Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra Any an-trano Fizarana 26


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any an-trano

3 Nefia 17–22 (Fizarana 26)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny 3 Nefia 17–22 (fizarana 26) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Vitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ihany no ifantohan’ny lesona ampianarinao. Araho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mijery izay zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (3 Nefia 17)

Rehefa nandalina ny teny nataon’i Jesoa Kristy tamin’ireo valalabemandry Nefita ny mpianatra, dia nianatra izy ireo fa rehefa misaintsaina sy mivavaka amin’ny Ray isika dia afaka ny hahatakatra bebe kokoa ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Ho valin’ny fanirian’ireo Nefita dia nijanona fotoana misimisy kokoa niaraka tamin’izy ireo ny Mpamonjy ary nanasitrana ireo marariny sy nitsodrano ireo zanany. Rehefa namaky mikasika ireo zava-nitranga ireo ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa mahatsapa fangorahana lehibe ho antsika i Jesoa Kristy.

Andro 2 (3 Nefia 18)

Nanatanteraka ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo valalabemandry ny Mpamonjy. Nianatra ireo mpianatra fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona ny hanao izay nandidiany antsika sy hahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy. Nianatra ihany koa izy ireo fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika sy mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy, dia hanana ny Fanahiny miaraka amintsika. Ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny vavaka dia nanampy ny mpianatra hahatakatra fa raha miambina sy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray isika, dia ho afaka hanohitra ireo fakam-panahin’i Satana. Nianatra ihany koa izy ireo koa fa rehefa manompo ny hafa isika dia afaka manampy azy ireo hanatona an’i Kristy.

Andro 3 (3 Nefia 19)

Taorian’ny nandehanan’ny Mpamonjy rehefa tapitra ny andro voalohany niarahany tamin’ireo Nefita, dia nampianatra ny vahoaka ireo mpianatra. Nivavaka mba hahazo ny Fanahy Masina izy ireo ary nahazo izany. Nianatra ireo mpianatra fa ny faniriana sy ny vavaka marina ataontsika dia hahatonga antsika ho mendrika ny ho feno ny Fanahy Masina. Niseho indray ny Mpamonjy, ary nisaotra ny Ray Izy noho ny nanadiovany ireo mpianany. Nianatra ireo mpianatra fa rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny ho voadio sy ho tonga iray miaraka amin’i Jesoa Kristy, tahaka ny maha iray Azy amin’ny Ray.

Andro 4 (3 Nefia 20–22)

Nanatanteraka ny fanasan’ny Tompo indray i Jesoa Kristy. Nianatra ireo mpianatra fa raha mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana isika, dia afaka ny ho feno ny Fanahy Masina. Avy eo ny Mpamonjy dia nampianatra ireo Nefita fa ny Ray dia hanatanteraka ny fanekempihavanany hanangona ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany. Nianatra ihany koa ny mpianatra fa amin’ny maha taranak’i Abrahama antsika, dia manana andraikitra azo avy amin’ny fanekempihavanana isika dia ny hitahy ny olona rehetra maneran-tany amin’ny fizarana ny filazantsara amin’izy ireo.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny hatsaram-po sy ny famindrampo tsapan’ny Mpamonjy ho an’ny olony. Ankoatra izay dia rehefa mamerina mijery ny torohevitry ny Tompo mba hivavaka ny mpianatra, dia afaka mitady fomba hanatsarana ny vavaka ataon’izy ireo manokana sy miaraka amin’ny fianakaviany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 17

Nanasitrana ny marary ny Mpamonjy, nivavaka tamin’ny Ray ho an’ny vahoaka ary nitahy ireo zanany

Asao ny mpianatra hieritreritra an’izay olona fantany fa faran’izay tia mikarakara olona. Avy eo dia manontania hoe: Iza no noeritreretinao? Ahoana no hanehoan’io olona io fitiavana ho an’ny hafa sy ho anao?

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Manasitrana ireo Nefita i Jesoa Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 83) sy Mitsodrano ireo ankizy Nefita i Jesoa Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara lah. 84). Avy eo dia manontania hoe: Inona no nianaranao momba ny fitiavan’ny Mpamonjy ny olona nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny herinandro lasa teo?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Mahatsapa fangorahana lehibe ho antsika ny Mpamonjy. Soraty eo ambanin’io teny io ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: 3 Nefia 17:7, 9, 11, 15–17, 21, 24. Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina ireo sy hisafidy iray izay maneho indrindra ilay fahamarinana voasoratra eny amin’ny solaitrabe. Rehefa tapitra ny fotoana sahaza izany dia azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hanehoan’ilay andinin-tsoratra masina nofidianao fa mahatsapa fangorahana lehibe ho antsika ny Mpamonjy?

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ny fahafantarana fa nanompo ny vahoaka “tsirairay” Izy? (3 Nefia 17:21)

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra finoana ny Mpamonjy bebe kokoa sy mahatsapa fitiavana bebe kokoa ho Azy rehefa mahafantatra momba ny fangorahany ianao?

3 Nefia 18–19

Nampianatra ny vahoaka hivavaka mandrakariva amin’ny Ray sy hiara-hivory matetika i Jesoa

Ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra, ary angataho ny vondrona tsirairay hanao ny lisitry ny fakam-panahy dimy sarotra toherina indrindra, izay heverin’izy ireo fa iainan’ny tanora amin’izao fotoana izao. Rehefa mahavita izy ireo dia angataho ireo vondrona tsirairay hamaky ny 3 Nefia 18:15–20 sy hitady ny torohevitra nomen’ny Mpamonjy mba handresena ny fakam-panahy. Angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara fitsipika iray izay hitany tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Fitsipika iray mety ho hitany ny hoe raha miambina sy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray isika, dia ho afaka hanohitra ireo fakam-panahin’i Satana.

Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny hevitrareo no tokony hotandreman’ny tanora iray mba hahafahany manohitra ny iray amin’ireo fakam-panahy ao amin’ny lisitrareo?

  • Inona no tokony angatahin’ny tanora iray amin’ny alalan’ny vavaka, izay hanampy azy ho afaka hanohitra ny iray amin’ireo fakam-panahy ao amin’ny lisitrareo? Ahoana no hahatonga anareo hijanona ho mafy orina rehefa mivavaka amin’ny Ray any an-danitra?

Mba hanampiana ny mpianatra hanamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona momba ny vavaky ny mpianakavy, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 18:21. Manontania avy eo hoe: Inona ireo fitahiana azonareo avy amin’ny fivavahanareo niaraka tamin’ny fianakavianareo?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity tantara manaraka ity, izay notantarain’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, mikasika ny herin’ny vavaky ny mpianakavy:

“Ny vavaky ny mpianakavy dia fitaomana mahery sy mitondra fankaherezana. Nandritra ny fotoana nampivarahontsana tamin’ny Ady Lehibe II, dia nisy baomba milanja 225 kilao nilatsaka teo ivelan’ny trano kelin’ny Rahalahy Patey, izay raim-pianakaviana tanora tao Liverpool, Angleterre, kanefa tsy nipoaka ilay baomba. Efa maty ny vadiny ka dia izy no nitaiza irery ireo zanany dimy. Namory azy ireo izy tamin’io fotoana feno fitaintainana io mba hanao vavaky ny mpianakavy. Nivavaka tamin-kitsimpo avokoa izy rehetra … ary rehefa vita ny vavaka nataony, dia hoy ireo ankizy hoe: “Dada a, tsy haninona isika. Tsy haninona isika ato amin’ny tranontsika anio alina.”

“’Ary rehefa izany dia nandeha natory izy ireo, alao sary an-tsaina anie izany e, miaraka amin’ilay baomba mampitahotra mipetraka ao ivelan’ny varavarana izay milentika any anaty tany ny antsasany. …

“’Ny ampitso maraina … dia nifindra monina avokoa ireo olona teo amin’ny manodidina nandritra ny valo amby efapolo ora ary nony farany dia nesorina ilay baomba. …

“’Rehefa teny an-dalana hody ny Rahalahy Patey dia nanontany ny tompon’andraikitry ny A.R.P. Squad mpanala baomba hoe: “Dia ahoana? Inona no hitanareo tao?”

“’“Andriamatoa. Patey a! Nojerenay tsara ilay baomba teo ivelan’ny varavaranao ary hitanay fa vonona ny hipoaka tamin’ny fotoana rehetra ilay izy. Tsy nisy zavatra tsy nety tamin’ilay izy. Tsy fantatray mihitsy ny antony tsy nipoahany.”’ Misy zava-mahagaga mitranga rehefa miara-mivavaka ny mpianakavy” (“The Lifeline of Prayer,” Ensign, Mey 2002, 61).

Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto ary aoka ianao mba hahatsikaritra sy hitandrina amin’ireo mpianatra tsy miara-mivavaka amin’ny fianakaviany:

  • Inona no azonao hatao hanampiana ny fianakavianao hanao vavaky ny mpianakavy tsy tapaka sy manan-danja?

  • Ahoana no hiomananao mba hanao ho lohalaharana ao amin’ny fianakavianao ho avy ny vavaky ny mpianakavy?

Hazavao fa rehefa niverina tamin’ny andro faharoa hampianatra ireo Nefita ny Mpamonjy, araka ny voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 19, dia namporisika indray ireo mpianatra Nefita Izy mba hivavaka. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 19:9, 13 ary asaivo tadiavin’izy ireo izay zavatra nangatahin’ireo mpianatry ny Tompo. Anontanio hoe: Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ireo mpianatra Nefita? (Fomba iray mety hilazan’ireo mpianatra izany fitsipika izany ity manaraka ity: Ny faniriana marina sy ny vavaka ataontsika dia afaka hahatonga antsika ho mendrika ny ho feno ny Fanahy Masina.)

Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe: Oviana ianareo no naniry sy nivavaka tamin-kitsimpo mba hahazoana ny Fanahy Masina hiaraka aminareo? Ahoana no nitahiana anareo tamin’ny fanaovana izany?

3 Nefia 20–22

Amin’ny andro farany dia hanomboka hanangona ny mpianakavin’i Isiraely Andriamanitra

Hazavao fa taorian’ny nampianaran’ny Mpamonjy ireo Nefita momba ny vavaka, dia nanomboka nampianatra azy ireo mikasika ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany Izy. Asao ny mpianatra iray hamaky ny 3 Nefia 21:9. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ireo teny izay milazalaza momba ny asan’ny Tompo. Manontania avy eo hoe:

  • Inona araka ny hevitrareo no tiana ambara amin’ny hoe “asa lehibe sy mahatalanjona”? (Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ao anatin’izany ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Araka ny hevitrareo, inona no lehibe sy mahatalanjona amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Angataho ireo mpianatra hamerina hamaky ny 3 Nefia 21:10–11 sy hieritreritra hoe iza no nolazain’ny Tompo hoe “mpanompoko.” Anontanio hoe: Inona ireo teny sy andianteny izay manampy anao hahafantatra fa miresaka mikasika an’i Joseph Smith ny Tompo? Avy eo dia asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Joseph Smith ao amin’ny Fonjan’i Liberty Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara lah. 97).

Anontanio hoe: Ahoana no nanehoan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith fa “ny fahendre[ny] dia lehibe noho ny hafetsen’ny devoly”?

Ho famaranana dia asao ny mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Zarao amin’ny mpianatra ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo zavatra ireo.

Fizarana Manaraka (3 Nefia 23–30)

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny Mpamonjy milaza amin’izy ireo fa hanome azy ireo izay rehetra iriany. Hazavao fa rehefa mandalina ny 3 Nefia 23–30 izy ireo amin’ny herinandro ho avy dia hianatra momba ireo lehilahy roa ambin’ny folo izay niaina izany ary hianatra ny zavatra nangatahin’izy ireo.

Hamoaka printy