Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
3 Nefia 11:18–16:20 (fizarana 25)
Fampidirana
Ao amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hijery hoe ahoana no fiantraikan’ny fifandirana eo amin’ny fahafahan’izy ireo mahatsapa ny Fanahy Masina. Afaka ny hieritreritra mikasika ireo izay naneho ohatra tsara tamin’izy ireo ihany koa izy ireo ary hijery ny fomba ahafahan’izy ireo ho tonga ohatra tsaratsara kokoa ho an’ny hafa.
Sosokevitra Enti-mampianatra
3 Nefia 11:18–41
Nametraka ny fomba fanaovana ny batisa i Jesoa Kristy, nanameloka ny fifandirana Izy, ary nanambara ny fotopampianarany
Soraty eny amin’ny solatirabe ny teny hoe fifandirana,ary asao ny mpianatra hamaritra io teny io (ady hevitra, fifanoherana, na fifanjihirana).
Asao ireo mpianatra hanao lisitra fohifohy eny amin’ny solaitrabe ireo toe-javatra vitsivitsy izay mety hahatonga azy ireo hifanditra. (Azonao atao ny manendry mpianatra iray hanoratra mandritra ny fanomezan’ireo mpianatra ny valinteny.) Eo am-panaovana ity asa ity, dia ialao ilay antsoin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe “tetik’adin’ny fahavalo” izay mampisy “ady hevitra sy tsy fifankahazoana” (The Lord’s Way [1991], 139).
Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa izy ireo dia namaky tao amin’ny 3 Nefia 11 fa niseho tamin’ireo Nefita izay tafavory tao amin’ny tempoly i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 11:28, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny lohahevitra izay nifandiran’ny Nefita sasany. (Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa io andinin-tsoratra masina io, dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe fifanjihirana dia midika hoe ady hevitra na tsy fifankahazoana.)
Manontania hoe: Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny misoroka ny fifanjihirana na fifandirana rehefa mifanakalo hevitra amin’ny hafa momba ny filazantsara?
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Ny fanahin’ny fifandirana dia tsy an’Andriamanitra, fa … Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 11:29–30, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny fiavian’ny fanahin’ny fifandirana. Ny fahamarinana hitan’izy ireo dia mety ho voalaza tahaka izao manaraka izao: Ny fanahin’ny fifandirana dia tsy an’Andriamanitra, fa an’ny devoly kosa. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masiny.
Manontania hoe: Ahoana no hanampian’ny fahatsiarovana ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 11:29–30 anareo rehefa ao anatin’ny toe-javatra mety hisy fifandirana ianareo? (Azonao atao ny miresaka momba ny toe-javatra voafaritra izay voasoratra eny amin’ny solaitrabe, na mieritreritra toe-javatra izay ahitana olona iray te hiady hevitra momba ny filazantsara.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny vokatra iray ateraky ny fifandirana, dia vakio na asehoy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Rehefa misy ny fifandirana dia hiala ny Fanahin’ny Tompo, na iza na iza no diso” (“What I Want My Son to Know before He Leaves on His Mission,” Ensign, Mey 1996, 41).
Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra izany fanambarana izany ao amin’ny soratra masiny na ny diary fandalinany soratra masina.
Manontania hoe: Efa nahatsapa ny nialan’ny Fanahin’ny Tompo noho ny fifandirana ve ianao? Manao ahoana izany?
Hamafiso ilay tenin’ny Mpamonjy mikasika ny fifandirana ao amin’ny 3 Nefia 11:30: “Fa izao kosa no fotopampianarako, dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany.” Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:
-
Ahoana no hialantsika amin’ny fifandirana sy fifanjihirana?
-
Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fifandirana na dia tsy mitovy hevitra amin’ny hafa aza?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanareo fa notahiana ianareo noho ny ezaka nataonareo hisoroka na handresena ny fifandirana?
Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao rehefa nahatsapa ianao fa notahiana noho ny ezaka nataonao hisoroka na handresy ny fifandirana. Asao ireo mpianatra hijery ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ary hisafidy toe-javatra iray izay mety tsapany fa mora mirona amin’ny fifandirana. Omeo fotoana izy ireo hanoratany tanjona iray mikasika ny fomba hiezahany hiala na handresy ny fifandirana amin’io toe-javatra io.
3 Nefia 12–16
Nampianatra fitsipika izay hanampy ireo zanany hankany amin’ny fahatanterahana i Jesoa Kristy
Asao ireo mpianatra hitsangana sy hanao tsianjery ny 3 Nefia 12:48. Azonao atao ny mangataka azy ireo hanao famerenana mandritra ny fotoana fohy mba hahafahany manao tsianjery tsara io andinin-tsoratra masina fehezina io. Asaivo mampiasa ny soratra masiny ireo mpianatra mba hilazany ireo toetran’ny olona tanteraka izay voalaza ao amin’ny 3 Nefia 12:1–12 ka antenain’izy ireo hitombo bebe kokoa ao anatiny.
Asio sira kely eo amin’ny sotra iray, ary asaivo fantarin’ireo mpianatra hoe inona io zavatra io. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hanatona sy hamantatra ilay zavatra amin’ny alalan’ny fanandramana izany. Rehefa fantatr’ilay mpianatra ilay zavatra hoe sira, dia angataho ny iray kilasy mba hitanisa ny zava-tsoa azo avy amin’ny sira. Rehefa mamaly izy ireo dia ataovy izay hampahazava fa ankoatra ny fanomezan’ny sira tsiro ny sakafo dia ampiasaina ihany koa izy ho toy ny fitaovam-piarovana hitehirizana ny hena mba tsy ho simba.
Asaivo mamaky ny 3 Nefia 12:13 ireo mpianatra mba hahitany hoe iza no nampitahain’ny Mpamonjy tamin’ny sira. Rehefa mamaly ireo mpianatra dia hazavao fa tsy ireo valalabemandry ihany no tiany holazaina teto fa ireo rehetra izay natao batisa ho ao amin’ny fanekempihavanany ihany koa.
Manontania hoe: Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ho tonga toy ny sira amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika? (Isika dia natao hiaro sy hamonjy ny olona ary hanatsara izao tontolo izao amin’ny fitaomantsika ny hafa ho amin’ny tsara.)
Hazavao fa ao amin’ny 3 Nefia 12:13 ny teny hoe tsiro dia tsy milaza fotsiny ny tsiron’ny sira fa ny anjara asany amin’ny fiarovana ny sakafo tsy ho simba ihany koa.
Angataho ny mpianatra iray hamaky ity teny ity izay nataon’ny Loholona Carlos E. Asay ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy mikasika ny fomba mety hahavery ny tsiron’ny sira:
“Tsy hanary ny tsirony ny sira na dia ao anatin’ny taona maro aza. Ny fifangaroana sy ny fifindran’ny loto aminy no mahavery ny tsirony. Mitovy amin’izany ihany … mandositra miala amin’ny olona ny hanitra sy ny hatsarana rehefa voaloton’ny eritreritra maloto ny sainy, rehefa simbainy amin’ny fitenenana izay tsy marina ny vavany, ary rehefa mampiasa amin’ny tsy tokony ho izy ny heriny izy amin’ny fanaovana asa ratsy” (“Salt of the Earth: Savor of Men and Saviors of Men,” Ensign, Mey 1980, 42).
Manontania hoe: Nahoana isika no tokony hiezaka ny hadio mba hitaona ny hafa amin’ny tsara?
Manehoa jiro elektrika fanao am-paosy amin’ireo mpianatra. Areheto izany ary asao ireo mpianatra hamaky ny 3 Nefia 12:14–16 sy hitady ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ny jiro mba hampianarany bebe kokoa momba ny anjara asan’ny vahoakan’ny fanekempihavanany eo amin’izao tontolo izao. Alohan’ny hamakian’izy ireo, dia mety hanampy ny manazava fa ny vata famarana dia harona.
Manontania hoe: Ahoana no mety hahatonga ireo mpikamban’ny Fiangonana izay mitandrina ny fanekempihavanany ho fahazavana ho an’ny hafa?
Sarony amin’ny harona na lamba famaohana ilay jiro, ary apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo fomba mety hahatonga antsika ho alaim-panahy hanarona ny fahazavantsika?
-
Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 12:16, nahoana no tian’ny Mpamonjy ny hanehoantsika ohatra tsara ho an’ny hafa? Rehefa maneho ohatra tsara isika dia afaka manampy ny hafa hankalaza ny Ray any an-danitra. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny.)
-
Iza no naneho ohatra feno fahamarinana taminao ka nanampy anao hanakaiky bebe kokoa ny Ray any an-danitra na nanamafy ny fanirianao hiaina feno kokoa ny filazantsara?
Amporisiho ny mpianatra mba ho tonga tahaka ny sira sy jiro ho an’izao tontolo izao amin’ny fisafidianana haneho ohatra feno fahamarinana.
Hazavao fa nanohy nampianatra ireo Nefita ny Mpamonjy fa ny tena valisoa noho ny fitandremana marina ireo didy dia ho azo rehefa mitsaoka tsy misy fihatsarambelatsihy izy ireo sady tsy mametraka ny fony amin’ireo harena na valisoan’ny tany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: 3 Nefia 13:22; 13:31–33; 14:7–8; 15:9; 16:13. Asao ny mpianatra handalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ary hitady ny sasany amin’ireo valisoa izay nampanantenain’ny Ray any an-danitra antsika raha mifantoka amin’ny fiainana am-pahamarinana ny fontsika. Rehefa tapitra ny fotoana sahaza ho an’izany dia asao izy ireo hanao tatitra momba ny zavatra hitany.
Zarao amin’ny mpianatra ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanampy sy hitahy azy ireo amin’ny ezaka ataony mba hisoroka ny fifandirana sy ho tonga ohatra feno fahamarinana ho an’izao tontolo izao.
Fizarana Manaraka (3 Nefia 17–22)
Lazao amin’ireo mpianatra fa rehefa mandalina ny 3 Nefia 17–22 izy ireo, dia ho hitany ao fa nitomany i Jesoa Kristy rehefa niaraka tamin’ireo zanaky ny Nefita Izy. Amporisiho izy ireo hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no nataony ho azy ireo? Inona ireo fahagagana hafa nataon’i Jesoa nandritra ny asa fanompoana nataony tamin’ireo Nefita?