjely dia mety ambara amin’ny alalan’ny feo na amin’ny alalan’ny eritreritra tsotra izao, na amin’ny alalan’ny fahatsapana mifandray amin’ny saina. Ny Filoha John Taylor dia namariparitra ny ‘asan’ny anjely, na ireo irak’ Andriamanitra, amin’ny saintsika, mba hahafahan’ny fo mandray … fanambarana avy amin’ny tontolo mandrakizay’ (Gospel Kingdom, sel. G. Homer Durham [1987], 31).

“Namaritra ireo karazam-pisehoan’ny fanompoan’ny anjely miisa telo i Nefia rehefa nampahatsiahy ireo rahalahiny mpikomy fa (1) ‘nahita anjely’ izy ireo (2) ‘nandre ny feony ombieny ombieny’ izy ireo ary (3) ‘niteny tami[n’izy ireo] tamin’ny feo tony sy malefaka’ koa ny anjely iray na dia ‘donto’ aza izy ireo ary ‘tsy nahatsapa ny teniny’ (1 Ne. 17:45). Mirakitra fanambarana maro hafa izay milaza ny nanirahana ireo anjely mba hampianatra ny filazantsara sy hitondra ny olona ho any amin’i Kristy ny soratra masina (jereo ny Heb. 1:14; Almà 39:19; Môrô. 7:25, 29, 31–32; F&F 20:35). Tsapa sy re ny ankamaroan’ny fifaneraserana ataon’ny anjely fa tsy hita” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, Nôv. 1998, 38–39).

Môrônia 7:45–48. Ny fiantrana: “ny fitiavana madion’i Kristy”

Nampianatra mikasika ny ilàna ny fananana fiantrana ny Filoha Thomas S. Monson manao hoe:

“Tena ilaina ny fananana fiantrana izay manome fitiavana hiahy ireo hafa izay tsy misy miraharaha, sy fanantenana ho an’ireo izay kivy, ary fanampiana ho an’ireo izay ory. Ny fiantrana marina dia fanehoam-pitiavana amin’ny alalan’ny asa. Hita taratra na aiza na aiza ny ilana izany fiantrana izany. …

“Ny atao hoe fiantrana dia maharitra amin’ireo olona izay nandiso fanantenana antsika. Mahatohitra ny toetra mora tafintohina izany. Manaiky ireo fahalemena sy ny tsy fahatanterahana. Mandray ny olona amin’ilay tena toetrany. Mijery mihoatra ny endrika ivelany ary mahita ireo toetra tsara izay tsy ho lefin’ny fotoana. Mahatohitra ny fironana hanavakavaka ny hafa ihany koa. …

“… Tsy misy fiainana tonga lafatra ho antsika tsirairay. Mba tsy hifampitsaratsarana sy hifampitsikerana dia meteza isika hanana ny fitiavana madion’i Kristy ho an’ireo mpiara-dia amintsika eto amin’ity famakivakiana ny fiainana ity. …

“… Enga anie [ny fiantrana] hitarika anao amin’ny zavatra rehetra ataonao. Enga anie izany hanenika ny ati-panahinao sy hiseho amin’ny fihetsika sy zavatra rehetra ataonao” (“Ny Fiantrana tsy ho Levona Mandrakizay,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 124–25).

Nitanisa fomba azontsika hanehoana fiantrana ny Loholona Marvin J. Ashton ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Tsy zavatra omenao fotsiny ny fiantrana marina fa zavatra iray izay azonao ary lasa ampahan-javatra iray ao amin’ny tenanao. …

“Ny fiantrana lehibe indrindra angamba dia tonga rehefa mifaneho hatsaram-panahy isika, rehefa tsy mitsara na manasokajy ny olona hafa isika, rehefa mino fotsiny isika fa afaka mahavita izay tsara indrindra ny olona iray, na mangina. Ny fiantrana dia fanekena ireo zavatra mampiavaka ny hafa, ny fahalemeny ary ny tsy fahatanterahany, manana faharetana amin’ny olona izay namitaka antsika, na fanoherana ny fihetsehampo tsy hay tohaina ny ho lasa tezitra rehefa misy olona iray tsy manatanteraka zavatra iray araka izay mety nantenaintsika azy. Ny fiantrana dia fandavana ny hanararaotra ny fahalemen’ny hafa ary vonona ny hamela ny olona iray izay nanao ratsy antsika. Ny fiantrana dia fanantenana ny tsara indrindra avy amin’ny tsirairay” (“The Tongue Can Be a Sharp Sword,” Ensign, Mey 1992, 19).

Môrônia 7:45–48. “Ny famaritana tsara indrindra ny “fitiavana madion’i Kristy’”

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa niresaka mikasika ny tenin’i Môrmôna ao amin’ny Môrônia 7:45–48 hoe:

“Mampanita-tsaina ny manamarika fa ny fiantrana, na ‘ny fitiavana madion’i Kristy,’ izay ankamamiantsika dia azo hazavaina amin’ny fomba roa. Iray amin’ny dikan’izany ilay karazam-pitiavana feno famindram-po sy famelan-keloka izay tokony hifanehoan’ireo mpanara-dia an’i Kristy. Izany hoe ny Kristianina rehetra dia tokony hiezaka hitia tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy, maneho fangorahana madio sy manavotra ho an’ny rehetra. Indrisy anefa fa vitsy, raha misy, ny olombelona izay nahomby tanteraka tamin’io ezaka io, kanefa izany dia fanasana tokony heken’ny rehetra.

“Ny famaritana tsara indrindra ny ‘fitiavana madion’i Kristy,’ na izany aza, dia tsy izay ezahantsika Kristiana atao kanefa tsy mahomby isika amin’ny fanehoana izany amin’ny hafa, fa izay nataon’i Kristy, ary nahomby tanteraka Izy tamin’ny fanehoana izany tamintsika. Ny fiantrana marina dia fantatra indray mandeha ihany. Naseho tamin’ny fomba tonga lafatra sy tena marina tao anatin’ny fitiavan’i Kristy antsika izay tsy nety levona sy lehibe indrindra ary nanavotra izany. Ny fitiavan’i Kristy antsika no ‘mahari-po sy malemy fanahy ary tsy mialona.’ Ny fitiavany antsika no ‘tsy mieboebo … , tsy mora hantsina, tsy mihevitra ratsy.’ Ny fitiavan’i Kristy antsika no ‘mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra.’ Hita ao amin’i Kristy fa ‘ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay.’ Izany dia ilay fiantrana—ny fitiavana madiony ho antsika—izay, raha tsy misy an’izany, dia ho tsinontsinona sy tsy hanan-kantenaina isika, ary ho fadiranovana indrindra amin’ny olona rehetra. Marina tokoa fa ireo izay hita manana ireo fitahian’ny fitiavany amin’ny andro farany—ny Sorompanavotana, ny Fitsanganana amin’ny maty, ny fiainana mandrakizay, ny fampanantenana mandrakizay—dia tena ho soa ho azy tokoa izany.

“Tsy manamaivana velively na amin’ny fomba ahoana na ahoana ny didy izany fa isika dia tokony hiezaka ny hanana io karazam-pitiavana io ho an’ny tsirairay. Isika dia tokony ‘hivavaka amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno [antsika] amin’izany fitiavana izany.’ [1 Korintiana 13:4–5, 7–8; Môrônia 7:48.] Tokony hiezaka ny tsy hiovaova sy ho tia ombieny ombieny kokoa isika, mahari-po sy malemy fanahy kokoa, tsy mialona sy mieboebo be loatra intsony amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Tokony hiaina tahaka an’i Kristy isika, ary tokony hitia tahaka ny nitiavan’i Kristy. Ny ‘fitiavana madion’i Kristy’ izay noresahan’i Môrmôna anefa dia izany tokoa—ny fitiavan’i Kristy. Manana ny zavatra rehetra isika miaraka amin’izany fanomezana masina izany, izany fanomezana manavotra izany; tsy manana na inona na inona isika raha tsy manana izany ary ho tsinontsinona isika any aoriana any fa dia ho ‘devoly [sy] anjelin’ny devoly’ amin’ny farany. [2 Nefia 9:9.]

“Misy tahotra sy tsy fahombiazana amin’ny fiainana. Indraindray dia tsy mety ny zavatra atao. Indraindray dia mamitaka antsika ny olona, na tsy manampy antsika ny fiharian-karena na ny raharaham-barotra na ny governemanta. Kanefa ny zavatra iray mandritra izao fiainana izao na mandrakizay izay tsy mamitaka antsika dia—ny fitiavana madion’i Kristy. …

“… Sady manavotra antsika no manova antsika ny fahagagana avy amin’ny fiantran’i Kristy. Manavotra antsika amin’ny fahafatesana sy ny helo ilay fitiavany manavotra, ary manavotra antsika amin’ny fitondrantena maneho ny maha-olon’ny nofo, sy maneho firehetam-po ary toetran-devoly koa izany. Manova ny fanahintsika koa io fitiavana manavotra io, manandratra izany ho eo ambonin’ny fenitry ny fahalavoana mba ho zavatra manan-kaja kokoa, masina kokoa. Noho izany dia tsy maintsy ‘mifikitra amin’ny fiantrana’ isika—ny fitiavana madion’i Kristy ho antsika ary ny ezaka amim-pahazotoana ataontsika hanolorantsika ilay fitiavantsika madio ho Azy sy ho an’ny olona rehetra—satria tsinontsinona isika raha tsy manana izany ary very maina tanteraka ny drafitra ataontsika mba ho sambatra mandrakizay. Raha tsy misy ny fitiavana manavotr’i Kristy eo amin’ny fiainantsika, ny toetra hafa rehetra—eny fa na dia ireo toetra tsara sy asa tsara fakan-tahaka rehetra aza— dia tsy ho ampy hahazoana famonjena sy fifaliana” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 336–37).

Hamoaka printy