Tahirim-pitaovana
Fotopampianarana Fototra


Fotopampianarana Fototra

Ireo Fotopampianarana Fototra dia tokony samy hantitranterina na any amin’ny kilasin’ny seminera na any amin’ny institiota. Ireo mpampianatra dia tokony hanampy ireo mpianatra hamantatra, sy hahatakatra, sy hino, sy hanazava ary hampihatra ireo fotopampianarana fototry ny filazantsara ireo. Hanampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona sy hampitombo ny fitiavan’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fanaovana izany. Ny fandalinana ireo fotopampianarana ireo dia hanampy ireo mpianatra ihany koa ho vonona tsara kokoa hampianatra ny hafa ireo fahamarinana manan-danja ireo.

Ireo andinin-tsoratra masina fehezina 100 dia nosafidian’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara mba hanohanana ny fahatakaran’ireo mpianatra ny Fotopampianarana Fototra. Ny ankabeazan’ireo toko sy andinin-tsoratra masina notanisaina etsy ambany dia mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina. Nampidirina izy ireo mba hanehoana ny fomba hifandraisan’izy ireo amin’ireo Fotopampianarana Fototra.

1. Ny Andriamanitra

Misy olona telo miavaka tsara ao amin’Ny Andriamanitra: Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay; ny Zanany, Jesoa Kristy; ary ny Fanahy Masina (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20). Ny Ray sy ny Zanaka dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapain-tanana, ary ny Fanahy Masina kosa dia olona fanahy (jereo ny F&F 130:22–23). Iray Izy ireo eo amin’ny tanjona sy ny fotopampianarana. Miray hina tanteraka Izy Ireo mba hanatanterahana ny drafitry ny famonjena masin’ny Ray any An-danitra.

Andriamanitra Ray

Andriamanitra Ray no Mpanapaka Faratampony eo amin’izao rehetra izao. Izy no Rain’ny fanahintsika (jereo ny Hebreo 12:9). Tanteraka Izy, manana ny fahefana rehetra ary mahafantatra ny zava-drehetra. Andriamanitra manana famindram-po sy hatsaram-panahy ary fiantrana tanteraka ihany koa Izy.

Jesoa Kristy

I Jesoa Kristy no Lahimatoan’ny Ray tao amin’ny fanahy ary Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray tao amin’ny nofo. Izy no Jehovah tao amin’ny Testamenta Taloha ary ilay Mesia tao amin’ny Testamenta Vaovao.

Nanana fiainana tsy nisy fahotana i Jesoa Kristy ary nanao Sorompanavotana tonga lafatra ho an’ny fahotan’ny olombelona rehetra (jereo ny Almà 7:11–13). Ny Fiainany no ohatra tonga lafatra tokony hahitana ny fomba tokony hiainan’ny zanak’olombelona rehetra (jereo ny Jaona 14:6; 3 Nefia 12:48). Izy no olona voalohany nitsangana tamin’ny maty teto an-tany (jereo ny 1 Korintiana 15:20–22). Ho avy indray amin-kery sy voninahitra Izy ary hanjaka eto an-tany mandritra ny Arivotaona.

Ny vavaka sy ny tsodrano ary ny ôrdônansin’ny fisoronana rehetra dia tokony hatao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 18:15, 20–21).

Soratra masina mifandray amin’izany: Helamàna 5:12; F&F 19:23; F&F 76:22–24

Ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra. Izy dia olona fanahy tsy manana vatana nofo sy taolana. Matetika Izy dia antsoina hoe ny Fanahy, na ny Fanahy Masina, na ny Fanahin’Andriamanitra, na ny Fanahin’ny Tompo, na ilay Mpampionona.

Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina, manambara ny fahamarinan’ny zava-drehetra, ary manamasina an’ireo izay mibebaka sy atao batisa (jereo ny Môrônia 10:5).

Soratra masina mifandray amin’izany: Galatiana 5:22–23; F&F 8:2–3

2. Drafitry ny Famonjena

Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nanolotra drafitra ny Ray any an-danitra hahafahantsika ho tonga tahaka Azy sy hahazoantsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay (jereo ny Mosesy 1:39). Io drafitra io dia antsoin’ny soratra masina hoe ny drafitry ny famonjena, ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana, ny drafitry ny fanavotana ary ny drafitry ny famindram-po.

Ny drafitry ny famonjena dia ahitana ny Fahariana, ny Fahalavoana, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ireo lalàna sy ôrdônansy ary ireo fotopampianarana rehetra ao amin’ny filazantsara. Ny safidim-pitondrantena—ny fahafahana misafidy sy manao zavatra amin’ny alalan’ny tena manokana—dia manan-danja indrindra ihany koa eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. (jereo ny 2 Nefia 2:27). Noho io drafitra io dia afaka ny ho tanteraka isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotana, sy handray fifaliana feno ary hiaina mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra (jereo ny 3 Nefia 12:48). Afaka haharitra mandrakizay ireo fifandraisana misy eo amin’ny fianakaviantsika.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Jaona 17:3; F&F 58:27

Fiainana talohan’ny Nahaterahana

Talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany dia niaina teo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra isika tamin’ny naha-zanaky ny Fanahiny antsika (jereo ny Abrahama 3:22–23). Nandray anjara tamin’ny filankevitra iray niarahana tamin’ireo fanahy hafa zanaky ny Ray any An-danitra isika tany amin’io fiainana talohan’ny nahaterahana io. Nanolotra ny Drafiny ny Ray any An-danitra nandritra io filankevitra io, ary nanao fanekempihavanana ilay Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ny mba ho Mpamonjy.

Nampiasa ny fahafahantsika misafidy isika mba hanarahana ny drafitry ny Ray any An-danitra. Niomana ny hidina tety an-tany isika, izay toerana hahafahantsika hanohy hivoatra.

Ireo izay nanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nahazo lalana hidina tety an-tany mba hiaina ny fiainana an-tany sy hivoatra hankany amin’ny fiainana mandrakizay. I Losifera, izay fanahy iray hafa zanakalahin’Andriamanitra, dia nikomy nanohitra io drafitra io. Lasa Satana izy. Ary voaroaka avy tany an-danitra izy sy ireo mpanara-dia azy ary tsy nomena ireo tombontsoa toy ny fahazoana vatana sy ny fahafahana hiaina ny fiainana eto an-tany.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Jeremia 1:4–5

Ny Fahariana

I Jesoa Kristy no nahary ny lanitra sy ny tany teo ambany fitarihan’ny Ray. Tsy nohariana avy tamin’ny tsy nisy akory ny tany fa narindra avy tamin’ny zavatra efa nisy. Nahary tontolo tsy hita isa i Jesoa Kristy (jereo ny F&F 76:22–24).

Ny Fahariana ny tany dia nanan-danja indrindra teo amin’ny drafitr’Andriamanitra. Izany dia nanome toerana iray hahafahantsika hahazo vatana, sy hosedraina sy hotsapaina ary hahazo ireo toetra araka an’Andriamanitra.

Tokony hampiasa ireo loharanon’ny tany amim-pahendrena isika, sy amin’ny fahaizana mandanjalanja ary amim-pankasitrahana (jereo ny F&F 78:19).

I Adama no olombelona voalohany nohariana teto an-tany. Araka ny Endriny no naharian’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva. Ny olombelona rehetra —na lahy na vavy—dia nohariana araka ny endrik’Andriamanitra (jereo ny Genesisy 1:26–27).

Ny Fahalavoana

Tao amin’ny Saha Edena, dia nandidy an’i Adama sy i Eva Andriamanitra tsy hihinana ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy; ny ho vokatry ny fanaovana izany dia fahafatesana ara-panahy sy ara-batana. Ny fahafatesana ara-panahy dia ny fisarahana amin’Andriamanitra. Ny fahafatesana ara-batana dia ny fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana mety maty. Koa satria nandika ny didin’Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia noroahina tsy ho eo anatrehany ary lasa mety maty. Ny fandikan-dalàn’i Adama sy i Eva sy ny fiovana naterak’izany izay niainan’izy ireo, anisan’izany ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana, no antsoina hoe Fahalavoana.

Vokatry ny Fahalavoana dia afaka niaina fifaliana sy fahoriana i Adama sy i Eva sy ireo taranany, ary afaka nahafantatra ny tsara sy ny ratsy, ary afaka nanan-janaka (jereo ny 2 Nefia 2:25). Amin’ny maha-taranak’i Adama sy i Eva antsika dia mandova ny toetry ny fahalavoana isika mandritra izao fiainana eto an-tany izao. Nosarahina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo isika ary tsy maintsy iharan’ny fahafatesana ara-batana. Sedraina ihany koa isika amin’ny alalan’ireo fahasarotana eo amin’ny fiainana sy ireo fakam-panahin’ny fahavalo. (Jereo ny Môsià 3:19.)

Ampahany tena tafiditra tanteraka ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra ny Fahalavoana. Izany dia mandray roa—sady mampidina nefa koa mampandroso. Ankoatra ny fitondrana ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana dia nanome antsika fahafahana ny ho teraka eto an-tany izany ary hianatra sy hivoatra.

Fiainana eto an-tany

Ny fiainana an-tany dia fotoana fianarana izay ahafahantsika miomana ho amin’ny fiainana mandrakizay sy hanehoana fa hampiasa ny fahafahantsika misafidy isika mba hanatanterahana izay zavatra rehetra nodidian’ny Tompo. Mandritra ity fiainana an-tany ity isika dia tokony hitia sy hanompo ny hafa (jereo ny Môsià 2:17; Môrônia 7:45, 47–48).

Eto amin’ny fiainana an-tany, dia mitambatra amin’ny vatantsika ny fanahintsika, ka manome fahafahana antsika hitombo sy hivoatra amin’ny fomba izay tsy azo notanterahina tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Ampahany manan-danja ao anatin’ny drafitry ny famonjena ny vatantsika ary tokony hajaina ho toy ny fanomezana iray avy any amin’ny Raintsika any An-danitra (jereo ny 1 Korintiana 6:19–20).

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Josoa 24:15; Matio 22:36–39; 2 Nefia 28:7–9; Almà 41:10; F&F 58:27

Fiainana aorian’ny Fahafatesana

Rehefa maty isika dia miditra any amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahintsika ary miandry ny Fitsanganana amin’ny maty. Ny fanahin’ireo izay marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana, izay antsoina hoe paradisa. Maro amin’ireo mahatoky no hitory ny filazantsara amin’ireo izay ao an-tranomaizin’ny fanahy.

Ny tranomaizin’ny fanahy dia toerana iray hijanonana vetivety any amin’ny tontolo aorian’ny fiainana eto an-tany ho an’ireo izay maty nefa tsy nahalala mikasika ny fahamarinana sy ho an’ireo izay tsy mpankatò tety an-tany. Any no ampianarana ny filazantsara ireo fanahy, ary hanana fahafahana izy ireo hibebaka sy hanaiky ireo ôrdônansin’ny famonjena izay tanterahina ho azy ireo any amin’ny tempoly (jereo ny 1 Petera 4:6). Ireo izay manaiky ny filazantsara dia hitoetra ao amin’ny paradisa mandra-pahatongan’ny Fitsanganana amin’ny maty.

Ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fampitambarana indray ny vatana fanahy amin’ny vatana nofo sy taolana izay efa lasa tanteraka (jereo ny Lioka 24:36–39). Aorian’ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy hisaraka intsony ny fanahy sy ny vatana ary ho lasa tsy mety maty isika. Ny olona rehetra teraka eto an-tany dia hitsangana amin’ny maty avokoa satria efa nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy (jereo ny Korintiana 15:20–22). Ireo olo-marina no hitsangana amin’ny maty alohan’ireo olon-dratsy, ary hitsangana amin’ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany.

Aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty no hitranga ny Fitsarana Farany. Hotsarain’i Jesoa Kristy ny olona tsirairay mba hamantarana ny voninahitra mandrakizay izay horaisiny. Izany fitsarana izany dia hifototra amin’ny fankatoavan’ny tsirairay ny didin’Andriamanitra (jereo ny Apôkalypsy 20:12; Môsià 4:30

Misy telo ireo fanjakam-boninahitra (jereo ny 1 Korintiana 15:40–42). Ny fanjakana selestialy no ambony indrindra amin’izany. Ireo izay mahery fo amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy, sy mankato ireo fitsipiky ny filazantsara no hitoetra ao amin’ny fanjakana selestialy, eo anatrehan’Andriamanaitra sy ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy (jereo ny F&F 131:1–4).

Ny faharoa amin’ireo fanjakam-boninahitra telo dia ny fanjakana terestrialy. Ireo izay hitoetra ao amin’ity fanjakana ity dia ireo olom-banona teto an-tany izay tsy nahery fo tamin’ny tenivavolombelon’i Jesoa.

Ny fanjakana telestialy no ambany indrindra amin’ireo fanjakam-boninahitra telo. Ireo izay handova ity fanjakana ity dia ireo izay misafidy ny faharatsiana fa tsy ny fahamarinana nandritra ny fiainan’izy ireo teto an-tany. Ireo olona ireo dia handray ny voninahiny aorian’ny fanavotana azy avy ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Jaona 17:3

3. Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Ny hoe manonitra dia miaritra famaizana noho ny fahotana, ka manaisotra amin’ilay mpanota mibebaka ny vokatry ny fahotana ary mamela azy hihavana indray amin’Andriamanitra. I Jesoa Kristy irery no hany afaka manatanteraka sorompanavotana tonga lafatra ho an’ny zanak’olombelona rehetra. Tafiditra tao anatin’ny Sorompanavotana nataony ny Fijaliany noho ny fahotan’ny zanak’olombelona tao amin’ny Sahan’i Getsemane, sy ny fandatsahana ny rany, ny fanaintainany sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty avy tao am-pasana (jereo ny Lioka 24:36–39; F&F 19:16–19). Nahavita nanatanteraka ny Sorompanavotana ny Mpamonjy satria Izy tsy nanota ary nanana fahefana handresy ny fahafatesana. Avy tamin’ny reniny mety maty no nandovany ny fahafahana ho maty. Avy tamin’ilay Rainy tsy mety maty no nandovany ny fahefana ahafahana maka indray ny ainy.

Hitsangana amin’ny maty sy handray ny tsy fahafatesana ny olona rehetra, amin’ny alalan’ny fahasoavana, izay nomena tamin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahantsika ihany koa mandray ny fiainana mandrakizay (jereo ny Môrônia 7:41). Mba hahazoana ity fanomezana ity dia tsy maintsy miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika, tafiditra ao anatin’izany ny fananana finoana sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika, ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana amim-pahatokiana hatramin’ny farany (jereo ny Jaona 3:5).

Tafiditra ao anatin’ilay Sorompanavotany, dia tsy nijaly noho ny fahotantsika fotsiny i Jesoa Kristy fa nandray teo aminy ihany koa ny fanaintainana, sy ny aretina, ary ny fahalemen’ny olon-drehetra (jereo ny Almà 7:11–13). Takany tsara ny fijaliantsika satria efa niaina izany koa Izy. Ny fahasoavany, na ilay hery hahavitan-javatra ananany no mankahery antsika mba hahazakana sy hanatanterahana asa izay tsy ho vitantsika samirery (jereo ny Matio 11:28–30; Filipiana 4:13; Etera 12:27).

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Jaona 3:5; Asan’ny Apôstôly 3:19–21

Finoana an’i Jesoa Kristy

Ny finoana dia “[fanantenana] ny zavatra tsy hita kanefa marina” (Almà 32:21; jereo ihany koa ny Etera 12:6). Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.

Ny finoana dia tokony hifantoka amin’i Jesoa Kristy mba hahafahan’izany mitarika olona iray ho amin’ny famonjena. Ny hoe manam-pinoana an’i Jesoa Kristy dia midika ho fianteherana tanteraka Aminy ary fahatokiana ny Sorompanavotany, sy ny heriny ary ny fitiavany tsy misy fetra. Tafiditra amin’izany ny finoana ny fampianarany sy ny finoana fa na dia tsy mahatakatra ny zava-drehetra aza isika, Izy kosa dia mahatakatra izany (jereo ny Ohabolana 3:5–6; F&F 6:36).

Ny finoana dia aseho amin’ny alalan’ny fomba fiainantsika fa tsy finoana fe finoana fotsiny (jereo ny Jakoba 2:17–18 ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny finoana dia afaka mitombo rehefa mivavaka isika, sy mandalina ny soratra masina ary mankatò ny didin’Andriamanitra.

Ny Olomasin’ny Andro Farany dia manam-pinoana koa an’Andriamanitra Ray, sy ny Fanahy Masina, ary ny herin’ny fisoronana sy ireo lafiny manan-danja maro hafa ao amin’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny. Ny finoana no manampy antsika handray fahasitranana ara-panahy sy ara-nofo ary hahazo tanjaka handrosoana, sy hiatrehana ireo olantsika ary handresena ny fakam-panahy (jereo ny 2 Nefia 31:19–20). Hanatanteraka fahagagana mahery eo amin’ny fiainantsika ny Tompo arakaraka ny finoantsika.

Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy no ahafahan’ny olona iray mahazo famelan-keloka, sy ahafahany mitoetra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny farany.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Matio 11:28–30

Fibebahana

Ny fibebahana dia fiovan-tsaina sy fiovam-po izay manome antsika fomba fijery vaovao momba an’Andriamanitra, sy ny tenantsika ary izao tontolo izao. Tafiditra amin’izany ny fialana amin’ny fahotana sy ny fitodihana any amin’Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka. Atosiky ny fitiavana an’Andriamanitra izany sy ny faniriana marina hankatò ny didiny.

Ireo fahotantsika dia mahatonga antsika ho maloto—tsy mendrika ny hiverina sy hitoetra eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no nanomezan’ny Raintsika any An-danitra ilay hany lalana tokana hahazoantsika famelana amin’ny otantsika (jereo ny Isaia 1:18).

Ny fibebahana dia ahitana ihany koa fanenenana tamin’ireo ota natao, fibabohana amin’ny Ray any An-danitra sy amin’ireo hafa raha ilaina, famoizana ny ota, fikatsahana ny hanonitra araka izay tratra ireo zavatra rehetra simba noho ny otanao ary fananana fiainana ao anatin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra (jereo ny F&F 58:42–43).

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Isaia 53:3–5; Jaona 14:6; 2 Nefia 25:23, 26; F&F 18:10–11; F&F 19:23; F&F 76:40–41

4. Fotoampitantanana, sy Apôstazia, ary Famerenana amin’ny laoniny

Fotoampitantanana

Ny hoe fotoampitantanana dia vanimpotoana iray izay hanambaran’ny Tompo ny fotopampianarany sy ireo ôrdônansiny ary ny fisoronany. Izy io dia vanimpotoana iray izay ananan’ny Tompo farafahakeliny mpanompo iray nahazo lalana eto an-tany izay mihazona ny fisoronana masina sy nahazo iraka avy amin’Andriamanitra ny hitantana ny filazantsara sy ireo ôrdônansy ao anatin’izany. Ankehitriny isika dia miaina ao anatin’ny vanim-potoampitanantanana farany—dia ny fotoam-pitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana, izay nanomboka tamin’ny fanambarana ny filazantsara tamin’i Joseph Smith.

Ireo fotoampitantanana nisy tany aloha dia fantatra fa tamin’ny andron’i Adama, Enoka, Noa, Abrahama, Mosesy, ary Jesoa Kristy. Ankoatra izany dia nisy fotoampitantanana hafa ihany koa, ka isan’izany ny teo anivon’ireo Nefita sy ireo Jaredita. Nambara sy nampianarina nandritra ny fotoampitantanana tsirairay ny drafitry ny famonjena sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Apôstazia

Rehefa miala amin’ny fitsipiky ny filazantsara ny olona ary tsy manana ny fanalahidin’ny fisoronana dia ao anatin’ny apôstazia izay izy ireo.

Nisy vanim-potoana maromaro nisian’ny apôstazia faobe nandritra ny tantaran’izao tontolo izao. Ohatra iray amin’izany ny Apôstazia Lehibe izay nitranga taorian’ny nanorenan’ny Mpamonjy ny Fiangonany (jereo ny 2 Tesaloniana 2:1–3). Taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy, dia nisy nanova ireo fitsipiky ny filazantsara, ary nisy fanovana tsy nahazoana lalana natao tamin’ny firafitry ny Fiangonana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Noho ny fipariahan’izany faharatsiana izany dia nesorin’ny Tompo teto an-tany ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana.

Nandritra ny Apôstazia Lehibe dia tsy nandray fitarihana masina avy tamin’ny mpaminany velona ny olona. Maro ireo fiangonana niorina saingy tsy nanana fahefana hanome ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo na hanatanteraka ireo ôrdônansy hafa an’ny fisoronana. Novaina na very ny ampahany sasany tamin’ny soratra masina ary tsy nanana ny tena fahalalana marina an’Andriamanitra intsony ny olona.

Io apôstazia io dia naharitra hatramin’ny nisehoan’ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Malalany tamin’i Joseph Smith ary nanombohan’Izy Ireo ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara.

Famerenana amin’ ny laoniny

Ny Famerenana amin’ny laoniny dia ny famerenan’Andriamanitra indray ireo fahamarinana sy ôrdônansin’ny Filazantsarany teo anivon’ireo zanany teto an-tany (jereo ny Asan’ny Apôstôly 3:19–21).

Ho fiomanana amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia namoaka lehilahy maro manana ny maha izy azy ny Tompo nandritra ilay antsoina hoe Fotoam-panavaozana. Niezaka izy ireo namerina ny fotopampianarana sy ny fomba fanao ary ny lamina nisy tamin’ny fomba nanorenan’ny Mpamonjy azy ireny. Tsy nanana ny fisoronana anefa izy ireo na ny fahafenoan’ny filazantsara.

Nanomboka tamin’ny 1820 ny Famerenana tamin’ny Laoniny rehefa niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy, ho valin’ny vavaka nataony (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20). Isan’ireo zava-nitranga manan-danja tamin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, ny famerenana indray ny fisoronana Aharôna sy Melkizedeka ary ny nanorenana ny Fiangonana tamin’ny 6 Aprily 1830.

Naverin’i Jaona Mpanao Batisa tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny 15 Mey 1829 ny Fisoronana Aharôna. Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny 1829 ihany koa ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fanalahidin’ny fanjakana, tamin’ny nanomezan’ny Apôstôly Petera, sy Jakoba ary Jaona izany an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

Naverina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara ary ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo” (F&F 1:30). Hanenika ny tany manontolo ny Fiangonana amin’ny farany ary hijoro mandrakizay.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Isaia 29:13–14; Ezekiela 37:15–17; Efesiana 4:11–14; Jakoba 1:5–6

5. Mpaminany sy Fanambarana

Ny mpaminany dia olona iray izay nantsoin’Andriamanitra hiteny amin’ny Anarany (jereo ny Amosa 3:7). Ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny Filazantsarany. Mampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny tena toetoetrany marina izy ireo. Manameloka ny fahotana izy ireo ary mampitandrina ny amin’izay mety ho vokatr’izany. Maminany ny amin’ny zavatra ho avy ihany koa izy ireo indraindray (jereo ny F&F 1:37–38). Maro amin’ireo fampianaran’ny mpaminany no hita ao amin’ny soratra masina. Rehefa mandalina ny tenin’ireo mpaminany isika dia afaka mianatra fahamarinana ary handray fitarihana (jereo ny 2 Nefia 32:3).

Manohana ny Filohan’ny Fiangonana isika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary ho ilay hany olona tokana eto an-tany mandray ny fanambarana hitarihana ny Fiangonana manontolo. Tohanantsika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ihany koa ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ny fanambarana dia fifandraisana avy amin’Andriamanitra mankany amin’ireo Zanany. Miresaka amin’ireo Mpaminaniny ny Tompo rehefa manambara ny sitrapony amin’ny Fiangonana. Ny soratra masina—ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy lafo vidy—dia ahitana ireo fanambarana nomena tamin’ny alalan’ireo mpaminany fahiny sy amin’izao andro farany izao. Ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no mpaminanin’Andriamanitra eto an-tany ankehitriny.

Afaka mandray fanambarana ny olona tsirairay mba hanampiana azy ireo amin’ny zavatra ilain’izy ireo manokana sy ny andraikiny ary ny fanontaniany manokana, ary mba hanampiana azy ireo hanamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona. Tonga amin’ny alalan’ny fahatsapana sy eritreritra avy amin’ny Fanahy Masina ny ankamaroan’ireo fanambarana ho an’ireo mpitarika sy mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Miteny ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika amin’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 8:2–3). Ny fanambarana ihany koa dia mety ho tonga amin’ny alalan’ny fahitana sy ny nofy ary ny famangian’ireo anjely.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Salamo 119:105; Efesiana 4:11–14; 2 Timoty 3:15–17; Jakoba 1:5–6 ao amin’ny Testamenta Vaovao; Môrônia 10:4–5

6. Fisoronana sy Fanalahidin’ny Fisoronana

Ny fisoronana dia ilay hery sy fahefana mandrakizay an’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny fisoronana no naharian’ Andriamanitra ny lanitra sy ny tany sy nitantanany ary hitantantany izany. Amin’ny alalan’io fahefana io no hanavotany sy hanandratany ireo Zanany, ary hanatanterahany ny “tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Omen’Andriamanitra ireo lehilahy mendrika mpikamban’ny Fiangonana ny fahefan’ny fisoronana mba hahafahan’izy ireo hanao ny asa amin’ny Anarany mba ho famonjena ireo Zanany. Ny fanalahidin’ny fisoronana no zo ho an’ny fiadidiana, na ny fahefana nomen’Andriamanitra ny olona mba hitantanany sy hitarihany ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany (jereo ny Matio 16:15–19). Amin’ny alalan’ireo fanalahidy ireo no ahafahan’ny mpihazona fisoronana mahazo lalana hitory ny filazantsara sy hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena. Ireo rehetra izay manompo ao amin’ny Fiangonana dia nantsoina teo ambany fitarihan’ny olona iray mihazona ny fanalahidin’ny Fisoronana. Ary amin’izany no hanomezana azy ireo ny fahefana ilainy hanompoana sy hanatanterahana ny andraikitra mifamatotra amin’ny antson’izy ireo.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: F&F 121:36, 41–42

Fisoronana Aharôna

Matetika ny Fisoronana Aharôna dia antsoina hoe fisoronana fiomanana. Ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia ny diakona, ny mpampianatra, ny mpisorona ary ny eveka. Ato amin’ny Fiangonana ankehitriny dia mandray ny Fisoronana Aharôna ireo lehilahy mendrika mpikamban’ny Fiangonana rehefa manomboka feno 12 taona.

Ny Fisoronana Aharôna no “mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa” (F&F 13:1).

Fisoronana Melkizedeka

Ny Fisoronana Melkizedeka no fisoronana ambony kokoa na lehibe kokoa ary hitantanana ny zavatra ara-panahy (jereo ny F&F 107:8). Nomena an’i Adama io fisoronana lehibe kokoa io ary hita teto an-tany hatrany isaky ny nanambara ny filazantsarany ny Tompo.

Tamin’ny voalohany izy io dia nantsoina hoe “ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’Andriamanitra” (F&F 107:3). Taty aoriana izy io dia lasa fantatra tamin’ny hoe Fisoronana Melkizedeka, nantsoina araka ny anaran’ny mpisorona avo lehibe iray izay niaina tamin’ny andron’ny mpaminany Abrahama (jereo ny Genesisy 14:18; FF 107:2).

Ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia ahitana ny anjara fanompoan’ny loholona, ny mpisorona avo, ny patriarika, ny Fitopololahy ary ny Apôstôly. Ny Filohan’ny Fisoronana Melkizedeka dia ny Filohan’ny Fiangonana.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Efesiana 4:11–14

7. Ôrdônansy sy Fanekempihavanana

Ôrdônansy

Ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Krsisty ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny hoe ôrdônansy dia zavatra atao iray izay masina sy manara-penitra ary manana heviny ara-panahy. Ny ôrdônansy tsirairay dia nataon’Andriamanitra mba hampianarana fahamarinana ara-panahy. Ireo ôrdônansin’ny famonjena dia tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ary eo ambany fiahian’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Ilaina amin’ny fisandratana ny ôrdônansy sasany ary antsoina hoe ôrdônansin’ny famonjena.

Ny batisa asitrika anaty rano no ôrdônansin’ny famonjena voalohany ao amin’ny filazantsara ary tanterahin’ny olona iray manana fahefana. Ny batisa dia ilain’ny olona iray mba hahafahany ho tonga mpikambana ao amin’ny Fiangonana, ary ahafahany miditra ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny Jaona 3:5).

Ny teny hoe batisa dia avy amin’ny teny Grika iray izay midika hoe mandroboka na manitrika. Ny fanitrihana dia tandindon’ny fahafatesan’ny fiainana feno fahotana an’ny olona iray sy ny fahaterahany indray ao anatin’ny fiainana iray ara-panahy, izay natokany ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ireo Zanany. Tandidon’ny fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty koa izany.

Rehefa vita batisa ny olona iray dia mametra-tanana eo ambonin’ny lohany ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray na maromaro ary mandray azy ho mpikamban’ny Fiangonana. Ao anatin’io ôrdônansy io, izay antsoina hoe fandraisana ho mpikambana, no hanomezana an’ilay olona ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Tsy mitovy amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny fanomezana ny Fanahy Masina. Alohan’ny batisa ny olona iray dia afaka mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina tsindraindray ary amin’ny alalan’izany fitarihana izany no ahafahany mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana (jereo ny Môrônia 10:4–5). Rehefa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ny olona iray dia manana zo hanana ny Fanahy Masina ho namany mandrakariva raha toa ka mitandrina ny didy izy.

Ireo ôrdônansin’ny famonjena hafa dia ahitana ny fanendrena ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana ny fanambadiana (jereo ny F&F 131:1–4). Ireo ôrdônansy rehetra an’ny fisoronana ilaina amin’ny famonjena dia ahitana fanekempihavanana miaraka aminy. Any amin’ny tempoly ireo ôrdônansin’ny famonjena ireo dia azo tanterahina amin’ny alalan’ny fisoloana tena ireo maty. Ny ôrdônansy hisoloana tena dia tsy mihatra raha tsy rehefa manaiky izany ireo olona maty any amin’ny tontolon’ny fanahy ary manaja ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany.

Ireo ôrdônansy hafa toy ny fametrahan-tanana amin’ny marary sy ny fanomezana anarana sy tsodrano ho an’ny zaza dia manan-danja ihany koa ho an’ny fivoarantsika ara-panahy.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Asan’ny Apôstôly 2:36–38

Fanekempihavanana

Ny fanekempihavanana dia fifanarahana masina hifanaovan’Andriamanitra sy ny olona. Andriamanitra no manome ireo fepetra mifehy ilay fanekempihavanana, ary isika dia manaiky ny hanao izay asainy ataontsika; avy eo dia mampanantena fitahiana sasantsasany antsika Andriamanitra noho ny fankatoavantsika (jereo ny F&F 82:10).

Ny ôrdônansin’ny famonjena rehetra an’ny fisoronana dia arahin’ny fanekempihavanana. Manao fanekempihavanana amin’ny Tompo isika eo am-panaovana batisa ary manavao izany fanekempihavanana izany amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ireo rahalahy izay mandray ny Fisoronana Melkizedeka dia miditra ao amin’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana. Manao fanekempihavanana fanampiny isika any amin’ny tempoly.

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Eksodosy 19:5–6; Salamo 24:3–4; 2 Nefia 31:19–20; F&F 25:13

8. Fanambadiana sy Fianakaviana

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia didin’Andriamanitra, ary ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny famonjena sy ivon’ny fahasambarantsika. Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo.

Ny fahefana masin’ny fananahana dia natao hampiasaina eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay nivady ara-dalàna ihany. Ireo ray aman-dreny dia tokony hihamaro sy hameno ny tany, hitaiza ny zanak’izy ireo amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ary hiantoka ny zavatra ara-nofo sy ara-panahy ilain’ireo zanany.

Ny mpivady dia manana andraikitra feno voninahitra ny hifankatia sy hifampikarakara. Ny ray no tokony hitarika ny fianakaviana amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary manome izay ilaina eo amin’ny fiainana. Ny reny no tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany. Manoloana izany andraikitra masina izany, ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo.

Ny drafitra masin’ny fahasambarana no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana haharitra mandrakizay any ankoatry ny fasana. Nohariana ny tany ary nambara ny filazantsara mba hahafahan’ny fianakaviana ho tafaorina, sy ho voafehy ary hisandratra mandrakizay. (Nalaina avy tamin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign, Nôv. 2010, 129.)

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Genesisy 2:24; Salamo 127:3; Malakia 4:5–6; F&F 131:1–4

9. Ireo Didy

Ny didy dia lalàna sy fepetra izay omen’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Maneho ny fitiavantsika Azy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny Didiny (jereo ny Jaona 14:15). Hitondra fitahiana avy amin’ny Tompo ny fitandremana ny didy (jereo ny F&F 82:10).

Ireo didy fototra roa dia ny hoe “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. … Ary [ny hoe] … Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:36 39).

Ny Didy Folo dia lafiny manan-danja tokoa eo amin’ny filazantsara ary fitsipika mandrakizay izay ilaina ho an’ny fisandratantsika (jereo ny Eksodosy 20:3–17). Nanambara izany tamin’i Mosesy ny Tompo tamin’ny andro fahiny ary namerina nanamafy izany indray Izy ao amin’ireo fanambarana amin’izao andro farany izao.

Anisan’ny didy hafa ny fivavahana isan’andro (jereo ny 2 Nefia 32:8–9), ny fampianarana ny filazantsara amin’ny hafa (jereo ny Matio 28:19–20), ny fanajana ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny F&F 46:33), ny fandoavana ny fahafolonkarena feno (jereo ny Malakia 3:8–10), ny fifadian-kanina (jereo ny Isaia 58:6–7), ny famelana ny hafa (jereo ny F&F 64:9–11), ny fananana fanahy mahay mankasitraka (jereo ny F&F 78:19), ary ny fanajana ny Tenin’ny Fahendrena (jereo ny F&F 89:18–21).

Toko sy andininy mifandray amin’izany: Genesisy 39:9; Isaia 58:13–14; 1 Nefia 3:7; Môsià 4:30; Almà 37:35; Almà 39:9; F&F 18:15–16; F&F 88:124

Ho fampahalalana bebe kokoa mikasika ireo lohahevitra ireo dia midira ao amin’ny LDS.org, Teachings, Gospel Topics; na jereo ny Miorim-paka ao amin’ny Finonana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara (2004).