Tahirim-pitaovana
Lesona 68: Môsià 28–29


Lesona 68

Môsià 28–29

Fampidirana

Rehefa niova fo ireo zanakalahin’ny Mpanjaka Môsia, dia nahatsapa faniriana mahery vaika hitory ny filazantsara tamin’ny Lamanita izy ireo. Rehefa avy nangataka tamin’ny Tompo sy nahazo antoka fa hahita fahombiazana sy fiarovana izy ireo, dia namela azy ireo handeha i Môsià. I Môsià, tamin’izay fotoana izay, dia niasa tamin’ny fikarakarana ireo rakitsoratra masina izay nankinina taminy. Nandika ny rakitsoratry ny Jaredita izy ary avy eo dia nanome ireo rakitsoratra rehetra an’i Almà Zanany. Koa satria tsy nanaiky ny ho lasa mpanjaka ireo zanany lahy, dia nametraka rafi-pitantanana tarihin’ny mpitsara i Môsià, ho rafi-pitondrana vaovao teo amin’ny tany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 28:1–9

Naniry ny hitory tamin’ny Lamanita ireo zanakalahin’i Môsià

Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ireto fehezanteny manaraka ireto:

  1. Manana faniriana amin-kitsim-po aho hahazoan’ny hafa fahasambarana mandrakizay.

  2. Vonona ny hahafoy tena hanampy ny hafa aho.

  3. Manana faniriana ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa aho.

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana, dia asao ireo mpianatra hampiasa ireo fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba hitsarany amim-pahanginana ny tenany. Asao izy ireo hampiasa mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10, ny isa 1 dia milaza fa tsy mamaritra tsara azy ireo ilay fehezanteny, ary ny isa folo dia milaza fa tena mamaritra azy ireo tsara mihitsy ilay fehezanteny.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 27:8–10.

  • Mety ho taiza ho aiza teo amin’io mari-drefy io no nisy an’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià tamin’io fotoana niainan’izy ireo io?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 28:1–4.

  • Mety ho taiza ho aiza tamin’io mari-drefy io no nisy ireo zanakalahin’i Môsià taorian’ny fiovam-pon’izy ireo? Fehezanteny inona ao amin’ny Môsià 28:1–4 no maneho ny haben’ny fiovan’izy ireo?

  • Nahoana no niova ny fanirian’ireo zanakalahin’i Môsià? (Nino an’i Jesoa Kristy izy ireo, nibebaka tamin’ny fahotany, ary lasa niova fo; jereo ny Môsià 27:34–36. Azonao atao koa ny miresaka ny Môsià 28:4 mba hiresahana ny fomba nitaoman’ny Fanahin’ny Tompo azy ireo.)

  • Avy amin’ny zavatra nianaranareo mikasika ny Lamanita tamin’io fotoana io tao anatin’ny tantaran’izy ireo, inona ireo fahasarotana mety natrehin’ireo misiônera teo anivon’izy ireo?

  • Araka ny voalazan’ny Môsià 28:2, inona no fiovana ninoan’ireo zanakalahin’i Môsià fa azon’ny fitorian’izy ireo nentina teo amin’ny fiainan’ireo Lamanita?

  • Tamin’ny fomba ahoana no niantraikan’ny fiovam-pon’ireo zanakalahin’i Môsia tamin’ny fanirian’izy ireo hitory ny filazantsara? Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo? (Fintino ny valintenin’ireo mpianatra amin’ny fanoratana ity fitsipika ity eny amin’ny solaitrabe: Rehefa mihalalina ny fiovam-pontsika, dia mitombo ny faniriantsika hitory ny filazantsara.)

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

Asao ireo mpianatra hamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra ity fanambarana ity eo amin’ny faritra malalaka amin’ny sisin’ny pejin-tsoratra masin’izy ireo, eo akaikin’ny Môsià 28:1–4.

“Mari-tondro lehiben’ny haben’ny fiovam-pon’ny tenantsika manokana ny hamafin’ny faniriantsika hitory ny filazantsara” (“Sharing the Gospel,” Ensign, Nôv. 2001, 7).

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba nitomboan’ny fanirian’izy ireo hitory ny filazantsara amin’ny hafa rehefa nihananakaiky ny Tompo izy ireo.

  • Inona ireo zavatra niainanao teo amin’ny fiainanao, izay nitarika anao hanana faniriana hitory ny filazantsara tamin’ny hafa?

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo dia mahafantatra zatovolahy mpikamban’ny Fiangonana, saingy kely fotsiny ny faniriany handeha hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno.

  • Inona no azon’io zatovolahy io atao mba hampitombo ny faniriany hitory ny filazantsara? (Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra, dia amporisiho izy ireo hitadidy ny zavatra nahatonga ny fiovam-pon’izy ireo tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy nihalalina, ary amin’ny fomba ahoana no hamporisihan’izy ireo io zatovolahy io hanao zavatra na hiaina zavatra toy izany. Ampio izy ireo hahita izany fiovam-po lehibe kokoa izany, izay mitarika amin’ny fitomboan’ny faniriana hitory ny filazantsara amin’ny hafa.)

Azonao atao ny manazava ny fomba nahazoanao ny faniriana hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa. Rehefa manao izany ianao, dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa rehefa manakaiky ny Tompo isika ary mahatsapa ny Fanahiny, dia hitombo ny faniriantsika hitory ny filazantsara amin’ny hafa.

Angataho ireo mpianatra hamaky ny Môsià 28:5–8 ary hamantatra ny antony namelan’i Môsià ireo zanany lahy handeha hamita iraka mampatahotra toy izany.

  • Inona no fitahiana nampanantenain’ny Tompo ireo zanakalahin’i Môsià ho valin’ny vavaka nataon’i Môsià?

Môsià 28:10–20

Nandika ireo takelaky ny Jaredita i Môsià ary natolony an’i Almà ireo rakitsoratra masina

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity manaraka ity:

Sary
takela-bolamena sy satro-boninahitra

Tondroy ilay sarin’ny satro-boninahitra, ary asao ny mpianatra iray hamaky ny Môsià 28:10. Asao ny iray kilasy hitady olana iray nananan’ny mpanjaka rehefa lasa namita iraka ireo zanany lahy. (Nila nitady olona iray handimby azy tamin’ny naha-mpanjaka azy izy.)

Fintino ny Môsià 28:11–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nihantitra i Môsià, ary nampifantohany tamin’ireo rakitsoratra masina nankinina taminy ny ampahany tamin’ny eritreriny: ireo rakitsoratra nomen’ny rainy azy sy nasain’ny rainy hotazoniny, ary ireo rakitsoratra nomen’ny Mpanjaka Limia azy. Amin’ny fahaiza-manao ananany amin’ny maha mpahita azy, dia nandika ny rakitsoratry ny Jaredita izy—ireo takelaka izay hitan’ireo andian’olona nirahin’ny Mpanjaka Limia hitady ny tanin’i Zarahemlà (jereo ny Môsià 8:7–9). Sariho ho amin’ilay sarin’ny takela-bolamena eny amin’ny solaitrabe ny sain’ny mpianatra.

Hazavao fa ho fanampin’ny fanendrena mpitondra ho an’ny fanjakana, dia nila nanendry olona hikarakara ireo takelaka ihany koa i Môsià. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 28:20.

  • Iza no nandray ireo rakitsoratra masina?

  • Nahoana i Almà no olona mendrika ny hofidiana hitazona ireo rakitsoratra ireo?

Môsià 29

Nanaraka ny torohevitr’i Môsià ny vahoaka mba hanangana rafi-pitantanana tarihin’ny mpitsara ho endriky ny fitondram-panjakan’izy ireo

Angataho ireo mpianatra hanangana ny tanany raha toa izy ireo ka te ho lasa mpanjakalahy na mpanjakavavy. Fidio ny iray amin’ireo mpianatra ireo ho eny aloha ary hitsangana eo akaikin’ilay sarin’ny satro-boninahitra eo amin’ny solaitrabe (na ametraho satro-boninahitra vita amin’ny taratasy eo ambonin’ny lohany). Asao ilay mpianatra hamariparitra ireo tombontsoa mety ho niainany amin’ny maha mpanjakalahy na mpanjakavavy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 29:1–3.

  • Iza no nirian’ny vahoaka mba ho mpanjakan’izy ireo?

  • Inona no nolavin’ireo zanakalahin’i Môsià mba hahafahan’izy ireo nitory tamin’ny Lamanita?

  • Inona ireo fahafahana sasany hafoy na hahemotr’ireo zatovolahy sy zatovovavy amin’izao fotoana izao mba hahafahan’izy ireo manao asa fitoriana?

Fintino ny Môsià 29:4–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niahiahy ny Mpanjaka Môsià fa hitarika amin’ny fifandirana, eny fa amin’ny ady aza, ny fanendrena mpanjaka vaovao. Nilaza ireo olana hafa izay mety ho nitranga koa izy raha tonga eo amin’ny fahefana ny mpanjaka tsy marina iray. Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 29:16–18 sy hamantatra ireo olana ireo.

Hazavao fa nanolotra sosokevitra ny Mpanjaka Môsià, fa tsy tokony hotantanan’ny mpanjaka intsony ny fitondram-panjakana Nefita. Ho solon’izay, dia namporisika izy ny hanendrena mpitsara, izay mpitsara voafidy avy amin’ny feon’ny vahoaka.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 29:11, 25, hitady ny fomba tokony hitsaran’ireo mpitsara ireo ny vahoaka. (“Araka ny didin’ Andriamanitra” sy “araka ny lalàna izay efa nomen’ ny razantsika anareo.”)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny Môsià 29:26–27, 30, 33–34, 37–38. Zarazarao ho vondron’olon-droa ny mpianatra. Asao ireo mpianatra handalina ireo andinintsoratra masina ireo sy hamantatra ny andraikitr’ireo vahoaka ao amin’ilay fitondram-panjakana nokasain’ny Mpanjaka Môsià harafitra. Avy eo dia asao ireo mpiara-miasa tsirairay hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao koa ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe na manomana azy ireo amin’ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra.)

  • Araka ny voalazan’ny Mpanjaka Môsià, inona ireo tombontsoa ho tonga avy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra avy amin’ny alalan’ny feon’ny vahoaka? (Nilaza izy fa amin’ny ankapobeny, ny feon’ny vahoaka dia tsy maniry zavatra izay “mifanohitra amin’izay rariny.” Niresaka momba ny ilana ny olom-pirenena rehetra hifampizara ny enta-mavesatry ny fitondram-panjakan’izy ireo koa izy ary hanana “zara mitovy.”)

  • Inona no ho vokatra ho azo raha mifidy ny faharatsiana ny feon’ny vahoaka? (Ho tonga amin’izy ireo ny fitsaran’Andriamanitra, ary horinganina izy ireo.)

  • Ao amin’ny Môsià 29:34, inona aminao no dikan’ny fehezanteny hoe “mba hahazoan’ ny olona tsirairay mitondra ny anjarany”? Amin’ny fomba ahoana no hiharan’io fehezanteny io amin’ny andraikitr’ireo olom-pirenena mba handray anjara ao amin’ny fitondram-panjakan’izy ireo eo an-toerana sy manerana ny firenena?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Samy tompon’andraikitra amin’ny zava-mitranga amin’ny fahasimban’ny kolontsaina avokoa ny mpitondra sy ireo mpanaraka azy. … Mora ny manakiana ireo mpitondra ratsy, kanefa tsy tokony hamela ireo mpanara-dia azy hanao izay tian’izy ireo atao isika” (“Repent of [Our] Selfishness,” Ensign, Mey 1999, 24).

  • Nahoana no manan-danja ho an’ny mpitondra sy ireo mpanara-dia azy ny ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataon’izy ireo?

  • Inona no azonareo atao hanohanana ireo lalàna sy mpitondra marina? (Azonao atao ny mampamaky ireo mpianatra ny Fanekem-pinoana 1:12.)

Lazao amin’izy ireo ny fahazoanao antoka fa raha toa ka tsy ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao no manana fahafahana hifidy ny mpitondra azy ireo, dia hanampy mandrakariva ireo izay mahatoky Azy ny Tompo, na aiza na aiza izy ireo no monina.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 29:41–43.

  • Iza no nofidian’ny vahoaka ho lohan’ny mpitsara voalohany? Nahay tsara ny andraikiny mba ho mpitarika mandala ny rariny sy marina ve izy? Inona no vokatra azo avy amin’ny fitarihany?

Asao ireo mpianatra hanazava amin’ny tenin’izy ireo manokana ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Môsià 29. Mety hahita ny sasany amin’ireto fahamarinana manaraka ireto izy ireo:

Afaka miteraka fifandirana sy fahotana ny fitondrana tsy marina.

Tsy fahita izany feon’ ny vahoaka maniry zavatra mifanohitra amin’ izay rariny izany.

Raha mifidy ny faharatsiana ny vahoaka, dia ho tonga amin’izy ireo ny fitsaran’Andriamanitra.

Manana adidy hanao izay hanajana ireo lalàna sy mpitondra marina ny olona tsirairay.

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitsipika nandritra ny lesona androany ny lesona.

Famerenana ny Môsià

Makà fotoana hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ny bokin’i Môsià. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo avy ao amin’io boky io nandritra ny seminera sy ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina. Raha ilaina dia asao izy ireo hijery fohifohy ilay boky iray manontolo mba hanampiana azy ireo hitadidy. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao ny maromaro amin’izy ireo hizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapany mikasika ny zavatra iray nanaitra azy ireo tao amin’ilay boky.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 28:3. Ny faniriana hitory ny filazantsara

Nanome fomba iray mahomby hahafahan’ireo Mpikamban’ny Fiangonana mitory ny filazantsara ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Ny fampiharana ny finoana no fanalahidin’ny fahombiazan’ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana. Ny fomba iray hanehoana ny finoanao ny Tompo sy ny fampanantenany dia ny mametraka daty amim-bavaka mba hananana olona vonona ny hihaona amin’ireo misiônera. Naharay taratasy an-jatony avy amin’ireo mpikambana nampihatra finoana tamin’ity fomba tsotra ity aho. Na dia tsy nanana olona noeritreretina, izay hahafahan’izy ireo mizara ny filazantsara aza ireo fianakaviana, dia nametraka daty izy ireo, nivavaka, ary avy eo dia niresaka tamin’ny olona maromaro kokoa. Ny Tompo no Mpiandry Tsara, ary mahafantatra ny ondriny Izy, izay voaomana hihaino ny feony. Hitarika antsika Izy rehefa mikatsaka ny fanampiany masina isika amin’ny fitoriana ny filazantsarany” (“Creating a Gospel-Sharing Home,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 86).

Môsià 29:41–44. Ny fitondran’ny mpitsara

Nanan-danja tokoa ny fiovana teo amin’ny fitondram-panjakana napetraky ny Mpanjaka Môsià, ka nanomboka tamin’izany fotoana izany ka hatramin’ny nahaterahan’i Kristy (jereo ny 3 Nefia 2:8) dia nirakitra an-tsoratra ny fanisana ny fotoany hatramin’ny fiandohan’ny fitondran’ny mpitsara ny Nefita. Teo aloha dia nanisa ny fotoany niainga avy amin’ny taona nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema ny Nefita.

Hamoaka printy