Tahirim-pitaovana
Fandalinana ho an’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 10


Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any An-trano

Jakôba 5 (ao amin’ny Bokin’i Môrmôna)Ômnia (Fizarana 10)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity rehefa nandalina ny Jakôba 5Ômnia (fizarana 10) dia tsy natao ho anisan’ny ampianarina ao anatin’ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa tsy amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao.

Andro 1 (Jakôba 5–6)

Nandritra ny lesona mikasika ny fanoharana ny amin’ny hazo ôliva ao amin’ny Jakôba 5, dia nifantohan’ireo mpianatra ilay fitsipika hoe tia antsika ny Tompo ary miasa amim-pahazotoana tokoa ho an’ny famonjena antsika. Nanoratra ny zavatra nianarany tao amin’ny Jakôba 5 ireo mpianatra, mikasika ny fitiavan’ny Tompo azy ireo. Tao amin’ny Jakôba 6 ireo mpianatra dia nianatra fa hendry isika raha miomana amin’izao fotoana izao ho amin’ny fitsarana amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fandraisana ny famindram-pon’ny Tompo.

Andro 2 (Jakôba 7)

Nohalalinin’ireo mpianatra ny fifanatrehan’i Jakôba tamin’i Serema, izay antikristy. Nianatra izy ireo fa rehefa miantehitra amin’ny Tompo isika dia afaka mandresy ny fanozongozonana ny finoantsika. Avy amin’ny ohatra nasehon’i Jakôba no nianaran’izy ireo ihany koa izy fa tsy afaka ny ho voahozongozona amin’ny finoantsika isika raha toa ka miorina amin’ny fanambarana sy ny zavatra niainana marina ara-panahy ny fijoroantsika ho vavolombelona. Ambonin’izay dia naseho ireo mpianatra ihany koa ny kisary maneho ilay fitsipika hoe raha toa isika ka mamaly ireo fametraham-panontaniana na fanakianana atao amin’ny ny finoantsika amin’ny fomba izay manasa ny Fanahy dia afaka manampy ny hafa hitodika any amin’ny Tompo. Nanoratra mikasika ny fomba hampiharany ny fitsipika iray hitan’izy ireo tao amin’ny Jakôba 7:15−23 ny mpianatra.

Andro 3 (Enôsa)

Avy amin’ny ohatra nasehon’i Enôsa no nianaran’ireo mpianatra fa rehefa mino an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ho voavela heloka sy ho voavonjy. Nianatra ihany koa izy ireo fa rehefa mahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia hikatsaka ny hanampy ny hafa handray ny famonjena. Nanoratra mikasika ny fomba iray izay hampiharany ireo fitsipika ireo ny mpianatra.

Andro 4 (Jarôma sy Ômnia)

Nandritra ny nandalinan’ireo mpianatra ny Jarôma sy Ômnia dia nahita ity fahamarinana ity izy ireo: Hiroborobo isika rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra. Nosoratan’izy ireo ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo noho izy ireo nitandrina ny didy. Ny mpianatra dia nandalina fohifohy ihany koa mikasika ny fifindra-monin’ny Nefita ho any amin’ny tanin’i Zarahemlà sy ny nahafantarany ny vahoakan’i Zarahemlà, sy ny Jaredita, ary ny andian’olona Nefita iray (ny olon’i Zenifa) izay niverina tany amin’ny tanin’i Nefia. Nianatra ity fitsipika manaraka ity ireo mpianatra: Raha manatona an’i Kristy isika ary maharitra hatramin’ny farany dia hovonjena. Namarana ity lesona ity ny mpianatra tamin’ny fanoratana lahateny maharitra iray na roa minitra momba ny iray tamin’ireo fomba namporisihan’i Amalekià antsika hanatona an’i Kristy.

Fampidirana

Mandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hisaintsaina mikasika ny fitiavan’ny Tompo azy ireo araka izay hita ao amin’ny Jakôba 5. Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny mampianatra azy ireo avy amin’ny Jakôba 5 mikasika ny anjara andraikitr’izy ireo amin’ny maha mpanompo ny Tompo azy ireo. Ho afaka hifanakalo hevitra ireo mpianatra momba ireo fahamarinana ao amin’ny Jakôba 7, izay afaka hanampy azy ireo rehefa misy mametra-panontaniana sy manakiana ny zavatra inoan’izy ireo. Hanana fahafahana ihany koa izy ireo hitantara amin’ireo mpianatra ny fomba nampiharany ny zavatra nianarany tao amin’ny bokin’i Enôsa. Ankoatra izany izy ireo dia afaka mizara ny lahateny nomaniny mikasika ny fomba hanekentsika ny fanasana nataon’i Ômnia mba hanatona an’i Kristy. Raha tianao ny hanasa azy ireo hanao izany, dia mety manampy ny miresaka mialoha amin’ny mpianatra maromaro sy manasa azy ireo hiomana hizara ny lahateniny amin’ireo mpiara-mianatra aminy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jakôba 5–6

Nitantara ilay fanoharana ny amin’ireo hazo ôliva i Jakôba mba hanehoana fa miasa amim-pahazotoana ny Tompo ho an’ny fanavotana antsika

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ao amin’ilay fanoharana ny amin’ireo hazo ôliva, dia naely patrana manerana ny tanimboly ireo sampana avy amin’ilay hazo ôliva voakolokolo. Izany dia maneho ny fampielezana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra—ireo mpikambana ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely—manerana izao tontolo izao. Nanjary niharatsy avokoa anefa ireo hazo rehetra tao amin’ny tanimboly taty aoriana (jereo ny Jakôba 5:46). Hazavao fa izany dia maneho ny vanim-potoan’ny Apôstazia Lehibe.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Jakôba 5:61–62 ka hitady ny zavatra nasain’ny Tompo ho ataon’ny mpanompony (ny mpaminaniny) mba hanampiana ireo hazo hamoa voa tsara indray. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny eritreritrao, mety ho iza no tiana holazaina amin’ireo “mpanompo” ireo? (Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ireo misiônera, ary ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana.)

  • Inona no mampiavaka ilay fotoana izay niantsoana ireo mpanompo ireo hiasa?

Hazavao fohifohy fa ireo asa ireo dia maneho ny fanangonana an’i Isiraely. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa anisan’ireo mpanompo izay nantsoina hiasa ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo izy ireo, dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dean L. Larsen ao amin’ny Fitopololahy ity. Asao ireo mpianatra hihaino hoe iza ireo olona izay lazainy hoe “ireo mpiasa farany ao amin’ny tanimboly.”

“[Amin’izao fotoana hiainantsika izao] no fotoana hanaovan’ny Tompo sy ireo mpanompony ilay asa lehibe farany hoe hitondra ilay hafatry ny fahamarinana amin’ny olona rehetra eto an-tany sy hamerina indray ny taranak’i Isiraely fahiny izay tsy mahalala intsony hoe iza marina moa izy ireo. …

“Tonga tety an-tany ianareo tamin’ny fotoana hoe efa voaorina ny fototr’ity asa lehibe ity. Naverina farany tamin’ny laoniny ny filazantsara. Naorina saika manerana ny lafiny rehetra eto amin’izao tontolo izao ny Fiangonana. Efa voaomana ny sehatra mba hilalaovana ireo ampahany lehibe farany amin’ny tantara. Ianareo no ho mpilalao fototra. Anisan’ireo mpanompo farany ao amin’ny tanimboly ianareo. … Io no asa fanompoana nisafidianana anareo” (“A Royal Generation,” Ensign, Mey 1983, 33).

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza hoy ny Loholona Larsen no mpanompo na “mpiasa farany” nantsoina hiasa ao amin’ny tanimboly?

  • Inona avy ireo fahafahana anananareo hanompo ny Tompo sy hanampy ny hafa hamoa “voa tsara”?

Vakio mafy miaraka amin’ny mpianatra rehetra ny Jakôba 5:71. Asao ireo mpianatra hamantatra ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay miara-miasa aminy. Anontanio ireo mpianatra ny fotoana nahatsapan’izy ireo fa notahiana izy ireo noho ny ezaka nataony hanompoana ny Tompo.

Jakôba 7

Niantehitra tamin’ny Tompo i Jakôba rehefa niatrika an’i Serema ary nitarika Nefita marobe hitodika tany amin’ny Tompo

Fanamarihana: Tao amin’ny Jakôba 7, ireo mpianatra dia nianatra mikasika ny fomba nandresen’i Jakôba ny fanoherana ny finoany an’i Jesoa Kristy avy amin’ny lehilahy iray antsoina hoe Serema, izay antikristy. Na dia tsy mifantoka amin’ny zavatra niainan’i Jakôba niaraka tamin’i Serema aza ity lesona ity dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamintina ireo zava-niseho sy hitady ny fahamarinana nianaran’izy ireo avy amin’ny ohatra nasehon’i Jakôba. Azonao atao ny manamafy indrindra fa ilay fahamarinana hoe tsy afaka ny ho voahozongozona amin’ny finoantsika isika raha toa ka miorina amin’ny fanambarana sy ny zavatra niainana marina ara-panahy ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Enôsa

Taorian’ny nahazoan’i Enôsa ny famelana ny fahotany dia nivavaka ho an’ny hafa izy ary niasa ho an’ny famonjena azy ireo

Sary
kisary maneho ny vavaka

Ataovy eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy ity kisary ity. Asaivo hazavain’ireo mpianatra ny mampifandray izany amin’ny zavatra niainan’i Enôsa.

Zarao ho vondrona telo ireo mpianatra. (Raha vitsy ny mpianatrao dia azo atao olona iray ihany no ao amin’ny vondrona iray.) Asao ny vondrona voalohany hamaky ny Enôsa 1:4–6 ary hiomana hanazava fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny vavaka nataon’i Enôsa ho an’ny tenany. Asao ny vondrona faharoa hamaky ny Enôsa 1:9–10 ary hiomana hanazava ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io ampahany io amin’ny vavaka nataon’i Enôsa. Asao ireo ao amin’ny vondrona fahatelo hamaky ny Enôsa 1:11–14 ary hiomana hanazava ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io ampahany io amin’ny vavaka nataon’i Enôsa. Avy eo dia asao ny olona iray avy amin’ny vondrona tsirairay hizara izay zavatra nomaniny. Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny andro 3, asa ampanaovina 9 ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ary asao ny vitsy amin’izy ireo hizara ny fomba nofidiany hampiharana ireo fahamarinana ao amin’ny bokin’i Enôsa.

Jarôma sy Ômnia

Tantarain’ireo mpitana rakitsoratra ny tolona nataon’ireo Nefita sy ny fitahiana azony

Raha manana fanontaniana ireo mpianatra mikasika ny fifindra-monin’ireo vahoaka samihafa tany amin’ireo tany any amin’ny Ilam-bolantany Andrefana dia azonao atao ny mifanakalo hevitra amin’izy ireo mikasika ireo zavatra ao amin’ny bokin’ny mpianatra mikasika ny Ômnia 1:1−30, izay ahitana ny fanambarana nataon’ny Filoha Anthony W. Ivins tao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny lahateny izay nomanin’izy ireo momba ny fanatonana an’i Kristy (andro 4, asa ampanaovina 4). Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manasa mpianatra maromaro hanolotra ny lahateniny amin’ireo mpiara-mianatra aminy. Raha nangataka mialoha ireo mpianatra ianao hanao ny lahateniny, dia ataovy izay hamelana fotoana ampy hanaovan’izy ireo izany.

Aza adino ny misaotra ireo mpianatra noho ny fandraisany anjara. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ny mpianatrao tsirairay ary omeo toky izy ireo fa rehefa manatona an’i Kristy amin’ny fanahiny manontolo izy ireo dia ho voavonjy ao amin’ny fanjakany.

Fizarana Manaraka (Tenin’i MôrmônaMôsià 6)

Ao amin’ny fizarana manaraka ireo mpianatra dia hamaky mikasika ny anjelin’Andriamanitra iray izay niseho tamin’i Benjamina Mpanjaka, izay nampianatra azy sy nilaza taminy izay tokony holazainy amin’ny vahoakany (jereo ny Môsià 3). I Benjamina Mpanjaka dia nanambara ireo teny ireo tamin’ny vahoakany, izay niaina fiovana mahery vaika tao am-pony.

Hamoaka printy