Tahirim-pitaovana
Fandalinana ho an’ny Mpianatra any an-trano Fizarana 13


Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any An-trano

Môsià 18–25 (Fizarana 13)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity rehefa nandalina ny Môsià 18–25 (fizarana 13) dia tsy natao ho anisan’ny ampianarina ao anatin’ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao.

Andro 1 (Môsià 18)

Taorian’ny nahafatesan’i Abinadia dia nibebaka sy nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny hafa teo amin’ny Ranon’i Môrmôna i Almà. Tamin’ny alalan’ny fandalinana ity zavatra niainana ity, dia nianatra ireo mpianatra fa mahazo ny Fanahin’ny Tompo sy ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay isika amin’ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa, ary tonga amin’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa izany fitahiana lehibe izany.

Andro 2 (Môsià 19–20)

Taorian’ny nandavan’ny Mpanjaka Noà sy ny vahoakany ny fampianaran’i Abinadia, sy ny nikatsahany hamono an’i Almà sy ireo mpanara-dia azy, dia notafihan’ny Lamanita izy ireo. Maty novonoin’ny olony i Noà ary lasa mpanjaka i Limia zanany lahy. Rehefa namaky mikasika ny fomba namarinana ny vahoakan’i Limia ho amin’ny fanandevozan’ny Lamanita ireo mpianatra, dia nianatra izy ireo fa ny fandavana ny tenin’ny mpanompon’ny Tompo dia mitondra fijaliana sy alahelo. Namporisihina izy ireo hieritreritra fotoana iray izany niainan’izy ireo fiadanana sy fahatsapana ho voaro ara-panahy tamin’ny alalan’ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpanompon’ny Tompo.

Andro 3 (Môsià 21–24)

Nianatra ireo mpianatra fa na dia olo-marina ary i Almà sy ny olony, dia nentin’ny Lamanita ho babo ihany koa. Nanao tabilao tao amin’ny diary fandalinany soratra masina ireo mpianatra, izay mampitaha ny fanandevozana sy ny fanafahana an’i Limia sy ny vahoakany tamin’i Almà sy ny vahoakany. Mampianatra ny tantaran’ny vahoakan’i Limia fa rehefa maniry ny hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana isika, dia manomana lalana hanafahana antsika ny Tompo. Nianatra avy amin’ny andiany nisy an’i Almà ny mpianatra fa rehefa manaiky amim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo isika, dia hampatanjaka antsika sy hanafaka antsika amin’ny fitsapana antsika amin’ny fotoana voatendriny Izy.

Andro 4 (Môsià 25)

Rehefa tafaraka soa aman-tsara teo ambanin’ny fanapahan’ny Mpanjaka Môsià tao Zarahemlà ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà, dia novakiana tamin’ny olona rehetra ny tantaran’izy ireo. Nianatra ireo mpianatra fa afaka mahatsapa fifaliana sy fankasitrahana isika noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fandalinana ireo rakitsoratra mikasika ny fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona hafa. Rehefa nandinika mikasika ny zavatra hitovizan’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’ny Nefita sy ny maha mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao ireo mpianatra, dia nianatra izy ireo fa rehefa mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika sy miaina mifanaraka amin’izany isika, dia hitahy antsika amin’ny Fanahiny ny Tompo. Nanoratra mikasika ny fiovana eo amin’ny fiain’izy ireo avy amin’ny fahavononana hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amin’izy ireo ny mpianatra.

Fampidirana

Ny fampitahana sy ny fampifanoherana ireo zavatra niainan’ny olon’i Almà sy ny olon’i Limia dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra fitsipika manan-danja tsy mbola fantany mikasika ireo loharanon’ny fitsapana antsika sy ny fomba hanafahana antsika amin’ny fahoriana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ampio ireo mpianatra hahafantatra fa rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina izy ireo, sy mahatoky ny Tompo, ary miantso Azy amim-panetren-tena mba hanampy azy ireo, dia Izy tenany mihitsy no hampatanjaka azy ireo sy hanafaka azy ireo amin’ny fahoriany ary amin’ny fotoana voatendriny.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 18

Nitory ny filazantsara tamin’ny olon’ny Mpanjaka Noà i Almà, ary maro no nibebaka sy naniry ny ho atao batisa

Asao ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny batisan’ny tenan’izy ireo manokana. Asao izy ireo hizara antsipiriany mendrika hotsarovana mikasika ny zavatra niainan’izy ireo. Avy eo dia asehoy, raha misy, ilay sary mitondra ny lohateny hoe Manao Batisa ao amin’ny Ranon’i Môrmôna i Almà (62332; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 76), ary angataho izy ireo hitadidy ireo zava-niseho tantaraina ao amin’ny Môsià 18:8–11. Anontanio ireo mpianatra ny zavatra takany mikasika ny tanjon’ny batisa sy ny fanekempihavanan’ny batisa tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy ireo.

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny tantara ao amin’ny Môsià 18 ireo mpianatra, dia asao izy ireo hamadika ny diary fandalinany soratra masina ao amin’ny andro 1, asa nampanaovina 1, izay nanehoany an-tsary ny zavatra nampianarin’i Almà mikasika ny fanekempihavanan’ny batisa araka izay nazavaina ao amin’ny Môsià 18:8–11. Asao ny mpianatra iray hamerina hanao ny fanehoana an-tsary nataony eny amin’ny solaitrabe na hizara izany amin’ny iray kilasy, ary asao ny mpianatra hafa raha manana zavatra hanampiana izay voalaza eo amin’ny tsanganana misy ny hoe “Mampanantena aho” sy “Mampanantena Andriamanitra” izy ireo. Avy eo dia soraty eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy ity fitsipika manaraka ity: Mandray ny Fanahin’ny Tompo sy ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Môsià 18:8–11.

Manontania hoe: Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fahatakaranareo ny fanekempihavanan’ny batisa fiantraikany eo amin’ny fanirianareo hitandrina io fanekempihavanana io?

Môsià 19–24

Nafahana tamin’ny fanandevozan’ny Lamanita ny vahoakan’i Limia sy ny mpanara-dia an’i Almà

Asao ny mpianatra iray hamaky ny fanambarana voalohany nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny lesona ho an’ny andro faha 3 ao amin’ity fizarana ity ao amin’ny torolalana ho an’ny fandalinan’ny mpianatra. Anontanio ireo mpianatra ny zavatra izay nolazain’ny Loholona Scott fa fizahan-toetra roa karazana izay atrehintsika eo amin’ny fiainantsika. (Tokony hotsipihin’izy ireo izany ao amin’ny boky torolalan’izy ireo.) Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Zava-tsarotra azo avy amin’ny fandikan-dalàna sy Fahatsarana azo avy amin’ny fitsapana.

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny valintenin’izy ireo ao amin’ny andro faha 3, asa nampanaovina 1, ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Aorian’izay dia soraty ny hoe Vahoakan’i Limia eo ambanin’ny hoe “Zava-tsarotra azo avy amin’ny fandikan-dalàna” (jereo ny Môsià 19:10, 25–28; 20:20–21) sy vahoakan’i Almà eo ambanin’ny hoe “Fahatsarana azo avy amin’ny fitsapana” (jereo ny Môsià 23:18–21). Asao ireo mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo ohatra vitsivitsy izay mety hiatrehan’ny olona amin’izao fotoana izao ny tsirairay avy amin’ireo karazan-java-tsarotra ireo.

Rehefa mamerina mijery ireo fitsipika ireo miaraka amin’ny mpianatrao ianao, dia soraty eny amin’ny solaitrabe izy ireo.

Asao ny mpianatra hamaky tsiroaroa ny Môsià 21:13–16. Angataho izy ireo hitady teny sy fehezanteny izay mampianatra fa rehefa manetry tena isika, miantso ny Tompo, ary mibebaka amin’ny fahotantsika, dia handre ny vavaka ataontsika Andriamanitra ary hanamaivana ny enta-mavesatry ny fahotantsika amin’ny fotoana notendreny. Asao ny mpianatra hizara izay eritreretin’izy ireo hoe fomba azon’ny olona iray hampiharana io fitsipika io raha niaina ny iray amin’ireo zava-tsarotra voasoratra eny amin’ny solaitrabe izany olona izany.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 21:31–32, 35 sy hamintina ny fandosiran’ny vahoakan’i Limia ao amin’ny Môsià 22 mba hanehoana fa rehefa manao fanekempivahanana ny hanompo an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny isika, dia hanomana lalana hanafahana antsika ny Tompo. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Môsià 21:31–35.

Mba hamerenana ny fitsipika iray naianaran’ny mpianatra avy amin’ny fandalinana mikasika ny olon’i Almà, dia asao ny mpianatra iray hamintina ny tantara mikasika ny fomba namarinn’ny Lamanita ny vahoakan’i Almà ho amin’ny fanandevozana (jereo ny Môsià 23:25–24:11). Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môsià 24:12–17. Asao izy ireo hampahatsiahy ireo teny na fehezanteny izay mampianatra fa Rehefa manaiky amim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo isika, dia hankahery antsika Izy ary hanafaka antsika amin’ny fizahan-toetra lalovantsika amin’ny fotoana voatendriny. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ireo teny manan-danja na fehezanteny ao amin’ireo andininy ireo.

Adikao eny amin’ny solaitrabe na omano amin’ny taratasy ireto ohatra manaraka ireto. Asao ireo mpianatra hanazava hoe amin’ny fomba ahoana no hahafahany mampiasa ireo fahamarinana nianaran’izy ireo avy amin’ny fandalinana mikasika ny vahoakan’i Limia sy Almà mba hanampiana ilay olona ao amin’ny ohatra tsirairay.

  1. Nahatsapa ny tokony hibebahany sy niaina fahatsapana mahery dia mahery ho tsy mendrika sy kivy ny namana iray, izay nanontany tena raha toa ka mbola azo atao ny mandresy ny fakam-panahy sy ny fahatsapana ho meloka. Amin’ny fomba ahoana no hahafahanareo mampiasa ny tantaran’ny vahoakan’i Limia mba hampaherezana sy hanomezana fanantenana ny namanareo hibebaka? (Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hitady ireo andininy miavaka ao amin’ny Môsià 21 izay azon’izy ireo zaraina amin’io namana io. Asao ireo mpianatra hanazava ny antony hiheveran’izy ireo fa hanampy ilay namana ireo andininy nofidian’izy ireo.)

  2. Mifandray tsara aman’olona ary miezaka ny hiaina mifanaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsara ny namana iray. Tsy te hanao zavatra miaraka amin’io olona io ny olona sasany, izay milaza fa “diso tsara loatra” izy ho azy ireo. Amin’ny fomba ahoana no hampiasanareo ny tantaran’ny vahoakan’i Almà mba hanampiana ny namanareo hahatoky ny Tompo ary hahazo hery sy fampiononana ao anatin’io fizahan-toetra io? (Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hitady ireo andininy miavaka ao amin’ny Môsià 24 izay azon’izy ireo zaraina amin’ilay namany. Asao izy ireo hanazava ny antony hieritreretan’izy ireo fa hanampy ireo andininy nofidian’izy ireo.)

Asao ireo mpianatra hitantara mikasika ireo fotoana izay nahitan’izy ireo na ny olona fantany ny herin’ny fanafahan’ny Tompo teo amin’ny fiainan’izy ireo. (Mitandrema tsara mba hamporisika na hamela ireo mpianatra hitantara ao an-dakilasy ireo antsipirian-javatra tsy mendrika na fandikan-dalàna nataony taloha.) Amporisiho ireo mpianatra hitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo, hangataka ny Tompo hanampy azy ireo, ary hametraka ny fitokian’izy ireo amin’ny herin’ny fanafahany na inona na inona ny fizahan-toetra lalovan’izy ireo eo amin’ny fiainany. Farano ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny herin’ny Tompo izay manafaka antsika amin’ireo olana sy zava-tsarotra izay tonga na avy amin’ny fandikantsika lalàna na avy amin’ny fitsapana izay natao mba hanadiovana antsika.

Fizarana manaraka (Môsià 26Almà 4)

Mandritra ny herinandro ho avy, dia hianatra mikasika ny anjely iray izay nirahina mba hanakana an’i Almà Zanany tamin’ny fandravana ny Fiangonana ireo mpianatra. Handalina ny zavatra nitranga tamin’i Almà taorian’io zavatra niainana io izy ireo ary hamaky ny sasany amin’ireo fampianarana manan-danja mikasika ny fahaterahana indray ara-panahy izay hita ao amin’ny soratra masina. Rehefa nodimandry ny Mpanjaka Môsià, dia voafidy ho mpitarika ny Nefita i Almà. Nanandrana nanongana azy i Amlisia, izay lehilahy ratsy fanahy. Amporisiho ireo mpianatra hitady ny zavatra nataon’i Almà mba hanasana ny herim-panafahan’ny Tompo ao anatin’ity toe-javatra ity.

Hamoaka printy