Tahirim-pitaovana
Lesona 116: 3 Nefia 1


Lesona 116

3 Nefia 1

Fampidirana

Rehefa nanakaiky ny fotoana hahatanterahan’ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy, dia niandrandra ireo famantarana izay nolazain’i Samoela fa hiseho ireo mpino. Ireo tsy mpino dia nandrahona ny hamono ireo mpino raha toa ka tsy tanteraka tamin’ny andro iray voafaritra ilay faminaniana. Nitalaho tamin’ny Tompo ny amin’ireo mpino i Nefia, zanak’i Nefia sy zafikelin’i Helamàna. Ho valin’ny vavaka nataon’i Nefia, dia tonga taminy ny feon’ny Tompo nanambara fa homena ny alin’iny ny famanatarana. Rehefa nilentika ny masoandro, dia tsy nisy haizina, ary nisy kintana vaovao niseho. Na teo aza ny fikasana tsy tapaka nataon’i Satana mba handrava ny finoan’ny vahoaka, dia niova fo ho an’ny Tompo ny ankamaroan’ny vahoaka. Roa taona taty aoriana anefa, dia nanomboka nitarika Nefita sy Lamanita maro ho amin’ny faharatsiana ireo jirik’i Gadiantôna.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 1:1–26

Tanteraka ireo faminaniana mikasika ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, ary Nefita maro no niova fo.

Asao ireo mpianatra mba hierietreritra olona izay nahafoy ny ainy ho an’ny filazantsara. (Anisan’ny ohatra i Jesoa Kristy, Abinadia, ny sasany amin’ireo Antia-Nefia-Lehia, ary Joseph sy Hyrum Smith.) Asao ny mpianatra hanazava izay heverin’izy ireo fa mahatonga ny olona hanaiky hanao fahafoizana tahaka izany. Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainany ny mety ho fomba fihetsiny raha toa izy ireo ka ao anatin’ny toe-javatra mitaky azy ireo hamoy ny ainy ho an’ny filazantsara. Hazavao fa dimy taona taorian’ny nitorian’i Samoela ilay Lamanita tao Zarahemlà dia niatrika toe-javatra toy izany ny vondrona Nefita mahatoky iray.

Fintino ny 3 Nefia 1:1–3 amin’ny filazana amin’ireo mpianatra fa i Nefia zanakalahin’i Helamàna dia nanome ireo rakitsoratra masina an’i Nefia zanany lahy ary nandeha niala ny tany. Tsy nisy nahafantatra izay toerana nalehany.

Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 1:4–9. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zava-tsarotra natrehan’ireo Nefita mahatoky.

  • Inona no zava-tsarotra natrehan’ireo mpino?

  • Inona no mety ho antony mahatonga ny olona sasany hiezaka ny hijanona ho mahatoky ao anatin’izany toe-javatra izany?

  • Iza no olona fantatrao ka inoanao fa hijanona ho mahatoky ao anatin’izany toe-javatra izany? Nahoana no hijanona ho mahatoky ireo olona ireo araka ny hevitrao?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 1:10–12 , ary hitady izay nataon’i Nefia tamin’izany fotoan-tsarotra izany.

  • Inona no manaitra anao amin’ny fihetsik’i Nefia manoloana izany toe-javatra izany? Nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 1:13–14 , ary asaivo mifantoka tsara amin’ny valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataon’i Nefia ireo mpianatra.

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa “ha[sehony] amin’izao tontolo izao”? (Ny valiny omen’ireo mpianatra dia tokony ahitana taratra fa ny Tompo dia hanatanteraka izay teny rehetra efa nampiteneniny tamin’ny vavan’ny mpaminaniny.)

  • Raha nilaza ny amin’ny fahatongavany eo amin’izao tontolo izao ny Tompo mba “hanao ny sitrapo, dia ny an’ny Ray sy ny an’ny Zanaka,” dia ny Sorompanavotany no tiany hambara. Ahoana no ahafahan’izany hafatra izany manampy antsika “hahery”?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 1:4, 14–15, 19–21 , ka hitady ireo andianteny izay manantitrantitra fa ny Tompo dia manatanteraka ny tenin’ireo mpaminany.

  • Araka ny hevitrao, ahoana ny mety ho fahatsapana nanananao raha toa ka anisan’ireo mpino ianao tamin’ny nisehoan’ny famantarana?

  • Ahoana no hahazoanao fanampiana amin’ny fahafantarana fa hanatanteraka ny tenin’ireo mpaminany ny Tompo rehefa misy manebaka ireo fenitra arahanao na manenjika anao amin’ireo finoanao?

Asao ny mpianatra roa na telo mba hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 1:16–18. Asao hanaraka sy hamaky izany ireo mpianatra ary hitady ny fihetsik’ireo ratsy fanahy rehefa nahita ireo famantarana izay nambaran’ny faminaniana izy ireo.

  • Inona no zavatra fantatr’ireo ratsy fanahy taorian’ny nanomezana ny famantarana?

  • Nahoana no mitarika ho amin’ny tahotra ny fahotana sy ny tsy finoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 1:22–23. Asao hanaraka sy hamaky izany ireo mpianatra ary hitady izay nataon’i Satana mba handresen-dahatra ny vahoaka mba tsy hino ireo famantarana ny fahaterahan’ny Tompo.

  • Inona no nataon’i Satana? (Nandefa fandaingana tany anivon’ny vahoaka Izy.) Inona avy ireo lainga alefan’i Satana amin’izao fotoana izao?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarantsika avy amin’ny fihetsiky ny vahoaka manoloana ny laingan’i Satana? (Ampio ireo mpianatra mba hamantatra izao fitsipika izao: Rehefa miatrika ny laingan’i Satana isika, dia afaka misafidy ny hino an’i Jesoa Kristy sy hiova fo. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ity fitsipika ity, dia zarao ity teny nambaran’ny Eveka Richard C. Edgley ao amin’ny Episkôpà Mpiahy ity. Omeo ny mpianatra ny tahadikan’ity teny nambara ity, izay azo ampirimina tsara ao anatin’ny soratra masin’izy ireo.

Noho ireo fifanoherana sy fanamby izay atrehintsika amin’izao tontolo ankehitriny izao, dia maniry ny hanolotra safidy tokana aho—safidy feno fiadanam-po sy fiarovana ary safidy izay mety ho an’ny rehetra. Izany safidy izany dia ny finoana. … Fidio ny finoana toy izay ny fisalasalana, fidio ny finoana toy izay ny tahotra, fidio ny finoana toy izay ny zavatra tsy fantatra sy izay tsy hita maso, ary fidio ny finoana toy izay ny fieritreretana ny zavatra rehetra ho ratsy. …

“Rehefa manohitra ny fampianarana masina sy ny fotopampianarana ny fahaizana manaporofo, ny fisainana ara-drariny, na ny faharanitantsain’ny tena manokana, na koa rehefa misy hafatra mampikorontan-tsaina manafika ny finoanao … , fidio ny tsy hanary ilay voa ivelan’ny fonao amin’ny tsy finoana [jereo ny Almà 32:28]. Tsarovy fa tsy mandray fijoroana ho vavolombalona isika raha tsy aorian’ny fizahan-toetran’ny finoantsika (jereo ny Etera 12:6)” (“Faith—the Choice Is Yours,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 31, 32–33).

  • Inona no azontsika atao mba hisafidianana ny finoana toy izay ny fisalasalana, sy ny tahotra, ary ny fieritreretana ny zavatra rehetra ho ratsy? (Mety ahitana ny valiny hoe afaka misafidy ny hivavaka sy hikatsaka ny fanampian’ny Tompo isika, mandalina soratra masina, manaja ireo didy, manatrika ireo fivoariana any am-piangonana, ary manompo ny hafa).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 1:24–25 sy hitady zava-tsarotra hafa natrehin’ny sasany tamin’ireo mpino.

  • Inona no noezahin’ny olona sasany hoporofoina mikasika ny lalàn’i Mosesy?

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny fihetsika nasehon’ireo olona ireo rehefa fantany fa diso izy ireo?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no hihazonako ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany naverina tamin’ny laoniny rehefa mikasa ny hitarika ahy amin’ny fisalasalana ny fahavalo? Asao ireo mpianatra handika ao amin’ny kahie na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina io fanontaniana io. Omeo minitra vitsy izy ireo hanoratany ny valinteniny.

3 Nefia 1:27–30

Nanaraka ireo jirik’i Gadiantôna ireo mpiendaka tamin’ny Nefita sy ny sasany tamin’ireo tanoran’ny Lamanita

Asao ho eny aloha ny mpianatra roa. Mangataha mpianatra iray hanakimpy ny masony ary hijoro amin’ny tongotra ilany. Hazavao fa io mpianatra io dia maneho olona iray izay mahafantatra ny fahamarinana saingy tsy mampihatra ny finoany ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary tsy miaina amim-pahazotoana ny filazantsara.

Hazavao fa amin’ity fanehoana ohatra ity, dia maneho ireo hery mitarika ny olona iray hiala amin’ny fahamarinana ilay mpianatra faharoa. Angataho ilay mpianatra faharoa hanosika moramora amin’ny sandriny ilay mpianatra voalohany mandra-pihozongozony. Hamafiso fa rehefa tsy milofo hiaina ny filazantsara ny olona iray, dia mora kokoa aminy ny ho voafitaky ny lainga sy ny fakampanahin’i Satana.

  • Inona no tokony hataon’ilay mpianatra voalohany mba hiorina tsara? (Tokony hanokatra ny masony sy hijoro amin’ny tongotra roa ilay mpianatra.)

Omeo toromarika hanokatra ny masony sy hijoro amin’ny tongotra roa mitovy elanelana amin’ny soroka ilay mpianatra voalohany. Hazavao fa io mpianatra io amin’izao dia maneho olona iray izay“miorina sy mifototra ao amin’ny finoana” (Helamàna 15:8). Avy eo dia asao ilay mpianatra faharoa hanosika moramora amin’ny sandriny indray ilay mpianatra voalohany. Hamafiso fa rehefa milofo handalina ny filazantsara sy hitandrina ireo didin’Andriamanitra ny olona iray, dia miorina izy na dia misy aza ny fifanoherana.

Asao hiverina eny amin’ny toerany ireo mpianatra roa. Hazavao fa taona vitsy taorian’ireo famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, dia niezaka hatrany i Satana mba hahatonga ny olona hisalasala momba ny fahamarinan’ny filazantsara.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 1:27–29. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra ary hitady ny fitaoman’ireo vahoaka tsy marina ny sasany tamin’ireo tanora Lamanita.

  • Inona no nitranga tamin’ireo tanora Lamanita sasany? (Izy ireo dia “voatariky ny sasany izay Zôramita,” ary nitambatra tamin’ireo jirik’i Gadiantôna izy ireo.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 1:29, nahoana ireo tanora Lamanita sasany no nino ireo “fandaingana” sy “teny manasohaso” nataon’ireo Zôramita? (Raha toa tsy voalazan’ireo mpianatra ny tenin’i Môrmôna hoe ireo tanora dia “nanjary tompon’ny tenany,” dia hamafiso amin’izy ireo izany.)

  • Araka ny hevitrao dia inona no hevitry ny fehezanteny hoe “nanjary tompon’ny tenany izy”?

Mandritra ny fifanakalozan’ireo mpianatra hevitra mikasika io fanontaniana io dia vakio ny zavatra nolazain’ny Rahavavy Kathleen H. Hughes, izay mpikambana tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, mikasika io fehezanteny io:

“Raha ny fahitako azy dia nijery ny tenany izy ireo aloha ary namela malalaka ny faniriana izay nampitandreman’ireo mpaminany azy mba hialany. Namela toerana ho an’ny fitaomana sy ny fisarihan’i Satana izy ireo” (“Grow Up unto the Lord,” Ensign, Feb. 2010, 18).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 1:30. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fiantraikan’ny fihetsik’ireo “taranaka vao misondrotra” (ireo tanora) eo amin’ny hafa.

  • Inona no fiantraikan’ny fihetsik’ireo tanora vao misondrotra eo amin’ny finoan’ireo olona manodidina azy ireo?

Mba hanampiana ireo tanora hampifandray io tantara io amin’ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo “fandaingana” sy “teny manasohaso” mety hitarika ireo tanora ankehitriny hikambana amin’ny vondrona tsy marina?

  • Oviana no nahitanao zatovo izay nitondra fiantraikany ratsy teo amin’ny finoan’ny hafa?

Asao ny mpianatra hanambara fitsipika iray izay mamintina ny zavatra azontsika hianarana avy amin’ny 3 Nefia 1:29–30. Mahazo mampiasa teny hafa izy ireo hanambarana ny valinteniny, saingy ataovy izay ahazoana antoka fa nahita izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Raha manaiky ho resin’ny fakampanahy isika, dia mety hitondra fiantraikany ratsy eo amin’ny finoana sy ny fahamarinan’ny hafa ny ohatra asehontsika. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Hamafiso fa na teo aza ireo zatovo voalaza ao amin’ny 3 Nefia 1:30 izay nanao fihetsika nitondra fiantraikany ratsy teo amin’ny finoan’ny hafa, dia afaka manao fihetsika mitondra fiantraikany tsara ho an’ireo izay manodidina azy ihany koa ny tanora. Asao ny mpianatra iray ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra ho an’ny kilasy. Asaivo soratan’ilay mpanoratra ireo valintenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fomba ahafahanao manana fiantraikany tsara eo amin’ny finoan’ny fianakavianao, ny paroasy na sampana misy anao, sy ny fiarahamonina misy anao?

Amporisiho ireo mpianatra mba hisafidy hevitra iray na roa eny amin’ny solaitrabe izay ho ampihariny avy hatrany. Lazao azy ireo fa afaka manamafy orina ny finoan’ny hafa izy ireo amin’ny alalan’ny herin’ny ohatra marin’izy ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 1:2. Ireo mpitana ny rakitsoratry ny Nefita

I Nefia zanakalahin’i Helamàna dia nanome an’i Nefia zanany lahy “ny rakitsoratra rehetra izay efa nosoratana, ary ireo zavatra rehetra izay efa notanana ho masina hatramin’ny niaingan’i Lehia niala an’i Jerosalema” (3 Nefia 1:2). Tamin’io fotoana io, ny fitambaran’ireo rakitsoratra masina dia nahitana ny takelaka lehiben’i Nefia, ny takelaka kelin’i Nefia, ireo takela-barahina, ary ireo takela-bolamena 24 nosoratan’i Etera

Ity tabilao manaraka ity dia maneho ny fiampitan’ireo rakitsoratra masina teo amin’ireo mpaminany nanomboka teo ho eo amin’ny taona 124 talohan’i J.K. (fiandohan’ny bokin’i Môsià) ka hatramin’ny taona 1 eo ho eo taorian’i J.K. (fiandohan’ny bokin’i 3 Nefia).

Ny Mpanjaka Benjamina

Sary
zana-tsipìka manondro midina

Ny Mpanjaka Môsià (nandray ireo takelaka tokotokony ho teo amin’ny taona 124 talohan’i J.K.; jereo ny Môsià 1:15–16)

Sary
zana-tsipìka manondro midina

Almà Zanany (nandray ireo takelaka tokotokony ho teo amin’ny taona 92 talohan’i J.K.; jereo ny Môsià 28:20)

Sary
zana-tsipìka manondro midina

Helamàna I, zanakalahin’i Almà Zanany (nandray ireo takelaka tokotokony ho teo amin’ny taona 73 talohan’i J.K.; jereo ny Almà 37:2)

Sary
zana-tsipìka manondro midina

Siblôna, zanakalahin’i Almà Zanany (nandray ireo takelaka tokotokony ho teo amin’ny taona 56 talohan’i J.K.; jereo ny Almà 63:1)

Sary
zana-tsipìka manondro midina

Helamàna II, zanakalahin’i Helamàna I (nandray ireo takelaka tokotokony ho teo amin’ny taona 53 talohan’i J.K.; jereo ny Almà 63:11)

Sary
zana-tsipìka manondro midina

Nefia I, zanakalahin’i Helamàna II (nandray ireo takelaka tokotokony ho teo amin’ny taona 39 talohan’i J.K.; jereo ny Helamàna 3:37; 3 Nefia 1:2)

Sary
zana-tsipìka manondro midina

Nefia II, zanakalahin’i Nefia I (nandray ireo takelaka tokotokony ho teo amin’ny taona 1 talohan’i J.K.; jereo ny 3 Nefia 1:3)

Marihina fa ny anarana fiantsoana hoe“Helamàna I” sy “Nefia I” dia tsy natao hieritreretana fa ireo no hisehoan’ireo anarana ireo voalohany indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny hany antony hampiasana ireo tarehimarika romana aorian’ireo anarana dia ny mba hampazava tsara kokoa ity tabilao ity. Tsy tafiditra ao amin’ity tabilao ity i Nefia zanakalahin’i Lehia, izay nanoratra ny boky 1 Nefia sy 2 Nefia.

3 Nefia 1:29–30. “Ny faharatsian’ny taranaka vao misondrotra”

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny mety ho fiantraikan’ny fihetsiky ny olona iray izay mania eo amin’ny fianakaviana:

“Ny tanoran’ny Fiangonana … no tompon’ny hoavy. Hatramin’izay dia taranaka iray hatrany no nanavotra ny Fiangonana tsy ho rava. Raha very avokoa ny olona rehetra ao amin’ny taranaka iray, izay zavatra tsy hitranga, dia ho very ny Fiangonana. Kanefa ny olona iray monja, izay tsy mandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia manakatona ireo varavarana ho an’ny taranaka maro mifandimby, raha tsy ny Tompo no manampy hamerina ny sasany amin’izy ireo” (“We Must Raise Our Sights” [lahateny ho an’ny mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, Aog. 14, 2001], 1, si.lds.org).

Hamoaka printy