Tahirim-pitaovana
Lesona 124: 3 Nefia 14


Lesona 124

3 Nefia 14

Fampidirana

Rehefa nanohy ny toriteniny tao amin’ny tempoly tany Soafeno i Jesoa Kristy, dia nampitandrina ny vahoaka mikasika ny fitsarana ny hafa Izy ary nanome torolalana azy ireo mba hikatsara ireo fitahiana avy amin’ny Ray any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanaovana ny sitrapony. Nampitandrina azy ireo ihany koa ny Mpamonjy momba ireo mpaminany sandoka ary nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra Izy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 14:1–6

Mampianatra momba ny fanaovana fitsarana marina ny Mpamonjy

Mba hanomanana ny mpianatra handalina ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fanaovana fitsarana marina, dia vakio ity tantara manaraka ity izay notantarain’ny Filoha Thomas S. Monson:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Nisy mpivady vao iray, i Lisa sy i John, izay vao nifindra teo amin’ny faritra vaovao iray. Indray maraina teo am-pisakafoanana maraina dia nijery teo am-baravarankely i Lisa ary nitazana ilay vehivavy mpiara-monina aminy izay teo am-panahazana ny lambany.

“’Tsy madio izany lamba izany!’ hoy i Lisa. ’Tena tsy mahay manasa lamba ny mpifanolobodirindrina amintsika!’

“Nitazana i John kanefa tsy niteny na inona na inona.

“Isaky ny hanahy lamba ilay vehivavy mpiara-monina dia hanao izany fanamarihana izany foana i Lisa.

“Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia akory ny hagagan’i Lisa rehefa nitazana teo am-baravarankeliny ary nahita lamba madio tsara sy mahafinaritra teo an-tokontanin’ny mpifanolobodirindrina aminy. Hoy izy tamin’ny vadiny, ’Jereo anie ry John e!—Nahay nanadio lamba ihany izy ny farany! Manontany tena aho hoe ahoana ary no nahavitany izany?’

“Namaly i John hoe: ’Manana ny valin’izany aho ry malala. Hahaliana anao tokoa ny hahafantatra fa nifoha maraina be aho ary nosasako ny fitaratry ny varavarankelintsika!’” (“Ny Fiantrana Tsy ho Levona Mandrakizay,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 122).

  • Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’izany tantara izany?

Hazavao fa ny 3 Nefia 14 dia mirakitra ny tohin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ireo Nefita tao amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra iray hamaky ny 3 Nefia 14:1–2. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fampitandremana nataon’i Jesoa Kristy mikasika ny fitsarana ny hafa. Ilay fehezanteny hoe “amin’ny famarana izay amaranareo” dia milaza ny fenitra ampiasain’ny olona iray mba hamarany na hitsaràny ny olona hafa.

  • Ahoana no hilazanao ilay fahamarinana ao amin’ny 3 Nefia 14:2 amin’ny teninao manokana? Tokony ahitana izao fahamarinana manaraka izao ny valintenin’ireo mpianatra: Hotsaraina arakaraka ny fomba hitsarantsika ny hafa isika.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny didin’ny Mpamonjy hoe “aza mitsara” ao amin’ny 3 Nefia 14:1, dia asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asaivo henoin’ny mpianatra ilay karazana fitsarana tokony tsy hataontsika amin’ny hafa.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny fitsarana farany … dia ilay fotoana any aorina izay hijoroantsika rehetra eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy mba hotsaraina araka ny asantsika. … Mino aho fa ilay didy ao amin’ny soratra masina hoe ’aza mitsara’ dia milaza mazava momba io fitsarana farany io. …

“… Nahoana ny Mpamonjy no nandidy mba tsy hanaovantsika fitsarana farany? Mino aho fa nomena io didy io satria sahy manao fitsarana farany isika isaky ny milaza fa lasa any amin’ny helo (na any an-danitra) ny olona iray noho ny zavatra iray nataony na noho ny fotoana iray niainany. Rehefa manao izany isika—ary lehibe ny fakam-panahy hanao izany— dia mandratra ny tenantsika sy ilay olona izay tetehantsika hotsaraina. …

“… Ny filazantsara dia filazantsaran’ny fanantenana, ary tsy misy amintsika no nomena lalana handà ny herin’ny Sorompanavotana izay mitondra ny fanadiovana ny otan’ny olona tsirairay sy ny famelan-keloka ary ny fiovana tanteraka eo amin’ny fiainana rehefa mahafeno ireo fepetra takiana” (“’Judge Not’ and Judging,” Ensign, Aog. 1999, 7, 9).

  • Ahoana no hanampian’ny tenin’ny Loholona Oaks anao hahatakatra ny didin’ny Mpamonjy hoe “aza mitsara”?

Menehoa sombin-javatra kely iray toy ny tapa-kazo kely iray. Hazavao fa teny iray hafa azo hilazana ny tapa-kazo ny hoe sombin-kazo. Avy eo dia manehoa (na ataovy sary eny amin’ny solaitrabe) ny andry hazo iray na hazo lavalava iray. Ampahafantaro ireo mpianatra fa niresaka sombin-kazo sy andry ny Mpamonjy mba hanampiana antsika hahatakatra ireo olana miseho rehefa mitsara ny hafa tsy am-pahamarinana isika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 14:3–5 , ary angataho ny iray kilasy hieritreritra momba ny zavatra tiana aseho amin’ny sombin-kazo sy ny andry.

  • Maneho inona ilay sombin-kazo? (Fahadisoana iray hitantsika eny amin’ny olon-kafa iray.) Maneho inona ilay andry? (Ny fahadisoantsika.)

Hamafiso fa ny fampanahafana nataon’ny Mpamonjy dia mifantoka amin’ny zavatra miraikitra ao anatin’ny amin’ny maso. Misy fiantraikany amin’ny fomba fahitan’ny olona iray ny zavatra toy izany.

  • Ahoana no hiantraikan’ny hadisoantsika amin’ny fomba fijerintsika ny hafa?

Asao ireo mpianatra hieritreritra raha toa ka mety ny hitsarana ny olona hafa. Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana izany fanontaniana izany. Avy eo dia hazavao fa ao amin’ny fandikana avy amin’ny fitaomam-panahy ny Matio 7:1, ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny fitsarana ny hafa. Araka an’i Joseph Smith, dia hoy ny Mpamonjy hoe “Aza mitsara araka ny tsy fahamarinana, mba tsy hotsaraina: fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:1 Asao ny mpianatra iray hamaky izao fanazavana manaraka izao ao amin’ny Ancrés dans la Foi:

Indraindray ny olona dia mahatsapa fa ratsy ny mitsara ny hafa amin’ny endriny rehetra. Na dia marina tokoa aza fa tsy tokony hanameloka ny hafa na hitsara azy ireo tsy ara-drariny ianao dia mila ianao mandanjalanja mikasika ireo hevitra sy toe-javatra ary olona mandritra ny fiainanao manontolo. Ny Tompo dia nanome didy maro izay tsy azonao hotandremana raha tsy mitsara ianao” (Ancrés dans la Foi: Manuel de référence de l’Evangile [2004], 90).

Mba hanampiana ny mpianatra hahita fa ny Mpamonjy dia nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fitsarana marina dia asao izy ireo hamaky mangina ny 3 Nefia 14:6. Angataho izy ireo hamantatra ireo fitsarana vitsivitsy nasainy hataontsika. Asao hanao tatitra momba ny zavatra hitany izy ireo.

  • Inona no hevitry ny hoe manome ho an’ny alika izay masina na manipy eo anoloan’ny kisoa ny voahangy? (Mizara zavatra izay masina amin’ireo izay tsy hankasitra izany na hanaja ny fahamasinany.)

  • Ahoana no hitakian’ny torohevitry ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 14:6 ny hitsarantsika ny hafa?

Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia vakio ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks mikasika ireo toe-javatra hafa izay tsy maintsy hanaovantsika fitsarana marina:

“Isika rehetra dia mitsara rehefa misafidy ireo namantsika, rehefa misafidy ny fomba handaniantsika ny fotoana sy ny volantsika, ary, mazava ho azy, rehefa misafidy ny vadintsika mandrakizay. …

“… Ny fitsarana marina dia hotarihin’ny Fanahin’ny Tompo, fa tsy ny fahatezerana, ny valifaty, ny fialonana, na ny fitiavan-tena” (“’Judge Not’ and Judging,” 9).

  • Nahoana no manan-danja ny manao fitsarana marina amin’ny lafin-javatra tahaka ny fisafidianana ny namana, sy ny fanapahan-kevitra amin’ny fomba handaniana ny fotoana sy ny vola, ary ny fisafidianana ny ho vady mandrakizay?

  • Inona avy ireo toe-javatra hafa tsy maintsy hitsarantsika ny hafa? (Mety hilaza ny toy izao ny mpianatra hoe fisafidianana ny mpampiasa na ny fanapahan-kevitra hanaiky na tsia ny fanasan’ny olona iray handeha hampiaraka aminy.)

3 Nefia 14:7–11

Mampianatra momba ny fitadiavana fitahiana avy amin’ny Ray any an-danitra ny Mpamonjy

Angataho ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 14:7–11 ary hitady ireo fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny fahavononan’ny Ray any an-danitra hamaly ny vavaka ataontsika. Hazavao fa raha toa ireo ray ety an-tany, izay tsara fanahy sy feno fitiavana kanefa tsy tanteraka, ka hanome mofo sy trondro ho an’ny zanany fa tsy vato na menarana, ny Raintsika any an-danitra, izay tsara fanahy sy be fitiavana tanteraka, dia azo antoka fa hamaly ireo vavaka ataon’ireo zanany mba hangataka fanampiana.

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana ao amin’ny 3 Nefia 14:7–11? (Mety hahita karazana fitsipika maro ireo mpianatra. Ny fitsipika iray izay azonao antitranterina dia ny hoe Mitahy antsika ny Ray any an-danitra rehefa mangataka ny fanampiany amin’ny alalan’ny vavaka isika.)

  • Nahoana no manan-danja aminareo ny mahafantatra fa ny Ray any an-danitra dia hamaly ny vavaka ataonareo?

  • Oviana ianareo no nahatsapa ny fitiavan’ny Ray any an-danitra anareo tamin’ny alalan’ny fomba namaliany ny vavakareo? (Azonao atao ny manome fotoana ireo mpianatra mba hisaintsainany izany fanontaniana izany alohan’ny hamaliany azy. Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao.)

3 Nefia 14:12–27

Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray any an-danitra ny Mpamonjy

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 14:12, ary asaivo eritreretin’izy ireo ny fomba hanampian’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’io andinin-tsoratra masina io azy ireo ho tonga bebe kokoa tahaka ny Ray any an-danitra.

  • Ahoana no hanampian’ilay torohevitra ao amin’ny 3 Nefia 14:12 antsika ho tonga bebe kokoa tahaka ny Ray any an-danitra?

Ampahafantaro ireo mpianatra fa rehefa nanohy ny fampianarany ny Mpamonjy, dia nampiasa fampanahafana mahery vaika mba hanampiana antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray any an-danitra.

Mba hanomanana ireo mpianatra handalina ireo fampanahafana nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 14, dia ataovy ity asa manaraka ity:

Zarao ho vondron’olona 2–4 ireo mpianatra. Omeo taratasy kely ny ankizy tsirairay. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary omeo iray amin’izany ny vondrona tsirairay: 3 Nefia 14:13–14; 3 Nefia 14:15–20; 3 Nefia 14:24–27. (Raha betsaka ny mpianatrao, dia vondrona mihoatra ny iray no omeo ireo andinin-tsoratra masina.) Angataho ireo mpianatra hamaky ny soratra masina nomena azy ary hanao sary momba ilay fampanahafana nampiasain’ny Mpamonjy. Asaivo soratan’izy ireo ihany koa ny zavatra nianarany avy amin’ireo fampanahafana.

Rehefa tapitra ny fotoana sahaza ho an’izany dia asaivo mampiseho ny sary nataony amin’ny rehetra ireo mpianatra ary manazava izay zavatra nianarany. Rehefa mampiseho ny zavatra nianarany ny mpianatra dia mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no hitovizan’ny fankatoavana ireo fampianaran’i Jesoa Kristy amin’ny ny fandehanana amin’ny lalana ety? Ahoana no hitovizan’ny fandavana ireo fampianaran’i Jesoa Kristy amin’ny lalana migodana? (Jereo ny 3 Nefia 14:13–14.) Inona avy ireo fomba tsy hitovizan’ny fampianaran’ny Mpamonjy amin’ny fampianaran’izao tontolo izao?

  • Inona no antony hitafian’ny ambodia volon’ondry? (Jereo ny 3 Nefia 14:15.) Inona no lazain’ity fampanahafana ity mikasika ny faniriana sy ny asan’ireo mpaminany sandoka?

  • Raha maneho ny olona ireo hazo ao amin’ny 3 Nefia 14:16–20, mety haneho inona ireo voany? (Mety ho isan’ny valinteny ny eritreritry ny olona, ny teniny, ny asa ataony, ary ny fitaomany ny hafa.)

  • Rehefa mihaino sy manaraka ny tenin’ny Mpamonjy isika, dia ahoana no hitovizantsika amin’ny lehilahy iray izay manorina ny tranony eo amin’ny vatolampy? (Jereo ny 3 Nefia 14:24–25.) Raha misafidy ny tsy hanaraka ireo tenin’ny Mpamonjy isika, dia ahoana no hitovizantsika amin’ny lehilahy iray izay nanorina ny tranony teo amin’ny fasika? (Jereo ny 3 Nefia 14:26–27.)

    Aorian’ny famelabelarana sy fifanakalozan-kevitra ataon’ireo mpianatra dia vakio mafy ny 3 Nefia 14:21–23.

  • Inona no azontsika ianarana ao amin’ny 3 Nefia 14:21? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao izy ireo [soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana ity]: Tsy maintsy manao ny sitrapon’ny Ray any an-danitra isika mba hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.)

  • Inona no ifandraisan’io fahamarinana io amin’ny fanehoana ny lalana migodana sy ety, ny hazo tsara sy ratsy, ary ilay lehilahy malina sy ilay lehilahy adala?

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainana sy hampiharana ny zavatra nianarany tao amin’ny 3 Nefia 14. Asao izy ireo hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba izay hanatsarany ny ezaka ataony hanaraka ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 14. Raha ampy ny fotoana, dia asao ny mpianatra vitsivitsy hamintina izay zavatra nianarany ary hizara izay zavatra hataony noho ny zavatra izay nianarany. Azonao atao ny mamarana amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fitahiana azonao rehefa nanaraka ny sitrapon’ny Ray any an-danitra ianao.

Hamoaka printy